Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Mahasoa ny Mihomehy

“Hitan’ny mpahay siansa fa mitovy amin’ny miala sasatra 45 minitra, ny mihomehy 30 segondra monja.” Izany no tatitra navoakan’ny gazety poloney Przyjaciółka. ‘Toy ny avy nanao fanatanjahan-tena nandritra ny telo minitra ny olona toran’ny hehy tampoka. Ary mitovy amin’ny mivoy lakana folo minitra kosa, ny mitsiky impolo.’ Mahasoa koa ny mihomehy satria mitombo avo telo heny ny rivotra miditra ao amin’ny havokavoka, sady mihatsara ny fikorianan’ny ra, ny fandevonan-kanina, ny fanodinan’ny vatana ny sakafo, ny fiasan’ny atidoha, ary ny fanesorana ny loto ao amin’ny vatana. Manoro hevitra ilay gazety fa raha te ho falifaly ianao, dia izao atao amin’ny maraina vao mifoha: mitsikitsikia irery, ary mitsikia koa amin’ny vady aman-janakao. Hoy koa ilay gazety: “Mba mianara mivazivazy. Miezaha mijery lafy tsaran-javatra na dia ao anatin’ny sarotra aza.”

Mampatory Tsara ny Hainandro Tolakandro

Nisy fandinihana natao vao haingana momba ny torimason’ny zazakely salama 56, navoakan’ny gazety Journal of Sleep Research. Hita tamin’izany fa “natory tsara tamin’ny alina, ny zazakely nentina nitanina andro elaela kokoa tamin’ny fiandohan’ny tolakandro.” Tsy nampiova ny hatsaran’ny torimason’izy ireo anefa ny hainandro tamin’ny maraina sy hariva. Ny Pr. Yvonne Harrison, renim-pianakaviana miasa ao amin’ny Oniversiten’i John Moores, any Grande-Bretagne, no nanao io fandinihana io. Nanapa-kevitra ny hanao ilay fandinihana izy satria hita tamin’ny fikarohana teo aloha, fa nihatsara ny torimason’ireo zokiolona nitanina andro elaela kokoa.

Mihanaka ny Aretin’i Chagas

Bibikely mpitsentsitra ra atao hoe “bibikely mpanoroka” no mpamindra ny aretin’i Chagas. Ao amin’ny tain’io bibikely io no misy katsentsitra mitondra ilay otrikaretina. Olona maro no voan’io aretina io any ambanivohitr’i Meksika hatrany Arzantina. Milaza ny gazety The Herald any Meksika, fa Meksikanina 1 500 000 ka hatramin’ny 2 000 000 any ho any, no mitondra io katsentsitra io. Mihanaka any amin’ny faritra hafa koa anefa ilay aretina, ary anisan’ny mampifindra azy ny fampidiran-dra. Hoy i Bert Kohlman, biolojista meksikanina: “Nilaza ny tatitra voarainay fa misy olona voan’io aretina io koa any Aostralia, Eoropa, Etazonia ary Kanada, ka ny fampidiran-dra no nahatonga izany. Manome ra mantsy ireo mpifindra monina avy any amin’ireo tanin’i Amerika. Tsy mieritreritra ny hanao fitiliana ny ran’izy ireo, izay mety hisy katsentsitra, anefa ny any amin’ny tany alehany satria salama izy ireo mazàna.” Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa 16 ka hatramin’ny 18 tapitrisa eo ho eo no voan’ny aretin’i Chagas any amin’ny Tany Tandrefana, ary 100 tapitrisa mahery no atahorana ho voa. Mbola tsy misy fanafana io aretina io hatramin’izao, ary matetika no mahafaty.

Mively Amponga mba Hitakiana Hetra

Nanao tatitra ny filazam-baovao Reuters, fa nahatratra 1 150 000 dolara ny hetram-pananana tsy voaloan’ny mponina any Rajahmundry, any Inde. Mba hampirisihana azy ireo handoa izany, dia nilaza ny manam-pahefana tao an-tanàna, fa tsy hampiharana sazy sady tsy hitakiana zanabola izay mandoa ny hetrany. Tsy nahomby anefa io tetika voalohany io, ka nitady hevitra hafa ireo manam-pahefana. Nanakarama tarika 20 izy ireo, mba hively amponga teny an-tokotanin’ireo tsy nahaloa hetra. Hoy i T. Anjaneyulu, solontenam-panjakana tao an-tanàna: ‘Miantsoantso eny an-tokotanin’ireo tsy nahaloa hetra [ireo mpively amponga], ka mampivoaka an’ilay olona avy ao an-tranony. Resahiny aminy, avy eo, ilay hetra tsy voaloa sady lazainy aminy fa tokony haloa haingana araka izay azo atao ilay izy. Tsy miala teo izy ireo raha tsy efa manaiky handoa ny hetrany ilay olona.’ Nandaitra ilay tetika hafakely, satria voangona tao anatin’ny herinandro monja, ny 18 isan-jaton’ny hetram-pananana tsy voaloa.

Fivavahana any Rosia

Noheverina taloha fa ny ankamaroan’ny mpivavaka any Rosia, dia vehivavy sy zokiolona ary ireo tsy nianatra tany amin’ny oniversite. Hita anefa ankehitriny, araka ny fanadihadiana natao, fa mihabetsaka ny olona manaraka antokom-pivavahana ka anisan’izany ny tanora sy ny lehilahy ary ny olona nandia fianarana ambony. Izany no tatitra navoakan’ny gazety rosianina Rossiyskaya Gazeta. Ny 30 isan-jaton’ny mponina monja no nilaza fa Ortodoksa, teo anelanelan’ny taona 1989 sy 1991. Taorian’ny 1999 anefa, dia maherin’ny antsasaky ny mponina no nilaza fa Ortodoksa. Hitan’ireo manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina any Rosia, tamin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo vao haingana, fa mino ny fisian’ny fiainana aorian’ny fahafatesana ny 30 isan-jaton’ny Rosianina, mino ny lanitra sy ny afobe ny 24 isan-jato, ary mino ny fahagagana ny 28 isan-jato. Efa ho ny ampahatelon’ireo nadinadinina no mino ny fisian’Andriamanitra, ary tsy misalasala ny amin’izany izy ireo. Milaza koa ilay tatitra fa “30 isan-jaton’ny Rosianina no mino ny fanandroana, ary 50 ka hatramin’ny 55 isan-jato no mino ny fambara sy ny nofy milaza ny hoavy.”

Nampiasa Teny Grika Maoderina ny Eglizy Ortodoksa any Gresy

Nanahy ny arsevekan’i Gresy fa mpiangona maro no tsy hahazo ireo andalan-teny ara-baiboly vakina mandritra ny fotoam-pivavahana, raha teny grika tranainy foana no amakiana azy. Nanome toromarika àry izy, fa tokony hampiasa teny grika maoderina ireo eglizy any Atena. Hoy ny gazety Kathimerini: ‘Mbola vakina amin’ny teny grika tranainy na “koine” ny Testamenta Vaovao hatramin’izao, nefa fiteny fampiasa tamin’ny faramparan’ny taonjato fahefatra T.K. ka hatramin’ny taonjato fahadimy A.K. izy io. Nanahy [ilay arseveka] sao tsy azon’ny olona, indrindra fa ny tanora, io fiteny io. Mety tsy hazava amin’izy ireo mantsy izay resahina mandritra ny fotoam-pivavahana.’ Nisy andrana natao àry tany amin’ny fiangonana sasany, ka novakina tamin’ny teny grika koine aloha ireo andalan-teny tao amin’ny Baiboly, ary avy eo tamin’ny teny grika maoderina. Nantsoin’ny gazety Kathimerini hoe “fiovana lehibe nataon’ny Eglizy mpanaraka ny nentin-drazana” izany. Nilaza anefa ilay gazety, herintaona latsaka tatỳ aoriana, fa ‘najanon’ny eglizy ilay ezaka fanamorana ny famakiana ny Testamenta Vaovao.’

Fisaraham-panambadiana sy Internet

Milaza ny gazety Guarding Weekly fa “mihabetsaka ny misara-panambadiana” noho ireo toerana ao amin’ny Internet ifandraisan’ny mpiara-mianatra taloha. “Mifampiresaka amin’ny olon-tiany fahiny ao mantsy ny lehilahy na ny vehivavy sosotra amin’ny vadiny.” Nihabetsaka ireo nisara-panambadiana tany Grande-Bretagne noho io fanao io, satria tamin’ny 2004 no betsaka indrindra ny fisaraham-panambadiana tany, tao anatin’ny fito taona. Niresaka ny anton’izany i Christine Northam, mpitondra tenin’ny fikambanana iray mpanome torohevitra momba ny fanambadiana. Hoy izy: “Maro no mahatsiaro ho sambatra erỳ rehefa manembona ny fiarahany tamin’ilay voaloham-pitiavany tany am-pianarana na tany amin’ny oniversite. Rehefa mahasosotra azy àry ny vadiny, dia manomboka mieritreritra izy hoe mety ho nanao ahoana ny fiainany raha mbola niaraka tamin’ilay olon-tiany fahiny izy.” Milaza ilay gazety fa mora tsy misy toy izany ankehitriny ny “mitady olon-tiana ao amin’ny Internet”, ka aleon’ny mpivady manao izany rehefa tsy mifanaraka ‘toy izay hamaha ilay olana misy eo amin’izy ireo.’

Mampidi-doza ny Tohatra

Hoy ny gazety amerikanina The Week: “Isan-taona, dia betsaka kokoa noho ny maratran’ny lozam-piarakodia”, ny olona maratra rehefa midina na miakatra tohatra. Hoy koa ilay gazety: “Amerikanina 1 091 eo ho eo isan-taona no maty noho ny fidinana na fiakarana tohatra, ary 769 400 no maratra.” Inona no mahatonga izany? Hoy ny The Week: “Matetika no diso fipetraka ny tongotr’ilay olona, satria tsy azony an-tsaina tsara ny elanelan’ny zanatohatra.”