Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireny e...

Ireny e...

Ireny e...

EFA ho maizina ny andro, ary fararano koa tamin’izay ka nangatsiaka ny rivotra. Nangina ny manodidina nefa vetivety teo dia nisy tabataba be, satria gisadia 20 teo ho eo no indray nanidina. Toy ny litera V ny filahatr’izy ireo, ary nahafinaritra ny nitazana azy nampikopakopaka ny elany matanjaka. Nitongilana moramora niankavia ny iray ka nifindra nankao aorian’ireo namany. Nahalasa saina ahy izany: Nahoana no toy ny litera V ny filahatr’izy ireo rehefa manidina? Ary ho aiza izy ireo?

Vorondrano ny gisadia ary mitovitovy amin’ny ganagana sy ny gisabe. Misy karazana gisa 40 eo ho eo eran-tany, ka any Amerika Avaratra sy Azia ary Eoropa no tena ahitana azy. Anisan’ny karazany be mpahalala ny gisadia kanadianina. Lava ny tendan’izy io, miloko mainty ary misy toy ny fehitenda fotsifotsy kely. Misy karazany amin’izy io atao hoe gisadia kanadianina goavana. Mahatratra valo kilao ny lahy rehefa lehibe, ary roa metatra kosa ny elany rehefa samy mivelatra. Mianavaratra hatrany Alaska sy any amin’ny faritra avaratr’i Kanada io gisa goavana io rehefa vanin-taona mafana, ary mianatsimo hatrany Meksika kosa rehefa ririnina.

Tena zava-dehibe amin’ny gisadia ny fotoana ifindrany monina. Raha tonga aloha loatra any avaratra mantsy izy, dia mbola gilasy ny rano any ary zara raha misy zavamaniry. Mandroso tsikelikely mianavaratra àry ny gisadia kanadianina, arakaraka ny irosoan’ny hafanana mianavaratra. Miaraka tsiroaroa izy rehefa tonga any amin’izay alehany, ary samy mamaritra ny toerana hikotrehany.

Mifankahita foana ny gisadia rehefa manao V ny filaharany. Manampy azy hanaraka avy hatrany izay ataon’ny eo aloha izany, raha miova lalana ireo, na manova hafainganam-pandeha, na miakatra, na midina. Izao koa no heverin’ny manam-pahaizana sasany: Miova ny fandehan’ny rivotra noho ny fanidinan’ireo eo aloha, ka manamora ny fisidinan’ireo ao aoriana, satria tsy dia misafotofoto intsony ny rivotra. Fianakaviana maromaro no manao andiany rehefa mifindra monina, ka ny lehibe no mifandimby mitarika.

Matetika no toerana iray ihany no anaovan’ny gisadia ny akaniny isan-taona. Zavatra tsotra toy ny rantsankazo sy bozaka ary volonkazo mazàna no anamboarany ny akaniny. Tokana ny vadiny mandritra ny androm-piainany. Mety hanambady indray izy rehefa maty ny vadiny, nefa matetika izy no tsy manambady intsony.

Efatra ka hatramin’ny valo ny atodin’ny gisadia vavy, ary 28 andro eo ho eo izy no mikotrika. Tena mahay miaro ny zanany ireo vorona mpivady. Vonon-kiady mihitsy izy ireo rehefa misy mandrahona azy sy ny zanany. Kapohiny mafy be amin’ny elany izay biby mitady hiremby azy.

Efa manomboka miresaka ny gisadia kely na dia mbola ao anaty atody aza. Manana feo isan-karazany izy: Mikiakiaka izy, ohatra, rehefa faly. Ary manao feo malahelo izy indraindray. Mampiasa feo isan-karazany koa ny gisadia rehefa miresaka amin-janany, na amin’izy samy izy. Feo 13 samy hafa no ren’ny manam-pahaizana teo amin’ireo gisadia kanadianina.

Hita tokoa fa “hendry sady mahay” ny gisadia. (Ohabolana 30:24) I Jehovah Andriamanitra anefa no tena mendrika hoderaina amin’izany, satria izy no nanao ny zava-drehetra, anisan’izany ny voro-manidina.—Salamo 104:24.

[Efajoro/Sary, pejy 17]

Fantatrao ve?

● Mandao avy hatrany ny akaniny, manaraka ny ray aman-dreniny, ny gisadia kely raha vao foy. Tsy misara-mianakavy izy ireo matetika.

● Misy milaza fa misy karazana gisadia misidina eny ambonin’ny Tendrombohitra Everest, izay efa ho 8 900 metatra ny haavony.

● Misy gisadia mahavita manidina 1 600 kilaometatra tsy an-kiato.

● Raha manao toy ny V ny filahatry ny gisadia manidina, dia tsy mikopak’elatra loatra izy ary miadana kokoa ny fitepon’ny fony. Mifanohitra amin’izany kosa no mitranga raha mandeha irery izy.

[Sary nahazoan-dalana]

Ambony ankavia: U.S. Fish & Wildlife Service, Washington, D.C./Duane C. Anderson

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Gisadia manidina: © Tom Brakefield/CORBIS