Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mikael Agricola—Ilay “Lehilahy Nitondra Fanovana”

Mikael Agricola—Ilay “Lehilahy Nitondra Fanovana”

Mikael Agricola—Ilay “Lehilahy Nitondra Fanovana”

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FAILANDY

“Tsy nisy boky toy ny Baiboly nanova zavatra betsaka sy lalina kokoa teo amin’ny kolontsaina sy fanao ary fomba fihevitry ny Failandey.”“Biblia 350—Ny Baiboly sy Kolontsaina Failandey (anglisy).”

MISY amin’ny fiteninao ve ny Baiboly? Tena mety hisy tokoa. Mivoaka amin’ny fiteny 2 000 mahery mantsy izy io, na izy manontolo na ny tapany aminy. Tsy kisendrasendra izany, satria hatramin’izay dia nisy lehilahy sy vehivavy maro be niezaka mafy handika ny Baiboly tamin’ny fiteny teo an-toerana, na teo aza ny vato misakana lehibe. Anisan’ireny olona ireny i Mikael Agricola.

I Agricola no nandika ny Baiboly ho amin’ny fiteny failandey. Anisan’ny nampivoatra ny kolontsaina failandey fantatra ankehitriny ireo zavatra nosoratany. Tsy mahagaga àry izy raha nantsoina hoe ilay Lehilahy Nitondra Fanovana!

Tao Torsby, any atsimon’i Failandy, izy no teraka tamin’ny 1510 tany ho any. Nanana toeram-pambolena ny rainy, ary izany no nahatonga ny anarany hoe Agricola, avy amin’ny fiteny latinina midika hoe “tantsaha.” Fiteny roa no nampiasaina tao amin’ny toerana nahalehibeazany, ka nahay fiteny soedoà sy failandey izy. Nianatra fiteny latinina koa izy, tao amin’ny sekoly iray tao Vyborg. Nifindra tany Turku izy tatỳ aoriana. Tao no nisy ireo biraom-panjakana tamin’izany fotoana izany. Sekreteran’i Martti Skytte, eveka katolikan’i Failandy izy tao.

Ny fivavahana sy ny politika tamin’izany

Nikorontana i Skandinavia tamin’ny andron’i Agricola. Niady mafy mantsy i Soeda mba hiala tamin’ny Vondrona Kalmar izay nisy firenena skandinavianina. Lasa mpanjakan’i Soeda i Gustave I tamin’ny 1523, ary nisy vokany be tamin’i Failandy izany satria faritany niadidian’i Soeda i Failandy.

Ny hanamafy orina ny fahefany no nimasoan’ilay mpanjaka vaovao, ka nekeny ny Fanavaozana Protestanta izay efa niely nanerana an’i Eoropa avaratra. Ny fivavahana loteranina arỳ no nataony ho fivavaham-panjakana ho solon’ny fivavahana katolika. Nanapaka fifandraisana tamin’i Vatikana izy tamin’izay, ka nampihena ny fahefan’ny eveka katolika, ary naka ny harenan’ny eglizy. Lasa loteranina àry ny ankamaroan’ny Soedoà sy Failandey hatramin’izao.

Ny hanaovana fotoam-pivavahana amin’ny fiteny eo an-toerana, fa tsy amin’ny fiteny latinina, no tena nokendren’ny Fivavahana Protestanta. Navoaka tamin’ny fiteny soedoà àry ny Soratra Grika Kristianina na ny “Testamenta Vaovao”, tamin’ny 1526. Tsy dia nahazo vahana tany Failandy anefa ny Fivavahana Protestanta. Tsy noeritreretina loatra koa ny handikana ny Baiboly amin’ny fiteny failandey. Fa nahoana?

Sarotra sady namizana

Tsy nisy boky firy mantsy navoaka tamin’ny fiteny failandey talohan’ireo taona 1500, afa-tsy bokim-bavaka katolika vitsivitsy. Koa raha hadika amin’io fiteny io ny Soratra Masina, dia tsy maintsy mitady fomba fanoratra teny maro mbola tsy nosoratana mihitsy, sady tsy maintsy mamorona teny vaovao tanteraka. Sady izay koa tsy nisy boky momba io fiteny io azo nampiasaina. Nanomboka nandika ny Baiboly ihany anefa i Agricola!

Nalefan’i Skytte tany Wittenberg any Alemaina i Agricola, tamin’ny 1536, mba hanohy ny fianarany teolojia sy fiteny hafa. Araka ny fitantarana, dia teo amin’ny varavaran’ny eglizy tao amin’io toerana io, 20 taona talohan’izay, no namantsihan’i Luther ny loha hevitra 95 malaza nosoratany.

Tsy ny fianarany ihany no nataon’i Agricola tany Wittenberg. Nanomboka ilay asa goavana koa izy, dia ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny failandey. Nanoratra toy izao ho an’ny mpanjakan’i Soeda izy tamin’ny 1537: “Raha mbola mitari-dalana ahy amin’ny fianarako Andriamanitra, dia hiezaka hanohy ny fandikana ny Testamenta Vaovao ho amin’ny fitenin’ny Failandey aho.” Mbola nanohy ny fandikan-teny izy rehefa niverina tany Failandy, sady nanao ny asan’ny talen-tsekoly.

Asa sarotra ny nandika Baiboly, na ho an’i Agricola na ho an’ny olon-kafa taloha. Na i Luther aza nilaza fa tena sarotra sady namizana ilay asa, satria toy ny hoe terena hiteny alemà ny mpanoratra hebreo. Marina aloha fa afaka nanampy an’i Agricola ireo fandikan-teny hafa, nefa ny fiteny failandey mihitsy no tena olana taminy, satria vitsy dia vitsy ny teny failandey natao an-tsoratra.

Toy ny hoe hanorina trano àry i Agricola, nefa tsy misy planina sady zara raha misy fitaovana. Ahoana no nataony? Nifidy teny avy tamin’ireo tenim-paritra failandey aloha izy, ary nosoratany araka ny fanononana azy izany. Toa i Agricola no namorona voalohany teny failandey hilazana ny “fitondram-panjakana”, “mpihatsaravelatsihy”, “sora-tanana”, “tafika”, “modely”, ary “mpanora-dalàna.” Namorona teny nakambana izy, ary koa teny vaovao avy amin’ny teny efa nisy, sy avy amin’ny fiteny hafa, indrindra ny fiteny soedoà. Ohatra: enkeli (anjely), historia (tantara), lamppu (jiro), marttyyri (maritiora), ary palmu (hazo palmie).

Ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny Failandey

Navoaka tamin’ny 1548 ny tapany voalohany tamin’izay nadikan’i Agricola, dia ny Se Wsi Testamenti (Ny Testamenta Vaovao). Misy milaza fa efa dimy taona talohan’izay no voadika ilay izy, saingy tsy ampy ny vola ka tatỳ aoriana vao navoaka. Angamba i Agricola no nanome ny ankabeazan’ny vola nanaovana pirinty azy io.

Nivoaka telo taona taorian’izay ny Dauidin Psaltari (ny Salamo). Azo inoana fa nisy nanampy i Agricola rehefa nandika azy io. I Agricola koa no nitarika ny fandikana ny boky nosoratan’i Mosesy sy ny bokin’ireo mpaminany.

Nekeny tamim-panetren-tena fa tsy nahavita zavatra tonga lafatra izy. Nanoratra izy hoe: “Aoka tsy hisy ho sosotra ny Kristianina, sy ny olona tia fivavahana, na ny mpamaky an’ity Boky Masina ity, raha misy diso na hafahafa na tsy mahafinaritra na zava-baovao ato amin’ity fandikan-teny nataon’olona tsy ampy fahaizana ity.” Marina fa misy lesoka ny fandikan-tenin’i Agricola, nefa tena mendri-piderana izy noho ny fikirizany nandika ny Baiboly tamin’ny fitenin’ny sarambaben’olona.

Lova navelan’i Agricola

Teo am-piandohan’ny 1557, dia voafidy ho anisan’ny iraka nalefa tany Moscou i Agricola, izay efa lasa Loteranina ary evekan’i Turku. Niady sisin-tany mantsy i Soeda sy Rosia, ka nirahina handamina izany ireo iraka. Vita soa aman-tsara ny natao. Narary tampoka anefa i Agricola satria mafy be ny dia niverina nody, ka maty teny an-dalana izy. Fito amby efapolo taona izy tamin’izay.

Boky folo teo ho eo monja (2 400 pejy teo ho eo raha atambatra) tamin’ny fiteny failandey, no navoakan’i Agricola nandritra izany fiainany fohy izany. Maro anefa no mihevitra fa iny “Lehilahy Nitondra Fanovana” iny no nampivelatra ny kolontsaina failandey. Nanomboka tamin’izay, dia nivoatra haingana ny mponina sy ny fiteny failandey, teo amin’ny sehatry ny zava-kanto sy ny siansa.

Ny fanovana lehibe kokoa nentin’i Mikael Agricola anefa, dia ny nanaovany izay hampahazava kokoa ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny olona miteny failandey. Voafintina ato amin’ity tononkalo amin’ny fiteny latinina ity izany, izay nosoratana ho fahatsiarovana azy rehefa maty izy: “Tsy namela didim-pananana izy. Ny asa nataony kosa angamba, izany hoe ny fandikana boky masina ho amin’ny fiteny failandey, no didim-pananana navelany. Mendri-piderana tokoa izany asa izany!”

[Efajoro/Sary, pejy 23]

Ny Baiboly Failandey

Tamin’ny 1642 no navoaka ny Baiboly manontolo voalohany tamin’ny fiteny failandey. Ilay nataon’i Mikael Agricola no fototra niaingana nanaovana izany. Lasa Baiboly ofisialin’ny Eglizy Loteranina Failandey izy io. Nasiam-panovana madinika imbetsaka izy io rehefa nandeha ny fotoana, nefa azo lazaina hoe tsy niova firy hatramin’ny 1938. Navoaka tamin’ny 1992 ilay Baiboly farany nasiam-panovana.

Ankoatra an’io dia Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no hany Baiboly manontolo amin’ny fiteny failandey. Navoaka tamin’ny 1995 izy io, ary roapolo taona talohan’izay, tamin’ny 1975, dia efa namoaka ny Soratra Grika Kristianina ny Vavolombelona. Niezahana ho faran’izay akaikin’ny hevitra tany am-boalohany Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Hatramin’izao, dia 130 000 000 no isan’ny natao pirinty.

[Sary, pejy 22]

I Mikael Agricola sy ny Baiboly failandey voalohany. Sary navoaka tamin’ny 1910

[Sary nahazoan-dalana]

National Board of Antiquities/Ritva Bäckman

[Sary, pejy 23]

Ny “Testamenta Vaovao” nataon’i Agricola

[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]

National Board of Antiquities