Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Tokotokony ho 8,3 tapitrisa ny olona voan’ny tioberkilaozy eran-tany, nandritra ny taona 2000, ary efa ho roa tapitrisa tamin’ireo no maty. Tany amin’ny tany mahantra ny ankamaroany.—MEDICAL JOURNAL OF AUSTRALIA.

“Tanora folo tapitrisa izao no mitondra ny otrikaretina VIH, ary 15 ka hatramin’ny 24 taona ny antsasany mahery amin’ireo 4,9 tapitrisa voan’izy io isan-taona, eran-tany.”TAHIRIN’NY FIRENENA MIKAMBANA MOMBA NY MPONINA.

Narahi-maso tamin’ny alalan’ny satelita ny dian’ireo lohovava mpiriorio manodidina ny tany. Nahavita izany tao anatin’ny 46 andro monja ny haingam-panidina indrindra tamin’ireo lohovava ireo.—GAZETY SCIENCE, ETAZONIA.

“Zato tapitrisa dolara mahery isaky ny adiny iray no lany, eran-tany, amin’ny miaramila sy ny fitaovam-piadiana ary ny bala.”—VITAL SIGNS 2005, FIKAMBANANA MPANDINIKA AN’IZAO TONTOLO IZAO.

Mitombo ve ny Herisetra Atao Amin’ny Mpitondra Fivavahana?

“Anisan’ny asa mampidi-doza indrindra ny asana pretra eto [Grande-Bretagne]”, hoy ny Daily Telegraph any Londres, tamin’ny 2005. Nanao fanadihadiana momba izany ny fitondram-panjakana tamin’ny 2001. Hita àry fa efa ho ny telo ampahefatry ny mpitondra fivavahana nanontaniana no nampijalina na nampiharana herisetra, tao anatin’ny roa taona farany. Mpitondra fivavahana fito, fara fahakeliny, no nisy namono, nanomboka tamin’ny 1996. Tany Merseyside, faritra an-tanàn-dehibe, dia ‘iray teo ho eo, isan’andro, ny fanafihana, fandrobana na fandoroana fananan’olona, natao tao amin’ny iray amin’ireo toeram-pivavahana 1 400.’

Biby sy Zavamaniry Mahavariana Isan-karazany

Ripaka ny alan’ny tany mafana, nefa ‘mbola misy biby sy zavamaniry mahavariana isan-karazany ihany any anivon-tanin’ny nosy Bornéo’, hoy ny gazety The New York Times. Milaza ny World Wildlife Fund (WWF), fa nahita karazana zavamaniry sy biby vaovao 361 tao amin’io nosy io ny manam-pahaizana, teo anelanelan’ny 1994 sy 2004. (Samy manana zaran-tany any Bornéo i Brunei sy Indonezia ary Malezia). Ireto avy ireo zava-baovao: bibikely 260, zavamaniry 50, trondro 30, sahona 7, androngo 6, foza 5, bibilava 2 ary saobakaka iray. Tandindomin-doza anefa ilay ala satria miharipaka. Mila hazo mafy sy fingotra ary menaka palmie mantsy ny olona.

Mitombo ny Finoanoam-poana

“Mampiavaka ny androntsika ny teknolojia sy ny siansa, nefa mbola manjaka ihany ny finoanoam-poana”, araka ny fitsapan-kevitra nataon’ny fikambanana alemà Allensbach. Rehefa tena nodinihina, dia hita fa “mbola mino ny fambara tsara sy ratsy foana ny olona, ary maro kokoa noho ny tamin’ny 25 taona lasa aza ny minomino foana toy izany, raha ny marina.” Tamin’ireo taona 1970, dia ny ampahadimin’ny olona teo ho eo no nihevitra fa nisy vokany teo amin’ny fiainany ny fahitana tain-kintana. Efa ho ny antsasaky ny olona kosa no mihevitra toy izany izao. Olon-dehibe 1 monja ao anatin’ny 3 ankehitriny no afaka amin’ny finoanoam-poana rehetra. Nisy fanadihadiana koa natao tamin’ny mpianatry ny oniversite alemà. Hita tamin’izany fa ny ampahatelony no mino ny ody mahatsara vintana atao ao anaty fiara na ampiarahina amin’ny lakile.

Miempo ny Vongan-dranomandry any Amin’ny Tendrontany Atsimo

Milaza ny gazety Clarin, any Buenos Aires fa “niempo ny 87 isan-jaton’ireo vongan-dranomandry 244 any amin’ny Tendrontany Atsimo, tato anatin’ny 50 taona”, sady haingana noho izay noeritreretin’ny manam-pahaizana aza. Hita tamin’ny fandinihana tsara an’ireo vongan-dranomandry ireo koa, fa nitombo 2,5 degre ny hafanan’ny rivotra nandritra ny 50 taona farany. ‘Ny fiovan’ny toetany no tena nahatonga ilay fiempoana haingana’, hoy i David Vaughan, avy amin’ny Fanadihadiana Britanika Momba ny Tendrontany Atsimo. Hoy izy: “Tompon’andraikitra ve ny olombelona? Tsy tena fantatsika ny amin’izany, nefa ho fantatsika tsy ho ela ny valin’io fanontaniana lehibe io.”