Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Alhambra—Asa Tanan’ny Silamo eto Grenade

Alhambra—Asa Tanan’ny Silamo eto Grenade

Alhambra—Asa Tanan’ny Silamo eto Grenade

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

“Firifiry moa ny lovantsofina sy tantara marina sady mahavariana, ary koa ny hira sy kalokalo arabo na espaniola, momba ny fitiavana, ady, ary herim-po, mifandray amin’io trano tatsinanana io?”—WASHINGTON IRVING, MPANORATRA AMERIKANINA, TAONJATO FAHA-19.

I ALHAMBRA no tiana holazaina eo, dia ilay lapa fanta-daza sy tsy manan-tsahala mandravaka ny tanànan’i Grenade eto Espaina. I Alhambra no mampiseho an’i Arabia na Persa, atỳ Eoropa atsimo. Tsy iza no nanao an’io lapa hafakely io fa ny Maoro (Arabo sy Beribera) silamo, izay nanjaka teto Espaina nandritra ny taonjato maromaro. *

Nanorina ny fanjakana mahaleo tenan’i Grenade ilay Arabo atao hoe emir Zawí ben Zirí, tamin’ny taonjato faha-11. Naharitra 500 taona teo ho eo io fanjakana io, ary nandroso be teo amin’ny lafiny zavakanto sy kolontsaina. Rava izy io tamin’ny 1492, rehefa namarana ny fitondran’ny Silamo teto Espaina, ilay mpanjaka katolika atao hoe Ferdinand sy Isabelle vadiny.

Taorian’ny nandresen’ny miaramilan’ny Fivavahana kristianina an’i Cordoue tamin’ny 1236, no nampahatanjaka indrindra an’i Grenade. Nanjary renivohitr’i Espaina Silamo i Grenade. Ireo mpitondra nifandimby tao no nanorina an’i Alhambra, izay lapa misy trano maromaro. Mbola tsy nisy lapa toa azy io mihitsy tatỳ Eoropa. Nilaza azy io ho ny “trano kanto indrindra eto an-tany” ny mpanoratra nafana fo iray.

Mahafinaritra toa an’ireo trano koa ny toerana misy azy ireo. Mijoalajoala sy manaingo azy avy ao andamosiny ny Tendrombohitra Sierra Nevada. Mahatratra 3 400 metatra izy io, ary misy ranomandry eo an-tampony. Any amin’ny 150 metatra ambonin’ny tanàna kosa no miorina i Alhambra, dia eo an-tampon’ny havoana iray rakotra ala sady mitomandavana, antsoina hoe Sabika. Mitazana an’i Grenade toy ny ataon’ny lehilahy mandinika ny vady malalany ilay havoana, araka ny fomba fijerin’i Ibn Zamrak, poety tamin’ny taonjato faha-14.

Tanàna ao anaty tanàna

Midika hoe “mena” ny hoe Alhambra, amin’ny teny arabo. Toa manondro ny lokon’ireo biriky nampiasain’ny Maoro tamin’ny rindrina ivelany io anarana io. Misy anefa tia kokoa ny fanazavan’ny mpahay tantara arabo, izay milaza fa “hazavan’ny fanilo” no namitana ny fanorenana an’i Alhambra. Io hazavana tamin’ny alina io, hono, no nahatonga an’ireo rindrina hiloko mena, araka ny anaran’ilay trano.

Tsy lapa fotsiny i Alhambra. Azo lazaina hoe tanàna ao anatin’ny tanànan’i Grenade izy io. Voaro ao anatin’ireo mandany goavana ny zaridaina, trano heva, trano maromaro, ary i Alcazaba (na lapa). Ahitana medina (tanàna) kely mihitsy aza ao. Miavaka ny endrik’i Alhambra noho ny fomba nanorenan’ny Maoro azy sy ny zavatra fanampiny natao tatỳ aoriana. Misongadina eo amin’izy io ny asa tanan’ny arabo, izay be pitsiny sady mora simba, sy ireo asa tanana manaraka modely mafy kokoa nataon’ny Kristianina.

Ny teknika nampiasain’ny Maoro sy ny Grika fahiny no tena maha kanto an’i Alhambra. Nampifanarahin’izy ireo tsara aloha ny lokon’ireo vato sy ny habeny ary ny endriny. Noravahany ilay trano tsara tarehy avy eo. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Nihevitra foana ny Maoro fa ny fitsipika mifehy ny rafitrano dia hoe: Tsy manorina fandravahana fa mandravaka fanorenana.”

Fitsidihana an’i Alhambra

Vavahady lehibe miendrika kitron-tsoavaly no idirana mankao Alhambra. Antsoina hoe Vavahadin’ny Rariny izy io. Mampahatsiahy ny fitsarana nandritra ny fitondrana silamo io anarana io. Teo am-bavahady mantsy izy ireo no nitsara ireo raharaha maika na tsy dia lehibe. Fanao eran’i Moyen-Orient ny nitsara teo am-bavahadin’ny tanàna, ary miresaka an’izany ny Baiboly. *

Vita tamin’ny sokay ireo ravaka voakaly mampiavaka ny lapa arabo, toa an’i Alhambra. Nasian’ny mpanao asa tanana sary sokitra miendrika petakofehy teo amin’ilay sokay, ary naverimberiny ny sary iray. Toy ny dantelina niangaliana fatratra no fijery an’ireo rindrina voaravaka. Anisan’ny mampiavaka an’io lapa io koa ny zillij, izay tsy inona fa taila na karô malamalama notapatapahina hanana endrika samihafa, ary nalahatra avy eo. Eo amin’ny tapany ambany amin’ny rindrina no misy azy ireny. Mivoaka tsara ny lokony marevaka, rehefa mifampitaha amin’ny lokon’ny sokay eo ambony.

Miavaka amin’ny kianja hafa ao Alhambra, ny Kianjan’ny Liona. Io no voalaza fa “sarobidy indrindra amin’ny asa tanan’ny Arabo eto Espaina.” Hoy ny boky iray avy eto an-toerana: “Misy lafiny tena mampiavaka azy ilay asa tanana, ka sarotra alain-tahaka ... Izany no tsapanay, rehefa manatrika ny Kianjan’ny Liona ao Alhambra, ao Grenade, izahay.” Misy lala-mitafo manodidina an’io kianja io. Mitovy tsara ny elanelan’ireo andry lava matsoraka izay milanja an’ireo rindrina miendrika sila-bolana, eo amin’io lala-mitafo io. Misy dobo kely misy rano mifantsitsitra eo afovoan’ilay kianja, ary liona 12 vita amin’ny marbra no manohana azy io. Io no anisan’ny toerana be mpaka sary indrindra eto Espaina.

Zaridaina mamelombelona

Ahitana zaridaina mahafinaritra, dobo misy rano mifantsitsitra, ary farihy kely koa ao Alhambra. * Nilaza i Enrique Sordo tao amin’ilay bokiny hoe Espaina Tamin’ny Andron’ny Maoro, fa “santatry ny paradisa ny zaridaina arabo.” Misongadina ny zavatra nataon’ny Silamo, amin’izay toerana rehetra aleha ao Alhambra. Hoy i García Gómez, mpanoratra espaniola: “Lazaina amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny Kôrana ny paradisa silamo, izay zaridaina misy zavamaniry mandrobona tsara ... tondrahan’ny sakelidrano mahafinaritra.” Ampiasaina betsaka ao Alhambra ny rano, izay tsy fahitan’ny olona zatra ny toetrandro maina sy mafana any an’efitra. Tsapan’ireo namorona an’ilay zaridaina fa mampangatsiatsiaka rivotra ny rano, ary mahafinaritra ny sofina ny mandre azy miboiboika moramora. Tery sy maloka ilay toerana, nefa toa malalaka sy mazava noho ireo dobo mahitsizoro tarafin’ny lanitra mangan’i Espaina.

Tsy lavitra an’i Alhambra no misy an’i Generalife. Trano mitokana misy zaridaina naorin’ny Maoro izy io, ary eo ambonin’i Cerro del Sol, havoana mifanila amin’i Sabika no misy azy. Mampiseho tsara ny zaridaina arabo i Generalife, izay voalaza fa “anisan’ny zaridaina tsara indrindra eto an-tany.” * Nisy tetezana nampitohy azy tamin’ny lapan’i Alhambra, taloha. Tao angamba ny mpitondra tao Grenade no niala sasatra. Nisy kianja tonga hatreny amin’ny Tohatra Rano. Ho afaka hankafy hazavana sy loko ary fofona manitra maro be ny mpitsidika rehefa tonga eo.

Senton’ny Maoro

Voatery nandeha tany an-tsesitany i Boabdil (Mahometa Faha-11), mpanjaka farany tao Grenade, sy ny fianakaviany, ka namela an’ilay tanàna hotantanan’i Ferdinand mpanjaka sy Isabelle. Voalaza fa nijanona kely teo an-tampon’ny havoana iray antsoina ankehitriny hoe El Suspiro del Moro (Senton’ny Maoro) izy ireo, rehefa niala tao an-tanàna. Niherika izy ireo, mba hitazana farany an’ilay lapa mena tsara tarehy. Nilaza toy izao tamin-janany, hono, ny renin’i Boabdil: “Mitomania toy ny vehivavy raha tsy nahavita niaro toy ny lehilahy ianao!”

Mbola mankany amin’io toerana io ny sasany amin’ireo olona telo tapitrisa mitsidika an’i Alhambra, isan-taona. Afaka manao toa an’i Boabdil izy ireo eo, ka mitazana ny tanànan’i Grenade, izay miely eo am-pototry ny havoana misy ilay lapa arabo, dia ny haingon’ilay tanàna. Raha mitsidika an’i Grenade ianao indray andro any, dia ho takatrao hoe nahoana ilay mpanjaka maoro farany no nalahelo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Tonga teto Espaina ny Arabo sy ny Beribera tamin’ny 711. Lasan’ny Silamo ny faritra maro tao amin’ilay saikinosy, fito taona tatỳ aoriana. I Cordoue no tanàna lehibe indrindra ary angamba ny nandroso indrindra tatỳ Eoropa, 200 taona taorian’izay.

^ feh. 13 Nilaza tamin’ny alalan’i Zakaria mpaminany, ohatra, Andriamanitra hoe: “Mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo.”—Zakaria 8:16.

^ feh. 17 Ny Arabo no nampiely ny fomba fanaovan’i Persa sy Byzance zaridaina nanerana an’ireo faritra manamorona an’i Mediterane, anisan’izany i Espaina.

^ feh. 18 Avy amin’ilay teny arabo hoe “Jennat-al-Arif” io anarana io. Indraindray izy io adika hoe “zaridaina miavaka”, na dia “zaridainan’ny mpanao mari-trano” aza no mahadika kokoa an’ilay teny.

[Sary, pejy 15]

Alcazaba

[Sary, pejy 16]

Kianjan’ny Liona

[Sary, pejy 16, 17]

Zaridainan’i Generalife

[Sary, pejy 17]

Tohatra Rano

[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]

Sary: EclectiCollections

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Sary rehetra afa-tsy ilay eo ambony indrindra: Recinto Monumental de la Alhambra y Generalife

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Sary rehetra: Recinto Monumental de la Alhambra y Generalife

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Sary eo ambony: Recinto Monumental de la Alhambra y Generalife; sary eo ambany: J. A. Fernández/San Marcos