Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Tsara Ilay Izy E!”

“Tena Tsara Ilay Izy E!”

“Tena Tsara Ilay Izy E!”

Hitan’ny mpampianatra jeografia iray any Brezila fa tena mampiana-javatra ny gazety Mifohaza!, ka nahaliana azy tokoa. Hoy izy: “Betsaka kokoa noho ny an’ireo boky fampianarana hafa ny lesona azo ampianarina avy amin’io gazety io. Hafa ny fivavahana arahiko, nefa tena ekeko izay heverin’ny Mifohaza! ho zava-dehibe.”

Nanjary fantatr’io mpampianatra io anefa, fa iray monja amin’ny boky sy gazety maro avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Mifohaza! Hoy izy: “Nisy mpianatra tao amin’ny kilasy faha-6 nampindrana ahy an’ilay bokikely hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa.’ Variana aho nahita ny hatsaran’ny fanazavana tao anatin’izy io. Tena tsara ilay izy e! Mora erỳ ny maka sary an-tsaina ny toerana nitrangan’ireo tantara ao amin’ny Baiboly, ka lasa mahaliana kokoa ny mianatra azy io, indrindra fa ho an’ny tanora.”

Hoy koa izy: “Hita hatraiza hatraiza ny bokinareo: any anaty bisy, any am-pianarana, eny am-pilaharana any amin’ny banky. Faly aho satria afaka mahazo an’ireny boky misy fanazavana tena tsara ireny, na ny olona tsy mba mahazo azy ireny matetika aza. Deraina ianareo noho ny asa tsara ataonareo.”

Misy amin’ny fiteny 80 eo ho eo ny bokikely ‘Jereo Ilay Tany Soa.’ Feno sarintany sy sary miloko mampiseho ireo toerana voalazan’ny Baiboly izy io, indrindra fa ny Tany Nampanantenaina nandritra ny vanim-potoana samihafa. Raha te hanafatra an’io bokikely 36 pejy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa’ aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Fonon’ny bokikely: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.