Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Voasariky ny Naman-dratsy? (8 Aogositra 2005) Toa mbola tsy haiko mihitsy ny nanitsy an’io toetra ratsiko io, na dia efa folo taona aza aho no “be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.” (1 Korintianina 15:58) Hitako fa mbola tsy matotra aho. Tsy haiko anefa ny nandresy an’ilay olana. Misaotra an’i Jehovah aho noho ny lahatsoratra toy ireny, satria manampy antsika hahay hiaina eto amin’ity tontolo ity.

J. F., Etazonia

Milaza io lahatsoratra io, fa ‘tsy tokony hihatakataka amin’ny olona tsy mahalala ny fahamarinana ara-baiboly’ isika. Azonareo hazavaina bebe kokoa ve izany? Ahoana raha mifanerasera akaiky amin’ny olona tsy mitovy finoana aminy ny Kristianina iray? Tsy tokony hampanahy ve izany?

D. P., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Tsy nampirisika ny Kristianina hifanerasera akaiky amin’ny olona tsy mitovy finoana aminy ilay lahatsoratra. Mihatra foana ilay toro lalan’ny Baiboly hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Tsy midika anefa izany hoe tokony hihatakataka amin’ny olona tsy mitovy finoana amintsika isika. Voalaza tao amin’ilay lahatsoratra hoe mampirisika antsika “hanao soa amin’ny rehetra” ny Baiboly, fa tsy amin’izay mitovy finoana amintsika ihany. (Galatianina 6:10) Tsy maintsy miahy sy manaja ny olona isika, rehefa manatanteraka ny fanompoantsika kristianina. Nanome modely tsara tamin’io lafiny io i Jesosy. Tsy nifanerasera akaiky mihitsy tamin’izay tsy te hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy. (Jaona 15:14 ) Nanatona ny olona anefa izy, ary nahay niresaka sy nifandray tamin’izy ireny. Afaka nitory izy noho izany, ary nahita vokatra tsara. (Jereo, ohatra, ny fitantarana ao amin’ny Lioka 7:36-50.) Afaka manaja foana ny olona tsy mitovy finoana amintsika koa isika, toy ny nataon’i Jesosy. Ny “handefitra sy halemy fanahy tanteraka amin’ny olona rehetra” no tanjontsika.—Titosy 3:2.

Manontany ny Tanora Hoe... Inona no Hataoko mba Tsy Hampijaly Ahy Intsony Izy? (8 Jolay 2004) Misaotra tamin’ilay lahatsoratra. Nisy ankizilahy izay niaraka tamiko, ary notandindomin-doza teo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po aho. Natahotra azy aho, satria nampijaly ahy foana izy. Soa ihany fa nanampy ahy ny ray aman-dreniko sy ny anti-panahy ary i Jehovah Andriamanitra, ka afaka nisaraka taminy aho. Hahasoa an’ireo tena mila fanampiana ilay lahatsoratra.

J. A., Etazonia

Manantena aho fa tsy hanambady lehilahy mpampijaly, ny vehivavy hamaky an’io lahatsoratra io. Tokony holavina hatrany am-boalohany ny fitondrana ratsy, na am-bava izany, na ara-batana, na ara-pihetseham-po. Efa voa aho vao hendry.

T. G., Kanada

Fantatrao ve ny Manjo ny Dokoteranao? (8 Febroary 2005) Vao haingana aho no namaky ilay lahatsoratra. Misaotra nilaza mazava tsara izay manjo ny dokotera. Mpitsabo mpanampy aho, ary hitako fa tsy tsapan’ny marary matetika ny manjo ny dokotera, ary toy izany koa ny dokotera amin’ny marary. Enga anie ilay andian-dahatsoratra ka hanampy olona maro hahafantatra kokoa izay manjo ny mpitsabo sy hankasitraka ny asany.

L. K., Rosia

Nilaza tamiko ny dokotera iray fa tena finaritra izy namaky ilay gazety. Noderainy ny fikarohana natao, ary nekeny izay rehetra voalazan’ilay andian-dahatsoratra. Misaotra fa mahafinaritra ny lahatsoratra toy ireny.

H. Z., Alemaina

Tsy nihevitra afa-tsy ny tenako aho rehefa niditra hopitaly. Nanampy ahy hahafantatra izay manjo ny dokotera anefa io gazety io. Tsy hilaza ny aretiko araka ny fahitako azy fotsiny aho manomboka izao, fa hanaraka ny torohevitra eo amin’ilay efajoro hoe “Miaraha Miasa Amin’ny Dokoteranao.” Te hahatakatra kokoa izay manjo ny dokoterako aho.

J. M., Japon