Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Nosy Kanto Feno Fasika

Ilay Nosy Kanto Feno Fasika

Ilay Nosy Kanto Feno Fasika

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

NANDALO teo amin’ny morontsiraka atsinanan’i Aostralia ny Kapiteny James Cook, Anglisy mpikaroka tany vaovao, tamin’ny 1770. Nahita nosy lehibe iray izy, 150 kilaometatra mahery kely teo avaratry ny tanànan’i Brisbane. Manintona mpizaha tany 300 000 isan-taona izao io nosy io. Tsy tena niraharaha azy io anefa i Cook. Nihevitra mantsy izy sy ny olon-kafa hoe saikinosy izy io fa tsy nosy. Niombon-kevitra taminy ilay mpikaroka tany vaovao atao hoe Matthew Flinders, izay nijanona teo amin’ilay nosy mihitsy taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Hoy izy: “Mbola tsy nisy saikinosy ngazana toy ity.”

Ho niova hevitra i Cook sy Flinders, raha nandroso lavidavitra kokoa tany ambadik’ilay torapasika sy dongom-pasika mivolombolamena. Nisy ala mbola tsy nosimban’ny olona tany, farihy misy rano mangalahala, hantsam-pasika miloko mahavariana, ary karazam-biby an-jatony. Antsoina hoe Nosy Fraser izao io nosy io, ary izy no lehibe indrindra amin’ny nosy rehetra niforona avy tamin’ny fasika. Nampidirina ho anisan’ny Lova Iraisam-pirenena izy io tamin’ny 1992, satria tena miavaka. *

Avy amin’ny tendrombohitra

Mirefy 160 000 hektara ny velaran’ny Nosy Fraser, ka 120 kilaometatra ny lavany ary 25 kilaometatra ny sakany. Izy no avo indrindra amin’ny nosy rehetra niforona avy tamin’ny fasika, satria mahatratra 240 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina, ny haavon’ny havoanam-pasika ao aminy. Ahoana no niforonan’io nosy miavaka io?

Avy amin’ireo tandavan-tendrombohitra any amin’ny sisiny atsinanan’i Aostralia ny Nosy Fraser, raha ny marina. Rehefa nandeha mantsy ny fotoana, dia nokaohin’ny orana mivatravatra ireo silaka haram-bato teny amin’ireny tendrombohitra ireny, ary nentiny tany amin’ny renirano ka nivarina tany an-dranomasina. Nopotehin’ny onja izy ireny ka lasa fasika manify, ary natosiny tsikelikely nianavaratra nanaraka ny fanambanin’ny ranomasina. Voasakan’ireo dongon-tany sy haram-bato tany an-dranomasina ireny fasika an-taoniny maro ireny ka niangona, ary nanjary ny Nosy Fraser.

Mitondra fasika vaovao eny amoron’ilay nosy foana ny Oseana Pasifika, nanomboka teo. Tsofin’ny rivotra mankany afovoany izy ireny, ka lasa dongom-pasika. Ireo indray no mitatra tsikelikely, eo amin’ny iray metatra isan-taona eo ho eo, ka manototra izay rehetra lalovany.

Farihy sy ala tsy fahita

Mahagaga fa misy farihy 40 ao amin’ireo dongom-pasika manerana ilay nosy. Antsoina hoe farihy mihantona ny sasany amin’izy ireny, satria any an-tampon’ireo dongom-pasika goavam-be no misy azy. Inona no misakana an’ilay rano tsy hitsika amin’ny fasika? Misy potika ravinkazo sy tapatapa-kazo miangona ao amin’ny fanambanin’ilay farihy.

Misy karazana farihy hafa koa ao amin’ilay nosy. Lalina kokoa noho ny rano any ambanin’ny tany, ny lavaka eny amin’ny fasika indraindray. Miakatra ao anatiny àry ny rano, ka lasa farihy. Madio mangalahala erỳ ilay rano efa voasivan’ny fasika, ka toy ny fitaratra no fijery an’ilay farihy.

Ny ranonorana no mamatsy rano ny farihy ao amin’ilay nosy, ary mahatratra 1 500 milimetatra isan-taona ny rotsakorana. Lasa sakelidrano mivarina any an-dranomasina kosa ny ranonorana tsy lasa any amin’ireo farihy sady tsy voatrokan’ny fasika. Voalaza fa mamarina rano dimy tapitrisa litatra mahery isan’ora ao amin’ny Oseana Pasifika, ny renirano iray.

Maitso mavana foana ny Nosy Fraser satria be rano. Mazàna no tsy maniry amin’ny fasika ny hazo, satria tsy misy ireo zavatra mahavelona azy ao amin’ny fasika. Iray amin’ireo toerana vitsy eran-tany misy ala miroborobo eo amin’ny fasika anefa ny Nosy Fraser. Nisy fotoana tena nampahatevina an’ilay ala, ka nanararaotra nandritra ny 100 taona mahery ny mpikapa hazo. Ireo karazana kininina sy hazo kesika vaventy no tena nahaliana azy ireo. Hoy ny mpitrandraka hazo iray tamin’ny 1929: ‘Nisy nahita hazo goavam-be nilahadahatra, ary nahatratra 45 metatra ny haavony. Nirefy roa ka hatramin’ny telo metatra ny savaivon’ireny hazo nijoalajoala ireny.’ Nanamboarana ny Lakandranon’i Suez ny sasany taminy. Tsy misy mikapa intsony anefa izao ny hazo ao amin’ny Nosy Fraser, ka miroborobo tsara.

Paradisa manana tantara mampalahelo

Toe-javatra nampalahelo no nahatonga ilay anarana hoe Nosy Fraser. Rendrika ny sambo Stirling Castle nentin’ny Kapiteny James Fraser, tamin’ny 1836. Tafavoaka velona izy sy Eliza vadiny, ary tody soa teo amin’ilay nosy. Toa novonoin’ny tompon-tany izy tatỳ aoriana, fa i Eliza kosa voavonjy. Novana hoe Nosy Fraser ny anaran’ilay nosy fa tsy Nosim-pasika Lehibe intsony, ho fahatsiarovana an’ilay zava-nitranga nampalahelo.

Nisy loza koa nihatra tamin’ny mponina tao amin’ny Nosy Fraser. Niisa 2 000 izy ireo tamin’izany, ary voalaza fa ranjanana sy natanjaka. Nantsoin’izy ireo hoe K’gari na Paradisa ilay fonenany. Milaza ny anganon’izy ireo, fa io nosy io no toerana kanto indrindra noforonina hatramin’izay. Nampalahelo anefa fa maro tamin’ny mponina tao no ripaky ny aretina avy tany Eoropa. Tsy vitan’izany fa nifindra tany Aostralia ny ankabeazan’ny mponina sisa tavela tao, tany am-piandohan’ireo taona 1900.

Fonenana mahafinaritra

Bibidia maro izao no miriaria ao amin’ilay nosy. Ny dingô no malaza indrindra. Karazan’alikadia aostralianina izy io. Tsy miray amin’ny alika hafa any Aostralia, ny dingô any amin’ny Nosy Fraser. Maro àry no mihevitra fa ny dingô any amin’io nosy io ihany no tena dingô tsy mifangaro (izany hoe tsy metisy), any amin’ny faritra atsinanan’i Aostralia. Tsy alika fiompy izy ireny, na dia mety hitovitovy aminy aza, ka mila mitandrina tsara ianao fa mety hasiaka izy.

Misy karazam-borona 300 mahery koa ao amin’ilay nosy. Misy papango fotsy loha sy voromahery fotsy kibo manidintsidina eny amoron-dranomasina eny. Ny vintsy manga mamiratra kosa manidina haingana eny ambonin’ny farihy. Mandalo ao koa ny karazana fandiafasika, izay vorona mpifindra monina. Mikotrika any Siberia izy, ary manidina mianatsimo rehefa ririnina. Miala sasatra kely ao amin’ny Nosy Fraser izy ireo alohan’ny hamitany ny diany. Ankoatra an’ireo, dia hita ao koa ny karazana ramanavy manana loha mivolondavenona, izay miisa 30 000 mahery. Toy ny fosa manana elatra izy io, ary mitovy habe amin’ny goaika. Tonga ao amin’ilay nosy izy ireo isan-taona, mba hitroka ny mamimbonin’ny felana kininina.

Feno biby koa ao anatin’ny rano manodidina ny Nosy Fraser. Anisan’izy ireny ny trozona misy trafo, avy any amin’ny Tendrontany Atsimo ary ho any amin’ny Grande Barrière mba hanao firaisana sy hiteraka. Manao fampisehoana mahavariana ireo trozona ireo rehefa miverina: Ataony misavoana eny amin’ny rivotra ny vatabeny, ary adobony ao anaty rano avy eo. Mandroadroatra be ny rano amin’izay, ka tazana avy lavitra be. Fampisehoana tena kanto tokoa izany, mba hiarahabana an’ilay nosy mampitolagaga!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ampidirin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina, ho anisan’ny Lova Iraisam-pirenena ireo toerana voajanahary tena miavaka noho ny hakantony, na ny biby sy ny zavamaniry ary ny toetoetry ny tany ao aminy, na ny lafin-javatra hafa mahaliana ny mpahay siansa.

[Sarintany, pejy 14]

(Jereo ny gazety)

OSEANA PASIFIKA

Nosy Fraser

[Sary, pejy 15]

Eo ankavanana, avy eny ambony:

Vinanin’ny Sakelidrano Kurrnung

Misy farihy hafakely 40 manerana ny Nosy Fraser

Tsy fahita firy ny ala maniry amin’ny fasika

[Sary nahazoan-dalana]

Sary rehetra: Courtesy of Tourism Queensland

[Sary, pejy 16, 17]

Dingô sy koalà

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of Tourism Queensland

[Sary, pejy 16, 17]

Iray amin’ireo torapasika lava indrindra eran-tany ny torapasiky ny Nosy Fraser, mirefy 120 kilaometatra

[Sary, pejy 17]

Voromahery fotsy kibo

[Sary, pejy 17]

Vintsy

[Sary, pejy 17]

Gisandrano

[Sary, pejy 17]

Trozona misy trafo, eny an-dalana ho any amin’ny Tendrontany Atsimo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Voromahery: ©GBRMPA; sary rehetra afa-tsy ny gisandrano: Courtesy of Tourism Queensland