Ahoana no Handavako Tsy Hanao na Hiresaka Firaisana?
Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana no Handavako Tsy Hanao na Hiresaka Firaisana?
“Miresaka firaisana ny ankizy, isan’andro. Misy ankizivavy manatona ankizilahy mihitsy aza, ary manao firaisana any am-pianarana ry zareo.”—Felana, 16 taona.
“Manao zavatra mamoafady eo imason’ny ankizy hafa ny ankizilahy miray amin’ny ankizilahy, any am-pianaranay. Tsy mihevitra an’izany ho ratsy mihitsy ry zareo.”—Manda, 15 taona. *
MIRESAKA firaisana foana ve ny mpiara-mianatra aminao? Sa manao firaisana mihitsy ny sasany? Mety hitovy hevitra amin’ity ankizivavy ity ianao, raha izany. Nilaza izy fa toy ny “miasa any amin’ny toerana filalaovana filma vetaveta” izy, rehefa any am-pianarana. Be dia be tokoa ny antony mahatonga ny ankizy maro hiresaka firaisana, sy hanao firaisana mihitsy aza, any am-pianarana.
Mety hiresaka momba ny atao hoe “fiarahana indray alina”, ny mpiara-mianatra aminao. Entina ilazana olon-droa manao firaisana izy io, nefa tsy mifankatia akory. Miaraka indray alina amin’ny olona zara raha mifankahalala aminy ny tanora, indraindray. Ny hafa kosa manao firaisana amin’ny olon-tsy fantany, sendra nifandray taminy tao amin’ny Internet. Ny tanjona amin’izany rehetra izany dia hoe manao firaisana, nefa tsy asiana resaka fitiavana. Hoy i Danielle, 19 taona: “Izay hahafa-po ny filan’ny nofon’izy roa fotsiny no zava-dehibe amin’ilay izy.”
Tsy mahagaga àry raha lasa ambentin-dresaka ny fiarahana indray alina, any amin’ny sekoly maro. Nanoratra toy izao tao amin’ny gazetin’ny sekoliny, ohatra, ny ankizivavy iray 17 taona: “Vao manomboka ny herinandro, dia toa mitakoritsika momba ny fiarahana indray alina nataony farany daholo ny mpinamana, eran’ny lalantsara. Tantarain-dry zareo amin’ny an-tsipiriany mihitsy ilay izy.”
Mety hahatsiaro ho manirery ianao raha miezaka mankatò ny fitsipiky ny Baiboly, nefa ny ankizy manodidina anao toa tsy miresaka afa-tsy firaisana. Mety haneso anao izy ireo, rehefa tsy mandray anjara amin’ilay resaka ianao. Efa ampoizina ihany izany. Milaza mantsy ny Baiboly fa mety ‘hanevateva anao tsy misy farany’ ny olona, rehefa tsy takany ny antony tsy itovianao aminy. (1 Petera 4:3, 4) Tsy misy tia an’izany hoe esoin’ny olona izany anefa. Ahoana àry no handavanao tsy hanao na hiresaka firaisana any am-pianarana, ary hirehareha hatrany noho ny fitsipika arahinao? Tena ilaina aloha ny mahafantatra hoe nahoana no maniry mafy hanao firaisana ny tanora.
Fantaro ny tenanao
Miovaova be ny vatanao sy ny fihetseham-ponao, rehefa zatovo ianao. Te hanao firaisana mafy ianao mandritra an’io fotoana io. Aza matahotra fa voajanahary tanteraka izany. Aza manamelo-tena àry, na mihevitra hoe tsy afaka ny hadio fitondran-tena mihitsy ianao, raha misy olona tena tianao hiarahana. Afaka ny hadio fitondran-tena ianao, raha tianao!
Misy zavatra hafa tokony ho fantatrao koa, ankoatra an’io zava-tsarotra atrehin’ny tanora io. Tsy lavorary daholo ny olona, ka mora manao ratsy. Niaiky an’izany, na dia ny apostoly Paoly aza. Hoy izy: “Ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako.” Nahatsiaro tena ho “olo-mahantra” izy, satria tsy lavorary. (Romanina 7:23, 24) Nandresy ny ota anefa izy, ary afaka ny handresy koa ianao!
Fantaro ny manjo ny mpiara-mianatra aminao
Efa voaresaka teo aloha, fa mety hiresaka firaisana foana ny mpiara-mianatra aminao, na hirehareha noho ny zavatra niavaka lazainy fa vitany tamin’izany. Tokony hitandrina ianao mba tsy ho voataonan’izy ireo. (1 Korintianina 15:33) Tsy tokony hoheverinao ho fahavalo anefa izy ireo. Nahoana?
Satria toa anao koa izy ireo. Maniry mafy hanao firaisana izy ary mora manao ratsy koa. Misy tsy itovianareo anefa. “Tia fahafinaretana” angamba ny sasany aminy, ‘fa tsy tia an’Andriamanitra.’ Mety “tsy ho tia ny mpianakaviny” koa ny olona ao an-tranony. (2 Timoty 3:1-4) Misy koa tsy mahazo fananarana sy fitsipi-pitondran-tena avy amin’ny ray aman-dreny be fitiavana.—Efesianina 6:4.
Tsy fantany ny loza hanjo azy, raha manaram-po amin’ny fahafinaretana izy. Tsy mitovy aminao mantsy izy ireo, satria tsy mahalala ilay fahendrena ambony kokoa hita ao amin’ny Baiboly. (Romanina 1:26, 27) Toy ny hoe nomen-dray aman-dreniny fiara haingam-pandeha izy ireo, ary navelany hitondra izany eny amin’ny arabe feno fiara, nefa tsy nampianariny hitondra fiara akory. Mety hitondra fahafinaretana vetivety izany, nefa azo antoka fa hitera-doza avy eo. Inona àry no azonao atao raha manomboka miresaka firaisana eo imasonao ny mpiara-mianatra aminao, na manandrana manery anao hiaraka haloto fitondran-tena aminy?
Aza manao resaka vetaveta
Raha manomboka manao resaka vetaveta ny mpiara-mianatra aminao, dia mety halaim-panahy hihaino ianao, na handray anjara amin’izany. Matahotra ny hiavaka angamba ianao. Eritrereto anefa ny ho vokatr’izany. Mety hihevitra ve izy ireo fa mitovy aminy ihany ianao na te hitovy aminy, matoa liana amin’ny resany?
Inona àry no tokony hataonao, raha lasa miresaka firaisana ny ankizy? Tokony hiala eo ve ianao? Izay mihitsy! (Efesianina 5:3, 4) Hoy ny Baiboly: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery.” (Ohabolana 22:3) Tsy hoe tsy mahalala fomba àry ianao raha miala, fa mahira-tsaina.
Tsy tokony ho menatra mihitsy ianao, rehefa miala eo amin’ny ankizy manao resaka vetaveta. Azo antoka mantsy fa tsy ho menatra ny hanao toy izany ianao amin’ny karazan-dresaka hafa, indrindra raha tsy mahaliana anao ilay izy, na tsy tianao hidirana. Aoka hatao hoe manomboka miresaka ny ankizy vitsivitsy ao am-pianaranareo, fa handeha hamaky trano ary hampiasa fitaovam-piadiana. Hijanona eo ve ianao, ary hihaino ny tetika ataony? Mety hisy hihevitra anao ho mpiray tsikombakomba aminy, raha mijanona eo ianao.
Azo antoka àry fa hiala ianao. Manaova toy izany koa, rehefa mitady hanao resaka vetaveta ny ankizy. Hahita fomba hialana foana ianao matetika. Ataovy anefa izay tsy hahatonga azy ireo haneso anao, na hihevitra anao hoe miseho ho masina be.Marina fa tsy afa-miala ianao indraindray. Mety hanandrana hiresaka firaisana aminao, ohatra, ny ankizy voatendry hiray dabilio aminao. Azonao tenenina izy mba tsy hanelingelina anao. Aoka ianao ho hentitra, nefa hahalala fomba. Afaka manao toa an’i Brenda ianao, raha tsy mandaitra izany. Hoy izy: “Resahiko mangingina ny mpampianatra, mba hamindra toerana ahy.”
Eritrereto tsara izay havalinao
Na ho ela na ho haingana, dia hisy mpiara-mianatra aminao te hahalala ny antony tsy anaovanao resaka vetaveta miaraka aminy. Eritrereto tsara izay havalinao, raha manontany momba ny fitsipi-pitondran-tena arahinao izy ireo. Marina fa misy ankizy manontany mba hanesoana anao fotsiny, fa tsy mba hahatakarana ny hevitrao. Aza misalasala miresaka momba ny zavatra inoanao anefa, raha hitanao fa manontany amim-pahatsorana ilay ankizy. Maro ny tanora mampiasa ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, mba hanampiana ny mpiara-mianatra aminy hahita, fa mahasoa ny manaraka ny fitsipiky ny Baiboly. *
Aoka ianao ho hentitra
Inona no tokony hataonao, raha misy mpiara-mianatra aminao sahisahy ratsy, ka mitady hikitikitika na hanoroka anao? Mety ho vao mainka ho sahy hanohy izany zava-dratsy izany izy, raha avelanao amin’izao. Tantarain’ny Baiboly fa nisy tovolahy namela vehivavy maloto fitondran-tena, hisavika sy hanoroka azy. Navelany hiresaka firaisana taminy ilay vehivavy. Inona no vokany? “Nandeha nanaraka azy niaraka tamin’izay ilay zatovo, tahaka ny omby entina hovonoina.”—Ohabolana 7:13-23.
Jereo anefa ny nataon’i Josefa, rehefa nisy zavatra toy izany nihatra taminy. Nitaona azy hanao firaisana taminy foana ny vadin’ny tompony, nefa tsy nety mihitsy izy. Nandray fepetra hentitra izy, rehefa nanandrana nisambotra azy ilay ramatoa. Nandositra izy.—Genesisy 39:7-12.
Mila mandray fepetra hentitra toa an’i Josefa koa angamba ianao, raha misy mpiara-mianatra na olon-kafa mitady hikitikitika anao. Hoy i Felana: “Teneniko izay ankizilahy mitady hikitikitika ahy, mba tsy hanao izany intsony. Raha mbola manao ihany izy, dia teneniko mafy mba hanalany ny tanany.” Hoy koa izy momba ny ankizilahy any am-pianarany: “Tsy hanaja anao izy ireo, raha tsy ataonao izay hahatonga azy hanaja anao.”
Hohajain’ny mpiara-mianatra aminao koa ianao, raha tsy mety mihaino resaka vetaveta, manazava amim-panajana ny fitsipi-pitondran-tena arahinao (rehefa mety ny hanaovana izany), ary tsy manaiky mihitsy ho voatarika haloto fitondran-tena. Handray soa hafa koa ianao, satria hahatsiaro tena ho misy vidiny. Ary ny tena zava-dehibe dia hankasitraka anao i Jehovah.—Ohabolana 27:11.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Novana ny anarana sasany.
^ feh. 22 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
ERITRERETO IZAO:
▪ Inona no azonao lazaina mba hialana eo amin’ny ankizy manao resaka vetaveta?
▪ Inona no holazainao sy hataonao, raha misy mitarika anao haloto fitondran-tena?
[Sary, pejy 27]
Mialà fotsiny raha lasa manao resaka vetaveta ny ankizy
[Sary, pejy 28]
Aza manaiky mihitsy ho voatarika haloto fitondran-tena