Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iray Ihany ve ny Andriamanitra Marina?

Iray Ihany ve ny Andriamanitra Marina?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Iray Ihany ve ny Andriamanitra Marina?

MANONONA anaran’andriamanitra sy andriamanibavy vitsivitsy ny Baiboly, toy ny hoe Moloka, Astarta, Bala, Dagona, Merodaka, Zeosy, Hermesy, ary Artemisy. (Levitikosy 18:21; Mpitsara 2:13; 16:23; Jeremia 50:2; Asan’ny Apostoly 14:12; 19:24) I Jehovah irery ihany anefa no lazain’ny Soratra Masina fa Andriamanitra Mahery Indrindra. Nitarika ny vahoaka hihira toy izao i Mosesy, tamin’ny hiram-pandresena iray: “Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’izay andriamanitra?”—Eksodosy 15:11.

Asehon’ny Baiboly mazava tsara, araka izany, fa ambony noho ny andriamanitra hafa rehetra i Jehovah. Ahoana anefa ny amin’ireny andriamanitra ambany kokoa ireny, sy ireo andriamanitra tsy tambo isaina nivavahan’ny olona hatramin’izay? Moa ve tena andriamanitra izy ireny, saingy eo ambany fifehezan’i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra fotsiny?

Noforomporonin’ny saina

Milaza ny Baiboly fa i Jehovah no hany Andriamanitra marina. (Salamo 83:18; Jaona 17:3) Nasainy nanoratra i Isaia mpaminany hoe: “Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. Izaho dia Izaho ihany no Jehovah, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.”—Isaia 43:10, 11.

Tsy hoe ambany kokoa noho i Jehovah fotsiny ny andriamani-kafa rehetra. Tsy misy akory izy ireny, raha ny marina, fa noforomporonin’ny saina fotsiny. Lazain’ny Baiboly fa “asan’ny tànan’olona” izy ireny, ary “tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.” (Deoteronomia 4:28) Milaza mazava tsara ny Baiboly fa i Jehovah irery ihany no Andriamanitra marina.

Tsy mahagaga raha mandrara mafy antsika tsy hivavaka amin’ny andriamani-kafa ankoatra an’i Jehovah ny Soratra Masina. Nilaza, ohatra, ny voalohany amin’ny Didy Folo nomena an’i Mosesy, fa tsy mahazo mivavaka amin’ny andriamani-kafa ny firenen’Israely. (Eksodosy 20:3) Nahoana?

Voalohany, satria fanazimbazimbana tanteraka ny Mpamorona ny fanompoana andriamanitra tsy misy akory. Lazain’ny Baiboly fa “nanakalo ny fahamarinan’Andriamanitra tamin’ny lainga” ireny mpivavaka tamin’ny andriamanitra sandoka ireny, “ka nanompo sy nivavaka tamin-javatra noforonina, fa tsy tamin’ny Mpamorona.” (Romanina 1:25) Matetika ireny andriamanitra noforonin’ny saina ireny no atao sarivongana amin’ny metaly na hazo, na akora hafa. Misy koa ny andriamanitry ny varatra, ranomasina, rivotra, na andriamanitra hafa mitovitovy amin’izany. Tena tsy fanajana an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra mihitsy ny fanompoana andriamanitra sandoka toy ireny.

Maharikoriko eo imason’ny Mpamorona ny andriamanitra sandoka sy ny sarin’izy ireny. Ny olona namorona azy ireny anefa no tena lazainy fa mahatezitra azy. Misongadina tsara amin’ireto teny manaraka ireto ny heviny: “Ny sampin’ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, asan’ny tànan’olona; manam-bava izy, fa tsy miteny; mana-maso izy, fa tsy mahita; manan-tsofina izy, fa tsy mandre; ary tsy misy fofonaina ao am-bavany. Ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy.”—Salamo 135:15-18.

Misy antony hafa koa mahatonga ny Baiboly handrara mafy ny fivavahana amin’ny olona na zavatra hafa ankoatra an’i Jehovah Andriamanitra. Very maina tanteraka ny fotoana sy ezaka atokana amin’izany. Tsy diso i Isaia mpaminany raha nilaza fa “tsy mahasoa akory” ireny andriamanitra sy sarivongana ireny. (Isaia 44:10) Milaza koa ny Baiboly fa “ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona.” (Salamo 96:5) Zava-poana ireo andriamanitra sandoka, ary zava-poana ny fanompoana azy.

Jesosy, ireo anjely, ary ny Devoly

Marina fa misy zavaboary antsoina hoe andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Raha mandinika tsara an’ireny andinin-teny ireny anefa isika, dia ho hitantsika fa ilay teny hoe “andriamanitra” dia tsy midika hoe tokony hivavahana ireo zavaboary ireo. Milaza olona mahery, na fanahy toa an’Andriamanitra, na mpiara-miasa aminy akaiky ny hoe “andriamanitra”, raha araka ny teny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany.

Antsoina hoe andriamanitra, ohatra, i Jesosy Kristy ao amin’ny andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly. (Isaia 9:5, 6; Jaona 1:1, 18) Midika ve izany fa tokony hivavahana izy? I Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” (Lioka 4:8) Hita araka izany fa na dia mahery sy fanahy toa an’Andriamanitra aza i Jesosy, dia tsy milaza ny Baiboly hoe tokony hivavahana izy.

Antsoina koa hoe andriamanitra ireo anjely. (Salamo 8:5; Hebreo 2:7) Tsy resahin’ny Baiboly mihitsy anefa hoe tokony hivavahana izy ireny. Nahita anjely iray ny apostoly Jaona zokiolona, indray mandeha, ary nitolagaga ka niankohoka hivavaka taminy. Hoy anefa ilay anjely: “Tandremo! Aza manao izao! ... Andriamanitra no ivavaho.”—Apokalypsy 19:10.

Nilaza ny apostoly Paoly fa “andriamanitr’ity tontolo ity” ny Devoly. (2 Korintianina 4:4) Izy no “mpitondra an’izao tontolo izao”, ka mampirisika ny olona hanompo andriamanitra sandoka tsy hita isa. (Jaona 12:31) Mivavaka amin’i Satana àry, raha ny marina, izay rehetra mivavaka amin’ny andriamanitra nataon’olombelona. Tsy mendrika ny hivavahana anefa i Satana. Nandrombaka ny fahefan’i Jehovah izy, ary nanendry ny tenany ho mpitondra. Horinganina miaraka aminy ny fivavahan-diso rehetra. Amin’izay fotoana izay, dia hiaiky mandrakizay ny olombelona rehetra, ary ny zavaboary rehetra mihitsy, fa i Jehovah irery no Andriamanitra marina sady velona.—Jeremia 10:10.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fivavahana amin’ny sampy?—Salamo 135:15-18.

▪ Tokony hivavaka amin’i Jesosy sy ny anjely ve isika?—Lioka 4:8.

▪ Iza no hany Andriamanitra marina?—Jaona 17:3.

[Sary, pejy 28, 29]

Sarivongana, ankavia miankavanana: Maria, Italia; andriamanitry ny katsaka, foko Maya any Meksika sy Amerika Afovoany; Astarta, Kanana; sampy iray any Sierra Leone; Bouddha, Japon; Chicomecóatl, Azteka any Meksika; Horus falcon, Ejipta; Zeosy, Gresy

[Sary nahazoan-dalana]

Andriamanitry ny katsaka, Horus falcon, ary Zeosy: Sary nahazoana alalana tao amin’ny British Museum