Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hahitanao ny Tena Fitiavana?

Ahoana no Hahitanao ny Tena Fitiavana?

Ahoana no Hahitanao ny Tena Fitiavana?

Inona no azonao atao mba ho tian’ny olona sy ho mahatehotia kokoa ianao? Tokony hiezaka ny hanan-karena ve ianao sa hihaingo kokoa?

MARO ny lehilahy sy vehivavy mihevitra fa izany no vahaolana, satria voafitaky ny dokam-barotra sy voasariky ny haino aman-jery izy ireo. Marina fa tsara sady ara-dalàna ny mikarakara ny bika aman’endrika. Mihelina ihany anefa ny hatsaran-tarehy. Tsy izy io na ny harena àry no mampaharitra sy manamafy ny fifandraisana amin’olona, fa ny fanehoana fitiavana tsy mitady valiny. Nampianatra i Jesosy hoe: “Aoka ianareo ho zatra hanome dia mba homena koa ianareo.” (Lioka 6:38) Manehoa fitiavana àry raha te hotiavina ianao.

Ahoana no hanaovantsika izany? Namaly io fanontaniana io ny apostoly Paoly, noho ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra. Nilaza izy fa mahery ny fitiavana, ary tsy fihetseham-po fotsiny izy io, fa hita indrindra amin’izay ataontsika ho an’ny olona sy izay iezahantsika tsy atao aminy. Hoy i Paoly: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana fa mifaly noho ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, miaritra ny zava-drehetra.”—1 Korintianina 13:4-7.

Inona no tsapanao rehefa tsara fanahy aminao ny olona iray, ka tia anao foana na dia mahasosotra azy aza ny zavatra sasany lazainao na ataonao? Tsy mahasarika anao ve ny olona tena miahy anao, tsy mora tezitra, ary mamela heloka sy milaza ny marina, na dia tsy mora aminy foana aza izany?

Aoka àry ianao haneho ireo toetra ireo amin’ny olona. Hoy i Jesosy: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Tsy mora foana ny maneho fitiavana, nefa tsy ho very maina ny ezaka ataonao. Ho tia anao kokoa ny fianakavianao, namanao, vadinao, na ny fofombadinao. Ho sambatra koa ianao, satria manao zavatra ho an’ny olona. Marina tokoa fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

 Mianara momba ny fitiavana, any amin’ilay tena mahay izany

Andriamanitra fitiavana i Jehovah, ka izy no tena mahay momba azy io. (1 Jaona 4:8) Tia antsika izy, ka mampianatra an’izay rehetra vonona hianatra momba ny fitiavana. Ireto misy toro lalana vitsivitsy ao amin’ny Baiboly manampy antsika haneho fitiavana, ary hahatonga antsika ho tian’ny olona.

‘Aoka ianao ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.’ (Jakoba 1:19) Nadinadinina ny mpivady 20 000 mahery, ka hita fa ireo manana vady mihaino tsara no sambatra indrindra. Tena mila mifampiresaka tsara ny mpifankatia. Hoy ny mpampianatra sosiolojia iray: “Hahatsiaro ho manirery ianao, raha miaraka amin’olona tsy mahalala izay manjo anao. Vao mainka ho ratsy noho izany aza no hitranga, raha mahalala izay manjo anao ihany izy, saingy tsy takany hoe nahoana izany no mafy aminao.” Nilaza koa izy fa ‘tsy hiteraka olana be’ ireo zavatra isan-karazany tsy mampitovy anareo, ‘raha mangoraka anao ilay olon-tianao, rehefa nahalala ny hevitrao sy ny zavatra niainanao.’

‘Tery ao amin’ny firaiketam-ponareo ianareo. Mba halalaho ny fonareo.’ (2 Korintianina 6:12, 13) Mandray soa isika rehefa manalalaka ny fontsika, izany hoe mitia olona maro kokoa. Hoy ny boky navoakan’ny Sekoly Ara-pitsaboan’i Harvard: “Hita tamin’ny fandinihana maro natao fa sambatra kokoa, tsy dia marary, ary ela velona kokoa ny olona mifandray tsara amin’ny fianakaviany sy ny namany ary ny mpiara-monina aminy.”

‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.’ (Hebreo 10:24, 25) Misy heriny eo amintsika ny olona ifaneraserantsika. Ataovy àry izay hifaneraserana amin’ny olona maneho ny tena fitiavana. Ianao mihitsy amin’izay no hahita an’io toetra io, ka hahay ny fomba anehoana azy io eo amin’ny fiainanao. Miezaka mafy mifaneho an’io fitiavana io ny Vavolombelon’i Jehovah, satria fantany fa izany no ahafantarana ny tena mpianatr’i Jesosy. (Jaona 13:35) Asaina amim-pitiavana ianao hanatrika ny fivorian’izy ireo.

Aza kivy na manamelo-tena, raha mahatsapa ianao fa tsy tian’ny olona. Tadidio fa hitan’i Jehovah ny manjo anao. Tsaroanao ve i Lea, ilay noresahina tany amin’ny lahatsoratra voalohany? Hitan’i Jehovah ny nanjo azy, ka nomeny zanakalahy enina sy zanakavavy iray izy. Fitahiana lehibe ho azy izany, satria noheverina ho fananana sarobidy ny zanaka, tamin’izany fotoana izany! Lasa razamben’ny fokon’ny Israely koa ny zanakalahin’i Lea rehetra. (Genesisy 29:30-35; 30:16-21) Azo inoana fa tena nampionona azy ny fitiavana sy fiahian’Andriamanitra!

Tsy hisy olona hahatsapa ho tsy tiana intsony, ao amin’ilay tontolo vaovao ampanantenain’ny Soratra Masina. Hanjaka eran-tany kosa ny tena fitiavana. (Isaia 11:9; 1 Jaona 4:7-12) Aoka àry hasehontsika dieny izao fa maniry ny ho ao isika. Aoka isika hiezaka hanana ilay fitiavana ampianarina ao amin’ny Baiboly, sady nasehon’ilay Andriamanitra nampanoratra azy io. Tsy ny olona anehoana fitiavana ihany no tena sambatra, fa ny olona maneho fitiavana tsy mitady valiny koa.—Matio 5:46-48; 1 Petera 1:22.

[Teny notsongaina, pejy 8]

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35

[Sary, pejy 8]

Manehoa fitiavana raha te hotiavina ianao