Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fasana Mirakitra ny Tantara Fahiny

Fasana Mirakitra ny Tantara Fahiny

Fasana Mirakitra ny Tantara Fahiny

ERITRERETO hoe efa velona teto an-tany ianao, an’arivony taona lasa izay. Any Ora, any Somera no misy anao. Tanàna mandroso misy ny mpanjakan’i Babylonia izy io. Mahita vahoaka somerianina mitanjozotra mivoaka ny tanàna ianao izao. Miditra ao amin’ny toeram-pandevenana iray izy ireo, ary midina ao amin’ny fasana vao avy nandevenana ny mpanjaka iray. Voarakotra karazana karipetra ny rindrina sy ny tany, ary feno zavakanto vita Somerianina ny ao anatin’ilay fasana. Mizotra manao andiany midina ao am-pasana ny miaramila, andevolahy, vehivavy, arahin’ny mpitendry zavamaneno. Mahafinaritra be ny mijery azy rehetra manao akanjo fitondra mianjaika. Kevoka erỳ ny manamboninahitra mampirantiranty ny galonany. Manaraka eo ny sarety tarihin’omby na ampondra, ary mandeha eo anilan’ireo biby ireo ny mpikarakara azy. Mamonjy ny toerany ao anatin’ilay fasana izy rehetra, ary manomboka ny fotoam-pivavahana arahina mozika.

Efa samy nivatsy kaopy kely vita amin’ny tanimanga, vato, na metaly izy rehetra, manomboka amin’ny andevo ka hatramin’ny mpitendry zavamaneno. Samy mandray ny kaopiny izy ireo rehefa vita ilay fotoam-pivavahana, ary manovo ranon-javatra manokana ao anatin’ny siny varahina iray. Mitsotra amin’ny tany araka ny sokajiny avy izy rehetra rehefa avy misotro, maka toerana tsara amim-panginana, matory, ary avy eo maty. Misy olona iray mamono haingana ireo biby. Misy mpiasa manototra ny lalana mankao amin’ilay fasana, ary manidy ilay izy avy eo. Mino ny Somerianina fa lasa any ankoatra amim-boninahitra izao ilay mpanjaka sady andriamaniny. Mitalakotrokotroka tokoa, hono, ny diany, satria arahin’ny saretiny sy ny mpanompony mahatoky ary ny miaramila mpiambina izy.

Nahita fasa-mpanjaka 16 toy io voaresaka io Atoa Leonard Woolley, mpanao fikarohana ambanin’ny tany. Nahita izany izy tao amin’ny toeram-pandevenana tany Ora fahiny, any amin’ny faritra atsimon’i Irak. Nampihoron-koditra ilay izy, nefa nahavariana. Hoy i Paul Bahn ao amin’ilay bokiny hoe Fasana, Lava-bato ary Faty Voavoatra tsy ho Lo (anglisy): “Feno zava-tsarobidy tao amin’ireny fasana ireny, ary mbola tsy nisy toy izany ny zavatra hita tany ambanin’ny tany, eran’i Mezopotamia. Hita tao amin’izy ireny ny sasany amin’ireo zavakanto somerianina malaza indrindra, izay mandravaka ny British Museum sy ny Tranombakoky ny Oniversiten’i Pennsylvanie ankehitriny.”

Tsy maningana anefa ireo fasana tany Ora fahiny. Nahitana zavatra maharikoriko, toy ny fanaovana sorona olona sy biby koa, ny fasana hafa. Nandany vola be sy nahavita habibiana mihitsy ny olona ambony sy ny mpanjaka tany amin’ny firenena maro fahiny, mba hanomanana ny fahafatesany sy ny fiainany any ankoatra. Matetika no nitovy tamin’ny lapan’ny mpanjaka na nihoatra noho izany aza ny fasan’izy ireo, satria feno asa tanana faran’izay kanto sy zava-tsarobidy. Mirakitra ny tantara fahiny anefa izao ireny fasana ireny, sy ny fasana maro hafa tsotsotra kokoa. Hita taratra amin’izy ireny ny zavatra ninoan’ireo firenena tsy misy intsony sy izay ninoan’ny olona fahiny, mbamin’ny kolontsain’izy ireo, ary ny fahaizany zavakanto sy teknolojia.

Nampanarahina azy tany am-pasana ny voninahiny sy ny mpanompony

Nandavaka fantsakana ny tantsaha vitsivitsy tany akaikin’ny tanànan’i Xi’an, any Chine, tamin’ny 1974. Tsy rano anefa no hitan’izy ireo, fa potipotika sariolona vita tamin’ny tanimanga, fitaovana halimo fandefasana tsipìka, ary lohana tsipìka. Hay ny tafika tanimangan’i Qin ilay izy! Hita tao ny sarivongana miaramila sy soavaly 7 000 mahery, izay lehibe kokoa noho ny tena izy, sady milahatra tsara araka ny sokajiny avy. Efa 2 100 taona lasa izay no nanamboarana azy ireo. Ny fasa-mpanjaka lehibe indrindra any Chine io nahitan’izy ireo tafika tanimanga io. Nampitondraina ny anarana hoe Qin io tafika io, avy amin’ny anaran’ny mpanjaka Qin Shihuang Ti, izay nampihavana ireo fanjakana niady tany Chine, tamin’ny 221 T.K.

Hoatran’ny lapa any ambanin’ny tany mihitsy ny fasan’i Qin. Fa nahoana no niara-nalevina taminy ilay tafika tanimanga? Nanazava izany i Zhang Wenli ao amin’ny bokiny hoe Ny Tafika Tanimangan’i Qin (anglisy). Hoy izy: “Sary mampiseho ny fanjakan’i Qin [Shihuang Ti] ny fasany, ary ny zava-kendrena tamin’ny nanorenana azy io, dia mba hanaraka azy foana ny voninahiny sy ny heriny fony fahavelony, na dia maty aza izy.” Tranombakoka goavana io fasana io ankehitriny, miaraka amin’ireo fasana sy lava-bato 400 eo akaikiny.

Milaza i Zhang fa “lehilahy maherin’ny 700 000 nanerana ny fanjakana no voantso” hanorina ilay fasana. Mbola nitohy ilay fanorenana taorian’ny nahafatesan’i Qin tamin’ny 210 T.K., ary naharitra 38 taona. Tsy sarivongana tanimanga ihany anefa no nalevina niaraka tamin’i Qin. Namoaka didy ilay mpanjaka nandimby azy, fa halevina miaraka aminy koa ireo vadikeliny tsy niteraka. Nilaza ireo mpahay tantara fa olona “maro be” no maty vokatr’izany. Nisy fanao nitovy tamin’izany koa tany amin’ny firenen-kafa.

Any avaratratsinanan’i Mexico no misy ny sisa tsy rava amin’ny tanànan’i Teotihuacán. Nisy lalana nantsoina hoe Araben’ny Maty tao. Milaza i Bahn, ilay niteny tetsy aloha, fa “manamorona io lalana io no ahitana ny sasany amin’ireo trano sy fasana fahiny tsara voatra indrindra eran-tany.” Anisan’izany ny Piramidan’ny Masoandro sy ny Piramidan’ny Volana izay samy naorina nandritra ny taonjato voalohany, ary ny sisa tsy rava tamin’ny Tempolin’i Quetzalcóatl.

Rehefa jerena ny ao anatin’ilay Piramidan’ny Masoandro, dia hita fa mety ho toerana fandevenana olona ambony izy io, ka anisan’izany angamba ny mpisorona. Nisy fasana feno fatin’olona teo akaiky teo. Miaramila angamba izy ireo, ary novonoina sy nalevina teo akaiky teo, mba hisy hiaro ireo olona ambony nalevina tao anaty Piramida. Nilamina tsara ny nandevenana ireo faty, ka afaka nanatsoaka hevitra ireo manam-pahaizana fa 200 tany ho any ny olona milevina ao amin’ilay toerana. Anisan’izany ny ankizy izay mety ho natao sorona nandritra ny fitokanana azy io.

Mandeha sambo na mitaingin-tsoavaly mankany ankoatra

Nirin’ny Vikings hanaraka azy hatrany am-pasana koa ny zavatra tsara indrindra nananany, mba hiadanany foana na dia maty aza izy. Mpiady an-dranomasina avy any Skandinavia izy ireo, ary nampihorohoro an’i Eoropa, 1 000 taona lasa teo ho eo izay. Nino ry zareo fa mitaingin-tsoavaly na mandeha sambo mankany ankoatra ny maty. Izany no antony ahitana taolan-tsoavaly sy hazon-tsambo efa lo, ao amin’ny fasan’izy ireo sasany. Hoy i Gwyn Jones ao amin’ilay bokiny hoe Tantaran’ny Vikings (anglisy): “Rehefa maty ny lehilahy na vehivavy iray, dia niara-nalevina taminy daholo izay rehetra noheverina fa hampiadana azy sy hahatonga azy ho mendri-kaja, sahala amin’ny fony fahavelony. ... Ilay sambo [nalevina] tany Ladby, any Danemark ... dia nahitana vatofantsika efa miandry ny halatsaka fotsiny, rehefa tonga any amin’ny seranana itodiany ny tompony.”

Tena tia ady ireo Vikings, ary nino izy ireo fa raha maty teo am-piadiana, dia lasa any amin’ny tranon’ireo andriamanitra, any amin’ny toerana iray antsoina hoe Asgard. “Afaka miady tontolon’ny andro izy any, ary mihinan-kanina foana mandritra ny alina”, hoy ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy). Nanao sorona olombelona koa ny Vikings rehefa nandevina. Milaza ny boky Ny Vikings fa “rehefa maty ny filoha iray, dia nanontaniana ny andevony sy ny mpanompony hoe iza no maniry ho faty hiaraka aminy.”

Nino mihitsy aza ireo Selta tany amin’ny faritra avaratr’i Eoropa, fa mbola azo atao ny mandoa trosa any ankoatra. Hafetsena fotsiny angamba izany, ary natao ho fialan-tsiny hanemorana ny fandoavana trosa! Tany Mezopotamia indray, dia nalevina niaraka tamin’ny kilalaony ny ankizy. Ary tany amin’ny faritra sasany tany Grande-Bretagne fahiny, dia niara-nalevina tamin’ny sakafo toy ny fen’ondry ny miaramila. Tsy ho noana, hono, izy amin’izay rehefa manomboka ny fiainany any ankoatra. Ny fianakavian’ny mpanjaka maya tany Amerika Afovoany kosa, dia nalevina niaraka tamin-javatra vita amin’ny jady, vatosoa maitso entina milaza ny rano sy ny fofonaina. Nanao izany izy ireo, angamba mba hahazoana antoka fa hitohy ny fiainan’ilay olona aorian’ny fahafatesany.

Taorian’ny taona 1000 T.K. tany ho any, dia nisy foko iray tena natahorana tao Thrace, ao amin’ny faritra misy an’i Boligaria sy avaratr’i Gresy ary Torkia ankehitriny. Nalaza ho mpanefy volamena za-draharaha koa izy ireo. Hita taratra tamin’ny fasan’izy ireo, fa nanaovana fandevenana makotrokotroka ny filohany. Nalevina niaraka taminy koa ny saretiny, ny soavaliny, ny fitaovam-piadiany tsara indrindra, eny fa na dia ny vadiny aza. Nihevitra tokoa ireo vehivavy tany Thrace fa voninahitra lehibe ny hoe atao sorona sy alevina eo anilan’ny vadiny!

Tatỳ aoriana kely indray, dia nisy ireo atao hoe Skytianina, izay nipetraka tany avaratry ny Ranomasina Mainty, tsy lavitra an’i Thrace. Nisotro rano tamin’ny kaopy vita tamin’ny karandohan’ny olona matiny ireo olona tia ady ireo, ary nanamboatra akanjo lava tamin’ny hodi-dohan’izy ireny. Tao amin’ny fasana skytianina iray, dia nahitana karam-behivavy misy rongony eo akaikiny. Nahitana lavaka kely telo teo amin’ny karandohany, angamba natao hampihenana ny fivontosan’ny lohan’ilay vehivavy sy ny fanaintainany tamin’izy mbola velona. Noheverina fa hitohy any ankoatra ny aretin’andohany, ka mba hanamaivanana izany angamba no nametrahana an’ilay rongony teo anilany.

Ny fiheveran’ny Ejipsianina ny fiainana any ankoatra

Anisan’ny fasana fahiny malaza indrindra, ireo piramida any akaikin’i Le Caire, any Ejipta, sy ny toeram-pandevenana any amin’ny Lohasahan’ny Mpanjaka, any akaikin’i Louxor. Teny iray ihany no niantsoan’ny Ejipsianina fahiny ny “trano” sy ny “fasana”, dia ny teny hoe per. Hoy i Christine Mahdy ao amin’ny bokiny hoe Faty Voavoatra Tsy ho Lo, Angano, ary Mazia Tany Ejipta Fahiny (anglisy): “Nisy ny trano fonenana mandritra ny fahavelomana, ary nisy koa ny trano fonenana rehefa maty. ... Nino [ny Ejipsianina] fa nilaina narovana tsy ho levona ny vatana, mba tsy ho levona ny tapany hafa aminy, dia ny ka, ny ba ary ny akh.”

Mitovy amin’ny vatana ihany ny ka, saingy fanahy. Ao amin’izy io ny zavatra antenain’ilay olona sy iriny ary ilainy. Misaraka amin’ny vatana ny ka aorian’ny fahafatesana, nefa mbola ao am-pasana ihany. Nanazava i Mahdy fa tsy misy hafa amin’ny zavatra nilain’ilay olona fony fahavelony ihany no ilain’ny ka. “Izany no tena antony nametrahana zavatra isan-karazany tao am-pasana.” Ny ba kosa dia azo oharina amin’ny toetran’ny olona na ny maha izy azy, ary aseho an-tsary toy ny vorona manana lohan’olona. Miditra ao amin’ny vatana ny ba rehefa teraka ilay olona, ary mandao azy rehefa maty izy. “Mipoitra” avy ao amin’ilay faty notahirizina tsy ho lo kosa ny Akh, aorian’ny fanononana teny majika. Monina any amin’ny tontolon’ireo andriamanitra io Akh io.

Nihoatra noho izay nolazain’ny filozofa grika fahiny izany fizaran’ny Ejipsianina ny olona ho telo izany. Nilaza mantsy ny filozofa grika fa mizara roa ny olona, dia ny vatana sy ny “fanahy” tsy mety maty. Maro no mino izany, nefa tsy hita ao amin’ny Baiboly io fampianarana io. Izao kosa no voalaza ao: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.”—Mpitoriteny 9:5.

Nahoana no mieritreritra be momba ny fahafatesana ny olona?

Hoy i E. James ao amin’ny bokiny hoe Fivavahana Fahiny (anglisy): “Amin’ny loza rehetra manjo ny olombelona, dia ny fahafatesana no tena mampikorotan-tsaina azy indrindra sady mitera-pahavoazana indrindra ho azy. ... Tsy mahagaga àry raha nitana toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny olona foana ny fivavahana amin’ny maty, hatramin’ny nisian’ny olombelona.”

Fahavalon’ny olombelona ny fahafatesana, hoy ny Baiboly, ilay boky tranainy indrindra mirakitra ny tena fahendrena. (1 Korintianina 15:26) Tena marina izany! Tsy mety manaiky mihitsy ny olona avy amin’ny foko sy firenena rehetra, fa mifarana tanteraka eo amin’ny fahafatesana ny fiainana. Milaza ny tena zava-mitranga any am-pasana anefa ny Baiboly, ao amin’ny Genesisy 3:19. Hoy izy: “Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray.” Lazainy koa anefa fa maro no ao amin’ny “fasam-pahatsiarovana.” Inona no dikan’izany? Ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra ny ankamaroan’ireo maty any am-pasana, na dia efa lo tanteraka aza. Hovelominy indray izy ireny, ary homeny fahafahana hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Tena hahafinaritra tokoa izany!—Lioka 23:43; Jaona 5:28, 29.

Tsy mahalala na inona na inona ny maty, mandra-pahatongan’izany. Nilaza i Jesosy fa toy ny matory izy ireny. (Jaona 11:11-14) Tsy mila zavatra na mpanotrona hiaraka halevina aminy ny olona toy izany. Ny mpamaky fasana mazàna no mahazo tombony amin’ireny zava-tsarobidy alevina ireny, fa tsy ilay maty! Mifanaraka amin’izay ampianarin’ny Baiboly momba ny maty tokoa izao andinin-teny izao: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady tsy hahatondra na inona na inona hiala.” (1 Timoty 6:7) Tena velom-pankasitrahana ny Kristianina mahafantatra izany fahamarinana izany. Izany mantsy dia ‘manafaka’ azy ireo amin’ireo fanao maharikoriko sy feno habibiana mifandray amin’ny fivavahana amin’ny maty, izay natao fahiny ary mbola mitohy ankehitriny mihitsy aza!—Jaona 8:32.

Na izany aza, dia tsy hoe tsy misy ilana azy mihitsy akory ireny fasana mirenty fahiny ireny. Tsy ho nahalala tsara ny lasa sy ny tantaran’ny firenena sasany fahiny isika, raha tsy nisy an’ireny rakitry ny ela sy sisam-paty tao anaty fasana ireny.

[Efajoro/Sary, pejy 24]

Fahasalaman’ny Olona Fahiny

Nahafantatra ny toe-pahasalaman’ny razantsika fahiny ny mpahay siansa, rehefa avy nandinika sisam-paty, indrindra fa ny faty voatahiry tsy ho lo tany anaty fasana, fotaka, fasika mahamay tany an’efitra, ary tany anaty ranomandry. Nandroso be koa ny siansa, ka vitan’izy ireo ny namantatra ny rohim-pihavanana nisy teo amin’ireo Farao sy ny vadiny, ary na dia ny sokajin-dran’ireo vehivavy avy amin’ny foko inca aza. Hita tamin’ireny fikarohana ireny, fa nanana aretina mitovy amin’ny antsika amin’izao andro izao ny olona fahiny. Anisan’izany ny aretin’ny tonon-taolana sy ny karazana votsy.

Toa tany Ejipta no tena be aretina, satria be katsentsitra tany. Anisan’izany ny katsentsitra mitondra bilariziôzy, ny karazana parasy kankana, ary ny sakoitra avy tao amin’ny Reniranon’i Nil sy ireo lakan-drano. Mampahatsiahy antsika ny tenin’Andriamanitra tamin’ny Israelita izany, fotoana fohy taorian’ny nanafahany azy ireo avy tany Ejipta tamin’ny 1513 T.K. Hoy izy: ‘Tsy hisy hamelezan’i Jehovah anao ny aretin-dratsin’i Ejipta, izay fantatrao.’—Deoteronomia 7:15.

[Sary nahazoan-dalana]

© R Sheridan/ANCIENT ART & ARCHITECTURE COLLECTION LTD

[Sary, pejy 20]

Satroka sy firavaky ny mpanompovavy somerianina iray, nalevina tao amin’ny fasa-mpanjaka iray tany Ora

[Sary nahazoan-dalana]

© The British Museum

[Sary, pejy 21]

Ilay tafika tanimangan’i Qin. Natao samihafa daholo ny tarehin’ireo miaramila

[Sary nahazoan-dalana]

Sary tapaka: Erich Lessing/Art Resource, NY; © Joe Carini / Index Stock Imagery

[Sary, pejy 23]

Ny Piramidan’ny Masoandro sy ny Araben’ny Maty any Teotihuacán, any Mexico

[Sary nahazoan-dalana]

Ambony: © Philip Baird www.anthroarcheart.org; sary hoso-doko: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 23]

Ankavia: Saron-tava volamena niara-nalevina tamin’i Toutankhamon, mpanjaka ejipsianina. Ambany: Sary hoso-doko ao amin’ny fasana iray, mampiseho ny “ba” ho toy ny vorona manana lohan’olona