Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fotoana Tsara Indrindra Ve?

Ny Fotoana Tsara Indrindra Ve?

Ny Fotoana Tsara Indrindra Ve?

AMIN’NY 6.30 maraina izao eto Soweto, Afrika Atsimo. Ririnina ny andro, ka mamirifiry be. Tsy maintsy mifoha anefa i Elena. * Tena fahoriana ho azy ny miala eo am-pandriana, satria mangatsiaka be ao an-tranony.

Voan’ny aretin’ny vanin-taolana i Elena. Mangotsoka be ny lohaliny, ka mitandrintandrina izy mampidina ny tongony avy eo am-pandriana. Miandriandry kely izy rehefa tafapetraka. Andrasany ho azoazo aloha ilay mangotsoka. Miezaka mitsangana amin’izay izy, ary tafatsangana tokoa, saingy mitaraindraina be. Lasa ihany anefa izy mamonjy moramora ny efitra fandroana, sady mitazona ny andilany. Toy ny “valala” no fijery azy.—Mpitoriteny 12:5. *

‘Vitako ihany marina!’, hoy izy anakampo. Tsy vitan’ny hoe mbola velona izy fa mbola nahavita nandeha koa, na dia nanaintaina aza.

Misy zavatra hafa mampanahy azy anefa. Hoy izy: “Matahotra aho sao tsy hiasa tsara intsony ny saiko.” Tsy tadidiny mantsy indraindray ny nasiany ny lakileny, na dia mbola matsilo aza ny sainy. Hoy izy: “Tsy te hitovy amin’ny zokiolona sasany aho, ka mivavaka mafy mba hiasa tsara foana ny saiko.”

Tsy nieritreritra momba ny fahanterana mihitsy i Elena, tamin’izy mbola tanora. Toa tsy hitahitany akory anefa dia 74 taona sahady izy. Tsy mitsahatra manaintaina ny vatany, ka mampahatsiahy azy lava fa efa antitra izy.

Tsy mijaly be toa an’i Elena ny zokiolona sasany. Tsy dia marary loatra na manahy izy ireo, ka mahita fa ny fahanterana no fotoana tsara indrindra teo amin’ny fiainany. Mety ho ‘fotsy volo tsara sy afa-pon’ny miaina’ toa an’i Abrahama, loham-pianakaviana fahiny, izy ireo. (Genesisy 25:8, fanamarihana ambany pejy) “Andro sy taona mahory” kosa ny fahanterana ho an’ny hafa, ka ny hany azony lazaina dia hoe: “Leon’ny miaina aho.” (Mpitoriteny 12:1, Dikan-teny Anglisy Ankehitriny) Hita tamin’ny fanadihadiana natao fa tena maro ny olona kivy rehefa mieritreritra ny fotoana fisotroan-dronono. Izany no nahatonga ny gazety Herinandrom-baovao (anglisy) hiantso an’io fotoana io hoe “Fotoana Mahory.”

Ahoana no fahitanao ny fahanterana? Inona no olana sasany mianjady amin’ny zokiolona? Tsy miasa tsara intsony ve ny saina rehefa mihantitra ny olona, ary tsy azo sorohina ve izany? Inona no hanampy ny zokiolona hilamin-tsaina?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany ao amin’ireto lahatsoratra ireto.

^ feh. 3 Efa ela ny olona no niaiky fa mahalaza tsara ny fahorian’ny zokiolona io andalan-teny mampihetsi-po ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny io.