Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bobongolo—Mahasoa Sady Manimba!

Bobongolo—Mahasoa Sady Manimba!

Bobongolo—Mahasoa Sady Manimba!

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY SOEDA

Misy bobongolo mamonjy aina, fa misy kosa mahafaty. Ny sasany mampahatsiro ny fromazy sy ny divay, fa ny hafa manapoizina sakafo. Mipetaka amin’ny hazo izy, na mameno ny efitra fandroana, na hita ao anaty boky. Mety hisy azy ny toerana rehetra, raha ny marina. Mety hisy ampahany bitika mandalo aza izao eo amin’ny oronao, eo am-pamakianao an’ity fehezanteny ity.

TSY mino ve ianao hoe mety hisy bobongolo ny toerana rehetra? Mametraha fotsiny sombi-mofo amin’ny toerana iray, na ao anaty vata fampangatsiahana aza. Tsy ela dia hisy zavatra volomboloina handrakotra an’ilay mofo. Bobongolo io!

Fa inona ny bobongolo?

Sokajina ho anisan’ny holatra ny bobongolo, ary misy karazany 100 000 mahery ny holatra. Tafiditra amin’izany ny holatra fihinana, ny karazana bobongolo fotsy, ilay menamena fahita amin’ny zavamaniry, ary ilay hita ao anaty leviora. Karazana holatra 100 ihany no fantatra fa mankarary ny olona sy ny biby. Tena ilaina kosa ny hafa. Mamotika ireo fatina biby sy zavamaniry, ohatra, izy ireny, ary manova izany ho zavatra tena ilain’ny zavamaniry hafa indray. Ny hafa kosa sady mandray soa avy amin’ny zavamaniry ipetrahany, no manampy azy io hitroka tsiron-tany. Misy indray mivelona fotsiny ao amin’ny zavamiaina hafa.

Sela bitika tsy taza-maso entin’ny rivotra ny bobongolo amin’ny voalohany. Hisy sela maromaro toy ny volo haniry eo aminy, raha tafapetraka eo amin’ny toerana iray azony atao sakafo izy, ary mety tsara ny hafanana sy ny hamandoana eo. Ireo indray no mitambatra ka lasa zavatra volomboloina mifangaroharo. Io ilay bobongolo hitantsika. Mety hitovy amin’ny loto na tasy koa ny bobongolo, toy ny fahita eny amin’ny toerana mandomando, ohatra, eny anelanelan’ny taila (karô) ao amin’ny efitrano fandroana, na akaikin’ny paompy na fanasan-damba. Lomotra no iantsoantsika azy io matetika.

Mitombo haingana be ny bobongolo. Jereo fotsiny, ohatra, ny bobongolo fahita amin’ny mofo. Ny iray amin’ireo pentina kely maintimainty eo aminy, dia misy sela 50 000 mahery. Ny tsirairay amin’ireo sela ireo indray, dia afaka mamokatra sela vaovao an-jatony tapitrisa, ao anatin’ny andro vitsivitsy monja! Mora mitombo ny bobongolo rehefa mety aminy ny toerana ipetrahany, na ao anaty boky izany na ao anaty baoty na eny amin’ny temitra, na amin’ny hazo any an’ala.

Ahoana kosa no fomba “isakafoanan’ny” bobongolo? Tsy toy ny olombelona sy ny biby izy io, ka hoe mihinana aloha vao mandevon-kanina. Mifanohitra amin’izany kosa no ataony matetika. Raha ngeza loatra na sarotra hanina ilay sakafo, dia mamoaka ranoka fandevonan-kanina izy, mba hamotika azy io ho kelikely kokoa, ary iny no tsentsefiny avy eo. Tsy afaka mandehandeha mitady sakafo koa ny bobongolo, ka eo amin’ny sakafony ihany no tsy maintsy ipetrahany.

Afaka mamoaka poizina ny bobongolo. Mety hiteraka voka-dratsiny amin’ny olona sy ny biby izany. Mety ho tafiditra ao amin’ny vatana amin’ny alalan’ny orona na vava na hoditra izy io. Tsy voatery ho ratsy foana anefa ny bobongolo, satria misy zavatra tena mahasoa koa azo avy aminy.

Ny soa azo avy aminy

Hitan’i Alexander Fleming tamin’ny 1928, fa afaka mamono mikraoba ny bobongolo maitso. Kisendrasendra ihany no nahitany izany. Voaporofo, tatỳ aoriana, fa afaka mamono bakteria io bobongolo io, nefa tsy mampidi-doza amin’ny olona sy ny biby. Izany no nahafahana namorona ny penisilinina, izay antsoina hoe “ilay fanafody maoderina mpamonjy aina be indrindra.” Nahazo ny Loka Nobel teo amin’ny fitsaboana i Fleming sy Howard Florey ary Ernst Chain tamin’ny 1945, noho ny fikarohana nataony. Nahafahana nanamboatra fanafody maro ny bobongolo nanomboka teo. Anisan’izany ny fanafody mampandranoka ny ra mivaingana, ny fanafody itsaboana ny aretin’andoha sy ny aretin’i Parkinson.

Ahafahana manamboatra sakafo mampilendalenda koa ny bobongolo. Fantatrao ve, ohatra, fa avy amin’ny bobongolo ny tsiro hafakely amin’ny fromazy sasany? Misy karazana bobongolo koa ampiasaina rehefa manamboatra saosisy salami, labiera, ary saosy saozà (ranon-javatra vita amin’ny saozà, natao hampahatsiro sakafo).

Toy izany koa ny amin’ny divay. Azo anaovana divay tsindrin-tsakafo tena tsara ny voaloboka sasany, raha otazana amin’ny fotoana maha masaka azy tsara, sady ampy ny bobongolo eo aminy. Mampitombo ny hamamin’ny voaloboka io bobongolo io ka manatsara ny tsirony. Misy bobongolo hafa indray mbola manatsara kokoa ny tsiron’ny divay, rehefa aotrika ao amin’ny toerana fitahirizana azy ilay izy. ‘Raha tsara ny bobongolo, dia tsara ny divay’, hoy ny mpamokatra divay any Hongria.

Manimba koa ny bobongolo

Efa hatramin’ny ela koa no mampidi-doza ny bobongolo sasany. Nampiasa karazana bobongolo, ohatra, ny Asyrianina mba hanapoizinana ny lavadranon’ny fahavalony, tamin’ny taonjato fahenina T.K. Nahatonga olona maro hifanintona, hahatsiaro ho may, hisy fery mandoaka, ary hahita zavatra tsy misy io bobongolo io, tatỳ aoriana. Hita amin’ny karazana varimbazaha izy io indraindray. Nantsoina hoe afon’i Masindahy Antoine ny aretina vokatr’io bobongolo io. Maro mantsy no nankany amin’ny toerana fivavahana tamin’io “olo-masina” io tany Frantsa, satria nanantena fanasitranana mahagaga.

Poizina avy amin’ny bobongolo koa no mahatonga ny kansera mahery vaika indrindra. Olona 20 000 isan-taona no matin’io poizina io, any amin’ny firenena iray any Azia. Misy mampiasa azy io mba hamonoana olona.

Manelingelina ny olona fotsiny anefa matetika ny vokatry ny fisian’ny bobongolo, fa tsy atahorana hoe tena hankarary mafy azy. “Tsy mampidi-doza ny ankamaroan’ny bobongolo, na dia henonao aza ny fofony”, hoy ny gazety iray (UC Berkeley Wellness Letter). Matetika no tsy mahazaka azy io ny olona marary havokavoka toy ireo voan’ny asma, ireo tsy mahazaka zavatra simika na zavatra hafa, ireo tsy dia manana hery fanefitra intsony, na ireo miasa any amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana be bobongolo. Ny ankizy sy ny be taona koa angamba no atahorana kokoa tsy hahazaka azy io.

Ireto avy no mety ho voka-dratsin’ny bobongolo, araka ny Sampan-draharahan’ny Fahasalamana any Kalifornia, any Etazonia: ‘misohika, sempotra, misefosefo, tsentsina ny orona, marary ny maso (mangirifiry, mirotsa-dranomaso, na menamena), mikoha-maina, manaintaina ny ati-orona na ny tenda, ary mitera-mena na manaintaina ny hoditra.’

Ny bobongolo amin’ny trano

Matetika no misy sekoly akatona, na trano sy birao tsy maintsy ialana, any amin’ny tany sasany. Natao izany mba hanesorana ny bobongolo, sy hanavaozana an’ilay trano mba tsy hiverenan’ny bobongolo intsony. Izany, ohatra, no nanakatonana ny Tranombakoky ny Zavakanto Maoderina any Stockholm, any Soeda, teo am-piandohan’ny taona 2002. Vao tsy ela talohan’izay anefa izy io no nosokafana. Dimy tapitrisa dolara teo ho eo no lany tamin’ny fanalana ny bobongolo tao amin’io tranombakoka io. Nahoana izany olana izany no lasa fahita matetika tato ho ato?

Zavatra roa no tena mahatonga izany, ka ny fitaovana anamboarana trano no voalohany. Lasa mampiasa fitaovana mora misy bobongolo mantsy ny olona, tao anatin’ny am-polony taona farany. Anisan’izany ny plakôplatra, izay karazana baoritra roa elanelanin’ny platra. Mihazona hamandoana ilay platra, ary sakafo tian’ny bobongolo ilay baoritra. Raha avela ho mando elaela ilay plakôplatra, dia hisy bobongolo ary hitatra izany.

Ny fiovan’ny firafitry ny trano no antony faharoa mampisy bobongolo matetika kokoa. Tsy narovana loatra tamin’ny hafanana sy ny hatsiaka ary ny rivotra ny ankamaroan’ny trano naorina talohan’ireo taona 1970. Nifanohitra tamin’izany kosa ny trano naorina tatỳ aoriana, satria natao izay tsy hidiran’ny hafanana sy ny hatsiaka ary ny rivotra tao amin’izy ireny. Lasa mitahiry hamandoana kokoa àry ny trano, ka mora misy bobongolo. Inona no vahaolana?

Hazòny ho madio sy maina foana ny zava-drehetra ao an-trano, ary ataovy izay hahakely ny zavatra mandomando. Izany no fomba mandaitra indrindra hanesorana tanteraka ny bobongolo na, fara faharatsiny, hampihenana azy. Hamaino haingana izay faritra mitahiry hamandoana, ary amboary raha ilaina, mba tsy hiangonan’ny rano indray. Ataovy madio sy voamboatra tsara foana, ohatra, ny tafo sy ny lalan-dranon’orana amin’ny tafo. Aza atao mitongilana mankany amin’ny trano ny tokotany, mba tsy hiangonan’ny rano amin’ny vodi-trano.

“Ny fisorohana ny hamandoana no fomba tsara indrindra hisorohana ny bobongolo”, hoy ny manam-pahaizana iray. Tsotra ihany izany, nefa hiaro anao sy ny fianakavianao amin’ny fahasimbana ateraky ny bobongolo. Azo ampitovina amin’ny afo ny bobongolo amin’ny lafiny sasany, satria mety hanimba izy io, nefa mety tena hahasoa koa. Miankina be amin’ny fomba ampiasantsika azy izany. Mazava ho azy fa mbola manan-javatra maro hianarana momba ny bobongolo isika. Mitondra soa ho antsika foana anefa ny fahalalana an’ireo zava-mahagaga noforonin’Andriamanitra.

[Efajoro/Sary, pejy 14, 15]

MIRESAKA MOMBA NY BOBONGOLO VE NY BAIBOLY?

Miresaka ‘trano misy habokana’ ny Baiboly, izany hoe ilay trano mihitsy no boka. (Levitikosy 14:34-48) Misy milaza fa karazana bobongolo io habokana io, izay nantsoina koa hoe “habokana mafy.” Tsy azo antoka anefa ny momba izany. Na ahoana na ahoana, ny Lalàn’Andriamanitra dia nandidy ny tompon-trano hanala ny vato nisy azy io, hikiky ny atin’ilay trano manontolo, ary hanary ny zava-drehetra misy ilay aretina, tany amin’ny ‘toerana maloto’, tany ivelan’ny tanàna. Raha niseho indray ilay aretina, dia nambara fa maloto ilay trano, ka noravana, ary nariana ireo poti-javatra avy aminy. Hita fa tena tia ny vahoakany sy nanao izay hahasalama azy ireo i Jehovah, matoa nanome ireny toromarika tamin’ny an-tsipiriany ireny.

[Sary, pejy 13]

Mamonjy aina maro ny fanafody avy amin’ny bobongolo

[Sary, pejy 15]

Mihazona hamandoana ny karipetra sy temitra plastika sasany, ka mampisy bobongolo