Zakako ny Aretiko Noho ny Finoako
Zakako ny Aretiko Noho ny Finoako
NOTANTARAIN’I JASON STUART
Hoy ilay dokotera tamiko: ‘Malahelo aho milaza aminao Atoa Stuart, fa aretina tsy misy fanafany no mahazo anao. Aretin’i Lou Gehrig no anaran’izy io.’ * Nohazavainy avy eo ny mety ho fizotran’ilay aretina. Mahakivy ilay izy. Nilaza izy fa kely sisa dia tsy ho afaka hihetsika na hiteny intsony aho, ary ho faty amin’ny farany. “Dia hafiriana sisa no hahavelomako?”, hoy aho taminy. “Telo na dimy taona angamba”, hoy izy. Vao 20 taona monja aho tamin’izay. Mbola sambatra ihany anefa aho, na dia teo aza io vaovao nampalahelo io. Antony maro no nahatonga izany. Aleo hohazavaiko.
TERAKA tamin’ny 2 Martsa 1978 aho, tany Redwood City, Kalifornia, eto Etazonia. Efatra mianadahy izahay no zanak’i Jim sy Kathy Stuart, ka izaho no fahatelo. Matthew sy Jenifer ary Johnathan no anaran’ireo iray tam-po amiko. Tena tia an’Andriamanitra i Dada sy Neny, ka nampianariny hanaja tanteraka ny fitsipiky ny Baiboly izahay.
Zatra nitory isan-trano sy nianatra Baiboly ary nanatrika fivoriana kristianina izahay mianakavy, efa hatramin’ny fahakeliko. Nanjary natanjaka ny finoako an’i Jehovah Andriamanitra noho izany fanabeazana izany. Tsy nanampo mihitsy aho hoe hotsapaina ny finoako.
Tanteraka ny nofinofiko hatramin’ny mbola kely
Nentin’i Dada tany New York izahay tamin’ny 1985, mba hitsidika ny Betelan’i Brooklyn, na ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Vao fito taona aho tamin’izay, nefa voamariko fa nisy zavatra nampiavaka ny Betela. Toa mankafy ny asany daholo ny olona. Hoy aho anakampo: ‘Hiasa atỳ amin’ny Betela aho rehefa lehibe, dia hanamboatra Baiboly ho an’i Jehovah.’
Natao batisa aho ny 18 Oktobra 1992, ho fanehoako ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah. Nentin’i Dada nitsidika Betela indray aho taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’izaho 17 taona. Efa lehibe aho, ka nanjary takatro kokoa fa zava-dehibe ny asa atao ao. Vao mainka aho tapa-kevitra hanatratra ilay tanjoko, rehefa nody tany an-trano.
Nirotsaka ho mpisava lalana maharitra na mpitory ny vaovao tsara manontolo andro aho, tamin’ny Septambra 1996. Niezaka mafy nanatsara ny fifandraisako tamin’i Jehovah aho, mba hanatratrarako ilay tanjoko. Nampitomboiko ny famakiako Baiboly isan’andro sy ny fandalinana azy io. Nihaino lahateny tamin’ny kasety aho rehefa alina. Notantaraina tao amin’ny lahateny sasany fa nisy Kristianina tsy natahotra ny ho faty, satria tena nino ny Paradisa ho avy sy ny fitsanganana amin’ny maty. (Lioka 23:43; Apokalypsy 21:3, 4) Tsy ela dia haiko tsianjery ny lahateny rehetra nohenoiko. Tsy fantatro mihitsy tamin’izany, fa tena hila an’ireny lahateny mampahery ireny aho tsy ho ela.
Nisy taratasy tonga avy any Brooklyn, ny 11 Jolay 1998. Inona tokoa fa voantso hiasa any amin’ny Betela aho! Tonga tany aho, iray volana tatỳ aoriana. Voatendry hiasa tao amin’ny fanakambanam-boky aho, mba hanamboatra boky halefa any amin’ny fiangonana maro. Tanteraka ilay nofinofiko hatramin’ny mbola kely. Niasa tany amin’ny Betela aho, sady amin’izay indray ‘manamboatra Baiboly ho an’i Jehovah’!
Nanomboka ilay aretina
Voamariko anefa iray volana teo ho eo talohan’ny nankanesako tany, fa tsy afaka nitsotra tsara ny fanondroko havanana. Mora reraka koa aho tany am-piasana. Mpanadio dobo filomanosana no asako tamin’izany. Nieritreritra aho hoe izaho mihitsy no kamokamo. Nilana tanjaka kokoa mantsy ny asako rehetra talohan’io, nefa tsy nandreraka ahy mihitsy ny nanao azy ireny.
Niharatsy ny fahasalamako, herinandro vitsivitsy taorian’ny nahatongavako tany amin’ny Betela. Tsy nahavita nandeha mafy toy ny ankizilahy hafa aho rehefa niakatra sy nidina ny tohatra. Mora reraka koa aho, ary nivonkina ny tanako havanana. Anisan’ny asako anefa ny nibata boky be dia be. Nanomboka nalemy sy nifintina koa ny hozatry ny ankibeko. Tsy ela dia tsy afa-nihetsika intsony ilay izy.
Roa volana monja taorian’ny nahatongavako tany amin’ny Betela, izany hoe tamin’ny tapaky ny Oktobra, no nilazan’ny dokotera fa voan’ny aretin’i Lou Gehrig aho. Tsaroako avy hatrany ireo lahateny haiko tsianjery, rehefa nivoaka avy tao aminy aho. Azoko antoka fa nanome ahy ny fanahiny i Jehovah, satria tsy nampatahotra ahy ny ho faty. Nivoaka teny ivelany fotsiny aho, ary niandry an’ilay fiara hitondra ahy hody any amin’ny Betela. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hampaherezany ny fianakaviako, rehefa hilazako an’ilay vaovao izy ireo.
Mbola sambatra ihany anefa aho, araka ny teniko terỳ aloha. Tanteraka ilay nofinofiko hatramin’ny mbola kely hoe hiasa any amin’ny Betela. Nandehandeha teny amin’ny Tetezan’i Brooklyn aho ny harivan’io, ary nisaotra an’i Jehovah namela ahy hahatratra ny tanjoko. Nitalaho taminy koa aho mba hanampiany ahy hahazaka ilay fahoriana mafy manjo ahy.
Niantso ahy an-telefaonina ny namako maro, mba hanohana sy hampahery ahy. Niezaka ny ho falifaly sy ho be fanantenana aho. Herinandro teo ho eo taorian’ny nahalalako an’ilay aretina anefa, dia nilaza tamiko an-telefaonina i Neny hoe tsara ny mahita ahy matanja-tsaina be, nefa tsy diso koa aho raha mitomany. Vao tapitra ny teniny, dia nifokofoko nitomany aho. Teo vao tsapako fa hamoy tsy ho ela ny zava-drehetra nonofinofisiko aho.
Tsy andrin’i Dada sy Neny izay hodiako. Taitra be aho, indray maraina, tamin’ny faran’io volana Oktobra io, rehefa nandondòna teo am-baravarako izy mivady. Nentiko nitsidika Betela ry zareo nandritra ny andro vitsivitsy, ary nampifankahalalaiko tamin’ny namako sy ny mpiasa efa ela tao. Anisan’ny fahatsiarovana mamiko indrindra ireny andro sarobidy niarahan’i Dada sy Neny tamiko tany amin’ny Betela ireny.
Zavatra maro nahasambatra
Mbola nitahy ahy tamin’ny fomba maro i Jehovah, nanomboka teo. Nanao lahateny ho an’ny besinimaro voalohany aho, tamin’ny Septambra 1999. Mbola afaka nanao lahateny maromaro tany amin’ny fiangonana hafa aho, taorian’izay. Tsy ela anefa dia lasa tsy nazava mihitsy ny fiteniko, ka tsy afaka nanao lahateny intsony aho.
Mbola nahazo fitahiana hafa koa aho: Tsy nihena mihitsy ny fitiavana sy fiahiana nasehon’ny mpianakaviko sy ny Kristianina hafa tamiko. Nitantana ahy ny namako, teny amin’ny fanompoana, rehefa nihanalemy ny tongotro. Nisy aza tonga tao an-trano mihitsy mba hanampy tamin’ny fikarakarana ahy.
I Amanda no anisan’ny fitahiana lehibe indrindra azoko. Lasa mpinamana izahay rehefa nody avy any amin’ny Betela aho. Tena nanintona ahy ny toetrany, satria matotra izy sady tia an’i Jehovah. Notantaraiko taminy daholo ny mombamomba ny aretiko sy izay nolazain’ny dokotera. Efa niara-nanompo elaela izahay vao nifankatia. Nivady izahay ny 5 Aogositra 2000.
Hoy i Amanda: “Nahafinaritra ahy i Jason satria tia an’Andriamanitra sady tena nazoto nanompo azy. Mora voasarika hanatona azy ny olona, na tanora na antitra. Olona tsy be teny aho, fa izy kosa sariaka be sy mahay mifandray amin’olona. Samy tia vazivazy izahay, ka nihomehy foana rehefa tafaraka. Tsy saikatra mihitsy aho rehefa niaraka taminy. Toy ny hoe efa nifankahalala hatramin’ny ela izahay. Nohazavain’i Jason tsara tamiko ny mombamomba ny aretiny, sy izay ampoizina hitranga. Nieritreritra anefa aho hoe aleo hararaotina ny fotoana mbola ahafahanay miaraka, ka atao izay hahatonga izany hahafinaritra. Mivadibadika koa ny fiainana ankehitriny, ka na ny olona salama aza mety ho tratran’ny ‘fotoana sy ny sampona.’ ”—Mpitoriteny 9:11.
Nahita fomba ifampiresahana
Nihatsy nazava hatrany ny fiteniko, rehefa nandeha ny fotoana. I Amanda àry no lasa mpandika teniko. Namorona fomba fifampiresahana hafakely izahay, rehefa tsy afaka niteny intsony aho. Tononin’i Amanda tsirairay ny literan’ny abidy, ka akimpiko kely ny masoko, rehefa voatonony ilay litera tadiaviko. Iezahany tadidina iny, ary miditra amin’ny litera manaraka indray izahay. Mahalaza fehezanteny manontolo aho amin’izany fomba izany. Lasa nahay tsara an’io fomba fifampiresahana io izahay roa.
Efa mandroso be izao ny teknolojia, ka ordinatera no iresahako amin’ny olona. Ahitana efajoro misy ny abidy rehetra eo amin’ny sisin’ilay ordinatera. Tsy afa-mihetsika intsony anefa ny tanako, ka misy fitaovana manokana mandefa taratra infrarouge etỳ amin’ny tarehiko, ary iny no mahatsapa izay fihetsika ataon’ny takolako. Rehefa te hilaza zavatra àry aho, dia ahetsiko fotsiny ny takolako mba hanondroan’ilay taratra an’izay litera tadiaviko. Mitambatra ho teny ireny litera ireny, ary ilay ordinatera no manonona azy.
Afaka manoratra ho an’ny olona liana amin’ny Baiboly hitan’ny vadiko eny am-pitoriana aho amin’io ordinatera io. Afaka mitory isan-trano sy mampianatra Baiboly koa aho amin’ny alalan’izy io. Raisiko feo mialoha izay zavatra holazaiko eny am-pitoriana. Mbola mpisava lalana foana aho noho izany. Afaka nanao lahateny sy anjara hafa teo anivon’ny fiangonana indray aho, vao haingana. Mpanampy amin’ny fanompoana aho izao.
Miezaka ny ho tia vazivazy foana
Maromaro ihany ny fahoriana mafy manjo anay. Nianjera matetika aho, ohatra, rehefa nihanalemy ny tongotro. Imbetsaka aho no nianjera nitsilany ka naratra ny lohako. Nihenjana mantsy ny hozatro, ka nidaboka toy ireny hazo mianjera ireny aho. Natahotra be ny olona, ary nikoropaka namonjy ahy. Nanao vazivazy anefa aho matetika mba hampitonena azy ireo. Miezaka ny ho tia vazivazy foana aho. Inona moa no azoko atao eo ankoatra an’izay? Tsy misy soa ho azoko tsinona, na ho tezitra aza aho amin’ny niafaran’ny fiainako.
Nianjera nitsilany tampoka aho, indray hariva, rehefa niara-nandehandeha tamin’i Amanda sy ny namanay anankiroa. Nidona mafy ny lohako. Natahotra be izy telo mianadahy nijery ahy. Nanontany ahy ilay namako iray raha tsy naninona aho.
Namaly aho hoe: “Tsy maninona aho kah, fa maniry kintana fotsiny ny lohako.”
“Marina ve?”, hoy izy.
“Marina e!”, hoy aho, sady nanondro ny lanitra ihany aho. “Jereo ireto izy! Tsara erỳ!” Toran’ny hehy izahay rehetra.
Miezaka mandresy zava-tsarotra isan’andro
Arakaraka ny nampahalemy sy nampifintina ny hozatro no nahitako zava-tsarotra maro kokoa. Tsy ela dia lasa nandreraka sy nahasorena ahy ny zavatra tsotra fanao isan’andro, toy ny mihinan-kanina, mandro, mankany an-kabine, ary manidy bokotr’akanjo. Efa tena ratsy izao ny fahasalamako, satria tsy afa-mihetsika, na miteny, na misakafo, na miaina intsony aho, raha tsy misy fitaovana sy olona manampy. Asiana fantsona kely ampidirana ny sakafoko ao amin’ny vavoniko. Ranon-javatra ihany no azoko hanina. Mampiasa fitaovana manampy amin’ny fisefoana koa aho. Misy fantsona mifampitohy aminy ao anaty tendako, ka izany no ahafahako miaina.
Niezaka ny hahavita tena foana aho raha mbola azo atao. Vonona hanampy ahy hatrany anefa i Amanda. Nila azy bebe kokoa aho tato ho ato. Tsy nataony mihitsy anefa izay hahatsapako hoe tsy misy ilana ahy intsony. Nanaja ahy foana izy. Tena mahavita zavatra miavaka izy mba hikarakarana ahy. Fantatro anefa fa tsy mora izany.
Hoy i Amanda momba izay tsapany: “Miandalana ny fihomboan’ny aretin’i Jason, ka arakaraka izay mitranga no ianarako ny fomba ikarakarana azy. Mampiasa fitaovana manampy amin’ny fisefoana foana izy, ka mila arahi-maso andro aman’alina. Misy rehoka sy rora be miangona ao amin’ny havokavony, ka tsy maintsy trohina amin’ny fitaovana manokana. Tsy mba afaka matory tsara àry izahay amin’ny alina. Sorena sy manirery aho indraindray. Miaraka foana izahay, nefa sarotra aminay ny mifampiresaka. Olona sariaka be izy taloha, nefa eo amin’ny masony sisa izao no ahitana izany. Mbola tia mivazivazy be foana izy, sady tena mahira-tsaina. Manina ny feony anefa aho. Mbola te hofihininy aho. Mbola tiako na dia hotazoniny fotsiny aza ny tanako.”
“Misy manontany ahy indraindray hoe ahoana no iatrehako an’izany rehetra izany. Hazavaiko aminy hoe nianarako avy tamin’ity fahoriana mafy ity, fa tena mila miantehitra amin’i Jehovah aho. Raha miantehitra amin’ny heriko fotsiny aho, dia tsy hahita afa-tsy ny olana manjo ahy ka ho kivy tanteraka. Manampy ahy ny mivavaka amin’i Jehovah, satria izy irery no tena mahatakatra izay tsapako sy izay iaretako. Tena manampy ahy koa ny ray aman-drenin’i Jason. Vonona hisolo ahy foana ry zareo isaky ny mila miala sasatra kely aho, na te handeha hitory. Ankasitrahako koa ny fanampiana sy fampaherezana avy amin’ny anadahy sy rahavavy eo anivon’ny fiangonanay. Ataoko ao an-tsaina koa fa ‘mihelina sy maivana’ ihany ny fahoriana rehetra eto amin’ity tontolo ity. (2 Korintianina 4:17) Miezaka mibanjina an’ilay tontolo vaovao ho avy aho, satria hanavao ny zava-drehetra i Jehovah ao. Sady hihomehy angamba aho no hitomany amin’izay, rehefa tsy hisy intsony izao fijaliana izao, ka ho toy ny taloha indray i Jason.”
Miezaka mandresy fahakiviana
Tsoriko fa tena kivy aho indraindray. Mba lehilahy ihany ny tena, nefa mipetra-potsiny eto ambonin’ity seza misy kodiarana ity. Nanao fivoriam-pianakaviana tany amin’ny anabaviko izahay, indray mandeha. Mbola tsy nahazo sakafo aho, ka noana. Ny olon-drehetra anefa faly nitono hena sy katsaka. Nalahelo be aho nitazana an-dry zareo nihinan-kanina sy nilalao niaraka tamin’ny zazakely. Hoy aho anakampo: “Mba tsy rariny kosa izao e! Fa nahoana aho no tsy mba afaka manao toa azy ireo?” Tsy te hanimba ny fifalian’ny fianakaviako tamin’iny takariva iny aho, ka nitalaho tamin’i Jehovah mba hanampy ahy tsy hitomany.
Notadidiko fa ho afaka ‘hamaly an’i Satana, ilay miteny ratsy azy’ i Jehovah, raha tsy mivadika aho. (Ohabolana 27:11) Nampahery ahy izany, satria hitako fa mbola misy raharaha lehibe kokoa noho ny hoe nahoana aho no tsy afaka mihinana katsaka na miara-milalao amin’ny zazakely.
Tena tsapako koa fa mora variana amin’ny olana manjo azy ny olona marary toa ahy. Hitako anefa fa manampy handresena izany ny fiezahana ho “be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.” (1 Korintianina 15:58) Tsy manam-potoana hieritreretana ny olana manjo ahy aho rehefa be atao foana eo amin’ny fanompoana. Tena mahasambatra ahy ny mifantoka amin’ny fanampiana ny olona hino an’i Jehovah.
Misy zavatra hafa koa manampy ahy handresy fahakiviana. Mieritreritra momba an’ireo olona mahatoky migadra aho. Misy amin’izy ireny atoka-monina, satria tsy nety nitsahatra nitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Ataoko toy ny hoe fonja ny efitranoko, ka toy ny hoe voafonja noho ny finoako aho. Saintsainiko avy eo ny tombony ananako raha oharina amin’ny an’ny sasany amin’ireny olona mahatoky ireny. Mbola mahazo boky sy gazety ara-baiboly aho. Mbola afaka mamonjy fivoriana kristianina aho, na mivantana izany na an-telefaonina. Mbola afaka mitory malalaka aho. Eto anilako foana koa ny vady malalako. Manjary mahita ny fitahiana be dia be azoko aho, rehefa misaintsaina toy izany.
Tena tiako ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Tsy kivy izahay, fa na mihaosa aza ny tenanay ivelany, dia azo antoka fa havaozina isan’andro kosa ny tenanay anaty.” Tena mihaosa tokoa ny tenako ivelany. Tapa-kevitra ny tsy ho kivy anefa aho. Mba hahavitana izany, dia ataoko izay hampifantohana ny mason’ny finoako amin’ny “zavatra tsy hita”, anisan’izany ny fitahiana ao amin’ny tontolo vaovao ho avy. Fantatro mantsy fa hanasitrana ahy tanteraka i Jehovah ao.—2 Korintianina 4:16, 18.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Raha te hahalala ny vokatr’io aretina io ianao, dia vakio ilay efajoro hoe “Ny Aretin’i Lou Gehrig”, eo amin’ny pejy 27.
[Efajoro/Sary, pejy 27]
Ny Aretin’i Lou Gehrig
▪ Inona no atao hoe aretin’i Lou Gehrig? Antsoina koa hoe SLA izy io, na sclérose latérale amyotrophique. Aretina mihombo haingana izy io, ary mamely an’ireo selam-pitatitra mampita ny baikon’ny atidoha any amin’ny hozatra manerana ny vatana. Ao amin’ny tsokan-damosina sy ny faritra ambany amin’ny atidoha no misy an’ireo selam-pitatitra ireo. Mahatonga azy ireo hihasimba na ho faty ny aretin’i Lou Gehrig na SLA. Mihamalemy tsikelikely àry ny olona voan’izy io. *
▪ Nahoana ny SLA no atao koa hoe aretin’i Lou Gehrig? Amerikanina mpilalao base-ball nalaza i Lou Gehrig. Nahitana an’io aretina io izy tamin’ny 1939, ka maty tamin’ny 1941 fony izy 38 taona. Antsoina hoe aretin’ny selam-pitatitra ny SLA any amin’ny tany sasany. Ilazana aretina maro hafa koa anefa izany. Misy koa miantso ny SLA hoe aretin’i Charcot, satria i Jean-Martin Charcot, manam-pahaizana frantsay momba ny rafi-pitatitra, no nahita azy io voalohany tamin’ny 1869.
▪ Inona no mahatonga ny SLA? Tsy fantatra izay tena antony. Milaza ny mpikaroka fa mety ho avy amin’ny virosy izany, na tsy fahampiana proteinina, lesoka eo amin’ny fototarazo (indrindra ho an’ilay SLA manaranaka), metaly mahafaty, poizina manimba ny rafi-pitatitra (indrindra ho an’ilay SLA fahita any Guam), na hery fanefitra sy anzima tsy miasa ara-dalàna.
▪ Ahoana no mety ho fizotrany? Mihamalemy sy mihamifintina ny hozatra manerana ny vatana, arakaraka ny ihomboan’ilay aretina. Malemy ny hozatry ny taovam-pisefoana amin’ny farany, ka tsy maintsy mampiasa fitaovana manampy amin’ny fisefoana ilay marary. Tsy misy fiantraikany eo amin’ny saina na ny toetra na ny fitadidiana anefa ny SLA, satria ny selam-pitatitra mibaiko ny hozatra ihany no voany. Tsy misy fiantraikany eo amin’ny vavahadin-tsaina koa izy io. Mbola afaka mahita, mandre, mahatsapa, ary mahare fofona sy tsiro ilay marary. Telo na dimy taona aorian’ny fisehoan’ny soritr’aretina voalohany matetika no maty ilay marary. Mety ho velona folo taona na mahery anefa ny 10 isan-jato.
▪ Inona no atao mba hitsaboana azy io? Tsy misy fanafany ny SLA hatramin’izao. Misy dokotera anefa manome fanafody hampihenana ny fanaintainana vokatry ny soritr’aretina sasany. Misy fomba hafa koa azo anampiana an’ilay marary, arakaraka ny fisehon’ilay aretina sy ny fihomboany. Azo atao, ohatra, ny manampy azy hampiasa na hikarakara vatana, na hianatra hiteny, sy ny sisa. Afaka miotra koa izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 48 Telo ny karazana SLA fahita: manaranaka (ny 5 ka hatramin’ny 10 isan-jato eo ho eo amin’ny olona voa), tsy manaranaka (io no tena fahita), ary mpitranga any Guam (be dia be ny olona voa any, sy any amin’ireo zanatany amerikanina taloha any Pasifika).
[Sary nahazoan-dalana]
Lou Gehrig: Photo by Hulton Archive/Getty Images
[Sary, pejy 25]
Nitsidika Betela tamin’ny 1985
[Sary, pejy 26, 27]
Izahay sy Amanda tamin’ny mariazinay
[Sary, pejy 28]
Ordinatera no manampy ahy hiresaka
[Sary, pejy 28, 29]
Tiako ny manao lahateny eo anivon’ny fiangonanay