Ny Niandohan’ny Indostrian’ny Diamondra
Ny Niandohan’ny Indostrian’ny Diamondra
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA ATSIMO
TAMIN’NY Janoary 1871 no nitranga ity tantara ity. Tany amin’ny faritra somary karakaina eto Afrika Atsimo, any Griqualand Andrefana, no nipetraka ry Adrian van Wyk, tantsaha tia namaky Baiboly. Tsy nilamina intsony anefa ny fiainany, rehefa tsy nitsahatra nisy olona tonga nanorim-ponenana teo amin’ny taniny. Tsy nampino azy izay nitranga, rehefa nitazana teo am-baravarany izy!
Tomefy olona an’arivony ny taniny, tao anatin’ny andro vitsivitsy, hatrany amin’ny fara-tazany! Tsy niraharaha azy na niera taminy akory ny sasany, fa tonga dia namaritra tany tao an-tokotaniny! Fa inona no nitranga, ka nahatonga ny olona ho somebiseby toy izany? Nisy resaka niely, hoe be diamondra ny tanin’i Van Wyk, ka maro no nanomboka nirohotra nankany.
Inona no nahatonga ny olona hirohotra hitady diamondra?
Roa ambin’ny folo taona teo ho eo talohan’izay, dia nisy rangahy nahita diamondra dimy karà teny akaikin’ny Reniranon’i Vaal, 70 kilaometatra teo ho eo tany avaratry ny tanin’i Van Wyk. Namidin’ilay rangahy Ar 18 000 teo ho eo tamin’ny pasitera niandraikitra misiona protestanta ilay izy. Tsy fantatra hoe nanao ahoana no niafaran’iny diamondra hita voalohany iny. Niely anefa ny resaka momba ilay izy, ka nanomboka namotopototra ny olona.
Sivy taona taorian’izay dia nisy zavatra iray hafa nitranga, teny amoron’ny Reniranon’i Orange. Kilaometatra vitsivitsy tany atsimon’ny fihaonan’io renirano io amin’ny Reniranon’i Vaal no nisy ny tanin’i Schalk van Niekerk. Teo amin’ny taniny no nipetrahan’ny fianakavian-dry Jacobs. Tia nilalao tsobato ny zanaky ry Jacobs, ary anisan’ny vato voangon’izy ireo
ny vato iray namirapiratra hitan’i Erasmus, zokin-dry zareo lahimatoa.Nitsidika an-dry Jacobs i Van Niekerk, tany am-piandohan’ny 1867. Fantatr’i Rtoa Jacobs fa tia vatosoa i Van Niekerk, ka noresahiny taminy ilay vato manjelanjelatra nolalaovin-janany. Hoy izy: “Mamirapiratra mahafinaritra erỳ ilay izy rehefa tarafin’ny labozia amin’ny alina!” Nodinihin’i Van Niekerk ilay izy, ary faly erỳ izy nilaza hoe: “Marina raha tsy diamondra ity!” Tsaroany fa efa namaky ny fomba amantarana ny diamondra izy. Nokiahiny tamin’iny àry ny fitaratry ny varavarankelin’ny tranon-dry Jacobs. Taitra be izy fa namela soritra lalina teo amin’ny fitaratra ilay izy, ary niala tsiny izy fa nanimba zavatra. * Nomen-dRtoa Jacobs an’i Van Niekerk fotsiny ilay vato, fa tsy naka vola izy.
Nasehon’i Van Niekerk ny namany ilay vato, rehefa nankany akaikin’i Hopetown izy, taorian’izay. Tsy nisy afaka nanamarina anefa raha tena diamondra ilay izy. Niampitampita tanana tany amin’ny olona azo antoka ilay vato, nalefa paositra ary tonga tany amin’ny Dr. Atherstone, tany Grahamstown tamin’ny farany. Nitady fanampiana tany amin’ny mpampianatra iray izy, ary hita fa diamondra ilay vato rehefa nojerena tao amin’ny laboratoaran’ny sekoly. Nentina tany amin’ny mpanefy firavaka teo an-toerana ilay izy avy eo, ary nokiahin’izy io tamin’ny vy nefa tsy nety kiaka mihitsy. Nisy olon-kafa koa nasaina nijery azy io, ary nitovy hevitra tamin’i Van Niekerk daholo izy ireo, hoe diamondra ilay izy. Nanoratra taratasy àry ny Dr. Atherstone nanamarina fa diamondra milanja 21,25 karà ilay vato. Nisy nividy Ar 1 300 000 teo ho eo ilay izy, ary nifampizaran’i Van Niekerk tamin-dRtoa Jacobs avy hatrany ilay vola. Mifanentana amin’ny anarany hoe Eureka na “fahombiazana vokatry ny fikarohana”, ilay vato.
Mpiandry ondry sy tantsaha nanao ny marina
Roa taona tatỳ aoriana, dia nisy Afrikanina atao hoe Booi, nitondra ny ondriny niraoka ahitra teny akaikin’ny fihaonan’ny Reniranon’i Orange sy Vaal. Nahita zavatra nanjelanjelatra teo amin’ny tany izy ka nalainy, ary nataony tao am-paosiny. Vato mitovy habe amin’ny letisia ilay izy. Reny mantsy fa nisy karazam-bato nahaliana ny olona tao amin’io faritra io. Nanontany olona àry izy rehefa nandehandeha nitady asa, sao tian’izy ireo ilay vato. Tantsaha aloha no nanontaniany, ary avy eo mpivaro-mandeha. Nasain’izy ireo nankany amin’i Van Niekerk izy.
Tonga tany amin’i Van Niekerk i Booi ary nasehony
azy ilay vato. Hitan’i Van Niekerk avy hatrany fa nety ho diamondra lehibe sy lafo kokoa noho ilay nomen-dRtoa Jacobs azy ilay izy. Nanontany an’ilay mpiandry ondry izy hoe inona no homeny azy ho takalon’ilay vato. Namaly i Booi hoe: “Izay fantatrao fa mety tompoko.” Tsy nisalasala i Van Niekerk, fa efa ho ny fananany rehetra no nomeny an’i Booi: ondry be ronono 500, ombilahy 10, ny sariety fitaterany legioma mankany an-tanan-dehibe, ary ny soavaly fitaingenany mihitsy koa aza! Azo antoka fa nihevitra ny tenany ho mpanefohefo i Booi, ary izany dia noho ny vato mamirapiratra iray monja mitovy habe amin’ny letisia!Nankany Hopetown avy hatrany i Van Niekerk mba hivarotra ilay diamondrany. Gaga be ireo mpandraharaha vitsivitsy tany, ary nanaiky hanome azy vola nitentina Ar 41 000 000 teo ho eo, ho takalon’ilay vato nilanja 83,5 karà. Nantsoina hoe Kintan’i Afrika Atsimo io vato io tatỳ aoriana. * Notefena ilay diamondra, ka io vato lehibe indrindra amin’ny rojo eo amin’ny sary io ilay izy. Niely tany amin’ny firenen-kafa ilay resaka, ka nanomboka nihevitra ny olona fa misy diamondra vaventy eto Afrika Atsimo. Tonga nanao rodobe nankatỳ àry ny olona an’arivony avy any Amerika Avaratra sy Atsimo, Angletera, Eoropa, ary Aostralia. Nanantena hahita diamondra sy ho lasa mpanefohefo izy ireo.
Nanomboka nirohotra ny olona
Teny amoron’ny reniranon’i Orange sy Vaal no nihady diamondra ny olona, tamin’ny voalohany. Nisy resaka niely anefa tamin’ny 1870, fa nisy diamondra vaventy hita teny amin’ireo toeram-piompiana, teo afovoan-tany, teo anelanelan’ireo renirano roa. Nanomboka nirohotra nankany amin’ny tanin’i Adrian van Wyk àry ireo mpihady diamondra teny amoron-drano. Tsy fantatr’i Van Wyk sy ireo mpiara-monina taminy akory, fa hay teo ambony volkano efa maty no nisy ny tanànany. Nahitana tany mangamanga tao anatin’ny lalana
fivoahan’ny riakan’afo avy amin’ny volkano, ary tao anatin’io tany io no nisy diamondra.Vetivety dia maro ny tranolay voaorina teo amin’ilay toerana ary trano fanitso, tsy ela tatỳ aoriana. Faran’izay tsotra ilay tanàna. Tsy nisy lalana, ary zara raha nisy rano sy fantsona ivarinan’ny rano maloto. Niaritra zavatra maro ireo mpiavy. Tao, ohatra, ny vovoka nitora-jofo, lalitra be dia be, hafanana nihoatra ny 40 degre tamin’ny fahavaratra, ary hatsiaka ambanin’ny zero indraindray tamin’ny ririnina. Niaritra izany zava-tsarotra rehetra izany izy ireo satria nanantena ny ho tonga mpanefohefo.
Nanao ahoana ny niafaran-dry Adrian van Wyk, rehefa nibodo ny taniny ny mpihady diamondra? Navelany hiasa teo amin’ny ampahany kely tamin’ny taniny ny mpihady diamondra, tamin’ny voalohany, ary nasainy nandoa vola kely isam-bolana ho hofany. Nihamaro anefa ny mpiavy tonga ka tsy voafehin’i Van Wyk intsony ilay toe-javatra. Faly erỳ izy rehefa nisy orinasa iray mpitrandraka vatosoa nividy ny taniny Ar 7 200 000 teo ho eo. Nanao sonia ireo taratasy izy, ary lasa nitady toerana milamina azony onenana.
Tsy lavitra an-dry Van Wyk no nisy ny toeram-piompian-dry De Beer mirahalahy. Nantsoina tamin’ny anaran’izy ireo ilay toeram-pitrandrahana diamondra teo amin’ny taniny, ary io no lehibe indrindra maneran-tany. Anisan’ny tanàna nonenan’ny tantsaha tso-piaina i Kimberley taloha. Nihabetsaka ny mpitrandraka teo amin’ny tanin-dry De Beer. Nanao lavaka lalina sy makadiry teo ry zareo. Nanjary natao hoe Lavaka Be ny anaran’io toerana io.
Efa notrandrahana tany Inde sy Brezila ny diamondra, talohan’ny nahitana azy voalohany teto Afrika Atsimo. Mbola tsy nahasahana izay nilaina eran-tany anefa izay voatrandraka. Rehefa nahitana diamondra betsaka teto Afrika Atsimo, dia niandoha tamin’izay ny indostrian’ny diamondra.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 8 Hita ao amin’ny tranombakoka Colesberg Museum, eto Afrika Atsimo, io varavaram-pitaratra nisy soritra lalina io, 100 taona mahery atỳ aoriana.
^ feh. 13 Afangaron’ny olona amin’ilay diamondra atao hoe Kintan’i Afrika izy io, indraindray. Jereo ny efajoro “Toeram-pitrandrahana Tsy Manan-tsahala”, eo amin’ny pejy faha-16.
[Efajoro/Sary, pejy 16, 17]
Toeram-pitrandrahana Tsy Manan-tsahala
Nanomboka nitrandrahana diamondra ny toerana iray, any amin’ny 30 kilaometatra eo ho eo, any atsinanan’i Pretoria, Afrika Atsimo, tamin’ny 1903. Mendrika azy tokoa ilay anarany midika hoe Toeram-pitrandrahana Tsy Manan-tsahala. Roa taona tatỳ aoriana, dia nisy mpiasa iray nanondro zavatra nanjelatra, tao amin’ilay lavaka nirefy folo metatra. Nidina moramora ny lehibeny, ary nopoiriny tamin’ny antsipikany ilay izy. Hay diamondra! Io no diamondra mbola tsy voatefy, lehibe indrindra nisy hatramin’izay. Nitovy habe tamin’ny totohondrin’ny lehilahy izy io, ary nilanja 3 106 karà. I Thomas Cullinan no nahita azy io, ka nampitondraina ny anarany. Nahazoana vatosoa lehibe sivy sy vatosoa kely 96 ny diamondra Cullinan rehefa notefena. Antsoina hoe Cullinan I, na Kintan’i Afrika, ny vatosoa voatefy lehibe indrindra teto an-tany, azo avy tamin’izy io. Mandravaka ny tehim-panjakana britanika izy io, araka ny hita eto amin’ny sary. Mbola mamokatra diamondra vaventy maro sy faran’izay tsara io toeram-pitrandrahana io, 100 taona atỳ aoriana. Mifanentana amin’ny anarany tokoa io toeram-pitrandrahana io.
[Sary]
Tehim-panjakana britanika
Mitovy habe amin’ny totohondrin’ny lehilahy ny diamondra Cullinan, mbola tsy voatefy
[Efajoro/Sary, pejy 17]
MOMBA NY DIAMONDRA
◆ Ny diamondra no zavatra voajanahary mafy indrindra fantatry ny olombelona.
◆ Ataoma-na karbonina mitambatra no manome ny diamondra, toy ny manjaranon’ny pensilihazo ihany. Nahoana anefa no mafy ny diamondra fa tsy toy ny manjarano? Satria tsy mitovy ny filahatry ny ataoma-na karbonina ao amin’izy ireo.
◆ Ny karà no ventin-danja ampiasaina amin’ny diamondra. Mitovy amin’ny 200 miligrama ny karà iray.
◆ Vato sy vatokely ary fasika efa ho 400 taonina matetika no ilaina hosivanina mba hahazoana diamondra iray karà.
[Efajoro/Sary, pejy 18]
ILAY LAVAKA BE AO KIMBERLEY
Tantsaha vitsivitsy no nonina nanodidina ny tanànan’i Kimberley, tamin’ny voalohany. Lasa 50 000 teo ho eo anefa ny mponina tao, tao anatin’ny efa-taona, nanomboka tamin’ny 1869 ka hatramin’ny 1873. Olona te ho mpanefohefo avy amin’ny faritra rehetra amin’ny tany ny ankamaroany. An’arivony no nandeha an-tongotra 1 000 kilaometatra avy any amin’ny seranan’i Le Cap. Nampiasa lapika sy lapelina izy ireo, ka nanova havoana iray ho lavaka makadiry. Io no lavaka lehibe indrindra nohadin’olona hatramin’izay. Nisy 240 metatra ny halalin’ilay lavaka, rehefa tsy nisy nandavaka intsony. Nitohy hatrany amin’ny 1 097 metatra tany ambanin’ny tany ny fitrandrahana. Milaza ny Rakipahalalan’ny Faritra Atsimon’i Afrika (anglisy), fa rehefa tsy nisy nitrandraka intsony teo amin’io toerana io, tamin’ny 1914, dia fantatra fa “tany 25 tapitrisa taonina” no notaomina tao, ary diamondra telo taonina mitentina Ar 170 000 tapitrisa mahery no azo.
[Sary, pejy 17]
Dr. Atherstone
[Sary, pejy 17]
Schalk van Niekerk
[Sary, pejy 17]
Ilay diamondra Eureka
[Sary nahazoan-dalana]
De Beers Consolidated Mines Ltd.
[Sary, pejy 18]
Kintan’i Afrika Atsimo
[Sary, pejy 18, 19]
Ilay Lavaka Be tamin’ny 1875. Tady nampiasaina hampidinana mpiasa, sy hampiakarana tany nisy diamondra. An-jatony no nilaza fa nanan-jo hitrandraka diamondra
[Sary, pejy 19]
Nirohotra nitady diamondra ny olona, ka vetivety dia betsaka no nanorim-ponenana
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Crown ©/The Royal Collection © 2005, Her Majesty Queen Elizabeth II; Sary: www.comstock.com
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Photo by Fox Photos/Getty Images
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Sarin’olona: From the book The Grand Old Days of the Diamond Fields by George Beet
[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]
Sary: De Beers Consolidated Mines Ltd.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]
Sary: De Beers Consolidated Mines Ltd.