Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Tokony Hanao Asa Vatana? (8 Aprily 2005) Manana orinasa mpandoko trano ny raiko ary anisan’ny mpandoko ao aminy aho. Nisy nilaza tamiko fa asa tsy mampiasa saina izany. Asa vatana anefa no nataon’i Jesosy sy Paoly, araka ny voaresaka ao amin’io lahatsoratra io. Tena nandrisika ahy mba hazoto kokoa amin’ny asako ny fahafantarana an’izany. Miezaka manatsara ny fahaizako aho, mba hampiasaiko amin’ny fanorenana Efitrano Fivoriambe sy Efitrano Fanjakana.

M. Y., Japon

Tena nampahery ahy iny lahatsoratra iny! Nampahatsiahy ahy ilay izy fa ny hanompo an’i Jehovah Andriamanitra no tena antony iainantsika, ka asa ahafahana manao izany no tokony hofidiko. Vao mainka aho nazoto nanao raharaha tato an-trano, rehefa avy namaky iny lahatsoratra tena tsara iny. Nisy zava-dehibe kokoa noho izany anefa hitako tao amin’ilay izy, dia ny fomba fihevitr’i Jehovah ny asa vatana.

Y. K., Rosia

“Raha mba Fantatry ny Tanora Mantsy Izany!” (8 Janoary 2005) Tovovavy 17 taona aho. Matetika aho no mieritreritra hifindra any amin’ny toerana ilana mpitory ilay Fanjakana maro kokoa. Namaky ny tantaran’i Davida aho, ka vao mainka tapa-kevitra ny hifindra, raha vao vita ny fianarako. Manorata foana lahatsoratra misy tantaram-piainana mampahery toy ireny. Mila fampaherezana foana mantsy ny tanora toa anay, mba hanao tsaratsara kokoa hatrany eo amin’ny asa fitoriana.

K. O., Polonina

Tovovavy 20 taona aho. Nilatsaka ny ranomasoko rehefa namaky io lahatsoratra io. Nieritreritra aho hoe: ‘Raha sanatria ka maty tanora aho, dia tsy tiako ny hanenina hoe afaka nanao izay fara heriko teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah aho nefa nangataka andro!’ Ny ho tonga mpitory ny vaovao tsara manontolo andro no tanjoko, ary hanomboka izany tsy ho ela aho. Andeha hasiako tranony izao io lahatsoratra io ary hapetrako amin’ny rindrina, mba tsy hanadinoako mihitsy ny fihetseham-po tsapako rehefa namaky ilay izy. Misaotra anareo noho ny namoahanareo lahatsoratra faran’izay tsara toy iny.

N. N., Japon

Reny Nampahatsiahy ahy ny ezaka sy ny fahafoizan-tenan’ny reniko, tamin’ny fanabeazana ahy teo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pitondran-tena, ilay andian-dahatsoratra hoe “Ny Andraikitry ny Reny eo Amin’ny Fanabeazana.” (8 Martsa 2005) Nampianatra ahy ho tia an’i Jehovah izy, na dia tsy nanohana azy sy tsy nanome vola azy aza ny raiko. Nampirisika ahy ho tonga mpanompo manontolo andro koa izy. Tsapako fa tsy tena nankasitraka ny ezaka nataony aho, nefa mendrika hoderaina tokoa izy, araka ny voalazan’ilay lahatsoratra. Niantso azy an-telefaonina àry aho mba hisaotra azy, na dia lavitra be aza ny misy azy!

C. H. K., Repoblikan’i Korea

Tsy Vavolombelona ny raiko, ka ny reniko no nitaiza ahy “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efesianina 6:4) Tsy mora taminy izany, satria tsy nety ny fihetsiko indraindray. Efatra amby roapolo taona aho izao, ary velom-pankasitrahana satria tsy kivy izy, fa nanampy ahy hatrany handray am-po ny fahamarinana ara-baiboly.

D. M., Italia

Manirery Tena niavaka ilay andian-dahatsoratra hoe “Irery Nefa Tsy Manirery.” (8 Jona 2004) Tena tiako ireo fanoloran-kevitra ao amin’ilay efajoro eo amin’ny pejy faha-7, manao hoe “Inona no Azonao Atao Raha Manirery Ianao?” Efa nampihariko ny maro taminy, ary fantatro fa tena hampahery ny hafa koa izy ireo.

E. M., Etazonia