Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Omen’ny fitondram-panjakana espaniola ho an’ny fikambanana mpanao asa soa na ho an’ny fikambanana katolika, ny 0,5 isan-jaton’ny hetra, arakaraka ny safidin’ny mpandoa hetra tsirairay. Ny 20 isan-jaton’ny Espaniola monja no nanao ilay safidy faharoa, nefa mitonona ho Katolika ny 80 isan-jaton-dry zareo.—EL PAÍS, ESPAINA.

Izao no zava-misy navoakan’ny manam-pahaizana mpikirakira antontan’isa: “Mihena dimy taona sy tapany ny androm-piainan’ny lehilahy ary enin-taona sy tapany mahery ny an’ny vehivavy, raha mpifoka sigara izy eo amin’ny faha-30 taonany. Tsy dia atahorana ho fatin’ny aretina vokatry ny fifohana sigara kosa izy, raha miala amin’ny sigara eo amin’ny faha-30 taonany.—THE TIMES, ANGLETERA.

Nitombo 3,4 isan-jato ny fandaniana solika eran-tany tamin’ny 2004, ka nahatratra 82,4 tapitrisa barika isan’andro. I Etazonia sy Chine no tena nahatonga an’io fitomboana io, satria mampiasa 20,5 tapitrisa barika isan’andro i Etazonia, ary 6,6 tapitrisa barika i Chine.—VITAL SIGNS 2005, FIKAMBANANA MPANDINIKA AN’IZAO TONTOLO IZAO.

“Ankasitraho ny Reninao”

Tombanan’ny mpikaroka ho 130 000 dolara eo ho eo isan-taona ny vola tokony horaisin’ny reny kanadianina, mpikarakara tokantrano sy manan-janaka roa mbola mianatra, raha karamaina noho ny asa rehetra ataony izy. Tafiditra amin’izany ny karama noho ny ora fanampiny iasany. Araka ny voalazan’ny gazety Vancouver Sun, io tarehimarika io dia miorina amin’ny karama salasalany sy ny “herinandro iray iasana adiny 100, izany hoe, enina andro iasana adiny 15 sy iray andro iasana adiny 10.” Anisan’ny andraikitry ny reny mpikarakara tokantrano ny manara-maso ny ankizy na olon-dehibe kilemaina, mampianatra, mitondra fiara, manadio, mahandro, mikarakara marary, ary manao ny fikojakojana ankapobe. Manome izao torohevitra izao àry ilay gazety: “Ankasitraho ny reninao. Tena mikarama varimasaka izy.”

Tsy Mazava Amin’ny Tanora ny Atao hoe Fitondran-tena Tsara

Mihamaro ny tanora failandey “mamorona samirery izay fitsipi-pitondran-tena harahiny”, hoy ny gazetin’ny Oniversiten’i Jyväskylä, any Failandy. Nilaza koa izy io fa olona maro ankehitriny no mifidy avy amin’ny loharanon-kevitra isan-karazany ny fitondran-tena heveriny ho tsara. Matetika àry no mifanohitra amin’izay lazainy ny zavatra ataony. Mino izy ireo, ohatra, fa ilaina ny mizara ara-drariny ny vola sy harena, nefa ‘mino koa izy fa ilaina ny mifaninana mafy sy tsy an-kiantra.’

Mety Hahazoana Prion ny Fampidiran-dra

Tsy ela izay dia namoaka vaovao ny fikambanana frantsay miantoka ny hatsaran’ny zavatra ampiasaina amin’ny fitsaboana. Nohamafisiny tao fa tsy mampisalasala intsony ny hoe mifindra amin’ny alalan’ny fampidiran-dra ny prion. Izy io dia molekiola-na proteinina, izay heverina fa mitondra aretina mitovitovy amin’ny aretin’i Creutzfeldt-Jacob, ao amin’ny olombelona. Endriny hafa amin’ilay aretina fantatra amin’ny hoe maladie de la vache folle izy io, izay aretina mamotika tanteraka ny hozatry ny atidoha, nefa mbola tsy misy fanafany. Navoaka ilay vaovao taorian’ny nahitana tany Grande-Bretagne, marary roa voan’io aretina io, izay inoana fa azo avy amin’ny fampidiran-dra. Tsy azo antoka ny vokatry ny fitsirihana hamantarana azy io, raha tsy efa miseho ny soritr’aretina.

Te ho Tsara Bika

Hita tamin’ny fanadihadiana fa “tsy afa-po amin’ny bikany, ka te hahia, na dia ny ankizivavy vao dimy taona aza”, hoy ny The Sydney Morning Herald. Ankizivavy aostralianina dimy ka hatramin’ny valo taona no resahin’ilay tatitra. Efa ho ny antsasak’ireo ankizivavy nadinadinina no te hahia kokoa, ary mitovitovy amin’izany ihany ny isan’ireo nilaza fa “hitandrina ny sakafony raha mihamatavy.” Nisy mpikaroka nilaza fa ny fomba fihevitra tsy mety momba ny bika, dia “mety hahatonga ny olona sasany tsy hisakafo ara-dalàna sy hihevi-tena ho tsinontsinona ka ho kivy any aoriana.”