Sarotra ny Mamatsy ny Tanàn-dehibe
Sarotra ny Mamatsy ny Tanàn-dehibe
“Mihasarotra hatrany ny manome sakafo ampy ho an’ny tanàn-dehibe maneran-tany, ka ilana vahaolana maika. Mila miara-miasa ny mpamboly, mpitatitra, mpandraharaha, ary mpivarotra antsinjarany maro be.”—JACQUES DIOUF, TALE JENERALIN’NY FAO.
MILAZA mihitsy aza ny manam-pahaizana amin’ny famatsiana sakafo, fa ny fomba hamatsiana tsara ny tanàn-dehibe no mety ho “zava-tsarotra lehibe indrindra tsy maintsy atrehintsika”, mandritra ny taonjato faha-21.
Tokony hahazo sakafo ampy foana ny olona tsirairay mba hampahavitrika sy hahasalama azy. Ho ampy ny olon-drehetra ny sakafo misy eran-tany amin’izao fotoana izao, raha voazara araka ny tokony ho izy. Mampalahelo anefa fa tsy izany no zava-misy. Olona 840 tapitrisa eo ho eo no misakafo ambany foitra isan’andro, ka mponina any an-tanàn-dehibe ny maro aminy. Andeha hojerentsika ny antony sasany mahatonga izany.
Tena be mponina ka mila sakafo be dia be
Arakaraka ny itaran’ny tanàn-dehibe no mampihena ny tany azo volena. Anamboarana trano sy orinasa ary lalana vaovao mantsy ireny tany ireny. Vokatr’izany, dia mihalavitra ny tanàn-dehibe ny toerana fambolena ahazoany sakafo. Kely dia kely na tsy misy mihitsy matetika ny zavatra ambolena any an-tanàn-dehibe, ary taterina avy any amin’ny faritra lavitra ny hena. Ratsy anefa ny lalana itaterana ny vokatra, any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana maro, ka elaela izy ireny vao tonga any an-tanàn-dehibe. Simba ny ankabeazany, ka amidy lafo kokoa izay sisa tavela. Mahantra faraidiny anefa ny maro amin’ny mpividy.
Efa midadasika ny tanàn-dehibe sasany any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, ary azo antoka fa mbola hidadasika kokoa. Amin’ny taona 2015, dia mety hahatratra 22,6 tapitrisa ny mponin’i Mumbai (Bombay taloha), 20,9 tapitrisa ny an’i Delhi, 20,6 tapitrisa ny an’i Mexico, ary 20 tapitrisa ny an’i São Paulo. Voalaza fa tsy maintsy manafatra sakafo hatramin’ny 6 000 taonina isan’andro ny tanàn-dehibe misy mponina folo tapitrisa, toa an’i Manille na Rio de Janeiro.
Asa be izany ary vao mainka mihasarotra, indrindra ho an’ny faritra misy mponina mitombo haingana. Be dia be, ohatra, ny isan’ny zaza teraka any Lahore, Pakistan. Voalaza koa anefa fa be dia be ny olona avy any ambanivohitra no mifindra any, ka tena “mampanahy.” An-tapitrisany ny olona mirohotra any amin’ny tanàn-dehibe efa be mponina, any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana maro. Te hanana fiainana sy asa ary sakafo tsara kokoa mantsy izy ireo, na te ho voakarakara kokoa. Voalaza àry fa amin’ny hoavy, dia mety hiampy iray tapitrisa na maherin’izany isan-taona ny mponina any an-tanàn-dehiben’i Dacca, Bangladesy. Honina any an-tanàn-dehibe daholo ny ankamaroan’ny olona any Chine amin’ny taona 2025, araka ny tombantombana, raha ny androatokony no monina any ambanivohitra amin’izao fotoana izao. Mety hahatratra 600 tapitrisa koa ny isan’ny olona honina any amin’ireo tanàn-dehiben’i Inde, amin’io taona io.
Mihamiova ny faritra maro eran-tany noho ny fifindran’ny olona mankany an-tanàn-dehibe. Ny 14 isan-jato monja tamin’ny olona tatsy Afrika Andrefana, ohatra, no nonina tany an-tanàn-dehibe tamin’ny taona 1960. Nahatratra
40 isan-jato izany tamin’ny 1997, ary inoana fa hiakatra 63 isan-jato amin’ny taona 2020. Mety hitombo avo roa heny ny isan’ny mponina an-tanàn-dehibe atsy Afrika Atsinanana, ato anatin’ny folo taona. Voalaza koa fa tsy ho ela, dia ny mponina an-tanàn-dehibe no tena hihabetsaka, any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana.Mila mihinan-kanina daholo izany olona rehetra izany, nefa asa be tokoa ny mampitombo ny sakafo hamatsiana azy ireo. Olona an’arivony no tsy maintsy miara-miasa, anisan’izany ny tantsaha, mpamono entana, mpitondra kamiao, mpanelanelana, ary mpitaona entana. Fiara an’arivony koa no ilaina. Mihabetsaka anefa ny sakafo ilaina any amin’ny tanàn-dehibe sasany, ka tsy maharaka intsony ny faritra manodidina mpamatsy azy. Efa tsy maharaka intsony koa ny mpitatitra, ny trano fanatobiana entana, ny tsena, ary ny toerana famonoana omby. Hita izany, saika any amin’ny tanàn-dehibe rehetra any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana.
Maro be ny mahantra
Vao mainka manahirana ny mamatsy mponina tsy mitsaha-mitombo toy izany, rehefa mahantra ny ankamaroany. Efa ny antsasaky ny mponina na maherin’izany no mahantra any amin’ny tanàn-dehibe maro, any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana toa an’i Dacca, Freetown, Goatemalà, Lagos, ary La Paz.
Milaza ny mpandinika momba ny famatsiana ireny olona ireny, fa mety hisy sakafo ihany eny an-tsena, saingy tsy takatry ny volan’ny mahantra. Voamarika fa mitady sy mihinana sakafo betsaka kokoa sy isan-karazany kokoa ny olona sasany any an-tanàn-dehibe, rehefa misondrotra ny karamany. Ny mahantra kosa tsy mba afaka mividy izay sakafo ampy azy sy ilainy ary mba tiany. Mety ho lany amin’ny sakafo daholo ny 60 na 80 isan-jaton’ny karaman’izy ireny.
Mora kokoa angamba ny sakafo raha betsaka no atao indray mividy. Tsy ho afaka hanao izany anefa ny olona raha ny vola eo am-pelatanany mihitsy no tsy ampy. Maro ny fianakaviana tsy mahavidy na dia ny sakafo tsotra indrindra tokony hohaniny aza, ka lasa tsy ampy sakafo. Voalaza, ohatra, fa “tena olana goavana sy miely patrana” ny tsy fahampian-tsakafo any amin’ireo tanàn-dehibe afrikanina, any atsimon’i Sahara, raha tsy hanonona afa-tsy io faritra io isika.
Ny tena atahorana tsy ho ampy sakafo, dia ireo nifindra vao haingana any an-tanàn-dehibe, ka mbola tsy zatra miaina any. Eo, ohatra, ny reny tokan-tena sy ny mpiasam-panjakana vaovao, izay tara vao mandray karama, satria tsy ampy ny volam-panjakana. Eo koa ny kilemaina sy ny zokiolona ary ny marary. Matetika izy ireny no mipetraka amin’ny toerana tsizarizary somary lavitra ny tanàn-dehibe. Tsy misy jiro any, na rano amin’ny paompy, na tatatra fivarinan’ny rano maloto, na lalana, na fanariam-pako. Trano vonjimaika na zara fa vita no ipetrahan’ny ankamaroan’ny olona. An-tapitrisany no miaina ao anatin’ny toe-javatra toy izany, nefa mbola miady mafy koa mba hahitana vola hivelomana. Izy ireny no tena mijaly rehefa misy olana eo amin’ny famatsiana sakafo. Matetika no lavitra be avy eo aminy vao misy tsena, ka voatery mividy sakafo lafo izy, nefa tsizarizary. Mafy tokoa ny manjo azy ireny.
Tsy azo antoka sy tsy mahasalama
Lasa mikorontana sy tsy manara-penitra matetika ny tanàn-dehibe maro, rehefa mitombo haingana ny mponina ao aminy. Vokatr’izany, dia tsy mahasalama sy mampahatahotra izy ireny,
ary anjakan’ny asan-jiolahy. Hoy ny boky Famatsiana ny Tanàn-dehibe, navoakan’ny FAO: “Tsy omby afa-tsy mponina vitsy kely ny tanàn-dehibe sasany any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Mitombo haingana anefa ny mponina any, ka matetika ny manam-pahefana no miady mafy mba hahitana vahaolana amin’izany.”Samy manorinorina tsena eny ny olona, any amin’ny ankamaroan’ny tany afrikanina. Ivarotany daholo izay toerana rehetra mampandeha ny entany. Tsy misy na dia ny fitaovana tena ilaina akory aza anefa amin’ireny toerana lasa tsena ireny.
Ratsy toerana sy be olona loatra ny tsena mpivarotra ambongadiny sy antsinjarany, any Colombo, Sri Lanka. Mitaraina ny mpitondra kamiao fa ela be izy ireo vao tonga any afovoan-tsena sy tafavoaka avy any. Tsy araka ny tokony ho izy ny toerana fijanonana, sy ny toerana ahafahana mampidina sy mampakatra entana.
Zara raha voakarakara sy voara-maso koa ny tsena any an-toeran-kafa, ka mihafeno fako sy loto avy amin’ny olombelona. Maloto be izy ireny noho izany, ka miteraka aretina. Hoy ny ben’ny tanàna iray, any Azia Atsimo: “Mihasimba ny fahasalaman’ny olona noho izany olana izany.”
Tena maloto sy tsizarizary tokoa ny tsena sasany. Hita izany tamin’ny fitsirihana ny hena namidy tany amin’ny tanàn-dehibe iray, any Azia Atsimoatsinanana. “Amidy eo amin’ny tany tsy misy lafika” ny hena any, ka “mihosim-bovoka sy
mifangaro amin’ny rano maloto.” Nahitana bakteria salmonelle ny 40 isan-jaton’ny henan-kisoa sy ny 60 isan-jaton’ny hen’omby nanaovana fitsirihana. Nisy bakteria E. coli koa ny hen’omby rehetra. Nahitana metaly mahafaty toy ny firamainty sy volavelona koa ny hena sasany.Koa satria tsy ampy ny sakafo na tsy azo antoka ho tonga amin’ny fotoana ilana azy, dia manandrana mamboly eny amin’izay toerana rehetra malalaka ny mponina an-tanàn-dehibe. Izany, ohatra, no ataon’ny olona maro, any Kano, Nizeria. Tsy manan-jo hamboly eo amin’ilay toerana anefa ny ankamaroany, ka mety ho voaroaka eo, ary mety hopotehina ny zavatra niezahany mafy nambolena.
Mitantara ny zavatra hitany tany amin’ny toeram-pambolena eo amoron’ny renirano iray, any akaikin’ny tanàn-dehiben’i Meksika, i Olivio Argenti, manam-pahaizana momba ny famatsiana ny tanàn-dehibe, miasa ao amin’ny FAO. Mivarina ao amin’ilay renirano ny rano maloton’ny tanàna eo akaiky eo, nefa io no anondrahan’ny tantsaha eo an-toerana ny legioma. Ny fotaka eo koa no ataony amin’ny tany amboleny. Hoy i Argenti: “Nanontaniako ny manam-pahefana raha fantatr’izy ireo ny loza mety haterak’izany. Nilaza izy ireo fa tsy afa-nanoatra satria tsy nanam-bola sy fitaovana.” Fahita ny olana toy izany any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana rehetra.
Miezaka mitady vahaolana ny tanàn-dehibe
Toa tsy tambo isaina ny olana mianjady amin’ny tanàn-dehibe misy mponina mitombo haingana. Efa manao izay ho vitany izao ny fikambanana iraisam-pirenena sy ny mpanao tetikasa ary ny manam-pahefana, mba handaminana izany. Ireto ny sasany amin’ny tetikasan’izy ireo: Mampirisika ny olona hamboly any ambanivohitra, manao izay hahatongavan’ny sakafo any amin’izay mila izany, manao lalana sy tsena ary toerana famonoana omby vaovao. Hitan’izy ireo koa fa tokony hampirisihina hampiasa ny volany hisahanana trano fanangonam-bokatra ny olona afaka manao izany. Tokony hatao koa izay hahamora ny fampindramam-bola ho an’ny tantsaha sy ny mpivarotra ary ny mpitatitra. Mila ampiharina koa ny fitsipika momba ny varotra sy ny fahadiovana. Hitan’ny mpandinika anefa fa na eo
aza ny ezaka rehetra efa atao, dia maro ny manam-pahefana tsy mahita ny olana mianjady amin’ny tanàn-dehibe, na tsy tena manao zavatra mba hamahana izany. Ny hoenti-manana mihitsy koa no tsy ampy indraindray, na dia misy ihany aza ny tsara sitrapo.Be loatra, araka izany, ny olana mianjady amin’ny tanàn-dehibe, indrindra any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, ka misy olona mandefa fampitandremana maika. Izao, ohatra, no tenin’ny Fikambanana Mitady Fomba Hamahana ny Olana Ara-tsakafo Eran-tany, any Washington: “Mbola hitombo foana ny mponina any an-tanàn-dehibe, ka raha tsy manao zavatra dieny izao isika, dia tsy maintsy hiara-mitombo aminy ireo olana ireo [hanoanana, tsy fahampian-tsakafo, ary fahantrana].” Niresaka momba ny hoavin’ny tanàn-dehibe any amin’ny tany mahantra koa i Janice Perlman, prezidan’ny Tetikasa Momba ny Tanàn-dehibe (fikambanana iraisam-pirenena miady amin’ny olana any an-tanàn-dehibe). Hoy izy: “Mbola tsy fahita mihitsy izany hoe tsy maintsy manome sakafo, trano, asa, na fitaterana ho an’ny olona be dia be ao amina faritra feno hipoka izany, nefa tena tsy ampy ny toerana hanaovana azy sy ny hoenti-manana. Tsy vitan’ny tanàn-dehibe intsony ny manome izay ilain’ny mponina ao aminy.”
Misy antony marim-pototra inoana anefa, fa ho voavaha tsy ho ela ny olana eo amin’ny resaka famatsiana sy fitaterana sakafo.
[Efajoro, pejy 5]
MIHABE MPONINA NY TANÀN-DEHIBE
▪ Saika ny mponina an-tanàn-dehibe, maneran-tany, no tena mety hitombo ao anatin’ny 30 taona.
▪ Mety hipetraka any an-tanàn-dehibe ny antsasany mahery amin’ny mponina maneran-tany, amin’ny 2007.
▪ Mety hitombo 1,8 isan-jato eo ho eo isan-taona ny isan’ny olona honina any an-tanàn-dehibe. Raha izany no izy, dia ho lasa avo roa heny ny isan’ny mponina an-tanàn-dehibe ao anatin’ny 38 taona.
▪ Niisa 46 ny tanàn-dehibe nisy mponina dimy tapitrisa na mahery, tamin’ny 2003. Mety ho lasa 61 izany amin’ny 2015.
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ny World Urbanization Prospects—The 2003 Revision, United Nations Department of Economic and Social Affairs, Population Division
[Efajoro, pejy 6]
OLANA EO AMIN’NY FAMATSIANA—ANTONY SY VOKANY SASANY
▪ “Fantatra sy hita maneran-tany fa misy korontana ara-politika sy ara-tsosialy any an-tanàn-dehibe, raha vao midangana tampoka ny vidin-tsakafo.”—Jacques Diouf, tale jeneralin’ny FAO.
▪ Namely ny faritr’i Karaiba sy Amerika Afovoany ny rivo-doza Georges sy Mitch, tamin’ny taona 1999, ka nanimba zavatra be dia be. Tsy ampy sakafo ny olona ary tsy afaka niasa.
▪ Tena nananosarotra ny famatsiana sakafo tany Ekoatera tamin’ny 1999, sy tany Grande-Bretagne tamin’ny taona 2000, satria nirotaka ny olona noho ny fiakaran’ny vidin’ny solika.
▪ Anisan’ny voka-dratsin’ny ady ny tsy fahampian-tsakafo.
[Efajoro/Sary, pejy 7]
IRAY MONJA AMIN’IREO MOSARENA AN-TAPITRISANY
MIPETRAKA amin’ny trano tsizarizary (eo ambony) any akaikin’i Lima, any Peroa, i Consuelo sy ny zanany 13. Voan’ny tioberkilaozy ny zanany telo. Hoy io vehivavy io: “Nipetraka tany an-tendrombohitra izahay taloha. Nisy olona an-jatony nifindra tatỳ an-tanàn-dehibe anefa tao an-tanànanay, indray alina. Nieritreritra izahay tamin’izay hoe ‘mba ho afaka hianatra ny zanakay raha any Lima, sady hahazo kiraro. Ho tsara kokoa ny fiainan’izy ireo any.’ ” Nandrary tsihy hanaovana trano àry ny tao an-tanàna, ka nifindra tany an-tanàn-dehibe daholo tamin’io alina io. Be loatra ny tranotrano tsihy ny ampitson’iny, ka tsy vitan’ny manam-pahefana intsony ny nanala azy.
Misy loaka be ny tafontranon-dry Consuelo, ary tany ny gorodona. Misy akoho mikarenjy eran’ny trano. “Ompiako ireo mba hamidy amin’ny mpanankarena”, hoy i Consuelo. “Nitady vola aho hividianana kiraro ho an-janako vavy. Tsy maintsy handoavako ny volan’ny hopitaly sy ny vidim-panafody anefa izao ilay izy.”
Tongolobe vitsivitsy no mba hany sakafo ao amin-dry Consuelo. Sarotra ny mahita asa, ka na dia ny vola hividianana rano aza tsy ananany. Sady tsy misy rano no tsy misy kabine ao amin’ilay trano tsizarizariny. Hoy izy: “Ao amin’itsy daba itsy izahay no manao maloto, dia irahiko hanary azy ny ankizy amin’ny alina. Tsy misy afa-tsy izay no azonay atao.”
Tsy mba mahazo vola avy any amin’ny vadiny mihitsy i Consuelo, sady zara raha mifankahita aminy. Vao 30 taona mahery izy, nefa toy ny efa antitra sahady. “Kelikely maintimainty ny masony, ary somary mibinabina ny tarehiny. Toa olona lasa saina be no fijery azy. Hita hoe tsy misy fanantenana intsony izy.” Izany no voalazan’ny mpanoratra iray nanadinadina azy.
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ny In Context
AP Photo/Silvia Izquierdo
[Efajoro/Sary, pejy 9]
“TOKONY HIFINDRA ANY AN-TANÀN-DEHIBE VE AHO?”
MISY lafin-javatra maromaro tokony hodinihin’izay mieritreritra ny hifindra any an-tanàn-dehibe. Hoy ny boky Famatsiana ny Tanàn-dehibe, navoakan’ny FAO: ‘Anisan’ny antony tena mahasarika ny olona ho any, ny fanantenana fa hihatsara noho ny any ambanivohitra ny fiainany. Tsy voatery hihatsara eo no ho eo [anefa] izany, ary angamba na dia am-polony taona maro atỳ aoriana aza.’
Tsy mahita trano sy asa ny olona maro avy any ambanivohitra rehefa mankany an-tanàn-dehibe. Vao mainka izy ireo mihamahantra, nefa mbola tena vahiny ao amin’ilay toerana. Raha mieritreritra ny hifindra any an-tanàn-dehibe àry ianao, azonao antoka ve fa hahavelona ny vady aman-janakao ianao any? Matetika no kely karama ny asa any, raha misy aza. Mety ho tsy maintsy miasa ora maro ianao vao hahazo vola kely hivelomana. Tsy ho lasa an-tsirambina ve ny zavatra heverinao sy ny vady aman-janakao ho lehibe?—Matio 28:19, 20; Hebreo 10:24, 25.
Misy ray aman-dreny mifindra nefa mamela ny zanany any ambanivohitra. Fahendrena ve izany? Marina fa tsy maintsy mamelona ny ankohonany ny ray aman-dreny kristianina. Mbola ho afaka haneho fitiavana amin-janany sy hampianatra azy momba an’Andriamanitra ihany ve anefa izy ireo, raha misaraka aminy? (1 Timoty 5:8) Mbola ho afaka hanohy hitaiza tsara ny zanany “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah” ve ny raim-pianakaviana? (Efesianina 6:4) Tsy halaim-panahy hijangajanga ve ny mpivady rehefa misara-toerana foana?—1 Korintianina 7:5.
Marina fa anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra raha hifindra izy na tsia. Tokony hodinihin’ny Kristianina anefa ny lafin-javatra rehetra mifandray amin’izany, alohan’ny hanapahany hevitra. Tokony hivavaka amin’i Jehovah koa izy mba hahazoana tari-dalana.—Lioka 14:28.
[Sary, pejy 8, 9]
Maloto sy be olona ny tanàn-dehibe
Inde
Nizeria
Meksika
Bangladesy
[Sary, pejy 8]
Mahantra ny fianakaviana maro any an-tanàn-dehibe, ka tsy maintsy miasa hatramin’ny ankizy
[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]
Inde: © Mark Henley/Panos Pictures; Niger: © Olivio Argenti; Mexico: © Aubrey Wade/Panos Pictures; Bangladesh: © Heldur Netocny/ Panos Pictures; sary eo ambany: © Jean-Leo Dugast/Panos Pictures