Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpamonjy Voina any Londres

Mpamonjy Voina any Londres

Mpamonjy Voina any Londres

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

‘MIREFY 1 600 kilaometatra toradroa i Londres, nefa miezaka izahay mba ho tonga ao anatin’ny valo minitra any amin’izay olona marary na maratra mafy, na aiza na aiza misy azy. Tratranay io tanjona io matetika, na dia mitombo isan-taona aza ny loza mitranga.’ Izany no nolazain’i Rob Ashford, tompon’andraikitra ao amin’ny Sampan-draharaha Mpandrindra ny Asan’ny Fiara Mpitondra Marary eto Londres.

Nasaina nitsidika an’io sampan-draharaha io aho. Any Waterloo, any atsimon’ny renirano Tamise no misy azy io. Io sampan-draharaha io no lehibe indrindra atỳ Eoropa. Mamaly antso maika 3 000 eo ho eo isan’andro, avy amin’ny mponina fito tapitrisa eo ho eo izy io. Mampiasa fiteny 300 mahery ireo mponina ireo. Ahoana no andaminana an’ireo mpiasa 300 ao amin’ilay sampan-draharaha, mba hahavitany izany asa goavana izany?

Tena maika ve ilay antso?

Ny 999 no nomerao antsoina eto Grande-Bretagne, rehefa misy loza. “Antso maika 999” no anaran’ireny antso ireny eto. Nojereko ny fomba famalian’ny mpandray antso azy ireny. Fantariny haingana ny toerana nitrangan’ilay loza sy ny sampanan-dalana akaiky indrindra azy io. Misy sarina lalana miseho avy hatrany eo amin’ny ordinaterany. Mametraka ireto fanontaniana ireto izy, mba hahalalana raha tokony haleha haingana any na tsia: Firy ny olona mila vonjy? Firy taona avy izy ireo? Lahy sa vavy? Mahatsiaro tena ve? Mbola miaina ve? Manaintaina ve ny tratrany? Maratra ve?

Ampidirin’ny mpandray antso ao amin’ilay ordinatera ny valin’ireo. Sokajin’ilay ordinatera avy hatrany ilay loza. Misy loko menamena mipoitra eo amin’izy io, raha efa misy aina tandindomin-doza, ka tsy azo ampiandrasina. Raha volondaoranjy ilay loko, dia lehibe ilay loza, nefa mbola azo ampiandrasina. Raha maitso kosa, dia tsy lehibe ilay loza sady tsy misy aina tandindomin-doza. Alefan’ilay mpandray antso any amin’ny mpiasa hafa iray izany vinavina izany, ary io no mandefa olona hanampy an’ilay niharan-doza.

Fanampiana eny an-toerana

Misy 395 ny fiara mpitondra marary, ao amin’ilay sampan-draharaha. Manana fiara kely 60 haingam-pandeha koa ry zareo. Rehefa fantatra fa misy loza any amin’ny toerana iray, dia izay fiara akaiky indrindra azy io no alefa any. Manana mpitsabo mpanampy mandeha môtô koa ilay sampan-draharaha. Mora kokoa amin’ny môtô mantsy ny mamakivaky lalana be fiara sy olona. Efa misy dokotera 12 koa vonona andro aman’alina, hanampy an’ireo mpitsabo mpanampy ireo.

Reko nandritra ilay fitsidihana, fa nisy lozam-piarakodia nahatsiravina tany amin’ny lalana iray be fiara mivezivezy. Ny polisy no nampahafantatra azy io. Efa nisy fiara mpitondra marary teny an-toerana, nefa mbola niantso an’ilay sampan-draharaha ihany ny polisy. Nahoana? Mba hilazana amin’ireo mpiasa ao fa mety hilaina ny helikopteran’izy ireo. Mandeha inarivo eo ho eo isan-taona io helikoptera io, mba hamonjy voina. Hafakely izy io, satria mena ny lokony. Mpitsabo mpanampy iray sy dokotera iray no mitondra azy. Aterin’izy ireo any amin’ny Hopitalim-panjakan’i Londres matetika izay olona maratra be, ary tsaboina avy hatrany.

Nisy fomba fiasa hafa natomboka, tamin’ny 2004. Nandramana nasiana mpamonjy voina maromaro mandeha bisikileta, tany amin’ny Seranam-piaramanidin’i Heathrow eto Londres. Efa ampiasaina any afovoan-tanàna io fomba fiasa io. Maromaro ny dokotera mpamonjy voina sy mpitsabo mpanampy miara-miasa amin’izany, ka mba afaka mamonjy voina any an-kafa ny fiara mpitondra marary. Misy jiro manga sy sirène eo amin’ny bisikileta tsirairay. Misy kitapo feno fitaovana milanja 35 kilao koa eo amin’izy io, ka ireto ny sasany: fitaovana mamerina amin’ny laoniny ny fitepon’ny fo, oksizenina, ary fanafody mampitony fanaintainana.

Vao andro vitsy monja no nanombohana an’io fomba fiasa io, dia efa hita fa tena tsara. Nisy vehivavy 35 taona narary tampoka, ohatra, tao amin’ilay seranam-piaramanidina, ary tsy niaina intsony. Tonga ny mpitsabo mpanampy roa, segondra vitsy monja taorian’ny niantsoana ny 999. Nasian’izy ireo oksizenina ilay ramatoa, ary novelominy avy hatrany. Nentin’ny fiara mpitondra marary haingana tany amin’ny hopitaly akaiky indrindra izy avy eo. Nandeha nisaotra an’ireo mpitsabo mpanampy mihitsy izy rehefa sitrana, noho izy ireo namonjy ny ainy.

Sampan-draharaha mihamandroso

Raha tsy miteny anglisy ilay olona miantso ny 999, dia afindra any amin’ny mpandray antso mahay ny fiteniny. Mazava ho azy fa sarotra indraindray ny mamantatra ny fitenin’ny olona iray, indrindra raha miteny haingana be izy noho ny tebiteby na fahatairana!

Nisy filma fohy ahitana fanazavana an-tsoratra amin’ny teny anglisy, navoaka tamin’ny DVD, mba hampahafantarana ny besinimaro momba ny vonjy taitra. Nohazavain’ny gazetin’ilay sampan-draharaha, fa natao izany mba hampirisihana ny olona avy any Azia Atsimo monina eto, “hianatra ny fomba famerenana amin’ny laoniny ny fitepon’ny fo sy ny fisefoana.” Hita ao amin’ilay DVD koa ny zavatra ataon’ny mpiasa ao amin’ilay sampan-draharaha, rehefa maharay antso maika izy ireo.

Ahitana olona samy hafa firenena eto an-drenivohitr’i Angletera. Tena faly izy ireo satria voatsabo haingana rehefa misy loza mihatra aminy, na olona iray monja no iharan-doza na maro, ary na any anaty tionelina ambanin’ny tany na any amin’ireny tranobe manaka-danitra ireny. Hoy ny dokotera iray nirotsaka an-tsitrapo, momba ireo mpiasan’ny Sampan-draharaha Mpandrindra ny Asan’ny Fiara Mpitondra Marary eto Londres: “Anisan’ny mpiasan’ny fahasalamana mahay indrindra niarahako niasa hatramin’izay izy ireo.” Teny fiderana miavaka tokoa izany, ho an’io sampan-draharaha lehibe indrindra eran-tany tsy andoavam-bola io.

[Efajoro, pejy 11]

Olana sy Hatezerana

Maro ny olana mianjady amin’ny mpamonjy voina. Misy olona miantso mba hanontany zavatra tsy misy ifandraisany amin’ny famonjena voina. Ny hafa koa miantso, nefa tsy marary na maratra be akory. Misy indray diso nomerao, na mananihany fotsiny. Ratsy kokoa noho izany aza no ataon’ny hafa. Mivazavaza sy mamono mihitsy an’ireo mpitsabo tonga hikarakara azy ny marary sasany, na ny fianakaviany na ny olon-kafa! Mitebiteby angamba izy ireo na midoroka zava-mahadomelina, ka izany no mahatezitra azy. Misy koa anefa tsy manam-paharetana, satria mihevitra fa ela loatra vao tonga ny mpitsabo. Sarotra ny mandresy an’ireo olana ireo. Manampy iatrehana azy ireo anefa ny fampahafantarana amin’ny vahoaka, ny asan’ny mpamonjy voina.

[Sary, pejy 10]

Antso maika 3 000 eo ho eo isan’andro no voarain’ilay sampan-draharaha

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Sary rehetra: Courtesy of London Ambulance Service NHS Trust