Iza moa ny Pèlerins sy ny Puritains?
Iza moa ny Pèlerins sy ny Puritains?
MISY vato granita lehibe ahitana ny tarehimarika 1620 any amoron-dranomasin’i Plymouth, Massachusetts, any Amerika Avaratra. Antsoina hoe Haram-baton’i Plymouth izy io. Betsaka no mino fa nisy Eoropeanina maromaro, tonga tamin’ny sambo teo akaiky teo, efa ho 400 taona lasa izay. Pèlerins na Rain’ny Pèlerins no iantsoana azy ireo.
Fantatry ny olona maro ny tantaran’ny Pèlerins. Tia nandray vahiny izy ireo, satria nantsoiny ho amin’ny fanasambe ny Indianina Amerikanina namany, rehefa niakatra ny vokatra. Iza moa ny Pèlerins, ary nahoana izy ireo no tonga tany Amerika Avaratra? Mba hamaliana izany, dia andeha hojerentsika izay nitranga tamin’ny andron’i Henri Faha-8, mpanjaka anglisy.
Nikorontana ny fivavahana tany Angletera
Firenena katolika i Angletera, 100 taona latsaka talohan’ny nandehanan’ny Pèlerins an-tsambo ho any Amerika. Nomen’ny papa anaram-boninahitra hoe Mpiaro ny Finoana ny Mpanjaka Henri Faha-8 tamin’izany. Nisy disadisa nipoitra anefa, rehefa tsy neken’ny Papa Clément Faha-7 ny hisarahan’i Henri sy Catherine avy any Aragon. Izy io no voalohany tamin’ireo vadin’i Henri enina.
Raha mbola teo am-pisaintsainana ny olana tao an-tokantranony i Henri, dia nikorontana be ny Eglizy Katolika nanerana an’i Eoropa noho ny Fanavaozana Protestanta. Tsy navelan’i Henri hiditra tany Angletera aloha ny Mpitondra Fanavaozana, satria tsy foiny ny voninahitra nomen’ny eglizy azy. Niova hevitra anefa izy avy eo. Hofoanany ny Fivavahana Katolika satria tsy nanaiky ny fisaraham-panambadiany. Tsy navelany hifehy ny Katolika anglisy intsony ny papa tamin’ny 1534, ary nasainy nambara fa ny tenany no filoha fara tampon’ny Eglizin’i Angletera. Tsy ela dia nakatony ny monasitera, ary namidiny ny tany midadasika nisy azy ireny. Lasa firenena protestanta i Angletera, rehefa maty i Henri tamin’ny 1547.
Mbola tsy nanaiky ny fahefan’ny papa koa i Édouard Faha-6, zanak’i Henri. Rehefa maty izy tamin’ny 1553, dia i Marie, zanak’i Henri tamin’i Catherine avy any Aragon, no lasa mpanjaka. Katolika i Marie, ka nataony izay haneken’ny vahoaka ny fahefan’ny papa. Nandefa Protestanta maro tany an-tsesitany izy, ary nandoro olona 300 mahery tamin’ny tsato-kazo, ka lasa nopetahana anarana hoe Marie Mpandatsa-dra. Tena nahery anefa ny fitakiana fanovana, ka tsy voasakany intsony. Maty i Marie tamin’ny 1558, ka i Elizabeth I, rahavaviny
no nandimby azy. Nataon’i Elizabeth izay tsy hananan’ny papa fahefana intsony tamin’ny fivavahan’ny Anglisy.Nisy Protestanta sasany anefa nihevitra fa tsy ampy ny misaraka fotsiny amin’ny Fivavahana Katolika. Tokony hesorina koa izay sisa tavela amin’izy io. Tian’izy ireo hodiovina ny Fivavahana Protestanta, ka izany no niantsoana azy ireo hoe Puritains, na Fatra-mpandala ny Fahadiovana. Nihevitra ny sasany taminy fa tsy ilaina ny eveka, ary tsy tokony hiankina amin’ny Eglizin’i Angletera ny fiangonana tsirairay, fa hizaka tena. Nisaraka tamin’ny Eglizin’i Angletera àry izy ireo.
Tamin’ny fotoana nanjakan’i Elizabeth no nanomboka nalaza ireo Puritains nitsikera ny eglizy ireo. Tsy nanao akanjo niavaka ny mpitondra fivavahana sasany, ka tsy azoazon’io mpanjakavavy io. Nasainy namoaka lalàna momba ny akanjo tokony hanaovan’ny mpitondra fivavahana àry ny Arsevekan’i Cantorbéry, tamin’ny 1564. Tsy nety nankatò izany ny Puritains, satria efa tsinjon’izy ireo fa hampanaovina akanjo toy ny pretra katolika indray izy ireo. Nisy disadisa nipoitra koa momba ny ambaratongam-pahefana taloha teo anivon’ny eglizy, toy ny fahefan’ny eveka sy arseveka. Mbola navelan’i Elizabeth hisy mantsy ny eveka, ary nasainy nianiana fa hanaiky azy ho filohan’ny eglizy.
Lasa Pèlerins
Nandimby an’i Elizabeth i Jacques I tamin’ny 1603. Notereny mafy hanaiky ny fahefany ireo Puritains nisaraka tamin’ny Eglizin’i Angletera. Nandositra tany Holandy àry ny fiangonana iray tany Scrooby, tamin’ny 1608, satria nalalaka kokoa ny fiainana tany. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nanjary nampanahy azy ireo noho ny tany Angletera ny fiainana tany Holandy, satria nilefitra loatra tamin’ny fivavahana hafa sy ny fitondran-tena ratsy ny Holandey. Tapa-kevitra ny hiala tany Eoropa àry ireo Puritains ireo, ka handeha hanomboka fiainam-baovao any Amerika Avaratra. Vonona handeha lavitra ny tanindrazany izy ireo noho ny finoany. Izany no antony niantsoana azy hoe Pèlerins na mpanao dia lavitra, tatỳ aoriana.
Nahazo alalana honina tany Virginie, zanatany britanika, ny Pèlerins. Anisan’izany ny maro tamin’ireo nisaraka tamin’ny Eglizin’i Angletera. Niainga nankany Amerika Avaratra àry izy ireo tamin’ny Septambra 1620, ary nandeha tamin’ny sambo iray atao hoe Mayflower. Olon-dehibe sy ankizy 100 teo ho eo no nanao io dia io. Namakivaky ny Oseana Atlantika Avaratra tao anaty tafio-drivotra izy ireo nandritra ny roa volana, ary tonga tany Cape Cod, 800 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Virginie, tamin’ny farany. Nanoratra ny Fifanekena Mayflower izy ireo tany. Tsy inona izy io fa antontan-taratasy mirakitra ny faniriany hanorina tanàna sy hankatò ny lalàna ao. Nanorim-ponenana tany Plymouth, teo akaiky teo izy ireo, tamin’ny 21 Desambra 1620.
Fiainam-baovao tany Amerika
Tsy niomana hiatrika ny ririnina anefa ireo mpitsoa-ponenana ireo, ka volana vitsivitsy monja dia maty ny antsasany. Nihamaivana kosa ny fahoriany rehefa tonga ny lohataona. Nanorina trano nety tsara izy ireo, ary nianatra avy tamin’ireo Indianina ny fomba fambolena ireo zavamaniry fanao sakafo teo an-toerana. Lasa nanan-karena be ny Pèlerins tamin’ny fararanon’ny taona 1621, ka nanokana fotoana hisaorana an’Andriamanitra noho ny fitahiany. Tamin’izay no niandohan’ilay fety hoe Thanksgiving Day na Andro Fisaorana, ankalazaina ankehitriny any Etazonia sy any an-toeran-kafa. Nihabetsaka ny mpifindra monina tonga, ka tao anatin’ny 15 taona latsaka, dia nihoatra ny 2 000 ny mponina tany Plymouth.
Nanatsoaka hevitra koa ny Puritains sasany tany Angletera tamin’izay, fa misy “Tany Nampanantenaina” ho azy ireo any andafin’ny Atlantika. Nisy maromaro taminy àry tonga tany avaratr’i Plymouth tamin’ny 1630, ka nanorina tanàna tany amoron’ny Helodranomasin’i Massachusetts. Tamin’ny 1640, dia mpifindra monina
anglisy 20 000 teo ho eo no nonina tany Nouvelle-Angleterre. Tsy dia nizarazara intsony ny Puritains tatỳ aoriana, satria lasa nifehy ny tanànan’i Plymouth ilay tanàna tany amoron’ny Helodranomasin’i Massachusetts, tamin’ny 1691. Saika Puritains avokoa ny olona tany Nouvelle-Angleterre, ka nanjary foiben’ny fivavahan’izy ireo i Boston. Nanao ahoana ny fivavahan’ny Puritains?Ny fivavahan’ny Puritains
Nanorina trano hazo ny Puritains, tamin’ny voalohany, mba hivoriany isaky ny alahady maraina. Zakan’ny mpiangona tsara ny hafanana tao anatiny, tamin’ny vanin-taona mafana. Nangatsiaka loatra anefa tao nandritra ny ririnina, ka tsy nahatanty izany, na dia ny Puritains nafana fo indrindra aza. Tsy nisy afo nanafana tao amin’ilay trano, ka nipararetra ny mpiangona, ary jihitry ny hatsiaka. Matetika no nanao gan-tanana ny mpitondra fivavahana, mba hiarovana ny tanany tamin’ny hatsiaka namirifiry.
Avy tamin’ny fampianaran’i Jean Calvin, protestanta frantsay nitondra fanavaozana, ny zavatra ninoan’ny Puritains. Nino ny lahatra izy ireo, ka nihevitra fa efa voatendrin’Andriamanitra izay olona hovonjeny sy izay hohelohiny hijaly mandrakizay any amin’ny afobe. Tsy miova mihitsy araka izany ny fahitan’Andriamanitra ny olona iray, na inona na inona ataony. Tsy fantatr’ilay olona na hiadana any an-danitra izy na hijaly mandrakizay any amin’ny afobe, rehefa maty.
Nanomboka nitory momba ny fibebahana ny Puritains, rehefa nandeha ny fotoana. Nampitandrina izy ireo fa mankany amin’ny afobe avy hatrany izay tsy mankatò ny lalàn’Andriamanitra, na dia be famindram-po aza Andriamanitra. Nataony izay hinoan’ny olona bebe kokoa ny afobe, mba hahatonga azy ireo hankatò lalàna foana. Indray mandeha, dia nanao toriteny nitondra ny lohateny hoe “Mpanota Azon’ny Tanan’Andriamanitra Tezitra”, i Jonathan Edwards, mpitory teny tamin’ny taonjato faha-18. Tena nampahatahotra ny fomba niresahany ny afobe, ka tsy maintsy nampahery an’ireo mpiangona nandre ilay toriteny ny mpitondra fivavahana hafa.
Notandindomin-doza ny ain’ny mpitory teny avy any ivelan’i Massachusetts, rehefa nanandrana nitory tany. Efa noroahin’ny manam-pahefana intelo i Mary Dyer, mpitory teny avy amin’ny fivavahana Quaker, nefa mbola niverina nitory tany foana. Nahanton’izy ireo tany Boston àry izy, ny 1 Jona 1660. Toa tsy tsaroan’i Phillip Ratcliffe koa fa tsy nandefitra tamin’ny mpanohitra mihitsy ny mpitarika puritains. Nanao lahateny nanohitra ny fanjakana sy ny fiangonan’i Salem i Phillip, ka nasain’izy ireo nokapohina sy nandoa
sazy. Notapahina koa ny sofiny roa talohan’ny hamotsorana azy, mba tsy hanadinoany an’ilay sazy. Tsy nilefitra mihitsy ny Puritains, ka nahatonga ny olona hiala tany Massachusetts. Nitombo ny isan’ny mponina tany an-toeran-kafa noho izany.Miteraka herisetra ny fanambonian-tena
Nihevi-tena ho “olom-boafidin’Andriamanitra” ny Puritains maro, ka nieritreritra fa olona ambany ny Indianina tany Amerika, ary tsy nanana zo honina teo amin’ilay toerana. Nahatezitra ny Indianina izany toe-tsaina izany, ka nanomboka nanafika ny Puritains ny sasany taminy. Nohalefahin’ny mpitarika puritains àry ny lalàna momba ny Sabata, mba ho afaka hitondra basy ny lehilahy rehefa handeha hiangona. Niharatsy anefa ny toe-draharaha tamin’ny 1675.
Hitan’i Metacomet na Philip Mpanjaka, lehiben’ny Indianina Wampanoag, fa nisy naka tsikelikely ny tanin’ny vahoakany. Nanomboka nanafika ny tanànan’ny Puritains àry izy, ka nandoro trano sy namono ny mponina. Namaly faty ny Puritains, ka nitohy am-bolana maro ilay ady. Voasambotry ny Puritains tany Rhode Island i Philip, tamin’ny Aogositra 1676. Notapahin’izy ireo ny lohany, nesoriny ny taovany, ary nozarainy efatra ny vatany. Tapitra teo ny Adin’i Philip Mpanjaka sy ny fahaleovan-tenan’ny Indianina tany Nouvelle-Angleterre.
Niova ny fomba nanehoan’ny Puritains ny hafanam-pony, tamin’ny taonjato faha-18. Nitsikera ny lalàna anglisy ny mpitory teny sasany tany Massachusetts. Nahatonga ny olona sasany haniry hahaleo tena izany. Nasian’ireo Puritains resaka politika sy fivavahana koa ny dinidinika nataony momba ny tolom-bahoaka.
Niasa mafy sy be herim-po ary tena nafana fo tamin’ny fivavahany ny ankamaroan’ny Puritains. Mbola misy olona mampiasa fitenenana toy ny hoe “toetran’ny Puritains” na “fahatsoram-pon’ny Puritains” hatramin’izao. Tsy voatery ho marina anefa ny fampianarana ao amin’ny fivavahan’ny olona iray, na dia tso-po aza izy. Tsy nampifangaro ny fivavahana tamin’ny politika i Jesosy Kristy. (Jaona 6:15; 18:36) Tsy manaraka ity fampianarana tena lehibe ity koa ny olona mahery setra: “Izay tsy tia kosa dia mbola tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.”—1 Jaona 4:8.
Moa ve ny fivavahanao mampianatra momba ny afobe, na lahatra, na foto-pinoana hafa tsy ao amin’ny Baiboly? Mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ara-politika ve ny mpitondra fivavahana ao aminareo? Raha mianatra tsara ny Baiboly ianao, dia hahita ny “fivavahana madio sady tsy misy loto.” Tena madio izy io, ary eken’Andriamanitra.—Jakoba 1:27.
[Efajoro/Sary, pejy 13]
NY PURITAINS SY NY AFOBE
Nanohitra ny Tenin’Andriamanitra ny Puritains satria nitory momba ny afobe. Mampianatra ny Baiboly fa tsy mahalala na inona na inona ny maty. Tsy manaintaina na mahatsapa fahafinaretana izy. (Mpitoriteny 9:5, 10) Tsy tonga tao an-tsain’ilay Andriamanitra marina mihitsy koa ny hampijalijaly olona. (Jeremia 19:5; 1 Jaona 4:8) Miangavy ny olona hanova ny fiainany izy, ary mahari-po amin’ny ratsy fanahy tsy mibebaka. (Ezekiela 33:11) Tsy ireo fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina ireo anefa no notorin’ny Puritains. Matetika izy ireo no nampianatra fa mpampijaly olona sy mpamaly faty Andriamanitra. Nataon’izy ireo koa izay hahatonga ny olona ho mafy fo, ka hampiasa herisetra mba hampanginana ny mpanohitra.
[Sary, pejy 10]
Pèlerins tonga tany Amerika Avaratra, 1620
[Sary nahazoan-dalana]
Harper’s Encyclopædia of United States History
[Sary, pejy 12]
Nankalaza voalohany ny Andro Fisaorana, 1621
[Sary, pejy 12]
Trano fivorian’ny Puritains, Massachusetts
[Sary, pejy 12]
Jean Calvin
[Sary, pejy 12]
Jonathan Edwards
[Sary, pejy 13]
Mpivady “puritains” handeha hiangona, ary mitondra basy
[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]
Library of Congress, Prints & Photographs Division
[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]
Ambony ankavia: Snark/Art Resource, NY; ambony ankavanana: Harper’s Encyclopædia of United States History; Jean Calvin: Portrait in Paul Henry’s Life of Calvin, from the book The History of Protestantism (Vol. II); Jonathan Edwards: Dictionary of American Portraits/Dover
[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]
Sary: North Wind Picture Archives