Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ve Raha “Mifandom-bera” ny Kristianina Rehefa Miara-mikorana?

Mety ve Raha “Mifandom-bera” ny Kristianina Rehefa Miara-mikorana?

Mety ve Raha “Mifandom-bera” ny Kristianina Rehefa Miara-mikorana?

MIARA-MISOTRO toaka ny mpinamana any amin’ny tany sasany, rehefa hifandao. Manainga vera izy rehetra, ka mampifandona izany, ary mirary soa na fahasalamana ho an’ilay handeha. Manainga vera sy mampifandona izany koa ny ankamaroan’ny olona rehefa misy mariazy, mba hirariana soa sy fahasalamana ho an’ny mpivady vao. Tsy mahagaga raha misy manontany hoe eken’ny Soratra Masina ve ireny, ka azon’ny Kristianina atao?

Mazava ho azy fa tsy diso ny Kristianina raha mirary soa sy fahasalamana ho an’ny namany. Tsy mahadiso koa raha olona maromaro no miara-manao izany. Izao, ohatra, no teny namaranan’ireo anti-panahy matotra tamin’ny taonjato voalohany ny taratasy iray nosoratany ho an’ny fiangonana kristianina: “Mirary soa ho anareo izahay!”—Asan’ny Apostoly 15:29.

Inona anefa no tena dikan’ilay “mifandom-bera”? Nahoana ny olona no manainga vera, ka mampifandona izany? Misy fomba amam-panao alainy tahaka ve? Mariho ny voalazan’ny Rakipahalalana Britannica (anglisy), Fanontana faha-11, Boky faha-13, pejy 121:

‘Fanao tao amin’ny fivavahana fahiny ny mifandom-bera ho fanomezam-boninahitra an’ireo andriamanitra sy ny maty. Tena azo inoana fa avy amin’izany ilay mifandom-bera ho firariana fahasalamana ho an’ny velona. Nandraraka toaka ho an’ny andriamaniny ny Grika sy ny Romanina, rehefa nisakafo. Nifandom-bera ho fanomezam-boninahitra azy ireny sy ny maty koa izy ireo, rehefa nanao fanasambe.’ Mitantara ilay boky avy eo, fa mbola nanaraka izany fanaon’ny mpanompo sampy izany ny Skandinavianina sy ny Alemà. Hoy ihany izy io: “Azo antoka fa nifandray akaiky tamin’ny fifandonam-bera ho firarian-tsoa ho an’ny velona, ireny fanao nitovitovy tamin’ny fanolorana fanatitra ireny.”

Rehefa manainga vera sy mampifandona izany ny ankamaroan’ny olona, dia mety tsy hieritreritra fa toy ny mampiakatra toaka na ranon-javatra atao fanatitra ho an’ny andriamanitra sampy izy ireo. Mety ho izany anefa no izy. Mazava ho azy, fa tsy hanao fanatitra ho an’ny andriamanitra sampy mihitsy ny Kristianina mahatoky, satria fantany fa “tsy afaka ny hisotro amin’ny kaopin’i Jehovah sy ny kaopin’ny demonia” izy. (1 Korintianina 10:21) Tsy hanahaka ny fanaon’ny fivavahan-diso koa ny Kristianina matotra. Hampifaly an’i Jehovah izany fihetsiny izany. Tadidio fa nampitandreman’i Jehovah mazava tsara ny Israelita, mba tsy haka tahaka ny fanaon’ireo firenena mpanompo sampy nanodidina azy.—Levitikosy 19:27; 21:5.

Afaka mivavaka amin’ny fony manontolo ny Kristianina, raha tiany ny hitahian’i Jehovah ny namany. Tsy hanaraka fomba amam-panao avy amin’ny mpanompo sampy kosa izy, satria halan’i Jehovah izany.—Filipianina 1:9; 2 Korintianina 1:11.

Be dia be ny fomba amam-panao maneran-tany. Mazava ho azy fa hohalavirin’ny Kristianina matotra izay fomba amam-panao hitany miharihary fa avy amin’ny fivavahan-diso. Tsy ratsy daholo anefa ny fomba amam-panao rehetra. Mety ho fanao eo an-toerana na fahalalam-pomba tsy avy amin’ny fivavahan-diso ny sasany. Anisan’izany ny fandraisan-tanana na fiondrehana rehefa miarahaba. (Genesisy 23:7) Azon’ny olona tsirairay atao ny mandinika ny zavatra fantany momba ny fomba amam-panao iray, sy ny antony anaovany izany. Afaka manontany tena izy hoe: ‘Nahoana tokoa moa aho no manao azy io? Sao dia hanafintohina olona aho? Sao dia misy hihevitra ahy hoe manaraka ny fanaon’ny fivavahan-diso?’ (1 Korintianina 10:32, 33) Tsy misy olona afaka mibaiko ny Kristianina ny amin’izay tokony hataony. Mila mandinika tsara àry izy, mba handraisany fanapahan-kevitra tsy hanimba ny feon’ny fieritreretany.—Asan’ny Apostoly 23:1; 2 Korintianina 1:12.