Tadidy Ireo Fahatsiarovana Sarobidy
Tadidy Ireo Fahatsiarovana Sarobidy
Nahazo an’ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe ny vehivavy iray. Tapa-kevitra izy avy eo fa hitondra iray koa ho an’ny zokiny vavy efa antitra. Dimy amby valopolo taona eo ho eo izao io zokiny io, ary voan’ny aretin’i Alzheimer. Mpianatra ny Baiboly sady mpampianatra Baiboly be zotom-po izy io, nandritra ny 70 taona. Maro anefa ny zava-nitranga vao haingana tsy tsaroany akory, ary mahalana izy vao mba miresaka.
Hoy ilay rahavaviny: “Nolazaiko taminy aloha fa natao hanampiana ny ray aman-dreny handentika ao an-tsain-janany ny toro lalana sy fampianaran’ny Baiboly ilay boky. Nilazako izy avy eo fa te hamaky azy io taminy aho. Tsy namaly izy. Lasa falifaly be anefa izy rehefa nanomboka namaky aho, ary novaliany daholo ny fanontaniana tao amin’ilay vakiteny. Rehefa nanomboka nanonona andinin-teny aho indraindray, dia vitany tsianjery ilay izy ka notohizany hatramin’ny farany. Nolazainy araka ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques ilay izy, satria io no Baiboly nahazatra azy hatramin’izy mbola tanora. Nofihininy ny sandriko indraindray, rehefa namaky tantara ara-baiboly aho, sady hoy izy: ‘Ie, tadidiko izay!’ ”
“Efa voavakiko taminy ny antsasany mahery tamin’ilay boky rehefa nadiva hifarana ny fitsidihanay mivady azy ireo. Nilaza anefa izy fa mbola te hihaino. Ny vadiny, izay tena mikarakara tsara azy àry, no namita ny famakiana ilay boky taminy. Rehefa nahita an’io zava-nitranga tamin’ny rahavaviko io aho, dia nanjary takatro fa tena ilaina ny mamaky ny boky toy ireny amin’ny zokiolona sy ny marary.”
Tia an’io boky 256 pejy io izay mitovy velarana amin’ity gazety ity, na ny antitra na ny tanora. Voaravaka sary tsara tarehy izy io. Miorina amin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy ireo lesona ao anatiny, ary hazavaina amin’ny fiteny tsotra. Natao ho an’ny sokajin-taona rehetra anefa ny foto-kevitra velabelariny. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ny tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.