Ahoana no Iatrehana ny Fahanterana?
Ahoana no Iatrehana ny Fahanterana?
“MAHATRATRA ny fito-polo taona no andronay, valo-polo taona no fara fahabetsahany; nefa hasasarana sy fahoriana foana ny voninahiny, fa mihelina faingana izy, dia lasa manidina izahay!” (Salamo 90:10, Fandikan-teny Katolika) Telo arivo taona lasa izay no nanoratana an’io hira kanto io. Efa hatramin’ny ela àry ny fahanterana no nampahory. Ary mbola izany foana no izy, na dia mandroso be aza ny fitsaboana. Inona avy àry ireo “fahoriana” entin’ny fahanterana, ary ahoana no iatrehan’ny zokiolona sasany azy ireny?
Antitra nefa kinga saina
Nitaraina toy izao i Charles, 79 taona: ‘Tena matahotra aho sao tsy hiasa tsara intsony ny saiko noho ny fahanterana.’ Very tadidy mantsy izy, ka manahy toy ny zokiolona maro sao tsy hiasa tsara intsony ilay zava-tsarobidy ananany, nantsoin’ny poety iray fahiny hoe “vilia volamena.” Tsy inona izany fa ny atidoha, izay mitahiry ny fahatsiarovana mamy rehetra. (Mpitoriteny 12:6) Nanontany àry i Charles hoe: “Tsy miasa tsara intsony tokoa ve ny saina rehefa mihantitra ny olona?”
Mora manadino anarana toa an’i Charles ve ianao, ka matahotra sao efa manomboka tsy miasa tsara intsony ny sainao? Aza matahotra. Mpahazo ny olon-drehetra ny fanadinoana na firy taona izy na firy taona. Fantaro koa fa na miova aza ny fomba fiasan’ny sainao, dia tsy voatery hidika izany fa tsy miasa tsara intsony izy io. * “Mbola miasa tsara foana ny sain’ny ankamaroan’ny zokiolona mandra-pahafatiny”, hoy ny Dr. Michael Levy, lehiben’ny sampam-pianarana momba ny fitondran-tena any amin’ny oniversite amerikanina iray. Marina izany, na dia ekena aza fa ny zokiolona no tena verivery tadidy.
Marina fa ny tanora mazàna no mahatadidy zavatra haingana kokoa noho ny zokiolona. Hoy anefa ny Dr. Richard Restak, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra: ‘Mitovy ihany, amin’ny ankapobeny, ny zavatra tadidin’izy
ireo, raha tsy refesina ny fotoana ahatadidiavany azy.’ Ankoatra izany, dia mbola afaka mianatra zava-baovao, mitadidy, ary manatsara ny zavatra efa hainy mihitsy aza ny zokiolona, raha salama tsara ny atidohany, ary omena fampianarana sy fiofanana mety aminy izy.Mety ho avy amin’ny aretina azo tsaboina
Ahoana anefa raha tena very tadidy be ny olona iray? Mbola tsy tokony hanatsoaka hevitra ihany izy hoe tsy miasa tsara intsony ny sainy. Maro mantsy ny aretina mety hahatonga ny zokiolona ho very tadidy na hikorontan-tsaina tampoka, ary azo tsaboina tsara izany. Matetika anefa ireny aretina ireny no adika vilana hoe “efa aretin’antitra.” Mampalahelo fa misy dokotera milaza an’izany koa. Tsy vitan’ny hoe manambany ny zokiolona izany, fa mety hisakana azy tsy hahazo ny fitsaboana ilaina. Inona no sasany amin’ireny aretina ireny?
Mety hikorontan-tsaina tampoka ny olona tsy ampy sakafo, rano, vitaminina, ra, na iôda, maratra any amin’ny lohany, iharan’ny voka-dratsin’ny fanafody nohaniny, ary voan’ny tamberin-tany. Mety hahatonga ny olona ho very tadidy ny adin-tsaina maharitra. Iaraha-mahalala koa fa lasa mikorontana ny sain’ny zokiolona, rehefa voan’aretina mafimafy izy. Mety hahatonga ny zokiolona ho very tadidy sy hikorontan-tsaina koa ny fahakiviana. Hoy àry ny Dr. Levy: “Tsy tokony hohamaivanina mihitsy ny fikorontanan-tsaina tampoka, na holazaina fotsiny hoe efa aretin’antitra tsy misy fanafany intsony.” Tsara ny manao fizaham-pahasalamana feno mba hahalalana izay tena antony mahatonga izany.
Fomba handresena ny fahakiviana
Mpahazo ny olona ny fahakiviana, na dia ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky aza. Nanoro hevitra ny Kristianina toy izao ny apostoly Paoly, efa ho roa arivo taona lasa izay: ‘Manaova teny mampahery ny kivy.’ (1 Tesalonianina 5:14) Vao mainka izany ilaina amin’izao androntsika mahakivy izao. Kivy koa ny zokiolona ankehitriny. Mampalahelo anefa fa tsy hitan’ny dokotera izany matetika, na tsy heveriny hoe efa lasa aretina.
Maro no mieritreritra fa lasa malahelohelo ny olona rehefa mihantitra. Mety hoheverin’ny zokiolona sy ny hafa ho zavatra ara-dalàna mpitranga amin’ny be taona àry ny fahakiviana. “Tsy marina anefa izany”, hoy ny boky Fitsaboana ny Zokiolona (anglisy). “Tsy zavatra ara-dalàna mpitranga amin’ny zokiolona ny fahakiviana.”
Tsy mitovy ny hoe malahelo tsindraindray sy ny hoe kivy mandritra ny fotoana ela. Aretina tena mafy io farany io, ary mety hisy vokany ratsy, ka tsy tokony hohamaivanina. Mihombo sy lasa lalina izy io rehefa tsy voatsabo, ka mamono *—Marka 2:17.
tena mihitsy ny marary sasany. Nohazavain’ny Dr. Levy toy izao ny tena maha zava-doza an’io aretina io: “Io no aretin-tsaina mora tsaboina indrindra, nefa io koa no mety hahafaty zokiolona betsaka indrindra.” Tsara àry raha manatona dokotera manam-pahaizana manokana izay olona kivy mandritra ny fotoana ela.Afaka matoky ny olona kivy fa “be fitiavana tokoa sady mamindra fo” i Jehovah. (Jakoba 5:11) “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka” izy. (Salamo 34:18) Izy no tena mahay ‘manafaka alahelo ny ory.’—2 Korintiana 7:6, Kat.
Tsy tokony hahatsapa hoe tsy ilaina intsony
Telo arivo taona lasa izay, dia nivavaka i Davida, mpanjaka nahatoky, hoe: “Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.” (Salamo 71:9) Mbola maro ny zokiolona manahy sao hariana na hafoy, na dia amin’izao taonjato faha-21 izao aza. Matahotra izy ireo sao hoheverina ho tsy ilaina intsony. Mora mihevi-tena ho tsy mahay, ohatra, ny zokiolona, rehefa tsy afaka manao zavatra firy intsony noho ny aretiny. Mety hihevi-tena ho tsy misy vidiny koa izy, rehefa tsy maintsy misotro ronono.
Hahatsiaro tena ho misy vidiny sy ilaina foana anefa isika, raha mifantoka amin’izay mbola azontsika atao, fa tsy kivy noho izay tsy vitantsika intsony. Izao no torohevitry ny ONU mifandray amin’izany: ‘Manohiza mianatra zava-baovao, na ao an-trano na any an-tsekoly. Mandraisa anjara amin’ny asa sosialy sy ara-pivavahana.’ Nisy nampihatra an’izany, ka nandray soa. Anisan’izany i Ernest, Vavolombelon’i Jehovah any Soisa. Mpanao mofo efa misotro ronono izy. Tapa-kevitra izy fa hividy ordinatera sy hianatra hampiasa izany, tamin’izy efa 70 taona mahery. Nahoana izy no nanao izany, nefa maro amin’ny olona mitovy taona aminy no tsy sahy manandrana ny teknolojia maoderina? Hoy izy: “Voalohany, tiako hiasa tsara foana ny saiko na dia efa mihantitra aza aho. Faharoa, te haharaka ny teknolojia aho, satria manampy ahy handalina ny Baiboly sy hamita ny asako eo anivon’ny fiangonana kristianina izany.”
Maro ny soa azon’ny zokiolona avy amin’ny asa tsara toy izany. Mahatsiaro tena ho ilaina izy sady afa-po. Mety hahazo vola kely mihitsy aza izy. Hitan’i Solomona Mpanjaka fa fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olona “ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona.”—Mpitoriteny 3:12, 13.
Manao izay rehetra vita
Any amin’ny tany maro, dia ny zokiolona no mampita fahalalana amin’ny taranaka mifandimby, na mampianatra azy ireo hanana toetra tsara sy ho tia an’Andriamanitra. Hoy i Davida Mpanjaka: “Mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy.”—Salamo 71:18.
Ahoana anefa raha tena faran’izay kely ny zavatra vitan’ny zokiolona, noho ny aretina na antony hafa? Izany no nitranga tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray 79 taona, atao hoe Mireille, ka nahatonga azy ho kivy. Naborany tamin’ny anti-panahy kristianina iray ny fahoriany. Jakoba 5:16) Hoy ilay anti-panahy avy eo: “Niezaka nifandray akaiky tamin’Andriamanitra ianao hatramin’izay. Afaka manararaotra izany fifandraisana izany ianao izao, ka mivavaka ho anay rehetra.” Tena nampahery an’i Mireille avy eo ny tenin’ilay anti-panahy hoe: “Mireille a! Tena ilainay ny vavaka ataonao ho anay.”
Nampahatsiahivin’ilay anti-panahy azy ilay toro lalan’ny Baiboly hoe: “Ny fitalahoan’ny olo-marina dia manan-kery lehibe.” (Hitan’i Mireille àry fa fomba tsara sy mahasoa azon’ny zokiolona anampiana ny olon-kafa ny vavaka, ary zokiolona maro no mikely aina andro aman’alina manao izany. (Kolosianina 4:12; 1 Timoty 5:5) Ambonin’izany, dia lasa mifandray kokoa amin’ilay Raintsika “Mpihaino vavaka” ny zokiolona mahatoky, rehefa mivavaka toy izany.—Salamo 65:2; Marka 11:24.
Tena sarobidy ho an’ny manodidina azy ny zokiolona mazoto mizara ny traikefa ananany sy ny fahaizany, na dia voafetra aza ny zavatra vitany. Asehony fa “satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.”—Ohabolana 16:31.
Mety hanontany anefa isika hoe: Hanao ahoana ny hoavintsika rehefa mihantitra isika? Tena afaka manantena ny hanana fiainana tsara kokoa ve isika?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Misy mpikaroka milaza fa ‘mbola miasa tsara foana ny sain’ny 90 isan-jato eo ho eo amin’ny olona 65 taona mahery.’ Raha tianao ho fantatra izay tokony hatao rehefa tsy miasa tsara intsony ny sain’ny olona iray, dia vakio ilay andian-dahatsoratra hoe “Maladie d’Alzheimer — Pour un soulagement”, ao amin’ny Réveillez-vous! 22 Septambra 1998.
^ feh. 13 Tsy manohana fitsaboana iray manokana ny Mifohaza! Tokony ho azon’ny Kristianina antoka anefa fa mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fitsaboana arahiny. Jereo ilay andian-dahatsoratra hoe “Pour comprendre les troubles de l’humeur” ao amin’ny Réveillez-vous! 8 Janoary 2004.
[Teny notsongaina, pejy 5]
Mirotoroto ny fiainana ankehitriny, ka matetika ny zokiolona no mahatsapa ho hadino
[Efajoro/Sary, pejy 7]
Ahoana no Azonao Anampiana ny Zokiolona?
▪ Hajao Foana Izy. “Aza dia kianina mafy loatra ny lehilahy zokiolona, fa iangavio toy ny ray kosa, ... [ary] ny vehivavy zokiolona toy ny reny.”—1 Timoty 5:1, 2.
▪ Henoy Tsara Izy. “Aoka [ianao] ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.”—Jakoba 1:19.
▪ Miaraha Ory Aminy. “Miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, manàna fangorahana, manetre tena, ka aza mamaly ratsy ny ratsy na manevateva rehefa misy manevateva.”—1 Petera 3:8, 9.
▪ Jereo sao Mila Ampaherezina Izy. “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.”—Ohabolana 25:11.
▪ Asao Izy Rehefa Misy Zavatra Ataonao. “Araho ny lalan’ny fitiavana mandray vahiny.”—Romanina 12:13.
▪ Ampio Izy. “Raha misy manam-pananana eto amin’ity tontolo ity, ka mahita ny fahantran’ny rahalahiny, nefa manamafy fo toy ny hoe manakatona ny varavaran’ny fangoraham-pony, ahoana moa no hitoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao aminy? Aoka isika, ry zanako malalako, tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela, fa amin’ny atao ary amin’ny fahamarinana.”—1 Jaona 3:17, 18.
▪ Aoka Ianao Hahari-po Aminy. “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.” —Kolosianina 3:12.
Mankatò ny didin’Andriamanitra isika raha mikarakara ny zokiolona. Hoy mantsy ny Teniny: “Hajao ny olona efa tratra antitra.”—Levitika 19:32, Kat.
[Sary, pejy 6]
Tsara ny manao fizaham-pahasalamana feno