Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Mpamaky

Ry Mpamaky

Ry Mpamaky

HAHITA fiovana ato amin’ny Mifohaza! ianao, manomboka amin’ity gazety ity. Ho toy ny taloha ihany izy amin’ny ankapobeny, saingy hisy fiovana vitsivitsy.

Tsy hivaona amin’ny tanjona efa napetraka hatramin’ny taona maro ny Mifohaza! Voalaza eo amin’ny pejy faha-4, fa “natonta ity gazety ity mba hanome fahalalana ny fianakaviana manontolo.” Mamakafaka ny zava-misy eran-tany izy ity, ary miresaka momba ny olona avy amin’ny kolontsaina isan-karazany, ny zavaboary mahavariana, ary ny fahasalamana. Manazava ny siansa amin’ny sarambaben’olona koa izy. Mbola hampita fahalalana amin’ny mpamaky azy foana ny Mifohaza!, ka hampahafantatra momba ny tontolo manodidina antsika.

Izao no fampanantenana hita tao amin’ny Mifohaza! 22 Aogositra 1946 (anglisy): “Ny hamoaka fahamarinana tsy misy fangarony no tanjon’ity gazety ity voalohany indrindra.” Tanteraka tokoa izany satria niezaka namoaka fanazavana marina foana ny Mifohaza! Anaovana fikarohana lalina sy hamarinina amim-pitandremana ireo lahatsoratra avoaka ato. ‘Mamoaka fahamarinana tsy misy fangarony’ koa anefa ity gazety ity, amin’ny lafiny lehibe hafa.

Marina fa efa nisarika ny sain’ny mpamaky ho amin’ny Baiboly foana ny Mifohaza! hatramin’izay. Ho maro kokoa anefa ny lahatsoratra ara-baiboly ato anatiny manomboka izao. (Jaona 17:17) Hitohy foana ny famoahana lahatsoratra miompana amin’ny fampiharana ny torohevitry ny Baiboly, izay manampy antsika hanana fiainana sambatra sy mahafa-po. Anisan’izany ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora” sy “Ny Fiheveran’ny Baiboly”, izay ahitana toro lalana ara-baiboly betsaka. Ankoatra izany, dia mbola hisongadina ato amin’ny Mifohaza! foana ny fampanantenan’ny Baiboly tontolo vaovao hanjakan’ny fiadanana, izay hisolo an’ity tontolo tsy tan-dalàna ity.—Apokalypsy 21:3, 4.

Inona koa no hiova? Nivoaka indroa isam-bolana tamin’ny fiteny maro ny Mifohaza! teo aloha. Hivoaka indray mandeha isam-bolana kosa izy manomboka izao, amin’ny ankamaroan’ireo fiteny 82 amoahana azy. * Mbola ho hitanao ato ihany ilay lahatsoratra hoe “Topy Maso Eran-tany”, izay efa nisy nanomboka tamin’ny 1946, saingy pejy iray sisa no hisy azy, fa tsy roa intsony. Tena mahaliana koa ilay zava-baovao eo amin’ny pejy faha-31 hoe: “Ahoana no Havalinao?” Inona no ho hitanao ao amin’izy io, ary ahoana no azo ampiasana azy?

Topazo maso kely ange ny pejy faha-31 e! Mino izahay fa hahasarika ny ankizy ny zavatra sasany eo amin’io pejy io. Misy ampahany amin’izy io kosa hitsapa ny fitadidian’ireo mpianatra Baiboly efa manana fahalalana bebe kokoa. Jereo, ohatra, ilay hoe: “Oviana no Nitranga Ireto?” Hanampy anao izy io hitadidy ny fotoana niainan’ny olona sasany ao amin’ny Baiboly, sy ny datin’ny fisehoan-javatra lehibe hafa. Ao amin’ilay gazety ihany no misy ny pejy ahitana ny efajoro misy ny valiny. Misy fanontaniana hafa koa eo amin’ilay hoe “Ato Amin’ity Gazety Ity”, ary ho hitanao ao amin’ireo lahatsoratra samy hafa ao amin’ilay gazety ihany ny valiny. Nahoana raha mba manao fikarohana kely aloha, izay vao mamaky ny valim-panontaniana? Azonao resahina amin’ny hafa avy eo ny zavatra nianaranao. Azo atao koa ny midinika an’io lahatsoratra hoe “Ahoana no Havalinao?” io miaraka amin’ny fianakaviana, na olon-kafa maromaro.

Nampanantena toy izao ny Mifohaza! 60 taona lasa izay: ‘Tsy ny fomba fihevitry ny olona eo amin’ny toerana iray no haseho ato amin’ity gazety ity, fa ny fomba fihevitry ny olona isan-karazany eran-tany. Hirakitra foto-kevitra mahaliana ny olona tso-po eran-tany izy ity, ary hisy lahatsoratra mampita fahalalana, manabe ny vahoaka, ary mahaliana ny ankabeazan’ny olona, na tanora na antitra.’ Eken’ny mpamaky eran-tany fa nanatanteraka izany tokoa ny Mifohaza! Ary manome toky anao izahay fa mbola hitohy izany.

Ny Mpampanonta

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Mivoaka indray mandeha isaky ny telo volana ny Mifohaza! amin’ny fiteny sasany, ary mety tsy ho hita ao amin’ilay gazety daholo ny lahatsoratra rehetra mivoaka.

[Sary, pejy 3]

“Fotoam-pahasambarana” no anarany tamin’ny 1919, novana ho “Fampiononana” tamin’ny 1937, ary lasa “Mifohaza!” tamin’ny 1946

[Sary, pejy 4]

Efa hatramin’ny ela ny “Mifohaza!” no nisarika ny sain’ny mpamaky azy ho amin’ny Baiboly

[Sary nahazoan-dalana]

Basy: U.S. National Archives photo; ankizy mosarena: WHO photo by W. Cutting