Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hitady Tari-dalana avy ao Amim’ny Baiboly?

Nahoana Isika no Tokony Hitady Tari-dalana avy ao Amim’ny Baiboly?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Nahoana Isika no Tokony Hitady Tari-dalana ao Amin’ny Baiboly?

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.”—2 Timoty 3:16.

AIZA no itadiavanao tari-dalana eo amin’ny fiainana? Mahita torohevitra faran’izay betsaka isika ankehitriny, ary toa tsy misy lafin-javatra tsy resahin’izy ireny. Na izany aza dia olona maro no mitady tari-dalana ao amin’ny Baiboly, izay asa soratra tranainy.

Tsy misy lanjany firy amin’ny ankamaroan’ny olona anefa ny Baiboly, indrindra amin’izao andron’ny fandrosoana sy teknolojia maoderina izao. Mihevitra ny mpanabe sy ny mpahay siansa sasany hajain’olona, fa efa lany andro izy io. Marina ve izany? Koa satria maro ny fomba ahazoana tari-dalana ankehitriny, nahoana isika no tokony hitady izany ao amin’ny Baiboly?

Bokin’ny fahamarinana

Niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina iray i Jesosy Kristy indray mandeha, rehefa naka aina teo am-pantsakana. Hoy izy taminy: “Andriamanitra dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Midika izany fa misy ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra. Miresaka momba ny tenany Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, ary ao amin’izy io koa no misy ny fahamarinana. Tsy maintsy mifanaraka amin’izay voalaza ao àry ny fivavahantsika, mba ho araka ny fahamarinana.—Jaona 17:17.

Mihambo ho mino ny Baiboly ny fivavahana maro, nefa toa samy hafa ny zavatra ampianariny. Lasa misalasala àry ny olona hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly. Andriamanitra sa zanak’Andriamanitra i Jesosy? Mbola mitohy ve ny fiainana aorian’ny fahafatesana sa tsia? Tena misy ve ny afobe, ary ampijalina any ve ny olona rehefa maty? Tena misy ve i Satana? Inona avy no tafiditra amin’ny hoe Kristianina? Tena zava-dehibe amin’Andriamanitra ve ny ataontsika sy ny eritrerintsika? Azo ekena ve ny firaisana alohan’ny fanambadiana, raha tena mifankatia? Mety ve ny misotro zava-pisotro misy alkaola? * Fivavahana maro no mihambo ho mampianatra ny marina momba ireo foto-kevitra ireo. Mifanohitra anefa ny zavatra ampianarin’izy ireny matetika, ary tsy afaka ny ho marina daholo izany.—Matio 7:21-23.

Ahoana àry no ahafantaranao ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fivavahana mampifaly azy? Aoka atao hoe marary mafy ianao, ka mila didiana. Inona no hataonao? Hiezaka mafy ianao, raha azo atao, mba hitady izay mpandidy havanana indrindra. Hodinihinao tsara ny fahaizany sy ny traikefa ananany, ary ho any aminy ianao ka hiresaka aminy. Ho resy lahatra ianao amin’ny farany rehefa hitanao ny porofo, fa izy no mpandidy mahay indrindra. Hatoky azy ianao ka hanaiky hodidiany. Mety tsy hitovy hevitra aminao ny hafa, nefa efa marim-pototra ny fatokisanao an’io mpandidy io.

Toy izany koa fa hanjary hatoky an’Andriamanitra sy ny Baiboly ianao, raha mandinika tsara ny porofo misy. (Ohabolana 2:1-4) Azonao fidina izay fomba hamantaranao ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra: Na amin’ny alalan’ny fampianarana sy hevitr’olombelona mifanohitra, na ao amin’ny Baiboly.

Marina tsara sy mahasoa

Raha mandinika tsara ny Baiboly ianao, dia hahita porofo maro fa ‘avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Soratra Masina iray manontolo, ary mahasoa.’ * (2 Timoty 3:16, 17) Feno faminaniana amin’ny an-tsipiriany, ohatra, ao amin’izy io, ary voaporofon’ny tantara fa tanteraka izy ireny. (Isaia 13:19, 20; Daniela 8:3-8, 20-22; Mika 5:1) Mifanaraka tsara amin’ny siansa koa ny Baiboly, na dia tsy boky momba ny siansa aza. Marina izay voalazany momba ny natiora sy ny fahasalamana. Tsy nahafantatra tsara ny marina momba an’ireo anefa ny mpahay siansa, raha tsy an’arivony taona tatỳ aoriana.—Levitikosy 11:27, 28, 32, 33; Joba 26:7.

Ankoatra izany, dia manampy antsika handray fanapahan-kevitra amim-pahendrena ny Baiboly. Mirakitra torohevitra mahasoa maro izy io: momba ny fiainam-pianakaviana, ny fahasalamana, ny fiatrehana fahakiviana, ny raharaham-barotra, ary ny toe-javatra hafa fahita andavanandro. Hoy ny Ohabolana 2:6, 7: “Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina. Izy mitahiry fanambinana ho an’ny mahitsy.” Afaka manazatra ny sainao hahay “hanavaka ny tsara sy ny ratsy” ianao, raha mitady tari-dalana ao amin’ny Baiboly.—Hebreo 5:14.

Manampy antsika hahafantatra ny antony iainantsika koa ny Tenin’Andriamanitra. (Jaona 17:3; Asan’ny Apostoly 17:26, 27) Manazava ny dikan’ny zava-mitranga eran-tany izy io. (Matio 24:3, 7, 8, 14; 2 Timoty 3:1-5) Asehon’Andriamanitra amintsika ao amin’izy io ny fomba hanesorany ny faharatsiana eto an-tany, sy izay hataony mba hananan’ny olona fahasalamana tonga lafatra sy hiainan’izy ireo mandrakizay.—Isaia 33:24; Daniela 2:44; Apokalypsy 21:3, 4.

Olona an-tapitrisany no nahita avy tamin’ny zavatra niainany, fa azo ianteherana sy itokisana tokoa ny Baiboly, sady loharanon’ny tena fahendrena. Mampirisika anao izahay mba hamaky tsara ireo lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly”, izay hivoaka ao amin’ireo Mifohaza! manaraka. Hahita porofo fanampiny ianao amin’izay, fa ny Baiboly no loharanon’ny tari-dalana tsara indrindra azonao itondrana ny fiainanao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Miseho tsy tapaka ato amin’ny Mifohaza! ny lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly”, ary hovaliana ao ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa.

^ feh. 12 Raha mitady porofo ianao fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, dia jereo ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

EFA NOERITRERETINAO VE?

Inona no fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra?Jaona 4:24

Inona no tsy maintsy ataonao, raha te handray soa avy amin’ny fahendren’Andriamanitra ianao?—Ohabolana 2:1-4

Nahoana no azo lazaina fa loharanon’ny tari-dalana mahasoa ny Baiboly?—Hebreo 5:14.