Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Adin-Tsaina Tonga tamin’ny fotoana tena nilako azy ilay andian-dahatsoratra hoe “Ahoana no Hanamaivanana ny Adin-tsaina?” (8 Septambra 2005) Tsy zakako intsony ny adin-tsaiko, ka hoatran’ny ho lasa adala mihitsy aho. Tamin’izay indrindra no nivoaka ilay lahatsoratra. Tena nampiova ny fiainako ny fanoloran-kevitra nomenareo.

Tsy mitonona anarana, Etazonia

Tena ketraka mafy aho, vao tsy ela akory izay. Nampahery ahy àry ilay teny hoe “mila mikarakara tena koa ... ianao.” Tiako ilay fanoharana momba ny fampitomboana ‘vola any amin’ny banky.’ Tsapako mantsy fa lany tanteraka ny heriko. Hiezaka hahalala ny fetran’ny azoko atao anefa aho manomboka izao.

Y. O., Japon

Nanao lahateny fohy mahakasika ny fomba hiatrehana ny adin-tsaina aho, tany amin’ny seminera iray natrehiko vao haingana. Afaka nanazava ny antony mahatonga ny adin-tsaina sy ny vokany, ary ny fomba iatrehana izany aho, noho io gazety faran’izay tsara io!

J. L., Alemaina

Soavalin-dranomasina Azoko avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay gazety, ary te hisaotra anareo aho noho ilay lahatsoratra hoe “Soavalin-dranomasina Mahay Mandihy.” (8 Janoary 2005) Vao haingana aho no nahazo naoty faran’izay tsara tamin’ny famelabelarana iray nataoko momba ny soavalin-dranomasina. Ny fanazavana tao amin’ilay lahatsoratra no nampiasaiko. Nampitombo ny fahalalako momba ny siansa sy ny teknolojia ary indrindra momba an’Andriamanitra, ny gazety Mifohaza! Misaotra anareo Vavolombelon’i Jehovah aho, noho ny gazetinareo tsara dia tsara!

T. P., Indonezia

Voasoratra fa... Faly be aho namaky ilay lahatsoratra hoe “Voasoratra fa Hahita Azy Aho”! (8 Janoary 2005) Iraika ambin’ny folo taona aho, ary mbola tsy sahy miresaka amin’ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa avy namaky ny tantaram-piainan’i Rosalía Phillips anefa aho, dia fantatro fa hanampy ahy i Jehovah. Te ho tonga mpitory ny vaovao tsara be herim-po toa an’i Rosalía aho.

P. P., Polonina

Fito amby roapolo taona aho, ary 24 taona izay no nahafatesan’ny reniko. Manantena mafy ny hihaona aminy indray aho, hatramin’ny naha Vavolombelon’i Jehovah ahy. Ankasitrahako ny lahatsoratra toy ireny. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah sy ny Mifohaza! aho, ary misaotra an’i Rosalía koa nilaza ny tantarany mahafinaritra.

A. F., Venezoelà

Reny Misaotra amin’ilay andian-dahatsoratra mahafinaritra hoe “Ny Andraikitry ny Reny eo Amin’ny Fanabeazana.” (8 Martsa 2005) Tena nanohina ny foko ilay izy, ka raha vao avy namaky azy io aho, dia niantso an-telefaonina ny reniko. Nitaiza irery anay mianadahy mantsy izy. Nanohy nianatra izy na dia nianto-tena aza, mba hahafahana hamelona anay. Nampirisihiny hanatrika fivoriana kristianina sy hanao fanompoana tsy tapaka izahay. Nitondra voka-tsoa ny ezaka nataony. Misaotra nampahatsiahy ahy ny ohatra tena tsara nomeny.

M. S., Etazonia

Handeha Lavitra Kokoa Tena nampahery ahy ilay lahatsoratra hoe “Vonona Handeha Lavitra Kokoa.” (8 Martsa 2005) Nisy heviny ho ahy tokoa ny tantaram-piainan’i Vavy Claire, satria mitovy ny taonanay sy ny fotoana nanaovanay fanompoana manontolo andro. Tena nankasitrahako ilay lahatsoratra, satria olon-dehibe mpitovo ilay mitantara ny fiainany. Vehivavy mpitovo koa mantsy aho, ka nampahery ahy ny zotom-pon’i Claire sy ny fahaizany mijery lafy tsaran-javatra. Asehon’ireo sariny ao amin’ilay lahatsoratra fa tena sambatra izy. Vao mainka izany nanamafy tamiko, fa tsy ny fari-piainantsika na ny fananantsika no mahasambatra, fa ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny fanompoantsika azy.

Y. R., Etazonia