Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Foana ve ny Hanoanana?

Ho Foana ve ny Hanoanana?

Ho Foana ve ny Hanoanana?

ERITRERETO izay tsapan’ny ray be fitiavana iray rehefa hitany fa tsy ampy sakafo ny zanany. Tena malahelo mafy izy. Raha ray olombelona aza mahatsapa toy izany, tsy mainka ve fa ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra? Hitany tsara ireo olona an-jatony tapitrisa mijaly ankehitriny, satria tsy ampy sakafo.

Mihamaro ny matin’ny hanoanana tato ho ato, na dia eo aza ny ezaka ataon’ny olombelona mba hanomezana sakafo an’ireo mosarena maneran-tany. Mahavita manafoana mandrakizay ny hanoanana anefa i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra. Ary tena hanao izany izy. Ahoana no ahalalantsika izany?

Tantarain’ny Baiboly fa nomen’Andriamanitra izay rehetra nilainy i Adama sy Eva tao amin’ny Saha Edena, mba hilamin-tsaina sy ho afa-po ary ho ampy sakafo. Hoy Andriamanitra tamin’izy ireo: “Efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin’ny tany rehetra.” Ny fikasan’i Jehovah dia hoe ‘hameno ny tany’ ny zanak’i Adama sy Eva, ary hanana sakafo tsara be dia be ny rehetra.—Genesisy 1:28, 29.

Tsy niova ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny olombelona, na dia nikomy taminy aza ny mpivady voalohany, ka tsy nankasitrahany intsony. Antsoin’ny Baiboly hoe ilay “manome hanina ho an’ny noana” i Jehovah. Be dia be koa ny faminaniana ao amin’ny Baiboly milaza fa hofoanany ny olana rehetra mahatonga ny olombelona tsy hahazo sakafo.—Salamo 146:7.

Nanontany an’i Jesosy ny mpianany hoe inona no ho famantarana na porofo, fa efa hanorina ny Fanjakany izy ka hanao zavatra ho an’ny tany. Nanonona zavatra maromaro i Jesosy, ka ny “mosary” no iray amin’izany. Rehefa mandinika tsara ny tenin’i Jesosy isika, dia manjary matoky fa hifarana tsy ho ela ny fijalian’ny olombelona. *—Matio, toko faha-24.

Misy faminaniana toy izao ao amin’ny Salamo 72:16, momba ilay Paradisa haorin’Andriamanitra: “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.” Teny an-dohasaha mazàna no nanirian’ny vary, tamin’ny andron’ny Israely fahiny. Mety tsy hahavokatra ny tany faran’izay maina sy karankaina. Ho vokatra be anefa ny vary na dia hafafy eny aza, amin’ilay fotoana mahafinaritra resahin’io faminaniana io. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Toy ny hoe feno tanimbary tsara tarehy hatraiza hatraiza, na dia eny an-tampon’ny tendrombohitra sy eny an-tampon-kavoana aza, amin’ny fotoana hanjakan’ny Mesia. Hahafinaritra àry ny hijery ny toerana rehetra taza-maso, satria feno vary masaka hojinjaina.”

Samy hafa tanteraka amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany ankehitriny izany hoavy resahin’ny Baiboly izany! Ho tanteraka tokoa izao fampanantenan’Andriamanitra izao: “Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.”—Salamo 67:6.

Raha tianao sy ny mpianakavinao ny hahafantatra izay tokony hatao mba hahazoana izany rehetra izany, sy ny fitahiana maro hafa ampanantenain’ny Baiboly, dia aza misalasala manontany ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo, na manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Raha te hamantatra ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy ianao, dia jereo ny toko faha-9 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 10]