Rehefa Ankizy no Maty
Rehefa Ankizy no Maty
▪ Mafy amin’ny velona, indrindra fa ho an’ny ray aman-dreny, ny fahafatesan’ny ankizy. Maty main’ny afo tamin’ny loza nahatsiravina iray ny tovolahy 16 taona. Nitaraina toy izao ny reniny: “Sady tsy mamela antsika ho faty hisolo ny zanatsika Andriamanitra, no tsy mamela antsika hiara-maty aminy koa.”
Manana fanantenana anefa izy, araka izao teniny izao: “Efa nampahafantatra ny marina momba ny fahafatesana Andriamanitra, ka tsy kivy na resin’ny alahelo izahay mivady.” Niaiky izy hoe: “Tsy avy amin’ny Andriamanitray izao manjo ny zanakay izao. Mbola hanangana ny maty aza izy ao amin’ny paradisa an-tany, araka ny fikasany. Azonay sary an-tsaina sahady ny zanakay velona sy salama ary sambatra, miara-miriaria amin’ny havana aman-tsakaizany.”
Mila fampiononana anefa, na dia ireo mino ny fitsanganana amin’ny maty ampanantenain’Andriamanitra aza. Nahazo izany avy tamin’ny namany maro io reny io, ary tena velom-pankasitrahana. Hoy izy: “Avy tao amin’ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao ny maro tamin’ireo teny sy fihetsika feno hatsaram-panahy natao taminay. Nampirisihinay hamaky io bokikely io daholo ny olom-pantatray, mba hahatakarany kokoa ny fihetsikay sy ny havesatry ny alahelonay.”
Hahazo fampiononana koa angamba ianao, na ny olom-pantatrao, raha mamaky ny bokikely Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ny tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.