Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vinanihefak’i Eoropa Feno Zavatra Miavaka

Vinanihefak’i Eoropa Feno Zavatra Miavaka

Vinanihefak’i Eoropa Feno Zavatra Miavaka

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Romania

Ny Reniranon’i Danube dia miainga any amin’ny Ala Mainty any Alemaina, ary misasasasa miantsinanana mamakivaky an’i Aotrisy sy ny sisin-tanin’i Slovakia. Lasa riaka mahery izy avy eo, ka mikoriana mafy mianatsimo mankany Hongria, ary manaraka ny sisin-tany manelanelana an’i Kroasia amin’i Serbia sy Monténégro. Mandeha miadana kokoa izy rehefa tonga any, ary mihalehibe ka miolakolaka manaraka ny sisin-tanin’i Boligaria. Mianavaratra mamakivaky an’i Romania izy aorian’izay, ary manaraka ny sisin-tanin’i Ukraine.

Tonga any akaikin’ny Ranomasina Mainty i Danube amin’ny farany, ary miangona eo ny antsanga sy rano be nentiny avy any amin’ny renirano kely 300 eo ho eo. Lasa vinanihefaka tsara tarehy ilay izy. Ny vinanihefaka dia heniheny manakantsakana ny renirano tsy hivarina avy hatrany any an-dranomasina fa lasa misampantsampana. Eo akaikin’ny tanànan’i Tulcea, any amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Romania, i Danube no misampantsampana, ka anisan’ny sampany i Kiliya sy Sulina ary Saint-George. Ireo no lehibe indrindra amin’ireo reniranony mivarina any amin’ny Ranomasina Mainty.

Mbola mizara ho sakelidrano kely be dia be, mankany amin’ny heniheny sy farihy maro, ireo renirano telon’i Danube ireo, rehefa mamakivaky tsimoramora an’ilay vinanihefaka. Lasa dongom-pasika sy nosy midadasika ny antsanga entin’i Danube, rehefa mitambatra amin’ny fasika avy any an-dranomasina. Enina metatra mahery no haavon’ny dongom-pasika sasany, ary toy ny tany efitra no fijery azy. Anisan’izany ny dongom-pasika any Caraorman.

Tsy hoe fasika sy antsanga fotsiny anefa no ao amin’ny Vinanihefak’i Danube. Izy no heniheny midadasika indrindra eto Eoropa, satria 4 300 kilaometatra toradroa eo ho eo ny velarany. Eto koa angamba no be zozoro indrindra eran-tany, satria mahatratra 1 700 kilaometatra toradroa eo ho eo ny velaran’ny toerana misy zozoro!

Misy ala maniry tsara eny amin’ny dongom-pasika sasany, ka feno hazo ôrma sy oaka ary aulne mijoalajoala. Mandady eny amin’ireny hazo ireny ny voalobodia sy vahy ary zavamaniry hafa, mba hahazoany masoandro. Manampy amin’ny fanadiovan-drano ny zavamaniry eto, ka azo lazaina hoe ity vinanihefaka ity no toerana lehibe indrindra manadio rano eto Eoropa.

Toerana mety tsara ho an’ny biby

Toerana mety tsara ho an’ny vorona koa eto, ka ahitana vorona an-tapitrisany amin’ny karazam-borona 300 mahery. Manatody eto ny antsasany eo ho eo amin’ny gisandrano fotsy eran’izao tontolo izao, sy ny 60 isan-jato mahery amin’ny vorona atao hoe vadimboay kely. Mijanona eto mandritra ny ririnina koa ny ankamaroan’ny gisa mena tenda, izay vorona atahorana ho lany tamingana. Manao akany sy manatody eny amin’ireo nosin-jozoro mitokana sy mitsingevana ny gisandrano, rehefa volana Martsa. Miala eto izy ireo rehefa fararano, ka mankany amin’ny Vinanihefak’i Nil sy any Gresy, ary tonga hatrany amoron-tsirak’i Inde any Azia mihitsy aza.

Tsy ny hatsaran’ny Vinanihefak’i Danube ihany no mahasarika ny vorona hiverina eto, fa ny trondro koa. Misy karazan-trondro 90 mahery ao amin’ireo sakelidranon’io vinanihefaka io. Avy ao koa ny antsasany amin’ny trondron-dranomamy ataon’ny olona sakafo eto Romania. Anisan’ny trondro malaza eto ny esturgeon, izay manatody any amin’ny Reniranon’i Danube amin’ny fotoana fanatodizana. Antsoina hoe caviar ny atodiny, ary sakafo be mpitia sady lafo.

Kely dia kely ny tany maina eto satria ny ampahafolony monja no tsy misy rano. Ahitana amboadia, fosa, bitrodia, ary karazana voalavon-drano mitady sakafo any amin’ireny tany maina ireny. Misy biby atahorana ho lany tamingana koa eto, toy ny loutre mponina an-dranomamy sy ny vison eoropeanina. Nisy fotoana mantsy nitiavan’ny vehivavy mpanara-damaody ny volon’ny vison, mba hanaovana palitao. Ahitana karazam-bibikely 1 800 mahery, mivezivezy sy mandady koa, eran’ity toerana kanto feno rano ity.

Tontolo iainana mendrika ny harovana

Nampidirina ho anisan’ny Lova Iraisam-pirenena ny Vinanihefak’i Danube, tamin’ny 1991. Nekena eran-tany ho valan-javaboary izy io herintaona tatỳ aoriana, ka ny tanànan’i Tulcea no mikarakara azy. Arahin’ny fanjakana maso ny fanjonoana eto, na dia misy foana aza ny mpanjono tsy ara-dalàna.

Mbola iharan-doza ihany anefa io vinanihefaka io. Manary rano maloto ao amin’i Danube mantsy ny tanàna sy orinasa rehetra eny amin’ny lalana andalovany (2 850 kilaometatra), mandra-pahatongany any an-dranomasina. Taona maro lasa koa izay, dia nisy ahi-maitso nanasivana ny ranon’i Danube talohan’ny nidirany tao amin’ilay vinanihefaka. Ny ampahadimin’io ahi-maitso io anefa izao sisa no tavela.

Mitatra mankany amin’ny Ranomasina Mainty ilay vinanihefaka ankehitriny, ka mahatratra hatrany amin’ny 30 metatra isan-taona izany. Mbola manitatra sy manavao an’io vinanihefaka feno zavatra miavaka io ny Reniranon’i Danube hatramin’izao, toy izay efa nataony an’arivony taona lasa izay.

[Sarintany, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

UKRAINE

MOLDAVIA

ROMANIA

Bucarest

Vinanihefak’i Danube

RANOMASINA MAINTY

Reniranon’i Danube

BOLIGARIA

[Sary, pejy 16]

Ahitana zavamaniry sy bibidia isan-karazany ny toerana misy zozoro eto, izay anisan’ny be zozoro indrindra eran-tany

[Sary, pejy 16]

Karazana voalavon-drano

[Sary, pejy 17]

Manatody eto ny antsasany mahery amin’ny gisandrano fotsy eran-tany

[Sary, pejy 18]

Toerana mety tsara ho an’ny vorona eto, ka feno vintsy sy karazam-borona 300 mahery hafa

[Sary, pejy 18]

Misy karazam-bibikely 1 800 mahery eto amin’ny Vinanihefak’i Danube

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Sary rehetra: Silviu Matei

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Sary rehetra: Silviu Matei

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Sary rehetra: Silviu Matei