Nahoana no Tsy Fahita Firy ny Tena Fitiavana?
Nahoana no Tsy Fahita Firy ny Tena Fitiavana?
Tsy tambo isaina ny torohevitra momba ny fitiavana eo amin’ny lahy sy vavy. Misy dokotera sy mpanolo-tsaina manome tari-dalana momba azy io. Misy fandaharana momba azy io koa indraindray, ao amin’ny tele.
MISY sampan-draharaha maro manoro hevitra momba ny fitiavana, ao amin’ny Internet. Mety hilaza izy ireo fa hahita “zava-miafina tena mahaliana sy mahavariana” ianao, ary hahazo torohevitra avy amin’ny “mpikarakara fanambadiana matihanina”, “manam-pahaizana amin’ny fifaneraserana”, ary “dokoteram-pitiavana.” Tsy lazaina intsony ny mpitsabo aretin-tsaina sy psikology ary mpanandro.
Tian’ny olona koa ny mividy boky sy gazety momba ny fitiavana. Sarotra inoana anefa indraindray ny fampanantenana ao anatin’izy ireny. Milaza, ohatra, ny boky iray fa afaka manoro anao “ny tokony hatao, raha irinao ho tia anao ny olona iray, na iza izy na iza.” Ny iray hafa milaza fa afaka manoro anao ny fomba ahitana “vady tonga lafatra, ao anatin’ny iray volana monja.” Ary raha tsy mahandry iray volana ianao, dia mbola misy koa boky milaza fa manana hevitra azonao ampiharina “ao anatin’ny adiny iray sy sasany na latsak’izany”, ary ho tia anao mandrakizay ny olona iray.
Andoavam-bola ny ankamaroan’ireny torohevitra ireny. Voa mafy anefa ny olona maro, satria matetika no tsy mahomby araka ny nantenainy ilay torohevitra. Sady lany vola àry izy no marary fo.
Mbola misy boky hafa ahitana torohevitra momba ny fitiavana anefa. Mahomby foana ny toroheviny rehefa ampiharina. Miresaka ny marina momba ny fitiavana io boky io, fa tsy milaza zavatra sarotra inoana na mampanantena poakaty. Efa ela izy io no nosoratana, nefa tsy lany andro mihitsy ny toroheviny. Be fitiavana ilay nampanoratra
azy io, ary tsy manan-tsahala ny fahendreny. Tsy inona io fanomezana miavaka io fa ny Baiboly Masina. Efa manana azy io angamba ianao. Ampianariny antsika izay tokony ho fantatsika momba ny fitiavana, na manao ahoana na manao ahoana ny fiainantsika taloha sy ankehitriny. Maimaim-poana koa ny toroheviny.Ny olon-drehetra ve anefa no hifandray tsara amintsika rehefa mampihatra ny torohevitry ny Baiboly isika? Tsia. Mbola hisy olona tsy ho tia antsika ihany, na dia miezaka mafy aza isika. Tsy azo terena mantsy ny tena fitiavana. (Tonon-kiran’i Solomona 8:4) Ho mora kokoa amintsika anefa ny hifandray tsara amin’olona, raha mampihatra ny tari-dalan’ny Baiboly isika, na dia mila fotoana sy ezaka aza izany. Mbola hiresaka momba izany ny lahatsoratra manaraka, fa andeha aloha hojerentsika hoe nahoana no mihatsy fahita ny tena fitiavana, ankehitriny.
“Hihamangatsiaka” ny fitiavana
Nitanisa ny zava-mitranga sy ny toetran’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny i Jesosy, tao amin’ilay faminaniany malaza momba “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Ary marina ny teniny. Nilaza izy fa zavatra mifanohitra tanteraka amin’ny fitiavana no hanjaka eran-tany, dia fandikan-dalàna sy ady! Nilaza koa izy fa “hamadika ny namany” sy “hifankahala” ny olona, ary “hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” (Matio 24:3-12) Tsy marina tokoa ve fa lasa mafy fo ny olona, ary tsy misy intsony ny tena fitiavana, na dia eo anivon’ny fianakaviana aza?
Mbola notanisain’ny apostoly Paoly tamin’ny an-tsipiriany kokoa noho ny an’i Jesosy, ny ho toetran’ny olona amin’izao “andro farany” izao. Nilaza izy fa ny olona “ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hiavonavona, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:1-4) Lasa fahita matetika ireo toetra ireo any amin’ny tany maro.
Eritrereto izao: Moa ve ianao te hifandray amin’olona matin-kambo, tsy misaotra, tsy mena-mivadika, na koa manendrikendrika na mamadika anao? Moa ve ianao te hinamana amin’olona tia tena, tia vola, na tia fahafinaretana? Tia vola na tia fahafinaretana ny olona tsy mahalala afa-tsy ny tenany, ka tsy minamana amin’ny hafa, raha tsy mahazo tombontsoa. Feno fahendrena àry ilay torohevitry ny Soratra Masina hoe: “Ialao ny olona toy ireny.”—2 Timoty 3:5.
Mariho koa ilay hoe “tsy ho tia ny mpianakaviny” ny olona amin’ny andro farany. Mampalahelo fa mihamaro ny ankizy iharan’izany ao an-trano. Amin’ny alalan’ny haino aman-jery izy ireny mazàna no mba mianatra momba ny fitiavana. Ilay karazam-pitiavana tena hanampy antsika hifandray tsara kokoa amin’ny olona anefa ve no asehon’ny haino aman-jery?
Tena fitiavana sa tsia?
Misy heriny eo amin’ny ankamaroantsika ny haino aman-jery. Hoy ny mpikaroka iray: ‘Mbola kely isika, dia efa tototry ny hevi-diso momba ny filan’ny nofo sy ny fitiavana ary ny fifaneraseran’ny mpifankatia. Ary sarotra kosehina ao an-tsaina izy ireny. Avy amin’ny haino aman-jery no ahazoantsika izany, ka anisan’ireny ny sinema, tele, boky, gazety, radio, hira, dokam-barotra, ary eny fa na dia ny vaovao aza.’ Hoy koa izy: “Lasa manantena zavatra tsy azo tanterahina isika, rehefa mahita ny fomba ampisehoan’ny ankamaroan’ny haino
aman-jery, ny firaisana sy ny fitiavana ary ny fifaneraseran’ny mpifankatia. Tsy vitan’ny ankamaroantsika ny manala izany tanteraka ao an-tsaina, ka lasa tsy mahafa-po antsika ilay olon-tiantsika sy ny tenantsika.”Mahalana tokoa vao milaza ny marina momba ny fitiavana, ny boky sy ny filma ary ny hira. Tsy dia natao hampianarana mantsy izy ireny, fa hampialana voly fotsiny. Izany no mahatonga ny mpanoratra tsy hitsahatra hamoaka tantaram-pitiavana tsy mampiseho ny tena zava-misy, satria fantany fa hahazoam-bola be izy ireny. Mampalahelo fa mora afangaron’ny olona ny tantara tsy tena misy toy ireny, sy ny tena zava-misy. Matetika àry izy ireo no diso fanantenana, satria tsy mitovy amin’izay hitany ao amin’ny filma ny fiarahany amin’ny olon-tiany. Noho izany, ahoana no hahaizantsika hanavaka ireny toe-javatra tsy tena misy ireny, sy ny tena zava-misy? Ahoana no hanavahantsika ny fitiavana ao amin’ny haino aman-jery sy ny tena fitiavana? Jereo ireto fampitahana manaraka ireto.
Ny fitiavana ao amin’ny haino aman-jery sy ny tena fitiavana
Mety hiovaova ny tantaram-pitiavana ao amin’ny boky na filma na teatra, fa tsy dia miova kosa ny drafitra arahina. Hoy ny gazety Mpanoratra (anglisy): ‘Mbola tsy miova foana ny drafitra arahina amin’ny ankamaroan’ny tantaram-pitiavana. Tsy inona izany fa ilay hoe: “Mihaona ny ankizilahy iray sy ny ankizivavy iray. Tafasaraka izy ireo avy eo, nefa miaraka indray amin’ny farany.” Mandaitra foana io hatramin’izao, na oviana na oviana ilay tantara no nitranga.’ Andeha hojerentsika akaiky io drafitra be mpitia io.
Mihaona ny ankizilahy iray sy ny ankizivavy iray: Mihaona ny andriana iray bikàna sy ny ankizivavy iray tsara tarehy, ka samy raiki-pitia. Izao no torohevitry ny mpanoratra malaza iray, ho an’izay te hanoratra tantaram-pitiavana: “Tokony ho hitan’ny mpamaky fa vao mifampijery voalohany fotsiny [izy roa], dia efa mahalala fa natao hiaraka.”
Te hilaza izany fa fihetseham-po fotsiny ny tena fitiavana, ary tsy hay tohaina, fa mameno tampoka ny fonao rehefa mihaona amin’ilay olona tena mety aminao ianao. Tsy mitaky ezaka firy izy io, ary tsy dia mila mahalala an’ilay olona ianao. Tsy fihetseham-po fotsiny anefa ny tena fitiavana. Fatorana mafy mampiray kosa izy io, ary misy fitsipika mifehy azy. Tsy mitsaha-mitombo izy io rehefa kolokoloina tsara foana.—Kolosianina 3:14.
Mitaky fotoana koa ny fahalalana olona iray. Tsy mitombina mihitsy ny hoe vao mijery voalohany olona iray ianao, dia efa mahalala fa izy no tena mety aminao. Matetika no diso fanantenana izay mino an’izany. Raha manatsoaka hevitra maimaika koa ianao fa tena tia anao ilay olona, dia mety tsy ho hitanao ireo porofo mampiseho fa tsy voatery ho marina izany. Tsy fitiavana mameno tampoka ny fo sy miredareda fotsiny no ilaina, rehefa hifidy vady sahaza. Koa aza maika àry. Hita tamin’ny fanadihadiana natao, fa mety tsy handeha tsara ny asan’ny olona tsy nahay nifidy vady. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny sainy sy ny vatany koa izany, ary mety tsy ho ela velona mihitsy aza izy.
Tafasaraka izy roa: Misy olona ambony ratsy fanahy maka an-keriny an’ilay ankizivavy, ary mandositra miala ao an-dapa. Manao vivery ny ainy mitady an’ilay ankizivavy ilay andriana. Hoy ny mpitondra tenin’ny
Mpanoratra Tantaram-pitiavana Amerikanina: “Ny zavatra tokony hisongadina ao amin’ny tantaram-pitiavana dia olon-droa mifankatia, ka miady mafy mba hampety ny fiarahany.” Tsy maintsy tafaraka foana izy roa amin’ny farany, amin’ny ankamaroan’ny tantaram-pitiavana. Ary fantatry ny mpamaky izany. Tsy maintsy voavaha foana koa ny olana, izay matetika no tsy avy amin’izy roa.Raha ny marina anefa, dia mazàna no misy olana miankina amin’ny mpifankatia koa. Mety ho resaka vola izany, asa, havana, ary namana. Mipoitra koa ny olana, rehefa mandiso fanantenana antsika ny olon-tiantsika. Matetika no tsy dia manana toetra ratsy ny mpilalao ao amin’ny tantaram-pitiavana. Tsy toy izany foana anefa eo amin’ny fiainana. Ary na manana ny tena fitiavana aza isika, dia tsy mora ny mandresy fitsapana na mahazaka ny tsy fitovian’ny fiaviana, hevitra, faniriana, ary toetra. Mila miezaka kosa isika mba hahay hiara-miasa, hanetry tena, halemy fanahy, hanana faharetana, ary hahari-po, na dia sarotra aza izany matetika.—1 Korintianina 13:4-7.
Miaraka indray izy roa: Vonjen’ilay andriana ilay ankizivavy tsara tarehy, ary alefany any an-tsesitany ilay olona ambony. Mivady izy roa ary sambatra mandra-pahafatiny. Izao no torohevitry ny mpampanonta boky misy tantaram-pitiavana, ho an’izay maniry hanoratra izany: “Mila milaza ianao fa sambatra izy roa mandra-pahafatiny. ... Ho afa-po ny mpamaky rehefa mahalala fa nivady izy roa ary sambatra.” Mahalana tokoa ny tantaram-pitiavana vao milaza ny fiainan’ireo mpifankatia, taona maro taorian’ny mariaziny. Tsy maintsy ho nisy disadisa sy olana maro be nitranga anefa nandritra io fotoana io, ka nanakorontana ilay tokantrano. Maro ny tokantrano rava noho izany. Manamarina izany ny antontan’isa momba ny fisaraham-panambadiana.
Tsy mitaky ezaka firy tokoa ny fitiavana, ao amin’ny tantara noforonina. Ilana ezaka kosa ny tena fitiavana. Tsy ho diso fanantenana ianao, raha mahatakatra fa tsy mitovy ireo. Tsy hanao voady maimaika koa ianao, ka mety hanenenanao any aoriana. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba anehoana fitiavana tsy mitady valiny, sy ny fomba ahatongavana ho olona mahatehotia kokoa.
[Teny notsongaina, pejy 5]
Tsy dia mahatehotia ny olona tsy dia maneho fitiavana
[Teny notsongaina, pejy 7]
Tsy mitaky ezaka firy ny fitiavana, ao amin’ny tantara noforonina. Ilana ezaka kosa ny tena fitiavana
[Efajoro/Sary, pejy 6]
Mpilalao Fototra ao Amin’ny Tantaram-pitiavana
Ahazoana arivo tapitrisa dolara mahery isan-taona ny boky misy tantaram-pitiavana, any Etazonia. Tantaram-pitiavana avokoa ny antsasany eo ho eo amin’ny boky misy tantara noforonina, amidy any. Araka ny antontan’isa navoakan’ny Mpanoratra Tantaram-pitiavana Amerikanina, dia ireto no zavatra telo lehibe indrindra tadiavin’ny mpamaky, amin’ny mpilalao fototra: Raha lehilahy ilay izy, dia tokony hatanjaka sy ho tsara tarehy ary ho kinga saina. Raha vehivavy ilay izy, dia tokony ho kinga saina sy hanana ny maha izy azy ary ho tsara tarehy. Marihina fa vehivavy ny 90 isan-jaton’ny mpamaky tantaram-pitiavana.
[Sary, pejy 6, 7]
Mahalana vao milaza ny marina momba ny fitiavana ny haino aman-jery