Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahatalanjona ny Liomena

Mahatalanjona ny Liomena

Mahatalanjona ny Liomena

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA ATSIMO

Ny liomena no sela betsaka indrindra ao anatin’ny ra, ka izany no mahatonga ny ra hiloko mena. Misy liomena an-jatony tapitrisa ao anatin’ny ra indray mitete monja. Tahaka ny mofo menakely ny endriny rehefa jerena amin’ny mikraoskaopy, saingy tsy misy lavaka eo afovoany fa milempona kely fotsiny. Misy hemôglôbinina an-jatony tapitrisa ao anatin’ny liomena iray. Boribory tsara tarehy ny hemôglôbinina, ary ahitana ataoma 10 000 eo ho eo ao anatiny. Anisan’izany ny hidrozenina, nitrozenina, oksizenina, karbonina, ary solifara. Misy ataomana vy efatra koa ao anatin’ny hemôglôbinina tsirairay, ary ireo no mahatonga ny ra ho afaka hitondra oksizenina. Ny hemôglôbinina no mandray ny oksizenina fohintsika sy manaparitaka azy io manerana ny vatana. Mbola izy io ihany koa no manangona ny gazy karbonika any amin’ireo sela, sy mitatitra izany ho any amin’ny havokavoka, mba havoaka etỳ ivelany rehefa mamoaka fofonaina isika.

Mahatalanjona sy tena ilaina koa ny fonon’ny liomena. Izy io no ahafahan’ny liomena mihalava sy mifintina, ka afaka misisika any amin’ireo lalan-dra madinika indrindra mba hamelomana ny vatana manontolo.

Ny tsoka no mamorona ny liomena. Mandalo ao amin’ny fo sy mivezivezy manerana ny vatana in-100 000 mahery ny liomena vao simba. Tsy toy ny sela hafa izy satria tsy misy vihy (noyau). Izany no mahatonga azy ho afaka hitondra oksizenina betsaka kokoa. Manamaivana azy koa izany, ka mora kokoa amin’ny fo ny manosika liomena tsy hita isa hiparitaka manerana ny vatana. Etsy andanin’izany anefa dia tsy afaka manavao ny tenany izy satria tsy misy vihy. Manomboka simba sy mihahenjana izy, rehefa afaka efa-bolana eo ho eo. Hohanin’ny sela fotsy lehibe atao hoe liofotsy ireny liomena efa simba ireny, ary avoakany avy ao anatin’ilay izy ny ataomana vy. Taterin’ny proteinina mankany amin’ny tsoka indray ireny ataoma ireny avy eo, ary ampiasaina mba hanamboarana liomena vaovao. Mamokatra liomena vaovao roa tapitrisa ka hatramin’ny telo tapitrisa isan-tsegondra ny tsoka!

Ho faty afaka minitra vitsivitsy ianao, raha mijanona tsy miasa tampoka ireo liomena tsy hita isa ao anatinao. Tena tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra isika noho io zavatra mahatalanjona noforoniny io, izay mahatonga antsika ho velona sy hankafy ny fiainana! Azo antoka fa miray hevitra amin’ilay mpanao salamo izay nilaza toy izao ianao: “Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.”—Salamo 139:1, 14.

[Kisary, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

Liomena

Fonon-tsela

Hemôglôbinina (nohalehibeazina)

Oksizenina