Nahita Mouflon Izahay!
Nahita Mouflon Izahay!
Lohataona tamin’izay, ary tsara erỳ ny andro. Niainga vao maraina izahay, nitondra sarintany sy fakan-tsary, nanao satroka sy baoty mafy be, ary nandeha fiara tsy mifidy lalana. Ho any amin’ny Alan’i Paphos izahay, any amin’ny tandavan-tendrombohitr’i Troodos, eto amin’ny nosin’i Chypre. Te hahita biby sarotra tadiavina, atao hoe mouflon, mantsy izahay. Fa inona moa io biby io?
KARAZANA ondridia izy io, ary misy mitovitovy aminy manerana ny faritr’i Mediterane. Ilay karazany eto Chypre anefa no tena tianay ho hita. Misy milaza fa tsara tarehy toy ny serfa izy io, ary haingam-pandeha toy ny osy. Any an-tendrombohitra lavitra ihany no ahitana azy io.
Nanaraka lalambe aloha izahay, nivily nankeny am-pototr’ireo tendrombohitra, ary avy eo namakivaky lohasaha tsara tarehy. Misy tanàna eny amin’ny tehezan-tendrombohitra, ary feno voankazo maniry eny an-dohasaha. Lasa nikintoantoana be anefa ny lalana avy eo, ary mila hanamorona hantsana avo be indraindray ny fiaranay. Tonga tany amin’ny toerana misy ny mpikarakara an’ilay ala izahay, tamin’ny farany. Any afovoan’ny Alan’i Paphos no misy azy io. Feno hazo kesika sy sedera ilay ala, ary 60 000 hektara ny velarany. Nisotro kafe aloha izahay, ary niresaka tamin’ny mpikarakara an’ilay ala. Andreas no anarany, ary manao fanamiana maitso izy. Faly erỳ izy niresaka momba ny mouflons.
Nilaza izy fa io no bibidia mampinono lehibe indrindra eto Chypre. Feno azy io nanerana an’ilay nosy, taloha. Maro amin’ny sarisary amin’ny rindrina nataon’ny Grika sy Romanina fahiny, no ahitana azy. Voatantara ao amin’ny asa soratra eoropeanina koa, tamin’ny taona 476 ka hatramin’ny 1453, fa nahafinaritra ny andriana ny nihaza azy ireny tany amin’ny Alan’i Paphos.
Nentin’i Andreas ho any amin’ny toerana iray mifefy izahay, ary nitantara zavatra betsaka kokoa momba ny mouflon izy teny an-dalana. Fantatray tamin’izany, ohatra, fa lasa vitsy kely izy ireo, rehefa nanomboka nampiasa basy ny mpihaza. Tamin’ny 1938 vao nohavaozina ny lalàna momba ny fihazana teto Chypre, mba hiarovana azy ireo. Niara-niasa ny mpikarakara ny ala sy ny polisy, mba tsy hisy hihaza tsy ara-dalàna intsony izy ireny. Tsy nisy mpihaza navela hiditra an’ilay ala intsony, herintaona tatỳ aoriana. Mbola nisy fepetra hafa koa noraisina, tamin’ireo taona 1960. Nihabetsaka indray ny mouflon noho izany rehetra izany.
Ny mouflons hitanay voalohany
Niditra tao amin’ilay toerana mifefy niaraka tamin’i Andreas izahay, ary nikarokaroka tany anaty kirihitra sy hazo. Nasainy nangina izahay, ary notarihiny lavidavitra kely ho
eny amin’ny toerana avoavo. Nahatazana mouflons vavy telo niraoka ahitra teo amin’ny toerana malalaka izahay. Niaraka tamin’ny zanany roa vao teraka izy ireo. Efa ho iray metatra ny haavon’ireo mouflons vavy. Volontsôkôlà tanora ny lokony, ary mihamazava izany eo amin’ny kibony.Fotoana naha betsaka ny zavamaniry fihinany tamin’izay, ka tsy niraharaha anay ireo mouflons lehibe fa variana niraoka ahitra. Tsy nitsambikimbikina intsony anefa ireo mouflons kely, fa nitady hanatona anay. Faly erỳ izahay! Natahotra anefa izy ireo raha vao nalainay sary, ka poatoizay dia nirifatra tany anaty ala izy mianakavy.
Falifaly izahay rehefa avy nahita azy ireo, ka nieritreritra ny handeha an-tongotra eran’ilay ala, mba hitady hafa any ivelan’ilay faritra mifefy. Nilaza taminay i Andreas fa vao maraina no tsara mankany. Mandehandeha mitady sakafo eny amoron’ny ala mantsy izy ireo indraindray amin’izay. Nanapa-kevitra ny hatory ao anaty tranolay teo an-dohasaha izahay ny alina. Misy tendrombohitra tazana tsara teo, ka nieritreritra izahay hoe mety ho toerana tsara hitadiavana mouflon eny. Nolazaina taminay fa mandeha eny amin’ny tehezan-tendrombohitra avo izy ireny, amin’ny vanin-taona mafana. Mitady sakafo eny amin’ny toerana iva kosa izy amin’ny ririnina, rehefa rakotry ny lanezy ny toerana avo. Mandehandeha eny ivelan’ny ala mihitsy aza izy ireo amin’izany.
Amin’ny fararano izy ireo no manao firaisana. Manao andiany izy ireo amin’ny ririnina, ary misy 10 ka hatramin’ny 20 eo ho eo ny andiany iray. Misaratsaraka kosa izy, rehefa hiteraka amin’ny Aprily na Mey, toy ireo hitanay tany amin’ilay faritra mifefy. Mitady sakafo irery matetika ny mouflon lahy lehibe.
Ondry lahy any an’ala!
Vao nangiran-dratsy ny ampitson’iny, dia nentinay nananika havoana indray ny fiara, ary najanonay teo amin’ny toerana malalaka tao anaty ala. Nandeha an-tongotra izahay, dieny mbola tsy nahamay be ny andro. Mbola nangina be tao anaty ala, ary feno zavona. Niato kely izahay mba hankafy ilay fahanginana. Tamin’izay indrindra izahay no nahatazana mouflon lahy. Tsara tarehy ilay izy sady vaventy. Toa nihintsana tamin’ny ririnina daholo ny volony matevina. Mainty ny volo eo amin’ny tendany. Natongilany kely ny lohany, ary nodinihiny tsara izahay, sady nianjonanjona izy. Nanimbolo ny fofonay izy avy eo. Mainty ny volomasony. Ngezabe sy mifaingoka ny tandrony, ary 40 santimetatra, fara fahakeliny, ny halavan’ny iray! Lehibe noho ireo mouflons vavy hitanay ny omalin’iny ilay izy. Tokotokony ho 35 kilao ny lanjany.
Tsy nihetsika izahay, ary tsy sahy niaina mafy. Toa ren’io biby kaodikaody io anefa ny fofonay, satria nahetsiketsiny niakatra sy nidina ny lohany ary nandositra izy. Tena nahavariana anay ny zavatra hitanay sy fantatray tao anatin’ny roa andro. Nitombo koa ny fankasitrahanay ny Mpamorona. Hoy mantsy izy: “Ahy ny biby rehetra any an-ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.”—Salamo 50:10.
[Sary, pejy 24, 25]
“Mouflon” any Chypre (eo aoriana) sy “mouflon” eoropeanina
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
Ambony havanana: Oxford Scientific/photolibrary/Niall Benvie; mouflon eoropeanina: Oxford Scientific/photolibrary