Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsikirikirioka—Mpisidina Kinga Mareva-doko

Tsikirikirioka—Mpisidina Kinga Mareva-doko

Tsikirikirioka—Mpisidina Kinga Mareva-doko

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Espaina

ALAO sary an-tsaina ny hoe mahita andiam-borona ianao, ary saika hita eny amin’izy ireo avokoa ny loko rehetra amin’ny avana. Mahavita manidina haingana noho ny bibikely sasany haingam-panidina indrindra izy ireo. Anisan’ny karazam-borona tsy misara-mianakavy ny tsikirikirioka sasany, ka mifarimbona ireo mpihavana mitaiza ny zanany. Telo monja amin’ny toetra mahavariana sy mampiavaka ny tsikirikirioka ireo.

Ny lokony anefa no tena mahasarika voalohany ny mpandinika vorona. Matroka mantsy ny volon’ny ankamaroan’ny vorona mpihinana bibikely, ka tsy voamarika loatra. Faran’izay mareva-doko kosa ny tsikirikirioka sady kinga erỳ rehefa misidina, ka tsy hay hadinoina mihitsy. Mety ho maitso ny lokony, manga, mena, na mavo. Misy karazany aza, toy ny tsikirikirioka eoropeanina, ahitana ireo loko rehetra ireo, na mihoatra noho ireo! Mifanentana amin’ny anarany hoe tsikirikirioka avana, na vorona avana ny karazany iray any Aostralia.

Ahitana tsikirikirioka any Afrika, Aostralia, Azia, ary any atsimon’i Eoropa. Mahalana izy ireny vao hitanao ao anaty tranom-borona, ka eny amin’ny natiora ihany ianao no afaka mankafy ny fampisehoana ataony. Milaza ny fikambanana iray mpiaro ny natiora fa “tena mahafinaritra ny mijery ireny vorona sahisahy sy mavitribitrika ireny. Tsy dia matahotra olona ny maro aminy ka mora alaina sary.”

Mahavariana ny zava-bitany

Tena kinga amin’ny fisamborana bibikely eny am-panidinana ny tsikirikirioka. Tsy maintsy mailaka izy amin’izany, satria bibikely somary lehibe sy haingam-panidina, toy ny tantely sy fanenitra ary fangaraka, no sakafo tena tiany. Manampy azy koa ny masony matsilo. Afaka mahita tantely na fanenitra eny amin’ny 100 metatra, ohatra, ny tsikirikirioka eoropeanina. *

Mampiasa fomba mitovy amin’ny fiaramanidina mpandatsaka baomba ny tsikirikirioka sasany, rehefa misambotra haza. Midina tampoka toy ny tselatra izy, ary mipaoka ilay bibikely. Na, mipetraka eny ambony rantsankazo lehibe izy matetika, ary samboriny haingana sy arapany izay bibikely sendra mandalo. Mampiasa fomba sarotra kokoa mihitsy aza ny karazany sasany. Manidina avy ao aorian’ilay bibikely aloha izy mba tsy ho hita. Mankeo ambanin’ilay bibikely indray izy, ary matetika no mila hikasika amin’ny tany. Manidina haingana kokoa izy avy eo, mitraka, ary misambotra ilay bibikely amin’ny vavany lava.

Manana mpanampy ny tsikirikirioka afrikanina sasany, rehefa mitady sakafo. Mety hanidina eny akaikin’ny biby lehibe, na vorona hafa, na fiarakodia mihitsy izy ireo, satria mora aminy amin’izay ny misambotra ireo bibikely kotabaisin’izy ireny. Sahy mijapy eny an-damosin’ny aotirisy, na osy, na zebra, mihitsy ny tsikirikirioka mena midorehitra. Sady manome toerana tsara azony ipetrahana ireny biby ireny, no manakotaba ny valala hataony sakafo. Mahasarika andiana tsikirikirioka mena midorehitra koa ny doro tanety. Ataon’izy ireo be am-bosika izay valala mitady hitsoaka afo. *

Mitanina andro sy mikarakara volo ary mandro

Haingam-panidina ny vorona rehefa tena voakarakara tsara ny volony. Mampiasa fomba maro be àry ny tsikirikirioka mba hanalana katsentsitra sy hanadiovana ny volony. Tsy ataony ambanin-javatra mihitsy izany. Handany ny ampahafolon’ny androny, ohatra, ny tsikirikirioka iray, “hanaovana izay hampahametimety” azy.

Mampahafana ny vorona ny mitanina andro amin’ny maraina, ary matetika izy no mikarakara volo avy eo. Toa mahatonga ireo katsentsitra hihetsiketsika sy ho mora esorina ny hafanan’ny masoandro. Tia miara-mitanina andro sy mifangala-tahaka ny karazana tsikirikirioka sasany. Ataony mitodika any amin’ny masoandro ny lamosiny sady velariny ny elany, toy ny ataon’ny mpizaha tany mitanina andro eny amin’ny torapasika.

Mandro koa izy, fa tsy ataony matetika toy ny mikarakara volo izany. Eny am-panidinana ihany izy no misaika vetivety ao anaty rano. Mikorofodrofoka ao anaty vovoka kosa ny tsikirikirioka any amin’ny toerana tsy misy rano. Manokana fotoana tsy tapaka izy avy eo, hikarakarana ny volony sy hihaorana. Izany no ataony isan’andro mba hanalany ireo katsentsitra, izay zava-manahirana ny vorona mipetraka an-davaka, toy ny tsikirikirioka.

Manao andiany foana

Tena tia manao andiany ny ankamaroan’ny tsikirikirioka. Karazany maromaro no manao andiany lehibe rehefa hikotrika, ary mety hisy vorona hatrany amin’ny 25 000 ny andiany sasany amin’ireo. Eny amin’ny fasika amoron’ny renirano no anaovan’izy ireo ny akaniny matetika, satria mora lavahana eny. Voaro kokoa amin’ny fahavalo izy ireo rehefa manao akany miaraka amin’ny andiany toy izany. Mora aminy kokoa ny mahita toerana be sakafo noho izy ireo miara-miasa. Mifampiantso amin’ny feo mikarantsana ireo vorona malai-misaraka ireo, ohatra rehefa hitady sakafo.

Mifarimbona mitaiza an’ireo voronkely ny karazany sasany, toy ny tsikirikirioka fotsy handrina. * Ny zanany efa lehibe ihany matetika no manampy ny ray aman-dreniny, ka avo roa heny ny isan’ny voronkely vanona noho ny fiaraha-miasan’izy ireo. Hoy ny boky Vintsy, Tsikirikirioka ary Harakaraka (anglisy): “Mandray anjara amin’ny lafiny rehetra fampitomboana taranaka ireo mpanampy: mandavaka akany, mikotrika, ary indrindra mamahana ireo voronkely.”

Tena tia miara-mipetraka ny tsikirikirioka mpihavana. Mifanetinety kely toy ireny mifanosika hiara-maka sary ireny ry zareo. Indraindray dia mikisakisaka manatona ny namany eo amin’ny rantsankazo iray ihany ny vorona maromaro. Azo antoka fa manampy azy ireo hafana izany amin’ny alina mangatsiaka.

Vorona mahafinaritra mpankafy tantely

Nanjary tena mpihinana valala tao ho ato ny tsikirikirioka, indrindra ireo atsy Afrika Andrefana. Betsaka mantsy ny valala mpanimba zavatra any. Nanova ny fotoana hikotrehany sy hifindrany monina mihitsy aza ny tsikirikirioka mena midorehitra, mba hanararaotana izany sakafo be dia be izany. Manaraka andiam-balala eny amin’ny Reniranon’i Niger izy ireo izao.

Tantely anefa no sakafo tena ankafiziny. Noho izany, dia tsy tian’ny mpiompy tantely mihitsy ireny vorona ireny. Misy zavatra tsara vitan’ny tsikirikirioka anefa. Hohaniny, ohatra, ireo bibikely mpihinana tantely, toy ny fanenitra sy fangaraka. Hohaniny koa, amin’ny fahavaratra, ireo tantely efa antitra, izay mety hampaharary ny tantely hafa ao an-tranony.

Hoy ny Boky Momba ny Vorona Maneran-tany (anglisy): “Mahafinaritra ny mpandinika vorona ny mijery ireny tsikirikirioka ireny noho ny lokony isan-karazany sy tsara tarehy, na aiza na aiza misy azy ireny.” Manjary toerana manokana falehan’ny mpizaha tany, ny faritra sasany midadasika misy tsikirikirioka atsy Afrika.

Misy tsikirikirioka ve any aminareo? Nahoana raha manokana fotoana kely hijerena ny fampisehoana miavaka ataon’ireny mpisidina kinga mareva-doko ireny?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Mitandrina tsara ny tsikirikirioka mba tsy hitelina avy hatrany ireo bibikely manana filo manindrona, toy ny tantely na fanenitra. Esoriny aloha ny poizina ao amin’izy ireny. Mazàna izy no maka toerana tsara eny ambony rantsankazo, ary kikisany eo ny kibon’ilay bibikely mba hialan’ny poizina. Akipiny vetivety mihitsy aza ny masony mba tsy hipitihan’ilay poizina.

^ feh. 9 Izany no antony iantsoana ny tsikirikirioka mena midorehitra hoe “havan’ny afo”, atsy Afrika Andrefana.

^ feh. 16 Nisy fianakaviana 60, ohatra, ny andiana tsikirikirioka fotsy handrina 400 teo ho eo tany Kenya. Milaza ny mpikaroka fa izy ireo angamba no manana rohim-pihavanana mifampidipiditra indrindra, amin’ny karazam-borona fantatra hatramin’izao.

[Sary, pejy 23]

Tsikirikirioka kely, Afrika Atsinanana

[Sary, pejy 23]

Tsikirikirioka avana, Aostralia

[Sary, pejy 23]

Tsikirikirioka somalianina, Kenya

[Sary, pejy 23]

Tsikirikirioka fotsy handrina, Afrika

[Sary, pejy 24]

Tsikirikirioka eoropeanina, Espaina

Tsikirikirioka lahy manome bibikely ho an’ilay tiany ho vadiny

[Sary, pejy 24]

Tsikirikirioka, Israely

[Sary, pejy 24]

Tsikirikirioka mena midorehitra, Botswana

[Sary, pejy 25]

Tsikirikirioka mena midorehitra, Botswana

[Sary nahazoan-dalana]

©kevinschafer.com

[Sary, pejy 25]

Tsikirikirioka mena midorehitra, Singapour