Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Tanora Mavitrika Mandrakizay!

Ho Tanora Mavitrika Mandrakizay!

Ho Tanora Mavitrika Mandrakizay!

KELY sisa dia ho faty ilay lehilahy teo akaikin’i Jesosy. Nitalaho tamin’i Jesosy izy hoe: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” Hoy i Jesosy taminy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:42, 43) Marina fa tsy aretina mpitranga amin’ny zokiolona no nahafaty an’io lehilahy tsy fantatra anarana io. Novonoina ho faty kosa izy satria nanao heloka bevava. Mahakivy ny toe-javatra nisy azy, nefa azon’ny zokiolona andraisana fampaherezana lehibe.

Natoky an’i Jesosy tokoa ilay lehilahy! Natoky tanteraka izy fa ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, na dia niala aina teo amin’ny hazo fijaliana teo akaikiny aza. Nino koa izy fa mety hahatsiaro azy i Jesosy indray andro any. Eritrereto ange e! Hitsangana amin’ny maty ao amin’ny paradisa kanto iray io lehilahy voaheloka io, ary i Jesosy no ho Mpanjakany!

Mitovy amin’io mpanao ratsy niala aina io isika olombelona. Nahoana? Mibaby ny vokatry ny ota daholo isika rehetra, na firy taona na firy taona, ka mila famonjena. (Romanina 5:12) Afaka manantena toa an’ilay mpanao heloka bevava isika, fa hamonjy antsika i Kristy Jesosy. Afaka manantena mihitsy aza isika fa hofoanany ny fahoriana rehetra mpahazo ny zokiolona! Nataon’i Jesosy mantsy izay hahatonga ny olona ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany lasa paradisa, ka hanana vatana sy saina lavorary.—Jaona 3:16, 36.

Havaozina ny fiainan’ny antitra sy ny tanora

“Hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana” ny olona eto an-tany, ao amin’ny Fanjakan’i Kristy. (Salamo 37:11) Tsy hisy hiteny hoe: “Marary aho.” (Isaia 33:24) Ho foana daholo izay kilema mety ho tsy maintsy nozakaintsika, satria “hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” (Isaia 35:6) Ho lasa tanora mavitrika indray ny zokiolona. “Ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony.”—Joba 33:25.

Tena azo antoka ve anefa izany fampanantenana izany? Eritrereto fotsiny izay nataon’i Jesosy, ilay nampanantena Paradisa an’ilay lehilahy niala aina. Imbetsaka ny vahoaka no nitondra olona nalemy tongotra, kilemaina, jamba, ary marenina, teo aminy. Tsy nisalasala izy nanasitrana ny “karazan’aretina rehetra sy ny karazana kilema rehetra.” (Matio 9:35, 36; 15:30, 31; Marka 1:40-42) Nasehony tsara izay hataon’ny Fanjakany. Nanangana olona maromaro tamin’ny maty mihitsy aza izy. (Lioka 7:11-17; Jaona 11:38-44) Noporofoiny bebe kokoa tamin’izany fa ho tanteraka ilay fampanantenany hoe ‘handre ny feony izay rehetra any am-pasana, dia hivoaka.’—Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.

Eritrereto hoe hitsangana amin’ny maty ianao ao amin’ny Paradisa, ary ho vaovao ny vatanao, hahita tsara ny masonao, handre siokam-borona sy feo falifaly ny sofinao, tsy hanaintaina intsony na ny tongotrao na ny tananao, ary ho tena salama ny sainao. Ho foana mandrakizay ny “andro mahory” vokatry ny fahanterana. (Mpitoriteny 12:1-7; Isaia 35:5, 6) “Hofoanana” mandrakizay hatramin’ny fahafatesana.—1 Korintianina 15:26, 54.

Rehefa ampitahaina amin’ny faminanian’ny Baiboly ny zava-mitranga eran-tany ankehitriny, dia hita fa efa tena kely sisa dia tsy hisy intsony ny fahanterana. (Matio 24:7, 12, 14; Lioka 21:11; 2 Timoty 3:1-5) Kely sisa dia hiverina ho tanora mavitrika mandrakizay ny zokiolona mino an’Andriamanitra sy manompo azy!

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Ampiasao ny Atidohanao!

Mihamatanjaka ny hozatra rehefa ampiasaina foana. Miasa tsara koa ny atidoha rehefa ampiasaina foana. Mila manao zava-baovao isika, mba hahatonga ny atidoha hiasa tsara. Ireto misy zavatra sasany azo atao, mba hampitombo ny isan’ny fitohizan-tselam-pitatitra ao amin’ny atidoha, sy hahatonga azy ireo hiasa tsara kokoa:

▪ Mianara zava-baovao toy ny kilalaon-tsaina, zavakanto, taozavatra, teny vahiny.

▪ Miezaha mifanerasera amin’ny olona isan-karazany, mba hampahiratra ny sainao sy tsy hahatonga ny fiainanao ho dridralava.

▪ Miezaha mifandray amin’Andriamanitra. “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”—Filipianina 4:6, 7.

▪ Mamakia lahatsoratra mahasoa, ary tantarao amin’olona avy eo.

▪ Tadidio ary tantarao izay vaovao renao tao amin’ny radio na tele, mba hahatonga ny fitadidianao hiasa tsara.

▪ Raha tsy kavia ianao, dia ampiasao ny tananao havia rehefa mandefa tele, na mandray telefaonina, na miborosy nify. Raha kavia kosa ianao, dia ny tananao havanana anaovana izany.

▪ Ampiasao imbetsaka araka izay azo atao isan’andro ny vavahadin-tsainao rehetra.

▪ Miezaha mamantatra toerana mahafinaritra, na akaiky na lavitra, ary tsidiho ilay izy.

[Sary, pejy 8, 9]

Mampanantena i Jesosy fa ho foana tsy ho ela ny fanaintainana vokatry ny fahanterana, ka ho lasa tanora mavitrika mandrakizay ny zokiolona