Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ataoko mba Tsy Handratrako Tena Intsony?

Ahoana no Ataoko mba Tsy Handratrako Tena Intsony?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Ataoko mba Tsy Handratrako Tena Intsony?

“Mafy loatra ny adin-tsaiko ka tsy zakako. Nandratra tena àry aho. Izany sisa no azoko natao.”—Jennifer, 20 taona. *

“Ratraiko ny vatako, rehefa kivy aho. Izany ny ahy no solon’ny tomany. Afakafaka ny hakiviako avy eo.”—Jessica, 17 taona.

“Tapa-bolana izay no tsy nandratrako tena. Efa ela ihany izany amiko. Toa tsy ho afaka amin’io fanao io mihitsy aho.”—Jamie, 16 taona.

TSY mifankahalala izy telo mirahavavy ireo, nefa tena misy itovizany ny manjo azy. Samy ao anatin’ny adin-tsaina izy ireo ary mitovy ny fomba iatrehany izany. Mandratra tena izy ireo ary mahatsiaro ho maivamaivana vetivety aorian’izay. *

Mba hafahafa ity resaka fandratrana tena ity. Mahagaga anefa fa mihamaro ny tanora manao izany. Nohazavain’ny gazety iray any Kanada, fa “mampihoron-koditra ny ray aman-dreny, maha vaka ny sain’ny mpanabe [any an-tsekoly], ary manahirana ny dokotera” io fanao io. Milaza koa ilay gazety fa “io angamba no ho lasa fahazarana sarotra ialana indrindra amin’ny fahazarana rehetra itadiavan’ny mpitsabo vahaolana.” Moa ve ianao zatra mandratra tena, na mahafantatra namana na havana manao an’izany? Raha izany no izy, inona no azonao atao?

Eritrereto aloha ny antony mahatonga anao hanao izany. Tadidio fa fomba entin’ny olona miatrika adin-tsaina izy io matetika, fa tsy hoe fanalana fahasorenana fotsiny. Ny fandratrana ny vatany no entiny manamaivana ny ratram-pony sy ny adin-tsainy. Eritrereto àry hoe nahoana ianao no mandratra tena? Inona no manahirana anao ka mahatonga anao hanao izany? Misy zavatra mampiasa saina anao ve, angamba mahakasika ny fianakavianao na ny namanao?

Tsy isalasalana fa tena ilana fahatapahan-kevitra ny fandinihan-tena toy izany. Mety hisy voka-tsoa lehibe anefa. Izany matetika no dingana voalohany ialana amin’ny fandratrana tena. Tsy ampy anefa ny mahafantatra ny antony mahatonga ilay fahazarana.

Resaho izay mahazo anao

Raha lasa fahazaranao ny mandratra tena, dia tsara raha resahinao amin’ny namana iray matotra sy atokisanao ny fahorianao. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy; fa ny teny soa no mahafaly azy.” (Ohabolana 12:25) Azo inoana fa handre teny mampahery sy teny soa mahafaly ianao, raha resahinao izay mahazo anao.—Ohabolana 25:11.

Iza no tokony hiresahanao? Tsara raha olona be taona kokoa noho ianao sady hendry, matotra, ary mangoraka. Afaka manampy anao ny anti-panahy, raha Vavolombelon’i Jehovah ianao. Izy ireny dia toy ny ‘fierena amin’ny rivotra sy fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ranovelona ao amin’ny tany karankaina, ary alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.’—Isaia 32:2.

Marina aloha fa mety hampahatahotra anao ny hilaza ny tsiambaratelonao. Mety hitovy fihetseham-po amin’i Sara ianao. Hoy izy: “Sarotra tamiko tamin’ny voalohany ny nametraka fitokisana tamin’olona. Nihevitra mantsy aho fa ho rikoriko izy ireo ka hanalavitra ahy, raha vao fantany izay tena ataoko.” Notantarain’i Sara tamin’olona anefa ny nahazo azy, ka tsapany fa marina ny voalazan’ny Ohabolana 18:24 hoe: “Misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.” Hoy i Sara: “Tsy nanakiana ahy mihitsy ireo Kristianina matotra, na inona na inona noresahiko taminy momba ilay fahazarako. Nanoro hevitra nahasoa ahy kosa aza izy ireo. Nampisaintsaina ahy tamin’ny alalan’ny Soratra Masina ry zareo, ary nampahery ahy foana rehefa nahatsiaro ho kivy sy tsy nisy vidiny tanteraka aho.”

Nahoana raha resahina amin’ny olona iray fa mandratra tena ianao? Raha tsy vitanao ny miresaka mivantana an’ilay izy, dia manorata taratasy any aminy na resaho an-telefaonina. Tena mety hanatsara anao izany. Hoy i Jennifer: “Tena nanampy ahy ny nahafantatra fa misy olona tena miahy ahy sy azoko iresahana rehefa kivy tanteraka aho.” *

Zava-dehibe ny vavaka

Nahatsiaro ho tsy afa-nanoatra mihitsy ny tovovavy iray atao hoe Donna. Tetsy an-daniny, dia tsapany fa nila ny fanampian’Andriamanitra izy. Tetsy an-kilany anefa, dia nieritreritra izy fa tsy ho tia sy hanampy azy mihitsy Andriamanitra, raha mbola mandratra tena izy. Inona no nanampy an’i Donna? Nosaintsaininy ny teny ao amin’ny 1 Tantara 29:17, izay milaza fa ‘mpamantatra ny fo’ i Jehovah Andriamanitra. Hoy i Donna: “Fantatr’i Jehovah ny ao am-poko. Fantany fa tsy te handratra tena intsony aho. Nivavaka taminy aho mba hanampiany ahy, ary nahagaga ny zava-nitranga. Nanjary tapa-kevitra kokoa tsy handratra tena intsony aho, rehefa nandeha ny fotoana.”

Efa nandia fahasahiranana maro i Davida mpanao salamo, ary izao no nosoratany: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.” (Salamo 55:22) Azo antoka fa fantatr’i Jehovah ny fahoriana manjo anao. Tsy vitan’izay fa ‘mikarakara anao’ izy. (1 Petera 5:7) Raha manameloka anao ny fonao, dia tadidio fa ‘lehibe noho ny fonao Andriamanitra, sady mahalala ny zava-drehetra.’ Fantany tsara tokoa ny antony andratranao tena ary hoe nahoana no sarotra aminao ny miala amin’izany. (1 Jaona 3:19, 20) Tena ‘hanampy anao’ izy, raha mivavaka aminy ianao ary miezaka mafy handresy io fanao io.—Izaia 41:10, Kat.

Ahoana anefa raha mbola mandratra tena indray ianao atỳ aoriana? Midika ve izany fa resy tanteraka ianao? Tsy izany mihitsy! Hoy ny Ohabolana 24:16: “Potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany.” Hoy i Donna rehefa nisaintsaina io andinin-teny io: “Efa impito mahery aho no potraka, nefa tsy kivy mihitsy.” Tsapan’i Donna fa tena ilaina ny fikirizana. Ary nitovy hevitra taminy koa i Karen. Hoy izy: “Rehefa sendra mandratra tena indray aho atỳ aoriana, dia raisiko ho toy ny zavatra mandalo fotsiny ilay izy fa tsy hoe resy tanteraka akory aho. Mamerina miezaka foana aho, na impiry na impiry ilana izany.”

Mety hilaina ny manatona mpitsabo

Nanaiky i Jesosy fa ‘mila dokotera ny marary.’ (Marka 2:17) Matetika no ilaina ny manatona dokotera mahay, mba hahafantarana sao aretina no mahatonga ny olona iray ho zatra mandratra tena. Ilay dokotera ihany avy eo no manoro ny fitsaboana tokony harahina. * Nanatona dokotera i Jennifer, ankoatra ny fanampiana azony tamin’ireo anti-panahy kristianina be fitiavana. Nilaza izy hoe: “Tsy dokotera ireo anti-panahy, nefa tena nanampy ahy. Mbola te handratra tena ihany aho indraindray. Nahatohitra an’izany faniriana izany anefa aho, satria nampian’i Jehovah sy ny fiangonana, sady nampihatra ireo torohevitra nomena ahy.” *

Matokia fa afaka mahita fomba tsara kokoa hiatrehana ny adin-tsainao ianao. Mivavaha toa an’ilay mpanao salamo izay nilaza hoe: “Afikiro amin’ny teninao ny diako, ary aza avela hisy haratsiana hanjaka ato amiko.” (Salamo 119:133, Kat.) Azo antoka fa ho afa-po sy hahatsiaro ho misy vidiny ianao rehefa ho resinao io fanao io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 6 Mba hahafantarana misimisy kokoa momba ny fandratrana tena sy ny mahatonga izany, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Mandratra Tena ?”, ao amin’ny gazety Mifohaza! Janoary 2006.

^ feh. 14 Mety ho tsara indraindray ny manoratra ny fihetseham-po tsapanao. Nanana fihetseham-po lalina ireo mpanao salamo ao amin’ny Baiboly, ary nanoratra momba izany izy ireo. Anisan’izany ny nenina, fahatezerana, fahadisoam-panantenana, ary alahelo. Vakio ange, ohatra, ny santionany amin’izany ao amin’ny Salamo 6, 13, 42, 55, ary ny 69.

^ feh. 20 Mety ho aretin-tsaina no mahatonga ny olona handratra tena. Tsy manoro fomba fitsaboana anefa ny Mifohaza! Tokony ho azon’ny Kristianina antoka fa tsy mandika ny toro lalana ao amin’ny Baiboly ny fitsaboana arahiny.

^ feh. 20 Efa nisy gazety Mifohaza! niresaka ny antony mahatonga ny olona handratra tena. Jereo, ohatra, ilay lahatsoratra hoe: “Ampio Ireo Zatovo Ketraka” (8 Septambra 2001). Azonao jerena koa ireto lahatsoratra ao amin’ny Réveillez-vous! ireto: “Pour comprendre les troubles de l’humeur” (8 Janoary 2004), “D’où viennent les troubles alimentaires?” (22 Janoary 1999), na koa “Les jeunes s’interrogent... Un alcoolique à la maison — Comment supporter la situation?” (8 Aogositra 1992).

ERITRERETO IZAO:

▪ Inona no azonao atao ho solon’ny fandratrana tena, rehefa miady saina ianao?

▪ Iza no azonao amborahana ny mahazo anao, raha mandratra tena ianao?

[Efajoro/Sary, pejy 20]

AMPIO IREO MANDRATRA TENA

Inona no azonao atao raha misy fianakavianao na namanao zatra mandratra tena? Mety ho tena mila olona hamborahana ny mahazo azy izy, ka henoy tsara rehefa miresaka. Misehoa ho “tena sakaiza” izay ‘mamonjy amin’ny fahoriana.’ (Ohabolana 17:17) Marina fa mety ho taitra mafy ianao amin’ny voalohany ka hiteny azy mba hiala avy hatrany amin’io fanao io. Mety tsy hinamana aminao intsony anefa izy, raha izany no ataonao. Tsy ampy ny milaza aminy mba hiala amin’ilay fanao. Mila mahay mandinika tsara ianao mba hanampiana azy hitady vahaolana hafa fa tsy handratra tena. (Ohabolana 16:23) Mitaky fotoana izany, ka mahareta. Aoka ianao ho “mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.”—Jakoba 1:19.

Raha tanora ianao, dia aza mihevitra hoe ho vitanao irery ny hanampy an’ilay olona. Tadidio fa mety ho olana na aretina mila fitsaboana no mahatonga ilay izy. Mety hahafaty koa ny fandratrana tena, na dia tsy mieritreritra ny hamono tena aza ilay olona. Tsara àry raha ampirisihinao izy hanatona olon-dehibe matotra sy miahy azy.

[Sary, pejy 19]

Tena mahasoa ny mivavaka sy mamboraka izay mahazo anao amin’ny olona iray akaiky anao