Hanao Ahoana ny Hoavin’ity Tontolo Ity?
Hanao Ahoana ny Hoavin’ity Tontolo Ity?
HANAO ahoana ity tontolo ity rehefa afaka 10, 20, na 30 taona? Manjaka izao ny fampihorohoroana, ka mampahatahotra ny mieritreritra ny hoavy. Mandroso be koa anefa ny teknolojia, ary lasa mifampiankina ny firenena maro noho ny fanatontoloana. Hifanampy àry ve ny mpitondra eran-tany mba hanatsarana ny fiainantsika? Misy olona mino izany. Manantena izy ireo, fa ho vitan’ny mpitondra ny hampitsahatra ny fitomboan’ny fahantrana sy ny mosary, ary ny fihanahan’ny SIDA, amin’ny taona 2015. Ho vitan’izy ireo koa ny hampihena ho antsasany ny isan’ny olona tsy manana rano fisotro madio sy kabine, tatatra fivarinan’ny rano maloto, ary fanariam-pako.—Jereo ny efajoro “Tsy Araka ny Nantenaina ny Zava-misy.”
Hita anefa fa tsy araka ny tokony ho izy matetika ny fahitan’ny olona ny hoavy. Nisy manam-pahaizana nilaza, ohatra, tany amin’ny taona 1964 tany ho any, fa ho vitan’ny tantsaha ny hiasa ny fanambanin’ny ranomasina amin’ny traktera, amin’ny taona 1984. Ny iray hafa nilaza fa hisy ordinatera afaka miaro amin’ny lozam-piarakodia ao anaty fiara, amin’ny taona 1995. Nisy koa nilaza fa hisy olona 50 000 eo ho eo honina sy hiasa any ambony tsy taka-maso any, amin’ny taona 2000. Mety hanenina anefa izao ny olona niteny an’ireo. Hoy ny mpanao gazety iray: “Tsy misy afa-tsy ny fotoana no mampiharihary, fa toy ny olona tsy misaina mihitsy ny olona marani-tsaina indrindra eto amin’ity tontolo ity.”
“Sarintany” manampy antsika
Tsy mitsahatra manombantombana ny hoavy ny olona. Tsy araka ny zava-misy anefa indraindray ny zavatra lazainy. Aiza àry no hahitantsika filazana marim-pototra momba ny hoavy?
Eritrereto, ohatra, hoe any an-tany hafa ianao, ary mandeha bisy. Tsy fantatrao ilay toerana, ka manomboka mitebiteby ianao. ‘Aiza àry aho izany?’, hoy ianao. ‘Tena mankany amin’ilay toerana tiako haleha ve ity bisy ity? Mbola lavitra ve ilay toerana?’ Hahazo ny valin’ny fanontanianao ianao, raha mamaky sarintany marina tsara sy mijery ny takela-by eny amin’ny arabe.
Toy izany koa no zavatra iainan’ny olona maro ankehitriny. Mitebiteby izy ireo rehefa mieritreritra ny hoavy. ‘Hanao ahoana àry ny hoavintsika?’, hoy izy ireo. ‘Tena hisy fiadanana ve maneran-tany? Raha eny, rahoviana isika no hahatratra izany?’ Toy ny sarintany ny Baiboly, ka afaka manampy antsika hahazo
ny valin’ireo fanontaniana ireo. Hahalala zavatra betsaka momba ny fiainana ankehitriny sy ny hoavy isika, raha mamaky tsara azy io sy mijery akaiky ny zava-mitranga eran-tany. Mila fantarintsika anefa aloha hoe ahoana no niandohan’izao fijaliantsika izao.Ny niandohan’ny fijaliana
Lazain’ny Baiboly amintsika fa nataon’Andriamanitra lavorary ny lehilahy sy vehivavy voalohany noforoniny, ka napetrany tao amin’ny paradisa iray. Nataony ho velona mandrakizay i Adama sy Eva, fa tsy hoe 70 na 80 taona monja. Hoy Andriamanitra tamin’izy ireo: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy.” Ny hanitatra ny Paradisa hanerana ny tany manontolo no fikasan’Andriamanitra tamin’izy mivady sy ny taranany.—Genesisy 1:28; 2:8, 15, 22.
Nikomy tamin’Andriamanitra anefa i Adama sy Eva. Tsy afaka nipetraka tao amin’ilay Paradisa intsony àry izy ireo. Nihasimba tsikelikely koa ny vatany sy ny sainy, ary maty izy ireo tamin’ny farany. Nahoana? Satria nanota izy ireo rehefa nikomy tamin’ny Mpamorona azy, ary “fahafatesana no karama omen’ny ota.”—Romanina 6:23.
Niteraka zazalahy sy zazavavy maromaro anefa izy ireo talohan’ny nahafatesany. Hahavita hanatanteraka ilay fikasan’Andriamanitra ve ireo zanany ireo? Tsia, satria nandova ny tsy fahalavorarian’ny ray aman-dreniny izy ireo. Ny taranak’i Adama rehetra mihitsy, raha ny marina, no nandova ota sy fahafatesana, ary anisan’izany isika. Hoy ny Baiboly: ‘Niditra avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao ny ota, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’—Romanina 3:23; 5:12.
Ny vanim-potoana iainantsika
Nanjary nangidy ny fiainan’ny olombelona taorian’ny nikomian’i Adama sy Eva, ary mbola mitohy hatramin’izao izany. Milaza ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly fa “navela ho tonga zava-poana” ny olombelona. (Romanina 8:20) Mahalaza tsara tokoa ny fijalian’ny olombelona izany! Eritrereto ange e! Misy manam-pahaizana be amin’ny fitsaboana sy ny teknolojia ny taranak’i Adama. Ao koa ny mpahay siansa marani-tsaina. Tsy misy amin’izy ireo anefa mahavita mitondra ilay fiadanana maneran-tany sy fahasalamana tonga lafatra nokasain’Andriamanitra ho an’ny olombelona.
Misy fiantraikany eo amintsika tsirairay koa ny fikomian’i Adama sy Eva. Iza, ohatra, no tsy mijaly noho ny tsy rariny na ny aretina mitaiza? Iza no tsy matahotra heloka bevava, na tsy vonton’alahelo rehefa misy havana na namana maty? Toa vetivety dia semban-drahona ny fiainantsika raha vao mba milamina kely. Marina fa misy zavatra mahafinaritra eo amin’ny fiainana. Na izany aza, ny fiainantsika dia tena araka izay voalazan’i Joba, zokiolona nohajaina fahiny. Hoy izy: ‘Vitsy andro sady vontom-pahoriana ny olona.’—Joba 14:1.
Toa manjombona ny hoavy, rehefa dinihina ny niandohan’izao fijaliantsika izao, sy ny fiainana ankehitriny. Manome toky antsika anefa ny Baiboly fa tsy havelan’Andriamanitra hitohy Isaia 55:10, 11) Nahoana isika no afaka matoky fa ho tonga tsy ho ela izany?
mandrakizay izany. Ho tanteraka ny fikasany tany am-boalohany ho an’ny olombelona. (Milaza ny Baiboly fa ao anatin’ny fotoan-tsarotra antsoina hoe “andro farany” isika izao. (2 Timoty 3:1) Tsy andro farany isian’ny tany sy ny olona eo aminy akory izany, fa andro farany isian’ny “rafitr’ity tontolo ity”, izany hoe ny toe-javatra mahatonga antsika hijaly. (Matio 24:3) Tanisain’ny Baiboly ny toe-javatra sy ny toetran’olona fahita amin’ny andro farany. Vakio ny sasany amin’izany ao amin’ny efajoro eo amin’ny pejy faha-8, ary jereo ny zava-mitranga eran-tany. Asehon’ilay sarintanintsika, izany hoe ny Baiboly, fa efa tena kely sisa dia hifarana ny rafitr’ity tontolo ity. Inona kosa no hitranga aorian’izay?
Inona no hitranga?
Nilaza avy hatrany Andriamanitra taorian’ny nikomian’i Adama sy Eva, fa nikasa hanangana Fanjakana “tsy ho rava mandrakizay.” (Daniela 2:44) Io Fanjakana io ilay asaina tononin’ny olona maro, rehefa manao ilay antsoina hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo izy. Hitondra fitahiana be dia be ho an’ny olombelona izy io.—Matio 6:9, 10.
Tsy toe-po akory ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tena fitondram-panjakana any an-danitra, izay hanova tanteraka ny tany. Eritrereto fotsiny izay ampanantenain’Andriamanitra fa hataony ho an’ny olombelona amin’ny alalan’ny Fanjakany. Milaza ny Baiboly fa ‘handringana izay manimba ny tany’ Andriamanitra. (Apokalypsy 11:18) Inona avy eo no hataony ho an’ireo mankatò azy? Voalaza ao amin’ny Teniny fa “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:4) Iza no olombelona hahavita ireo zavatra ireo? Tsy misy afa-tsy Andriamanitra no afaka manatanteraka ny zavatra nokasainy hatao ho antsika tany am-boalohany.
Inona no tokony hataonao raha tianao ny hahazo ny fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra? Hoy ny Jaona 17:3: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” Manao fandaharam-pampianarana eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana ny olona hanao izany. Mampianatra olona any amin’ny tany 230 eo ho eo izy ireo, ary avoaka amin’ny fiteny 400 mahery ny boky sy gazetiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia manatona Vavolombelon’i Jehovah any akaikinareo, na manorata amin’izay adiresy mety aminao eo amin’ny pejy faha-5.
[Teny notsongaina, pejy 6]
“Ianareo manao hoe: ‘Hankany an-tanàna hafa izahay anio na rahampitso, ka hitoetra any herintaona, ary hanao raharaham-barotra ka hahazo tombony.’ Tsy fantatrareo akory anefa izay hitranga aminareo rahampitso.”—Jakoba 4:13, 14
[Teny notsongaina, pejy 6]
Manomboka eo amin’ny lehilahy sy vehivavy voalohany no tantaran’olombelona resahin’ny Baiboly. Lazainy amintsika àry ny nahatonga ny fijaliantsika. Lazainy koa ny hoavintsika. Mila dinihintsika tsara, toy ny atao amin’ny sarintany anefa ny Baiboly, mba hahatakarana izay lazainy
[Teny notsongaina, pejy 7]
Fahadisoana na faniriana hanao ratsy no atao hoe “ota.” Vao teraka isika dia efa mpanota, ka misy fiantraikany eo amin’izay ataontsika izany. “Tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota.”—Mpitoriteny 7:20
[Teny notsongaina, pejy 8]
Raha manao fotokopia taratasy misy tasy mainty ianao, dia hipoitra eo amin’ny fotokopia rehetra ilay tasy. Azo oharina amin’ilay tasy ny ota, ary isika kosa toy ny fotokopian’i Adama satria taranany. Noho izany, dia hita ao amintsika koa ny ota tao amin’i Adama razambentsika
[Teny notsongaina, pejy 8]
Hoy ny Baiboly: “Tsy an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23) Izany no mahatonga ny olombelona tsy hahavita hampisy fiadanana eran-tany, na dia eo aza ny ezaka ataony. Tsy noforonina “hahalavorary ny diany” na hoe tsy hiankina amin’Andriamanitra ny olombelona
[Teny notsongaina, pejy 9]
Hoy ny mpanao salamo tamin’Andriamanitra: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” (Salamo 119:105) Toy ny fanilo ny Baiboly, satria manampy antsika hahita izay tokony hatao rehefa mandray fanapahan-kevitra. ‘Manazava ny lalantsika’ koa izy io, satria manampy antsika hahita mazava hoe hanao ahoana ny hoavin’ny olombelona
[Efajoro, pejy 7]
TSY ARAKA NY NANTENAINA NY ZAVA-MISY
Niara-nametraka tanjona maromaro hotratrarina hatramin’ny taona 2015 ny firenena mpikambana ao amin’ny ONU, tamin’ny Septambra 2000. Ireto ny sasany amin’izany:
▪ Ahena ho antsasany ny isan’ny olona tsy mahazo afa-tsy iray dolara latsaka isan’andro, sy ny olona tsy ampy sakafo.
Mahavita fianarana any amin’ny sekoly fanabeazana fototra daholo ny ankizy.
▪ Tsy avakavahana intsony ny ankizilahy sy ny ankizivavy, fa samy afaka manohy fianarana araka izay tiany.
▪ Ahena ho iray ao anatin’ny telo ny isan’ny zaza latsaka ny dimy taona maty.
▪ Ahena ho iray ao anatin’ny efatra ny isan’ny reny maty.
▪ Atao izay tsy hampihanaka ny VIH/SIDA sy ny areti-mandoza hafa toy ny tazomoka.
▪ Ahena ho antsasany ny isan’ny olona tsy mahazo rano fisotro madio.
Ho tratra ve ireo tanjona ireo? Nandinika izany indray ny tompon’andraikitra momba ny fahasalamana avy any amin’ny tany maro, tamin’ny taona 2004. Nilaza izy ireo fa tsy tokony ho be fanantenana loatra isika, satria hita fa tsy araka ny fandrosoana efa vita ny tena zava-misy. Izao no voalaza ao amin’ny sasin-tenin’ny boky Toe-draharaha Eran-tany 2005 (anglisy): “Mbola manakantsakana ny fandrosoana foana ny fahantrana, any amin’ny faritra maro. Mihamitombo ny aretina toy ny VIH/SIDA, ka mety hisy vokany tena ratsy eo amin’ny fahasalaman’ny olona any amin’ny tany maro. Ankizy 20 tapitrisa teo ho eo no matin’ny aretina avy amin’ny rano, tao anatin’ny dimy taona lasa. Azo nosorohina anefa izany. Olona an-jatony tapitrisa no mbola mahantra fadiranovana. Miaina ao anatin’ny loto koa izy ireo, satria tsy manana rano fisotro madio sy kabine, tatatra fivarinan’ny rano maloto, ary fanariam-pako.”
[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]
ZAVATRA SASANY MAMPIAVAKA NY “ANDRO FARANY”
Ady mbola tsy nisy toy izany.—Matio 24:7; Apokalypsy 6:4.
Mosary.—Matio 24:7; Apokalypsy 6:5, 6, 8.
Areti-mandringana.—Lioka 21:11; Apokalypsy 6:8.
Fitomboan’ny fandikan-dalàna.—Matio 24:12.
Fanimbana ny tany.—Apokalypsy 11:18.
Horohoron-tany lehibe.—Lioka 21:11.
Fotoan-tsarotra tsy mora setraina.—2 Timoty 3:1.
Fitiavam-bola tafahoatra.—2 Timoty 3:2.
Tsy fankatoavana ray aman-dreny.—2 Timoty 3:2.
Tsy fitiavana ny mpianakavy.—2 Timoty 3:3.
Fitiavana fahafinaretana fa tsy fitiavana an’Andriamanitra.—2 Timoty 3:4.
Tsy fahaizana mifehy tena.—2 Timoty 3:3.
Tsy fitiavana ny tsara.—2 Timoty 3:3.
Tsy firaharahana ny loza mananontanona.—Matio 24:39.
Lavin’ny mpaneso ny famantarana ny andro farany. —2 Petera 3:3, 4.
Fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra eran-tany.—Matio 24:14.
[Sary nahazoan-dalana]
© G.M.B. Akash/Panos Pictures
© Paul Lowe/Panos Pictures
[Sary, pejy 9]
Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no tena ahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah