Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Maintsy Manaraka Fombafomba ve Rehefa Mampaka-bady?

Tsy Maintsy Manaraka Fombafomba ve Rehefa Mampaka-bady?

Manontany ny Tanora Hoe...

Tsy Maintsy Manaraka Fombafomba ve Rehefa Mampaka-bady?

“Nanipy hevitra tamiko i Cindy fofombadiko hoe nahoana raha vitaina samirery ny mariazinay, dia tsy miteniteny amin’ny namana sy ny fianakaviana. Rehefa nodinihinay tsara izany, dia hitanay fa tsy mandany fotoana sy tsy mandreraka ary tsy manahiran-tsaina firy.”— Allen. *

METY ho tianao ny hamita mangingina ny mariazinao, raha manana olon-tiana ianao sady efa ampy taona hanambady. Mety hisy olona halaim-panahy hanao izany amin’ny toe-javatra sasany, ka tsy hiteny na dia amin’ny ray aman-dreniny aza. Inona no toro lalana afaka manampy anao hanapa-kevitra ny amin’izay tokony hatao?

Ny fombafomba ve no zava-dehibe indrindra?

Fanao mahazatra any amin’ny firenena maro ny mampaka-bady, fa ny fomba hankalazana azy no samy hafa be. Tsy ny hampifanaraka ny mariaziny amin’ny fomba amam-panao rehetra eo an-toerana anefa no tena ahin’ny Kristianina hanambady. (Romanina 12:2) Ny hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra mandritra ny fiarahany alohan’ny fanambadiana sy amin’ny mariaziny kosa, no zava-dehibe indrindra aminy.—1 Korintianina 10:31.

Mendri-kaja ny fanambadiana ka tsy hanafina azy io ny ankamaroan’ny olona. Fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny tany maro, ny mankalaza ny mariaziny ao amin’ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana. * Mazàna ny mpivady vao no manasa ny fianakaviany sy ny namany hiara-misakafo sy hiara-mifaly aminy, aorian’izay. Tsy voatery ho fety makotrokotroka be ilay izy. Iaraha-mahalala anefa fa mandreraka sady mety handany vola be ny mikarakara lanonam-panambadiana. Vola an’arivony dolara mihitsy matetika no lany amin’izany, any Etazonia.

Mifidy hanao mariazy tsotra kokoa ny olona sasany mba hanamaivanana ny adin-tsaina sy ny fandaniana. Hoy i Cindy, ilay voaresaka terỳ aloha: “Nilazanay ny ray aman-dreninay fa tsy hanaraka fombafomba izahay amin’ny mariazinay, satria tianay ho tsotra sy tsy handaniam-bola be ilay izy. Nanome toky anay ny ray aman-dreniko, fa azony tsara ny anton’izany safidy izany, ary niombon-kevitra taminay izy ireo. Tena nanohana anay izy ireo.” Rehefa nilaza tamin’ny ray aman-dreniny ny fomba tiany hanaovana ny mariaziny kosa i Allen, ilay fofombadin’i Cindy, dia sarotra tamin’izy ireo ny nanaiky an’ilay izy. Hoy i Allen: “Nihevitra ry zareo fa nisy zavatra tsy nety nataony, matoa izahay nandray io fanapahan-kevitra io. Tsy izany mihitsy anefa no izy.”

Mety ho diso fanantenana koa ny ray aman-dreninao raha manapa-kevitra hanao mariazy tena tsotra ianao. Mety haniry hiara-mifaly amin’ny olona maro araka izay azo atao mantsy izy ireo amin’io andro manokana io. Ahoana anefa raha mikasa hanambady ianao nefa tsy hilaza amin’ny ray aman-dreninao, satria fantatrao fa tsy hanaiky izy ireo?

Hevero ny fihetseham-pon’ny fianakavianao

Mety tsy hamela anao hanambady ny ray aman-dreninao, satria mihevitra izy fa mbola kely loatra ianao, ka tsy ho afaka handray izany fanapahan-kevitra lehibe izany. Matahotra angamba izy ireo sao hiova fitia ianao rehefa mihamatotra, ka hanenina amin’ny safidy ataonao. Na mety hihevitra ihany izy ireo fa efa ampy taona hanambady ianao, saingy misy kileman-toetra hitany ao amin’ilay olon-tianao. Na koa mety handrara anao izy ireo, satria tsy mitovy finoana aminao ilay olona kasainao ho vady.

Azo inoana fa antony ara-baiboly no mahatonga ny ray aman-dreninao hihevitra toy izany, raha tena Kristianina izy ireo. Ara-dalàna raha lazain’izy ireo aminao ny fanahiany. Tena heverin’i Jehovah ho tsy mandray andraikitra sy tsy manam-pitiavana mantsy izy ireo, raha tsy manao izany. Hahasoa anao koa ny mihaino ny hevitr’izy ireo.—Ohabolana 13:1, 24.

Maka hevitra amin’olon-kafa angamba ianao, ohatra, rehefa hividy akanjo, mba hahalalanao raha mety aminao ilay izy na tsia. Mety tsy hitovy hevitra amin’izy ireo foana ianao. Antenainao anefa fa hiteny aminao ny namanao akaiky, raha hitany fa tsy antonona anao ilay akanjo, na tsy manendrika anao. Ankasitrahanao ny toroheviny, satria mety hiaro anao tsy handanilany vola. Tsy vao mainka àry ve tokony hankasitraka sy hihaino izay lazain’ny fianakavianao ianao, rehefa mifidy vady? Mety ho azo averina any amin’ny mpivarotra na ariana mantsy ny akanjo, fa ny vady kosa nataon’i Jehovah hiaraka aminao mandritra ny androm-piainanao. (Matio 19:5, 6) Ho sahirana ianao raha manao akanjo tsy antonona anao tsara. Ho sahirana lavitra anefa ianao raha olona tsy mifanara-toetra aminao no fidinao ho vady, na raha tsy mitovy ny fiheveranareo ny fanompoana an’Andriamanitra. (Genesisy 2:18; Ohabolana 21:9) Izany dia mety tsy hahitanao ny tena fahasambarana.—Ohabolana 5:18; 18:22.

Marina fa fitiavan-tena no mety hahatonga ny ray aman-dreny sasany handrara ny zanany tsy hanambady. Mbola te hamehifehy ny zanany angamba, ohatra, izy ireny. Tsy aleo ve anefa aloha eritreretina tsara ny antony andraran’izy ireo anao, izay vao mihevitra azy ireo hoe tia tena, ka hamita mangingina ny fanambadianao?

Antony tokony hitandremana

Azo antoka fa hiova ny zavatra tianao rehefa mihamatotra ianao. Hoy ny apostoly Paoly: “Fony aho zaza, dia niteny toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza. Fa amin’izao izaho efa olon-dehibe izao, dia nesoriko ny toetran-jaza.” (1 Korintianina 13:11) Rehefa mihalehibe ianao, dia azo inoana fa tsy hanintona anao intsony ny toetran’olona nanintona anao tamin’ny mbola zatovo. Izany no mahatonga ny Baiboly hanoro hevitra anao mba hiandry ho “dila ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana”, na ireo taona maha mafy indrindra ny faniriana hanao firaisana, vao mitady vady. Fanapahan-kevitra lehibe mantsy izany.—1 Korintianina 7:36.

Ary ahoana raha mahita hokianina amin’ilay olon-tianao ny ray aman-dreninao? Efa ela niainana izy ireo, ka zatra kokoa ny sainy manavaka ny tsara sy ny ratsy. (Hebreo 5:14) Mety hahita kileman-toetra lehibe ao amin’ilay olona kasainao ho vady àry izy ireo, kanefa ianao tsy mahita an’izany. Tadidio ilay toro lalana nolazain’i Solomona, lehilahy hendry, hoe: “Izay mandahatra aloha toa marina; fa tamy ny andaniny, dia dinihina ny ady.” (Ohabolana 18:17, Fandikan-teny Katolika) Mety ho efa nandresy lahatra anao ilay olon-tianao fa izy mihitsy no vady mety aminao. Rehefa avy ‘nandinika’ azy anefa ny ray aman-dreninao, dia mety hisarika ny sainao ho amin’ny lafin-javatra sasany tsara hoeritreretinao.

Mety hampahatsiahy anao amin’ny fomba hentitra, ohatra, izy ireo fa mandidy ny tena Kristianina ny Baiboly mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintianina 7:39) Mety hanohitra izany ianao, ka hilaza fa mahafantatra Kristianina nanambady olona tsy nitovy finoana taminy, nefa miara-manompo an’i Jehovah amim-pifaliana izy ireo izao. Marina fa mitranga izany, nefa mahalana. Manao tsinontsinona ny fitsipik’i Jehovah ianao sady tena mety hanimba ny fifandraisanao aminy, raha manambady olona tsy mitovy finoana aminao.—2 Korintianina 6:14. *

Antony tsy mety mba hanambadiana

Misy tanora mamita mangingina ny fanambadiany satria naloto fitondran-tena. Mihevitra izy ireny fa hilamina ny feon’ny fieritreretany raha mivady izy sy ilay olona iarahany. Mety hamita mangingina ny raharahany koa ny sasany mba hanafenana ny vokatry ny fahotany, toy ny vohoka tsy nirina.

Vao mainka midi-kizo ianao, raha manambady mba hanafenana ny fahotanao. Nampitandrina mantsy i Solomona hoe: “Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.” (Ohabolana 28:13) Tsapan’i Davida sy Batseba, ray aman-drenin’i Solomona, fa hadalana ny manafina ny fitondran-tena ratsy. (2 Samoela 11:2–12:25) Resaho amin’ny ray aman-dreninao sy ny anti-panahin’ny fiangonana àry ny fahotanao, fa aza afenina. Mitaky herim-po avy aminao izany. Afaka matoky anefa ianao fa hamela ny fahotanao i Jehovah, raha mibebaka ianao. (Isaia 1:18) Ho afaka hanao fanapahan-kevitra mety kokoa momba ny fanambadiana ianao, rehefa madio ny feon’ny fieritreretanao.

Sorohy ny nenina

Hoy i Allen, rehefa nanao jery todika ny fampakaram-badiny: “Nataonay tsotra ny mariazinay, ka tsy tena nampiady saina firy ny fikarakarana azy. Ny nanenenako fotsiny, dia ny tsy nanazavako tsara tamin’ny fianakaviako ny anton’ilay fanapahan-kevitray.”

Raha misy olon-droa efa matotra mikasa hivady àry, dia miankina aminy ihany raha hanaraka fombafomba izy ireo na tsia amin’ny fampakaram-badiny. Aza maimaika anefa, rehefa hanao fanapahan-kevitra momba ny fanambadiana. Miresaha amin’ny ray aman-dreninao, ary ‘diniho’ tsara izay kasainao hatao. Tsy hanenina firy ianao amin’izay.—Ohabolana 14:15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 7 Mety tsara hanaovana ny mariazin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireny toeram-pivavahana ireny. Ny manam-pahefana ihany no afaka manoratra fanambadiana eto Madagasikara, ka mety ho azo asaina manao izany ao amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo. Tsotra ny fizotran’ilay izy, ary misy lahateny fohy momba ny toro lalan’ny Baiboly manampy hanorina fanambadiana sambatra, ampiarahina aminy. Mazava ho azy fa tsy andoavam-bola ny fampiasana ny Efitrano Fanjakana.

^ feh. 18 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2004, pejy 30-31, sy 1 Febroary 1990, pejy 18-22, raha mila fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba an’io foto-kevitra io ianao.

[Sary, pejy 27]

Miresaha amin’ny ray aman-dreninao rehefa hanao fanapahan-kevitra momba ny fanambadiana