Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Tsara Kokoa ve ny Hoavy?

Ho Tsara Kokoa ve ny Hoavy?

Ho Tsara Kokoa ve ny Hoavy?

Anisan’ny zavatra tena mahaliana ny olona ny hoavy. Iza amintsika moa no tsy te hahalala hoe hanao ahoana ny fiainantsika rehefa afaka iray volana, herintaona, na folo taona mihitsy aza? Ary raha ity tontolo ity no resahina, mba hanao ahoana izy ity rehefa afaka 10, 20, na 30 taona?

MANANTENA ve ianao fa hihatsara ny fiainana amin’ny hoavy? Raha eny, dia an-tapitrisany no toa anao. Azo sokajina ho roa izy ireo: Ao ireo milaza fa manana antony marim-pototra inoana hoe hihatsara ny fiainana, ary ao ireo miezaka ny ho be fanantenana fotsiny mba tsy ho kivy.

Misy koa anefa mihevitra fa tsy hihatsara ny fiainana. Manambara loza mihitsy aza ny sasany, ka toa faly erỳ milaza fa ho potika tanteraka ity tany ity. Vitsy kely, hono, ny ho tafavoaka velona amin’izany, raha hisy aza.

Ary ianao? Inona no eritreretinao fa hitranga amin’ny hoavy? Mino ve ianao fa ho potika tanteraka ny tany, ary ho faty daholo ny olona, sa kosa hanjaka eto ny fiadanana sy filaminana? Raha io farany io no antenainao, nofinofy fotsiny ve ilay izy sa tena marim-pototra?

Tsy mitovy hevitra amin’ireo olona manambara loza ny mpampanonta ny Mifohaza! Tsy mino izy ireo hoe ho lany tamingana ny olombelona. Misy antony marim-pototra inoana mantsy ao amin’ny Baiboly fa mbola hihatsara ny fiainantsika.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]

U.S. Department of Energy photograph