Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Aho no Mandratra Tena?

Nahoana Aho no Mandratra Tena?

Manontany ny Tanora Hoe...

Nahoana Aho no Mandratra Tena?

“Notatahako be ny hatotanako, ka tsy maintsy nozairina. Nilazako ny dokotera fa ampola vaky no nandratra ahy, ary marina izany. Tsy nolazaiko taminy fotsiny hoe niniako natao ilay izy.”—Sasha, 23 taona.

“Voamariky ny ray aman-dreniko hoe naratra aho, fa ireo ratra kely toy ny rangotra ihany no hitany. ... Mahita ratra lalina ihany ry zareo indraindray nefa tsy fantany hoe ahoana no nahatonga an’ilay izy, ka mamorona fialan-tsiny aho. ... Tsy tiako ho fantany mantsy ny marina.”—Ariel, 13 taona.

“Efa tamin’izaho 11 taona no nanomboka nandratra tena. Nanao an’izany foana aho, na dia fantatro aza fa sarobidy amin’Andriamanitra ny vatan’olombelona.”—Jennifer, 20 taona.

ANGAMBA ianao mahafantatra olona mandratra tena toa an-dry Sasha sy Ariel ary Jennifer. * Mety ho mpiara-mianatra izany, mpiray tam-po, na ianao mihitsy. Tombanana ho olona an-tapitrisany no mandratra tena any Etazonia fotsiny, ary tanora ny maro aminy. Minia mandratra tena izy ireo, ary mampiasa fomba isan-karazany: didiany ny tenany, dorany, veliveleziny ataony mangana, na kikisany ny hodiny. *

Minia mandratra tena tokoa ve izy ireo? Noheverina ho fanao hafahafa, na fanaon’ny sekta izany taloha. Nihabetsaka anefa ny zavatra fantatra momba ny fandratrana tena tato ho ato. Lasa be dia be koa ny olona miaiky fa manana an’io olana io. Hoy i Michael Hollander, talen’ny toeram-pitsaboana iray any Etazonia: “Milaza daholo ny dokotera fa mihamitombo io olana io.”

Mampidi-doza ny fandratrana tena, na dia mahalana aza izy io vao mahafaty. Hoy, ohatra, i Beth: ‘Mampiasa hareza aho rehefa mandratra tena. Indroa nampidirina hopitaly aho noho izany. Voatery nankany amin’ny fitsaboana vonjy aina koa aho indray mandeha satria naratra be.’ Toy ny olona maro manana an’io olana io, dia mbola mandratra tena foana i Beth, na efa olon-dehibe aza. Hoy izy: “Tamin’izaho 15 taona no nanomboka nandratra tena, ary efa 30 taona aho izao.”

Moa ve ianao mandratra tena, na mahafantatra olona andevozin’io fanao io? Aza kivy fa mbola hiresaka momba ny fomba hanampiana ny olona toy izany, ny Mifohaza! manaraka. * Tsara anefa aloha ny iresahana momba ny olona manana an’io olana io, sy ny antony anaovany izany.

Toe-javatra samihafa

Sarotra ny milaza hoe sokajin’olona iray ihany no mandratra tena. Misy mantsy avy amin’ny fianakaviana mikorontana, ny hafa kosa avy amin’ny tokantrano sambatra sy milamina. Ny sasany tsy dia maharaka any am-pianarana, nefa maro koa no tena mahay. Matetika no zara raha misy soritra amantarana hoe manana an’io olana io ny olona iray, na tsy misy soritra mihitsy. Misy mantsy manan-java-manahirana nefa tsy mampiseho izany etỳ ivelany. Hoy ny Baiboly: “Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo.”—Ohabolana 14:13.

Mandratra tena imbetsaka kokoa noho ny hafa ny olona sasany. Hita tamin’ny fandinihana iray, ohatra, fa indray mandeha isan-taona monja no mandratra tena ny sasany, nefa misy manao izany indroa isan’andro. Mahagaga koa fa maro ny ankizilahy mandratra tena, tsy araka ny nieritreretana azy taloha. Ankizivavy anefa no tena manana an’io olana io.

Misy zavatra iombonan’ny olona mandratra tena na dia samihafa aza ny toe-javatra iainan’izy ireo. Hoy ny rakipahalalana iray momba ny tanora: “Matetika ireo tanora mandratra tena no mahatsapa tena ho tsy afa-manoatra, tsy sahy mamboraka ny ao am-pony, manirery na mihevi-tena ho tsy misy vidiny sy tsy misy mpitia, ary matahotra.”

Marina fa mety hisy hilaza hoe zavatra mpahazo ny tanora rehetra izany. Matahotra sy tsy matoky tena mantsy ny tanora, rehefa mihalehibe. Mafy kokoa noho izany ny manjo an’ireo mandratra tena. Tsy hitany izay ilazana ny fahoriam-pony, ary tsy hainy ny mamboraka izany amin’ny namana azony itokisana. Lasa toy ny hoe ngezabe àry ny olana atrehiny any am-pianarana, na any am-piasana, na ireo adiady ao an-trano. Tsy mahita vahaolana izy sady mieritreritra fa tsy misy olona azony iresahana, ka tsy zakany intsony ny miaritra izany. Mahita hevitra ihany izy amin’ny farany: Toy ny hoe maivana kokoa ny fahoriam-pony rehefa mandratra tena izy, ary mihevitra izy fa afaka manohy ny fiainany amin’izay aloha, fara faharatsiny.

Nahoana no mitady fanaintainana ny olona mandratra tena mba hanamaivanana ny fahoriam-pony? Eritrereto, ohatra, izay mitranga rehefa mitsindrona any amin’ny dokotera ianao. Inona no ataonao mba tsy hifantoka amin’ilay tsindrona ny sainao? Angamba tsongoinao ny faritra hafa amin’ny tenanao na tsindrontsindroninao amin’ny hohonao. Toy izany no ataon’ny olona mandratra tena, saingy mampidi-doza kokoa ny azy. Tsy dia mifantoka loatra amin’ny fahoriam-pony izy sady mahatsiaro ho maivamaivana rehefa mandratra tena. Lehibe loatra mantsy ny fahoriam-pony, ka aleony ny vatany no mahatsiaro manaintaina. Izany angamba no nahatonga ny ankizivavy iray hilaza hoe: “Fanafodin’ny tahotro” ny fandratrana tena.

“Fomba iatrehana adin-tsaina”

Mihevitra ireo tsy mahalala firy an’io olana io, fa te hamono tena ny olona mandratra tena. Tsy izany anefa no izy matetika. Hoy i Sabrina Weill, mpampanonta gazety ho an’ny zatovo: “Ny fijaliany fotsiny, raha ny marina, no tian’ireny olona ireny hofaranana, fa tsy ny ainy.” Misy boky àry milaza hoe ‘famonjena aina’ ny fandratrana tena, ‘fa tsy famonoan-tena.’ Lazainy koa fa “fomba iatrehana adin-tsaina” izy io. Inona avy izany adin-tsaina izany?

Maro amin’ireo mandratra tena no niharan-javatra mampikorontan-tsaina. Nampijalina angamba izy tamin’ny mbola kely na tsy noraharahaina. Mety hoe miady lava koa ny ao an-tranony, na mpisotro toaka ny rainy na ny reniny. Ny an’ny hafa kosa ny sainy mihitsy no voa.

Misy antony hafa koa. Nanamelo-tena, ohatra, i Sara, satria nanao fahadisoana sady tsy tonga lafatra araka ny nitiavany azy ny zavatra nataony. Nanao fahadisoana lehibe izy, ary efa nanampy azy ny anti-panahy kristianina. Mbola nanamelo-tena tafahoatra ihany anefa izy, noho ireo fahadisoany madinika isan’andro. Hoy izy: ‘Nihevitra aho fa tsy maintsy “hentitra be” tamin’ny tenako. Noheveriko hoe manafay tena fotsiny aho rehefa mandratra tena. Hongotako, ohatra, ny voloko, didiako ny hatotanako sy ny sandriko, ary kapohiko ho mangana ny tenako. Saziko koa ny tenako. Atsoboko ao anaty rano mahamay be, ohatra, ny tanako, na mijanona any an-tokotany amin’ny andro mangatsiaka be aho nefa tsy manao akanjo mafana, na tsy mihinan-kanina tontolo andro.’

Mandratra tena i Sara mba hampisehoany fa halany ny tenany. Hoy izy: ‘Nisy fotoana nahatsapako fa namela ny fahadisoako i Jehovah, nefa tsy tiako hanao an’izany izy. Te hijaly aho satria tsy tiako maizina ny tenako. Fantatro fa tsy nanamboatra toeram-pijaliana toy ny afobe mihitsy i Jehovah, nefa tiako raha nanao iray ho ahy izy.’

“Fotoan-tsarotra”

Mety ho gaga ny sasany hoe nahoana no tato anatin’ireo folo taona faramparany, vao fantatra izany fanao mampahonena izany. Fantatry ny mpianatra Baiboly fa “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1) Tsy gaga àry izy ireo rehefa mandre fa misy olona, anisan’izany ny tanora, manana fitondran-tena sarotra hazavaina.

Lazain’ny Baiboly fa “ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry.” (Mpitoriteny 7:7) Ireo zava-tsarotra atrehin’ny tanora, miampy an’ireo fahoriana nandalovany, no mety hahatonga azy ireo hanana ireny fitondran-tena mampidi-doza ireny, anisan’izany ny fandratrana tena. Mety handratra tena ny tanora mba hanamaivanana izay tsapany, rehefa mahatsiaro tena ho manirery na mihevitra fa tsy misy olona azony iresahana. Vahaolana mihelina ihany anefa izany. Hipoitra indray ilay olana, na ho ela na ho haingana, ary handratra tena indray izy.

Matetika no tsy te handratra tena intsony ireo zatra manao izany, nefa sarotra aminy ny miala amin’ilay izy. Ahoana no nahafahan’ny sasany niala tamin’io fanao io? Izany no horesahina ao amin’ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora hoe... Ahoana no Ataoko mba Tsy Handratrako Tena Intsony?”, ao amin’ny Mifohaza! Febroary 2006.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 6 Tsy tokony hafangaro ny olona zatra mandratra tena, sy ny olona mitevika vatana na manao tatoazy mba hanarahana lamaody. Jereo ny Mifohaza! 8 Aogositra 2000, pejy 18-19.

^ feh. 9 Hoy ny Levitikosy 19:28: “Aza mitetika ny tenanareo noho ny maty.” Ny mpanompo sampy no nanao an’izany, angamba mba hampitonena ireo noheverina ho andriamanitry ny maty. Tsy mitovy amin’io ny fandratrana tena resahina ato.

ERITRERETO IZAO:

▪ Nahoana no ny fandratrana tena no hany vahaolana hitan’ny tanora sasany?

▪ Mahita fomba tsara kokoa hanamaivanana fahoriam-po ve ianao, rehefa avy namaky an’ity lahatsoratra ity?

[Teny notsongaina, pejy 11]

“Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo.”—Ohabolana 14:13

[Teny notsongaina, pejy 11]

“Ny fijaliany fotsiny, raha ny marina, no tian’ireny olona ireny hofaranana, fa tsy ny ainy”

[Teny notsongaina, pejy 12]

Miaina ao anatin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika ankehitriny.—2 Timoty 3:1