Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iangaran’Andriamanitra ve ny Firenena Sasany?

Iangaran’Andriamanitra ve ny Firenena Sasany?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Iangaran’Andriamanitra ve ny Firenena Sasany?

MARO no mihevitra fa tian’Andriamanitra kokoa noho ny firenen-kafa ny fireneny. Ahoana anefa no mety havaliny rehefa anontaniana azy ny porofon’izany? Hilaza zavatra miavaka vitan’ny fireneny angamba ny sasany, anisan’izany ny fandresena tamin’ny ady na ny fandrosoana ara-toe-karena. Mety horesahiny koa aza ny fahombiazan’ny fireneny eo amin’ny tetikasa fizaran-tsakafo ho an’ny noana, fanampiana ireo sahirana ara-pivelomana, na ny fampanjakana ny rariny sy ny fitovian-jo. Misy koa mihevitra fa tian’Andriamanitra kokoa ny tanindrazany, satria manana hakanto voajanahary.

Hita any amin’ny tany rehetra ny fanindrahindram-pirenena toy izany. Milaza ve anefa ny Baiboly fa iangaran’Andriamanitra ny firenena sasany?

Toetra lehiben’Andriamanitra

Mazava amintsika ny valin’izany, raha fantatsika tsara ny toetra lehibe iray ananan’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Antitranterin’ny Baiboly mazava tsara izy io. “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”, hoy ny Asan’ny Apostoly 10:34. Milaza koa ny Baiboly fa ‘tsy mba misy heloka na fizahan-tavan’olona amin’i Jehovah Andriamanitsika.’ (Deoteronomia 10:17; 2 Tantara 19:7) Mankahala ny fizahan-tavan’olona Andriamanitra, ka ampitoviny amin’ny heloka mihitsy izany.

Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Moa ve tsy niangaran’Andriamanitra ny firenen’Israely fahiny? Tsy hita amin’izany ve fa mizaha tavan’olona izy?’ Nifidy ny firenen’Israely tokoa Andriamanitra taloha, ary niaro azy ireo rehefa niady tamin’ny firenen-kafa izy ireo. Hoy koa ny Baiboly momba an’Andriamanitra: “Milaza ny teniny amin’i Jakoba Izy ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’Isiraely. Tsy nanao toy izany tamin’izay firenena hafa Izy.” (Salamo 147:19, 20) Midika ve anefa izany fa mizaha tavan’olona Andriamanitra? Tsy izany mihitsy. Diniho ireto antony telo ireto:

Voalohany, nifidy ny firenen’Israely Andriamanitra mba hanasoavana ny firenena rehetra. Nanao fifanekena tamin’i Abrahama, razamben’io firenena io izy, nanao hoe: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 22:17, 18) Mba hampisy an’ilay ‘taranaka’ àry no antony nanaovan’Andriamanitra fifanekena tamin’ny Israelita. Amin’ny alalan’io taranaka io no handrotsahana fitahiana lehibe ho an’ny “firenena rehetra ambonin’ny tany”, fa tsy ho an’ny firenena iray ihany.

Faharoa, tsy ny vahoakan’Israely ihany no notahin’Andriamanitra. Tsy nizaha tavan’olona izy, ka na ny olona hafa firenena aza navelany hanompo azy niaraka tamin’ilay vahoaka nofidiny. (2 Tantara 6:32, 33) Maro no nanaiky izany fanasana izany ka nahazo fitahiana. Iray tamin’izany i Rota, vehivavy moabita fantatsika tsara.—Rota 1:3, 16.

Fahatelo, tsy naharitra ny fifandraisana manokana nisy teo amin’Andriamanitra sy ny firenen’Israely. Namokatra an’ilay ‘taranaka’ nambara mialoha io firenena io, tamin’ny taona 29. Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy, ilay Mesia. (Galatianina 3:16) Tsy nino azy ho Mesia anefa ireo mpiray tanindrazana taminy, fa nanda azy. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Indro, ilaozana eo ianareo sy ny tranonareo.” (Matio 23:38) Taorian’izay, dia tsy nisy firenena nanana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra intsony teto an-tany, ary tsy niditra tamin’ny adin’ireo firenena intsony Andriamanitra. Afaka mahazo ny fitahiany kosa ny olombelona rehetra, satria tsy mizaha tavan’olona izy. Misy ohatra sasany ireto.

Fanomezan’Andriamanitra ho an’ny rehetra

Ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy no fanomezana lehibe indrindra natolotr’Andriamanitra ho an’ny olombelona. (Romanina 6:23) Vokatr’izany, dia azo afahana amin’ny ota sy ny fahafatesana ny olona, ka ho afaka hiaina mandrakizay ny tsirairay avy amintsika. Natolotr’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra ‘avy amin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra’ io fanomezana io. (Apokalypsy 5:9) Tena irin’Andriamanitra hahazo “fiainana mandrakizay” tokoa “izay rehetra maneho finoana” an’i Jesosy.—Jaona 3:16.

Mandray fitahiana maro ny olona mihaino ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Apokalypsy 14:6, 7) Manjary feno fanantenana izy ireo mibanjina ny hoavy, sady mahazo torohevitra feno fahendrena izay mitondra fahasambarana bebe kokoa dieny izao. Tsy mizaha tavan’olona i Jehovah, ka ataony izay hahavita ‘ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay fanjakana manerana ny tany onenana, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.’ (Matio 24:14; 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 16:10) Ny Baiboly no mirakitra io vaovao tsara io, ary vita amin’ny fiteny 2 300 mahery izy io, na ny ampahany aminy. Noho i Jehovah, ilay Ray be fitiavana àry, dia saika ny olona rehetra eto an-tany no afaka mamaky ny “tenin’ny fiainana mandrakizay.”—Jaona 6:68; Josoa 1:8.

Afaka mahazo izany fanomezana izany sy ny fanomezana hafa avy amin’Andriamanitra ny rehetra. Eny, ny olona avy amin’ny firenena sy foko ary fiteny rehetra. Tsy miankina amin’ny toerana nahaterahantsika na ny foko niaviantsika àry, no ahazoantsika ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny fitahiany.

Iza no ankasitrahan’Andriamanitra?

Inona àry no tokony hataontsika mba hankasitrahan’Andriamanitra? Namaly toy izao ny apostoly Petera: “Amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Mazava avy amin’izany fa tsy ampy fotsiny ny faniriana hahafantatra an’Andriamanitra. Mila miezaka ny ho tena tia azy isika, ary hatahotra sao tsy hampifaly azy. Mila “manao ny marina” koa isika, izany hoe miezaka mafy manao izay tsara eo imason’Andriamanitra.

Indro misy ohatra: Misy sekolim-panjakana azon’ny olona rehetra aleha any amin’ny tany maro. Izay mankany an-tsekoly sy mianatra tsara ihany anefa no handray soa amin’izany. Sahala amin’izany koa, fa afaka mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra isika rehetra, kanefa mila miezaka. Ilaina, ohatra, ny miezaka mamaky tsy tapaka ny Baiboly sy miaina mifanaraka amin’ny toro lalany, ary maneho finoana ny sorom-panavotan’i Kristy. Raha tena ‘mitady an’i Jehovah’ isika, dia afaka mahazo ny fankasitrahany.—Salamo 105:3, 4; Ohabolana 2:2-9.

[Sary, pejy 15]

Ataon’Andriamanitra izay hahazoan’ny olona any amin’ny firenena rehetra ny “tenin’ny fiainana mandrakizay”