Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?

Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?

TENA niaiky ny apostoly Petera ka niteny tamin’i Jesosy hoe: “Ianao no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.” (Matio 16:16) Iray monja amin’ny andinin-teny maro iresahana an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra io. Samihafa ny fomba andraisan’ny mpivavaka, an’io teny io.

Maro no mino fa Andriamanitra i Jesosy Kristy, kanefa sahirana izy ireo rehefa manazava ny antony iantsoana azy koa hoe Zanak’Andriamanitra. Mazava ho azy mantsy, fa tsy afaka ny ho izy roa izy. Misy kosa mihevitra fa olo-malaza fahiny izy, lehilahy hendry, na tena mpaminanin’Andriamanitra aza angamba. Tsy heveriny ho nanana toerana ambony noho ireo anefa izy. Inona marina no ampianarin’ny Baiboly? Zava-dehibe ve izay inoanao momba azy?

Lahimatoan’Andriamanitra

Milaza ny Baiboly fa nisy fotoana naha irery an’Andriamanitra. Be fitiavana anefa izy ka tapa-kevitra ny hanome aina. Niteraka àry izy, raha azo atao ny milaza izany, nefa tsy toy ny fanaon’ny olombelona. Nampiasa ny heriny tsy manam-petra kosa izy, mba hamoronana zavaboary iray velona sy manan-tsaina. Io “ilay fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra”, izay fantatsika amin’ny hoe Jesosy Kristy. (Apokalypsy 3:14; Ohabolana 8:22) Noforonin’Andriamanitra mivantana i Jesosy, ka rariny raha antsoina hoe ‘zanaka lahitokana’ sy “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.”—Jaona 1:14; Kolosianina 1:15.

Mazava àry fa tsy hety ho ny Mpamorona, dia ilay “Andriamanitra tokana” mihitsy i Jesosy, satria izy ilay zavaboary voalohany indrindra noforonin’Andriamanitra. (1 Timoty 1:17) Nomen’Andriamanitra tombontsoa maro io Zanany io. Tamin’ny alalany, ohatra, no namoronan’Andriamanitra “ny zava-drehetra”, anisan’izany ny anjely. Antsoina hoe “zanak’Andriamanitra” ny anjely, satria i Jehovah koa no Mpanome aina azy ireny.—Kolosianina 1:16; Joba 1:6; 38:7.

Rehefa avy nanomana ny tany mba honenan’ny olombelona Andriamanitra, dia azo inoana fa ilay Zanany lahimatoa no niresahany hoe: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika.” (Genesisy 1:26; Ohabolana 8:22-31) Tamin’ny alalan’ilay anjely izay ho lasa Jesosy koa àry, no namoronan’i Jehovah an’i Adama, ilay olombelona voalohany nantsoina hoe zanak’Andriamanitra.—Lioka 3:38.

Lasa olombelona ilay Zanak’Andriamanitra voalohany

Milaza amintsika ny apostoly Jaona fa ‘tonga nofo, ary nonina teo amintsika’ ilay Zanak’Andriamanitra ara-panahy, tamin’ny fotoana voatondro. (Jaona 1:14) Nanao fahagagana Andriamanitra, mba hanatanterahana izany. Nafindrany avy tany an-danitra ho ao an-kibon’i Maria, virjiny jiosy, ny ain’i Jesosy. Mbola Zanak’Andriamanitra àry i Jesosy, na dia lasa olombelona aza. Lavorary sy tsy nanota koa izy, satria Andriamanitra no nanome aina azy, fa tsy olona. ‘Hantsoina hoe masina, Zanak’Andriamanitra, ilay haterakao’, hoy ny anjely Gabriela tamin’i Maria.—Lioka 1:35; Hebreo 7:26.

Ny Rainy mihitsy no nanamafy fa mbola zanany ihany i Jesosy tamin’izy tonga nofo. Vavolombelona nahita ny lanitra nisokatra sy nandre feo avy tany an-danitra i Jaona Mpanao Batisa, tamin’ny batisan’i Jesosy. Hoy ilay feo: “Ity no Zanako malalako, izay sitrako.” (Matio 3:16, 17) Tsy mahagaga àry raha nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jaona: “Efa hitako izany, ka nanaporofo aho fa izy no Zanak’Andriamanitra.”—Jaona 1:34.

Tsy nanasongadina be ny maha Mesia sy Zanak’Andriamanitra azy i Jesosy, nandritra ny fanompoany teto an-tany. (Marka 8:29, 30) Ny olona ihany matetika no navelany hilaza izany, rehefa avy nihaino ny fampianarany sy nandinika ny fiainany ary nahita ny fahagagana nataony ampahibemaso. Nositraniny, ohatra, “izay rehetra narary, sy izay nampahorin’ny aretina sy ny fanaintainana maro samihafa.” (Matio 4:24, 25; 7:28, 29; 12:15) Tonga teo amin’i Jesosy daholo ny jamba, ny marenina, ny malemy, ary ny marary, ka nositraniny. Nanangana ny maty mihitsy aza izy! (Matio 11:4-6) Nanao fahagagana teo imason’ny mpianany izy, ka nandeha teny ambony rano ary nampitony ny rivotra sy ny onja nandritra ny tafiotra nahery vaika. Hoy izy ireo rehefa nahita izany: “Zanak’Andriamanitra tokoa ianao.”—Matio 14:24-33.

Mahasoa anao izay nataon’ny Zanak’Andriamanitra

Nahoana Andriamanitra no namindra ny Zanany lahitokana avy any an-danitra ho etỳ an-tany, mba ho faty tamin’ny fomba nahatsiravina? “Mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Tsy maintsy maty mantsy i Jesosy, vao afaka ‘nanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.’ (Matio 20:28) Mbola tsy nisy tokoa naneho fitiavana lehibe tamin’ny olombelona, toy ny nataon’i Jehovah sy ny Zanany lahimatoa.—Romanina 8:32.

Taorian’ny nahafatesany, dia ‘nambara ho Zanak’Andriamanitra’ tamin’ny fomba tena manokana sy tamin-kery i Jesosy, “tamin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty”, ka lasa Zanak’Andriamanitra ara-panahy. (Romanina 1:4; 1 Petera 3:18) Lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy avy eo, rehefa naharitra niandry teo anilan’ny Rainy, nandritra ny 1 900 taona teo ho eo. Hitondra ny tany manontolo io fanjakana any an-danitra io, aoriana kely.—Salamo 2:7, 8; Daniela 7:13, 14.

Te hahazo sitraka amin’io Zanak’Andriamanitra mahery io ve ianao? Raha eny, dia mampirisika anao izahay handinika ny fampianarany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainanao. Hoy i Jesosy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Zava-dehibe tokoa àry ny inoantsika fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy!—Jaona 3:18; 14:6; 1 Timoty 6:19.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

Nahoana i Jesosy no lazaina fa Zanaka lahitokan’Andriamanitra?Jaona 1:3, 14; Apokalypsy 3:14.

Nahoana ianao no mino fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy?Matio 3:16, 17.

Inona no soa horaisinao raha mino an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra ianao?Jaona 3:16; 14:6; 17:3.

[Sary, pejy 12, 13]

Tsy toy ny olon-drehetra i Jesosy. Manaporofo izany ny fampianarany feno fahendrena sy ny fahagagana miavaka nataony