Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitsidihana Toerana Fanamboarana Rantsambatana

Fitsidihana Toerana Fanamboarana Rantsambatana

Fitsidihana Toerana Fanamboarana Rantsambatana

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY NOUVELLE-ZÉLANDE

ROA ny anton-diako tany amin’ny Toerana Fanamboarana Solon-drantsambatana, any Wellington, Nouvelle-Zélande. Voalohany, nila namboarina kely ny solon-tongotro. Faharoa, te hitsidika an’ilay toerana aho, mba hahalalako bebe kokoa ny fomba fanamboarana solon-drantsambatana.

Nanaiky hitondra ahy hitsidika an’io toerana io ilay dokotera manamboatra ny solon-tongotro. Nahafinaritra ahy ilay fitsidihana, satria nahatonga ahy hahita kokoa ny fahaizan’ny mpanamboatra solon-drantsambatana, ka hankasitraka ny asa mafy ataon’izy ireo.

Ilana fahaizana manokana tokoa io asa io, ary efa misy dokotera manam-pahaizana amin’izany.

Ahoana no fanamboarana solon-tongotra?

Ny olona mampanao solon-tongotra no tena betsaka tonga ao amin’ilay toerana. Fonosina aloha ilay tongotra bory, ary asiana platra mba hahazoana lasitra hanamboarana modely mitovy tanteraka aminy. Io modely io avy eo no ampiasaina hanamboarana fitaovana plastika anatsofohana an’ilay solon-tongotra, ka ampitohizana azy amin’ilay tongotra bory. Ireo no dingana voalohany arahina mba hahazoana tongotra mahasolo tsara an’ilay tsy eo intsony. Misy teknika tsara kokoa hita vao haingana. Ordinatera no ampiasaina rehefa handrefy an’ilay tongotra bory, ary milina no manamboatra modely mitovy tanteraka aminy.

Nisy solon-tongotra vitsivitsy avy any an-tany hafa naseho ahy, rehefa avy nijery ny fahaizana manokana ananan’ireo miasa ao amin’ilay toerana aho. Anisan’ny nahavariana ahy ny solon-dohalika iray, izay misy ranon-javatra mampihetsika azy. Hafanaina fotsiny ilay fitaovana plastika anatsofohana azy, dia efa azo amboarina indray mba hety tsara amin’ilay olona. Maro ny orinasa manamboatra solon-tongotra eran-tany, ary mamoaka boky ahitana ny sarin’izy ireny amin’ny antsipiriany.

Mbola misy fanitsiana madinidinika atao rehefa akaiky ho vita ilay solon-tongotra. Atao izay hampahitsy tsara an’ilay fitaovana plastika, sy ny lohalika, hoditra, ary felan-tongotra, mba hahaizan’ilay olona mamindra tsara araka izay azo atao. Farany, dia fonosina sponjy mafy ilay solon-tongotra, mba hanafenana ireo vy sy plastika eo aminy. Atao izay hampitovy azy io araka izay azo atao amin’ilay tongotra ilany.

Rehefa tsy matahotra firy intsony ilay olona, dia misy mpandidy manitsy taolana tonga ao amin’ilay toerana, mba hijery farany raha mety tsara amin’ilay olona ilay solon-tongotra na tsia.

Ankizy sy atleta

Nahatsikaritra ankizivavy kely iray aho nandritra ilay fitsidihana. Tsy menatra mihitsy izy nampiseho taminay ilay tongony bory sy ny solon-tongony. Variana aho avy eo nijery azy. Nitsambikimbikina izy, nefa toa tsy natahotra mihitsy.

Tena nahaliana ahy koa ny zavatra nolazain’ilay dokotera momba ny ankizy namoy rantsambatana. Nampisehoany solon-tanana kely aho, ary nilazany fa manao azy ireny hatramin’ny zazakely mbola enim-bolana. Nahoana? Mba hanazarana azy hahay hampiasa solon-tsandry na solon-tanana any aoriana. Raha tsy zarina toy izany mantsy izy, araka ny filazan’ilay dokotera, dia lasa zatra mampiasa tanana iray monja, ka mety ho sarotra aminy ny hampiasa tanan-droa rehefa lehibe.

Reko fa nisy orinasa eoropeanina nandefa solon-drantsambatana maimaim-poana ho an’ny atleta sembana tany Sydney, Aostralia, vao tsy ela izay. Natao hampiasaina tamin’ny fifaninanana nataon’izy ireo izany. Nisy dokotera koa tonga tao amin’ilay fifaninanana mba hanampy an’ireo mpifaninana mandritra ilay lalao. Avy eto Nouvelle-Zélande ny dokotera sasany.

Namboarina manokana mihitsy ny faritra sasany amin’ireo solon-drantsambatana ireo mba hety amin’ny atleta. Nisy solon-tongotra hatreo amin’ny kitrokely no ho midina, ohatra, naseho ahy. Namboarina tamin-javatra afaka mihetsiketsika izy io. Toy ny tena tongotra mihitsy ilay izy.

Fandrosoana vao haingana

Hanao ahoana ny fanamboarana solon-drantsambatana atsy ho atsy? Nilaza tamiko ilay dokotera fa efa misy izao ny solon-tongotra baikoin’ny ordinatera. Olona iray, fara fahakeliny, no manana azy io eto Nouvelle-Zélande. Misy fitaovana manokana ao amin’ilay ordinatera mahatsapa ny fihetsika tian’ilay olona hatao, ary mibaiko an’ilay solon-tongotra, ka lasa mahay mamindra toy ny tena tongotra ilay izy.

Misy teknika vaovao andraman’ny mpandidy manitsy taolana koa izao, any amin’ny tany sasany. Anatsofohana vy kely amin’ilay tongotra bory, ka iny no mitazona ilay solon-tongotra. Tsy ilaina intsony amin’izay ilay lasitra sy ilay fitaovana plastika.

Miezaka koa izao ny mpikaroka mitady fomba anatsofohana fitaovana elektrika ao amin’ny selam-pitatitr’ilay olona, mba handray ny baiko avy any amin’ny atidoha, ary hampita izany any amin’ilay solon-tongotra. Ny sain’ilay olona ihany amin’izay no hibaiko an’ilay solon-tongotra. Nisy olona vitsivitsy koa tany Etazonia sy tany an-tany hafa nanome ny tanany ho an’ny bory tanana. Somary miteraka adihevitra anefa izy io. Tsy maintsy mihinam-panafody mandra-pahafatiny koa ilay bory tanana, mba haneken’ny vatany an’ilay tanana vaovao.

Teknika hafa kosa izao no ampiasaina amin’ny fanamboarana solon-tanana. Mbola miasa mazàna ny selam-pitatitra ao amin’ilay tanana bory. Maharay baiko avy any amin’ny atidoha ihany àry izy ireo, ary toy ny elektrisite izany baiko izany. Raisina amin’ny fitaovana manokana io elektrisite io, ary ampitomboina, mba ho afaka hibaiko an’ireo fitaovana elektronika ao amin’ilay solon-tanana. Efa misy koa izao ny ordinatera manitsy ny solon-tanana, mba hety tsara amin’ilay olona. Io no teknolojia nivoaka farany indrindra.

Nahavariana ahy ireo fandrosoana eo amin’ny fanamboarana solon-drantsambatana ireo. Nanontany an’ilay dokotera àry aho hoe ahoana no fahitany ny rantsambatana namboarin’olombelona raha oharina amin’ny tena rantsambatana. Niaiky avy hatrany izy fa mbola hafa ihany ilay tena izy. Tonga tao an-tsaiko ilay vavaky ny mpanao salamo tamin’ny Mpamorona hoe: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy.”Salamo 139:14.

[Kisary/Sary, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

[Sary]

Misy fitaovana elektrika mifandray amin’ny atidoha ato amin’ity solon-tanana ity, mba hahafahany hihetsika sy hihazona zavatra

[Sary nahazoan-dalana]

Tanana: © Otto Bock HealthCare

[Sary]

Afaka mifanaraka amin’ny famindra nahazatra an’ilay olona ity solon-dohalika ary fomba ity noho ny fitaovana elektronika kely ao anatiny

[Sary nahazoan-dalana]

Lohalika: Photos courtesy of Ossur

[Sary]

Toy izao ny ao anatin’ilay solon-tongotra. Io koa ilay sponjy mafy fonony

[Sary nahazoan-dalana]

© Otto Bock HealthCare

[Sary nahazoan-dalana]

© 1997 Visual Language

[Sary, pejy 21]

Manitsy solon-tongotra

[Sary, pejy 22]

Mametaka solon-tongotra

[Sary, pejy 23]

Solon-tanana kely natao hanazarana ny ankizy bory tanana

[Sary, pejy 23]

Nanao solon-tongotra ny tompon-daka tamin’ny hazakazaka 100 metatra ho an’ny sembana, tamin’ny 2004. Vitany tao anatin’ny 10,97 segondra ilay hazakazaka

[Sary nahazoan-dalana]

Photo courtesy of Ossur/Photographer: David Biene

[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]

© Otto Bock HealthCare