Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Dadabe Tamise”—Anisan’ny Lovan’i Angletera

“Dadabe Tamise”—Anisan’ny Lovan’i Angletera

“Dadabe Tamise”—Anisan’ny Lovan’i Angletera

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

Tian’ny mponina any Grande-Bretagne ny Reniranon’i Tamise, ka antsoiny hoe Dadabe Tamise. Loharano efatra no iandohan’izy io ao amin’ny faritra tsara tarehy iray atao hoe Havoanan’i Costwold, any atsimo afovoan’i Angletera. Miolikolika sy mikoriana miantsinanana izy io, ary misy renirano hafa koa mivarina ao aminy. Mahatratra 350 kilaometatra ny halavan’i Tamise, ary mivarina any amin’ny Ranomasina Avaratra izy amin’ny farany. Tokotokony ho 29 kilaometatra ny sakany eo amin’ny fihaonany amin’ny ranomasina. Azo lazaina ho fohy ihany io renirano io, nefa mahaliana ny toerana notanany teo amin’ny tantaran’i Angletera.

NANOMBOKA nanafika an’i Angletera ny Romanina notarihin’ny Filoha Jules César, tamin’ny 55 T.K. Rehefa niverina izy ny taona nanaraka dia voasakan’ny renirano iray nantsoiny hoe Tamesis na Tamise. Ny Filoha Romanina Claude no naharesy an’i Angletera, 90 taona tatỳ aoriana.

Feno honahona ny andaniny roa tamin’i Tamise tamin’izany. Nanorina tetezana hazo hiampitana azy io àry ny tafika romanina. Tany amin’ny 50 kilaometatra niala avy teo amin’ilay fihaonany amin’ny ranomasina no nisy ilay tetezana. Nasian’izy ireo seranan-tsambo koa teo akaiky teo, teo amin’ny morony avaratr’ilay renirano, ary nantsoiny hoe Londinium ilay izy. *

Nanjary nanao varotra tamin’ny firenen-kafa teto Eoropa koa ny Romanina, nandritra ny 400 taona taorian’izay. Nividy zava-tsarobidy maro avy tany amin’ny faritry ny Ranomasina Mediterane izy ireo, ary nanafatra hazo avy any Libanona mihitsy aza. Nampiasa an’i Tamise koa izy ireo mba hitaterana entana avy eto Angletera ihany nanketo Londres. Efa nisy lalambe maro nisampantsampana rahateo teto Londres, hany ka lasa foibem-barotra lehibe ilay tanàna.

Ny asan’ny Mpanjaka Guillaume I

Rava ny Fanjakana Romanina tatỳ aoriana, ary nandao an’i Grande-Bretagne ny tafik’izy ireo tamin’ny taona 410. Tsy voakarakara intsony i Londres, ary mazava ho azy fa nihena ny varotra teny amoron’i Tamise. Ny Anglisy indray no nitondra an’i Grande-Bretagne, ary tany amin’ny toerana mora niampitana an’i Tamise no nanosorana ny mpanjaka, izany hoe tany Kingston, 19 kilaometatra avy eto Londres. Tonga nanafika an’i Grande-Bretagne anefa i Guillaume, manamboninahitra iray avy any Normandie (Frantsa). Nohosorana ho mpanjaka izy tamin’ny 1066, tao Westminster. Nanorina ny Tilikambon’i Londres tao anatin’ny manda naorin’ny Romanina izy taorian’izay, mba hahafahany hifehy sy hampiroborobo ny varotra, ary mba hanaraha-maso ny fidirana tao an-tseranana. Nandeha be indray àry ny varotra, ary tafakatra ho 30 000 ny isan’ny mponin’i Londres.

Nanorina lapa teo an-tampon-kavoana koa ny Mpanjaka Guillaume I, tany amin’ny 35 kilaometatra niankandrefana avy eto Londres. Windsor no anaran’io toerana io ankehitriny, ary fonenan’ny mpanjaka anglisy izy io taloha. Nitarina sy novana imbetsaka ilay lapa ary Lapan’i Windsor no ahafantarana azy izao. Mbola maro ny mpizaha tany voasarik’izy io, ary mahafinaritra erỳ ny mitazana an’i Tamise avy eny ambony eny.

Vita tamin’ny 1209 ny tetezana vato iray miampita an’i Tamise, eto Londres. Izay vao nisy toa an’io teto Eoropa, ary 30 taona no nanorenana azy. Nahitana fivarotana sy trano ary fiangonana kely teny an-tsisiny. Tena mahavariana ilay tetezana satria afaka misokatra, sady nisy tilikambo iray natao hiarovana azy tao Southwark, tany amin’ny ilany atsimo.

Tamin’ny 1215, dia noterena hanao sonia ny Magna Carta na Dina Lehibe i Jean mpanjakan’i Angletera (1167-1216). Tao amin’ny tanàna iray atao hoe Runnymede, manamorona an’i Tamise, tsy lavitra an’i Windsor, no nanaovana izany. Io dina io dia natao hiarovana ny fahafahan’ny olom-pirenena anglisy rehetra, indrindra fa ny mponin’i Londres. Miaro ny zon’ny mpivarotra sy ny fahalalahana hivarotra tao an-tseranana koa izy io.

Mampiroborobo ny toe-karena i Tamise

Nandeha be ny varotra teny amin’i Tamise, nandritra ny taonjato maro tatỳ aoriana, ka tsy omby intsony ilay seranana. Tsy nisy toerana afa-tsy ho an’ny sambo 600 teny, 200 taona lasa izay. Indraindray anefa dia nahatratra 1 775 ny sambo niandry tao an-tseranana mba hampidina entana. Nihabetsaka ny mpangalatra noho izany fitohanan’ny fifamoivoizan’ny sambo izany. Notapahin’izy ireny ny tady nihazona ny sambo teo an-tseranana rehefa alina, ary norobainy ny tao anatiny. Nitatitra an’ireny entana nangalarina ireny tamin’ny sambo kely, no nataon’ny sasany asa fivelomana. Namorona ny atao hoe polisin-tseranana àry ny manam-pahefana teto Londres mba hiatrehana io olana io, ary mbola miasa foana izy ireo hatramin’izao.

Mbola tsy ampy ihany anefa ny toerana teny an-tseranana, ka neken’ny Parlemanta Anglisy ny hanorenana ny seranana mifefy lehibe indrindra eran-tany. Mizara ho seranana maromaro izy io, ary eo amin’ny andaniny roa amin’i Tamise no misy azy. Ny Surrey Commercial Docks sy ny London Dock ary ny West and East India Docks no vita voalohany tany am-piandohan’ireo taona 1800. Nanaraka izany ny Royal Victoria Dock tamin’ny 1855, ary ny Royal Albert Dock tamin’ny 1880.

Nisy injeniera mpianaka, Marc sy Kingdom Brunel, nanorina ny tionelina ambany rano voalohany, tamin’ny 1840. Nampifandray ny andaniny roa amin’i Tamise izy io, ary 459 metatra ny halavany. Mbola ampiasaina izy io ankehitriny, satria mandalo ao aminy ireo lalamby ambanin’ny tany manketo Londres sy ny manodidina. Vita tamin’ny 1894 kosa ny tetezana Tower Bridge, izay falehan’ny mpizaha tany. Misy tilikambo roa eo ampovoany, ary eo anelanelan’ireo dia afaka miainga ny andaniny roa amin’ilay tetezana, ka misy 76 metatra andalovan’ny sambo lehibe. Ary raha mazoto hiakatra zanatohatra 300 ianao, dia ho tonga eny amin’ny karazana lavarangana iray ahafahanao mitazana ny hakanton’ny manodidina an’i Tamise.

Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo sambo lehibe mpitatitra ny entana ilain’ireo fivarotana eto an-tanàna. Efa ampy fitaovana tsara handraisana azy ireo anefa ny seranan’i Londres nanomboka tamin’ireo taona 1900. Lasa “ny seranana lehibe indrindra sy manankarena indrindra eran-tany” mihitsy aza i Londres tamin’ny 1921, fotoana nahavitana ny seranana farany nampitondraina ny anaran’ny Mpanjaka George Faha-5.

Misy lapa sy toerana fanaovana lanonana sy fihaonan’ny andriana

Raha mbola teo an-dalam-pivoarana i Londres, dia ratsy foana ny lalana sady tsy nisy rarivato, ary tsy azo naleha mihitsy aza matetika rehefa ririnina. I Tamise no lalana haingana sy tsara indrindra, ary lasa betsaka ny mpivezivezy teny nandritra ny taona maro. Nirohotra nankeo amin’ny tohotra teo an-tsisin’i Tamise ny mpitondra lakana, sady nikiakiaka hoe: “Lakana e!” Toy izany no niantsoany izay olona te hiampita an’i Tamise, na hiakatra na hidina azy io, na handeha amin’ny renirano hafa toy ny Fleet sy Walbrook. Efa tototry ny tany izao ireo renirano roa ireo, fa arabe mitondra ny anarany sisa no eo.

Maro ny lapa lehibe nisy lavarangana teny amoron’i Tamise, ka lasa nitovy tamin’ny tanàn’i Venise, any Italia, i Londres. Nanjary lamaodin’ny mpanjaka sy ny fianakaviany mihitsy ny hoe monina eny amoron’i Tamise. Porofon’izany ireo lapa ao Greenwich, Whitehall ary Westminster. Toy izany koa ny lapa Hampton Court, izay nipetrahan’ireo mpanjaka sy mpanjakavavy anglisy nifandimby. Ary mbola fonenan’ny mpanjaka hatramin’izao ny Lapan’i Windsor, any an-dohan’ilay renirano.

Namorona ilay feon-kira hoe “Water Music” (Mozikan-drano) ilay mpanakanto malaza atao hoe Georg Haendel, tamin’ny 1717. Nataony hampifalifaliana ny Mpanjaka George I izy io, nandritra ny fitsangatsanganan’ny fianakavian’ny mpanjaka teny amin’i Tamise. Voalaza tao amin’ny gazety iray fa “nisy sambo maro nanaraka ilay sambon’ny mpanjaka, hany ka toy ny rakotra tanteraka ilay Renirano.” Nisy mpitendry zavamaneno 50 tao amin’ilay sambo teo akaikin’ny an’ny mpanjaka. Notendren’izy ireo intelo ilay feon-kira noforonin’i Haendel, nanomboka teo Westminster ka hatrany Chelsea, izany hoe lalana valo kilaometatra.

Anaovana fialam-boly sy ialana sasatra

Vita tany amin’ireo taona 1740 ny Tetezan’i Westminster. Ny Tetezan’i Londres ihany no nahafahana nita an’i Tamise an-tongotra talohan’izay. Namboarina izy io tatỳ aoriana, ary nosoloana tanteraka tany amin’ireo taona 1820. Nisy andohalambo 19 tamin’io tetezana io, ary nanakantsakana ny fikorianan’ny rano ny andry nanohana an’ireo. Noho izany, dia nivaingana imbalo ny Reniranon’i Tamise, tao anatin’ireo 600 taona teo ho eo nisian’ny Tetezan’i Londres. Nisy foara lehibe natao teo amin’ilay ranomandry nandritra ireny fotoana ireny, ary maro ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena natao tamin’izany. Teo koa ny omby natsatsika, ary nankafy izany ny mpanjaka sy ny fianakaviany. Nifandrombahana ny boky sy kilalao nisy soratra hoe “novidina teny amin’i Tamise.” Natao pirinty teny ambony ranomandry teny mihitsy aza ny gazety sasany, sy ny taratasy kely nirakitra ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo!

Lasa fanao isaky ny lohataona tatỳ aoriana, ny Fifaninanana Mivoy Lakana, iadian’ny oniversiten’i Oxford sy Cambridge. Manana mpivoy valo ny ekipa tsirairay, ary lalana fito kilaometatra latsaka kely no ataony ao anatin’ny 20 minitra eo ho eo. Feno olona mampirisika ny mpifaninana eny amoron’i Tamise amin’io fotoana io, manomboka eo Putney ka hatrany Mortlake. Teny akaikin’ny tanànan’i Henley no natao ny fifaninanana voalohany tamin’ny 1829. Natao tetỳ amin’ny faritra ambanimbany kokoa ilay izy tatỳ aoriana, nefa nitohy ihany ilay fifaninanana tao Henley. Royal regatta no iantsoana azy, ary io no tranainy sy malaza indrindra amin’ny fifaninanana mivoy lakana atỳ Eoropa. Tonga any ny lehilahy sy vehivavy mahay mivoy lakana indrindra eran-tany, ary lalana iray kilaometatra sy sasany eo ho eo no ifaninanana. Isaky ny vanim-potoana mafana no anaovana izany, ary efa lasa be mpitia mihitsy ilay izy.

Milaza ny boky iray momba an’i Grande-Bretagne, fa “ahitana zavatra mahafinaritra isan-karazany [eny amoron’i Tamise]. Anisan’izany ny havoana, ala, lemaka feno ahitra, trano ambanivohitra, tanàna tsara tarehy sy vohitra kely. ... Tsy misy arabe fa mazàna lalan-tany no manamorona ny ampahany lehibe amin’ilay renirano. Koa na dia azo tazanina avy ao anaty fiara aza i Tamise rehefa ao an-tanàna, dia tsy ho hita tsara ny hakantony raha tsy avy eny ambony sambo na rehefa mandeha an-tongotra.”

Mety hitsidika an’i Angletera ve ianao indray andro any? Makà fotoana àry hijerena an’i Tamise sy hankafizana ny lafiny sasany amin’ny tantarany. Maro be mantsy ny zavatra azo jerena sy atao ary ianarana eny amin’izy io, manomboka any amin’ilay ambanivohitra tsara tarehy iaingany, ka hatramin’ilay fihaonany amin’ny ranomasina, izay feno fifamoivoizana sy olona misomebiseby! Tsy handiso fanantenana anao mihitsy i “Dadabe Tamise.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Avy amin’ny teny latinina hoe Londinium ny anaran’ilay tanàna hoe Londres. Mety ho samy avy amin’ny teny selta hoe llyn sy din anefa ny hoe Londinium sy Londres. Midika hoe “tanàna [na tanàna mimanda] ambony farihy” izany, rehefa atambatra.

[Efajoro, pejy 27]

I TAMISE AO AMIN’NY HAISORATRA

Misongadina tsara ao amin’ilay boky hoe Three Men in a Boat (Telo Lahy ao Anaty Sambo), fa mampitony ny fandehanana eny ambonin’i Tamise. Ilay Anglisy Jerome K. Jerome no nanoratra azy io tamin’ny 1889, ary tantarainy ao ny dian’ny mpinamana telo lahy niaraka tamin’ny alika iray. Vakansy izy ireo ary nandeha lakana teny amin’i Tamise, niainga tao Hampton Court nankany Oxford. Nadika tamin’ny fiteny maro io boky io, ary mbola be mpitia ny “vazivazy hafakely” ao anatiny.

Malaza koa ilay boky hoe The Wind in the Willows (Ny Rivotra Mitsoka Amin’ny Hazomalahelo), ary mankafy azy io na ny lehibe na ny ankizy. Nanoratra azy io tamin’ny 1908 i Kenneth Grahame, izay nipetraka tany Pangbourne, tanàna eny amoron’i Tamise. Tantara noforonina momba ny biby nipetraka tao anatin’i Tamise sy teny amorony izy io.

[Efajoro/Sary, pejy 27]

TSY HAHAFINDRA AN’I TAMISE NY MPANJAKA

Indray mandeha dia nangataka vola 20 000 livres (75 318 200 Ariary) tamin’ny Ben’ny Tanànan’i Londres i Jacques I, mpanjaka teto Angletera tany am-piandohan’ireo taona 1600. Tsy nanaiky anefa ilay Ben’ny Tanàna, ka nandrahona azy ny mpanjaka hoe: “Ho vita hatreo ny aminao sy ny tanànanao! Hafindrako any Winchester na any Oxford ny fitsarana sy ny Lapako ary ny Parlemanta. Hataoko toy ny tany efitra i Westminster. Ho hitanao eo ny hanjo anao!” Namaly azy ilay Ben’ny Tanàna hoe: “Tsy maintsy hisy zavatra iray hampionona ny mpivarotra eto Londres foana, tompoko, dia i Tamise, satria tsy hahafindra azy io ianao.”

[Sary nahazoan-dalana]

From the book Ridpath’s History of the World (Vol. VI)

[Sarintany, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

ANGLETERA

Londres

Reniranon’i Tamise

[Sary nahazoan-dalana]

Sarintany: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 24, 25]

Big Ben sy ny Lapan’i Westminster misy ny Parlemanta, Londres

[Sary, pejy 25]

Tetezan’i Londres, vita amin’ny vato, 1756

[Sary nahazoan-dalana]

From the book Old and New London: A Narrative of Its History, Its People, and Its Places (Vol. II)

[Sary, pejy 26]

Sary sokitra natao tamin’ny 1803, mampiseho ny Reniranon’i Tamise sy sambo an-jatony miantsona eo an-tseranana

[Sary nahazoan-dalana]

Corporation of London, London Metropolitan Archive

[Sary, pejy 26, 27]

Sary sokitra natao tamin’ny 1683, mampiseho ny foaran’ny ririnina

[Sary nahazoan-dalana]

From the book Old and New London: A Narrative of Its History, Its People, and Its Places (Vol. III)