Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny, ary hita eto ambany ny valiny.)

1. Iza no nividy ny zohy tao Makpela tamin’i Efrona Hetita mba ho toeram-pandevenana, ary firy no voalaza fa nalevina tao? (Genesisy 49:30-33; 50:13)

2. Nahoana no tsy navelan’ny olon’i Davida hiaraka tamin’izy ireo intsony izy, rehefa niady tamin’ny Filistinina ry zareo? (2 Samoela 21:15-17)

3. Inona ilay zavamaniry manitra tsy resahina afa-tsy ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona? (Tonon-kiran’i Solomona 1:14; 4:13)

4. Inona no nampiasain’i Gideona, mba ho azony antoka fa tamin’ny alalany tokoa no hamonjen’i Jehovah ny Israely, araka ny nampanantenainy? (Mpitsara 6:36-40)

5. Inona ilay fanaka varahina lehibe fisasan’ny mpisorona, tao amin’ny kianjan’ny tempolin’i Solomona? (2 Tantara 4:6)

6. Inona no sandam-bola sy ventin-danja mavesatra indrindra nampiasain’ny Hebreo? (Ezra 8:26)

7. Inona no nipoaka tany an-danitra rehefa niorina ilay Fanjakana? (Apokalypsy 12:7)

8. Ny hidiran’ny rameva ao amin’ny inona, hoy i Jesosy, no ho mora kokoa “noho ny hidiran’ny mpanan-karena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra”? (Matio 19:24)

9. Ahoana no niantsoan’i Jesosy ny mpanora-dalàna sy Fariseo, noho izy ireo nampianatra diso ka nampivily lalana ny olona? (Matio 15:14)

10. Iza ilay mpanjakan’i Syria nandroaka ny Jiosy hiala tao Elota, tanàna jodianina, ka nahatonga an’i Ahaza Mpanjaka hitady vonjy tany amin’i Asyria satria natahotra izy? (2 Mpanjaka 16:6, 7)

11. Iza ilay vadin’i Davida Mpanjaka niterahany an’i Jitreama? (2 Samoela 3:5)

12. Taiza no hita ilay kapoakan’i Josefa very, rehefa naniraka ny mpanompony hanenjika an’ireo rahalahiny izy? (Genesisy 44:12)

13. Iza ilay taranak’i Kaleba, voalaza fa saro-po sy tena ratsy fanahy ary adala, ka novonoin’i Jehovah? (1 Samoela 25:3, 17, 25, 36-38)

14. Inona ilay fiadiana fampiasan’ny Hebreo namonoan’i Finehasa an’i Zimry sy Kosby, ka nampitsahatra ilay areti-mandringana nahafaty Israelita 24 000, tao amin’ny Lemak’i Moaba? (Nomery 25:6-15)

15. Inona ireo zava-mahagaga efatra hitan’i Agora fa saro-takarina? (Ohabolana 30:18, 19)

16. Teny inona no ampiasain’ny Baiboly hanondroana ny fahefan’ny ray aman-dreny eo amin’ny zanany? (Ohabolana 29:15)

17. Inona no fitaovana fanesoran’ny Israelita ahidratsy? (Isaia 7:25)

[Efajoro, pejy 28]

Valiny

1. Abrahama. Olona enina: Saraha, Abrahama, Isaka, Rebeka, Jakoba, ary Lea

2. Satria efa reraka izy, sady natahorana sao hovonoin’i Jisbi-benoba, Filistinina goavana

3. Kofera

4. Volonondry

5. “Tavin-drano”

6. Talenta

7. Ady

8. “Vodifanjaitra”

9. “Mpitarika jamba”

10. Rezina

11. Egla

12. “Tao amin’ny lasakan’i Benjamina”

13. Nabala

14. Lefona

15. “Ny nalehan’ny voromahery teny amin’ny habakabaka, ny nalehan’ny bibilava teny amin’ny vatolampy, ny nalehan’ny sambo teny amin’ny ranomasina, ary ny nalehan’ny lehilahy tamin’ny tovovavy”

16. sora-kazo

17. Angady