Mangetaheta Fitiavana
Mangetaheta Fitiavana
Fahiny, dia nisy tovovavy atao hoe Lea tany amin’ny tanàna iray any Torkia. Tsy mba tsara tarehy toa an’i Rahely zandriny izy.
NIHAONA tamin’ny lehilahy iray tena tia azy i Rahely. Vonona hiasa fito taona ho an’ny rain-dRahely ilay lehilahy, mba hanambadiana azy. Ny alin’ny mariazy anefa, dia i Lea indray no nomen’ny rainy fa tsy i Rahely. Tsy fantatsika hoe ahoana no fahitan’i Lea ny hafetsen-drainy. Tsy maintsy fantany anefa, fa tsy izany mihitsy no fomba tsara indrindra ahazoana vady.
Tezitra be ilay lehilahy, rehefa nahita izay nitranga. Nanazava ny rain’izy mirahavavy, fa tsy fanao eo amin’ny taniny ny mampanambady ny zandriny alohan’ny zokiny. Lasa vadin’ilay lehilahy àry i Lea, nefa fitaka no niandohan’ilay fanambadiana. Ankoatra izany, dia ilay zandriny no tian’ilay lehilahy hatramin’ny voalohany, ary mbola nalainy ho vady koa. Tsy maintsy ho nalahelo be i Lea, rehefa nahita ny rahavaviny nanehoana fitiavana be lavitra noho izy! Tsy mba afaka nifanerasera na nifampitory fitiavana akory izy sy ilay lehilahy, talohan’ny nanambadiany. Vitsy kely koa, raha nisy aza, ny zavatra nahafinaritra azy tamin’ny mariaziny. Azo antoka fa mba naniry mafy hotiavina toa an-dRahely izy! Mety ho nahatsiaro tena ho tsy tiana na tsy nilaina àry izy matetika, nefa tsy afa-nanoatra firy. *
Maro ankehitriny ny olona mahatsapa izay nanjo an’i Lea. Maniry hitia sy hotiavina daholo isika rehetra, ao anatintsika lalina ao. Angamba isika maniry mafy hahita vady tia antsika. Irintsika koa ny hotiavin’ny ray aman-dreny, zanaka, iray tam-po, ary namana. Voamaritsika angamba fa be mpitia ny olon-kafa, fa isika kosa tsy mba toy izany.
Mbola kely isika dia efa mahare tantaran’olon-droa tsara tarehy mifankatia, ary sambatra mandra-pahafatiny. Manao hira mampihetsi-po momba ny fitiavana ny mpihira, ary midera azy io ny poety. Hoy anefa ny mpikaroka iray: ‘Eo am-boalohany dia mahabe fanantenana aoka izany ny fitiavana, nefa matetika no mandiso fanantenana foana amin’ny farany. Vitsy ihany ny zavatra miafara toy izany.’ Ny olona tena akaiky antsika tokoa matetika no tena mampijaly antsika, ka mitondra fahoriana ho antsika fa tsy fifaliana maharitra. Efa ho ny antsasaky ny mpivady, ohatra, no misaraka ankehitriny, any amin’ny tany maromaro. Betsaka koa no tsy sambatra, na dia tsy misaraka aza.
Mijaly koa ny ankizy, satria mihamitombo ny ray na reny tokan-tena sy ny tokantrano mikorontana, any amin’ny tany maro. Tena mila fiahiana sy fitiavana avy amin’ny fianakaviany anefa ny ankizy, mba hampilamin-tsaina azy. Mbola misy àry ve ny fitiavana? Aiza no ahitantsika fampianarana momba an’io toetra sarobidy io? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Hita ao amin’ny bokin’ny Genesisy toko faha-29 sy 30 io tantara io.