Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Te Hanompo An’Andriamanitra Aho Alohan’ny Hahafatesako’

‘Te Hanompo An’Andriamanitra Aho Alohan’ny Hahafatesako’

‘Te Hanompo An’Andriamanitra Aho Alohan’ny Hahafatesako’

TANTARAN’I MAMIE FREE

NISY ady an-trano nipoaka tatsy Liberia, tamin’ny 1990. Nihamafy ny ady, ka tsy afaka nivoaka ny tranony tao Monrovia renivohitra, ny ankizivavy 12 taona atao hoe Mamie, sy ny fianakaviany. Avy amin’ny foko krahn izy ireo. Hoy i Mamie: “Nahare zavatra nipoaka be izahay tao amin’ny tranon’ny mpifanila trano taminay. Hay nisy bala afomanga nilatsaka tamin’ilay izy, ary nampirehitra azy! Nisy afo nipitika tany amin’ny tranonay, ka nirehitra koa izy io.” Nangotraka ny ady, ka nandositra i Mamie sy ny reniny ary ny anadahin-dreniny.

Hoy i Mamie: “Nisy zavatra nipitika tampoka tany amiko.”

“Nanontany i Neny hoe: ‘Fa misy inona?’ ”

Hoy aho: “Nisy zavatra nipitika tatỳ amiko! Voan’ny bala angamba aho.”

Nanaintaina mafy i Mamie, ka nihohoka tamin’ny tany, ary nivavaka hoe: “Mba henoy aho, Andriamanitra ô! Efa ho faty angamba aho, nefa te hanompo anao aho alohan’ny hahafatesako.” Tsy nahatsiaro tena izy avy eo.

Noheverin’ny mpiara-monina taminy fa maty izy, ka saika halevin-dry zareo teny amoron-dranomasina teny akaiky teny. Tsy nety anefa ny reniny, raha tsy nentina tany amin’ny hopitaly teo an-toerana izy. Mampalahelo fa tsy ampy fitaovana ilay hopitaly, ka tsy afaka nikarakara an’ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy naratra be dia be, tonga tany. Naratra koa ilay anadahin-drenin’i Mamie, ary maty tamin’iny alina iny. Velona soa aman-tsara kosa i Mamie, saingy nalemy ny tapany ambany, nanomboka teo amin’ny andilany.

Tsy nitsahatra nandeha ra ny tany anatiny, sady nanaintaina mafy foana izy. Natao radio ihany anefa izy, efa-bolana tatỳ aoriana, mba hahafantarana hoe aiza ho aiza ilay bala. Hitan’ny dokotera teo anelanelan’ny fony sy ny havokavony ilay izy. Tena atahorana ny fandidiana, ka naleon-dreniny nitondra azy tany amin’ny mpitsabo amin’ny raokandro nentim-paharazana. Hoy i Mamie: “Notatahan’ilay rangahy tamin’ny hareza ilay ratra. Nataony teo amin’ilay tataka ny vavany avy eo, ary nezahiny notrohina ilay bala. Hoy izy avy eo: ‘Ity ilay izy’, sady namoaka bala avy tany am-bavany izy. Nomenay vola izy, ary lasa izahay.”

Nandainga anefa ilay rangahy. Hita tamin’ny radio indray mantsy fa mbola tao ilay bala. Niverina tany amin’ilay rangahy àry i Mamie sy ny reniny. Nandresy lahatra azy ireo izy, fa mila sivy volana fanampiny vao ho hita amin’ny radio hoe tsy ao intsony ilay bala. Nody ry zareo, ary niandry nandritra ny sivy volana. Nampiasa fanafody isan-karazany i Mamie, nandritra izany fotoana izany, mba hampitonena ny fanaintainany. Natao radio indray àry izy, sivy volana tatỳ aoriana. Mbola tao ihany ilay bala. Lasa nandositra ilay mpitsabo amin’ny raokandro.

Efa 18 volana ilay bala no tao anatin’i Mamie. Nentin’ny havany tany amin’ny ramatoa iray mpimasy izy. Tsy nanao na inona na inona ilay ramatoa, fa nanonona daty iray fotsiny, ary nilaza fa ho faty amin’io ny iray amin’i Mamie sy ny reniny. Efa 13 taona i Mamie tamin’izay. Hoy izy: “Nigogogogo nitomany foana aho. Tsy nisy maty anefa, rehefa tonga ilay daty.”

Nentin’ny dadatoany tany amin’ny mpitondra fivavahana iray i Mamie, tatỳ aoriana. Nilaza izy io hoe nahazo fahitana, ka hitany fa tsy bala no nampahalemy an’i Mamie, fa nisy namosavy. Nampanantena izy fa ho afaka handeha indray i Mamie, rehefa afaka herinandro, raha manaraka tsara ny fombafomba atorony. Hoy i Mamie: “Nandro imbetsaka tamin’ny rano nalaina tany an-dranomasina aho, ary nifady hanina. Nivadibadika teo amin’ny tany koa aho isaky ny misasakalina, ary ora maro no nanaovako an’izany, raha atambatra. Tsy nisy vokany anefa izany rehetra izany, ary tsy nihatsara ny fahasalamako.”

Nihabetsaka anefa tamin’ny farany ny toeram-pitsaboana niasa. Azo nesorina ihany àry ilay bala, rehefa avy niaritra zava-tsarotra maro nandritra ny fotoana ela i Mamie. Efa roa taona mahery izy no nanaintaina tsy an-kijanona. Hoy izy: “Tsy dia nanaintaina intsony aho rehefa avy nodidiana, ary nanjary mora kokoa ny nifoka rivotra. Nampiasa fitaovana nanampy ahy handeha aho, ka afaka nijoro na dia nalemy foana aza ny tapany ambany amiko.”

 Nihaona tamin’ny  Vavolombelon’i Jehovah

Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah roa ny renin’i Mamie, herinandro vitsivitsy taorian’ilay fandidiana. Nanasa azy ireo ho any an-tranony izy, satria fantany fa tia mamaky Baiboly ny zanany. Nanaiky hianatra Baiboly avy hatrany i Mamie. Niditra hopitaly indray anefa izy volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary tsy nifankahita tamin’ireo Vavolombelona ireo intsony.

Mbola te hianatra Baiboly anefa izy, ka nanaiky hanao izany rehefa nisy mpitondra fivavahana naniry hampianatra azy. Nanontany an’ilay mpitondra fivavahana toy izao ny mpianatra iray, nandritra ny sekoly alahady: “Mitovy ve Andriamanitra sy Jesosy?”

Namaly izy hoe: “Ie, mitovy Andriamanitra sy Jesosy, fa misy maha samy hafa azy.”

Hoy i Mamie anakampo: ‘Raha mitovy ve izy ireo dia ho samy hafa? Tsy mitombina mihitsy izany.’ Tsapany fa tsy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly no nampianarina azy, ka tsy nankany amin’ilay fiangonana intsony izy.

Nipoaka indray ny ady tatsy Monrovia tamin’ny 1996. May indray ny tranon-dry Mamie, ary maty ny havany roa. Nihaona tamin’ny Vavolombelona roa nitory isan-trano i Mamie, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary niverina nianatra Baiboly indray. Gaga izy rehefa nanatrika fivoriana voalohany. Nandray anjara tamin’ny fanadiovana ny Efitrano Fanjakana mantsy ny rehetra, anisan’izany ny anti-panahy. Tsy ela taorian’izay, tamin’io taona io ihany, dia faly erỳ izy nanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra.” Io no fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah natrehiny voalohany.

Hoy izy: “Gaga be mihitsy aho. Tena mifankatia ny Vavolombelona, na dia samy hafa foko aza. Voalamina tsara koa ny zava-drehetra.”

Tanteraka ny faniriany hanompo an’Andriamanitra

Nipoaka indray ny ady tamin’ny 1998, ka voatery nandositra tany Côte d’Ivoire, teo akaiky teo, i Mamie sy ny reniny. Nipetraka tany amin’ny Tobin’ny Mpitsoa-ponenana any Peace Town izy ireo, niaraka tamin’ny Liberianina 6 000 teo ho eo. Notohizin’i Mamie ny fianarany Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona, ary nandroso haingana izy. Tsy ela dia tiany horesahina amin’ny olona ny zavatra inoany. Nanampy azy àry ny anadahiny sy ny rahavaviny kristianina, ka nanosika azy tamin’ny seza misy kodiarana mba hahafahany hitory. Afaka nitory tsara tamin’ny mpitsoa-ponenana maro izy, noho izany.

Tsy mora tamin’i Mamie ny nankany amin’ny Efitrano Fanjakana. Kilemaina mantsy izy, sady enina kilaometatra avy teo ny tranony. Nanatrika ny fivoriana rehetra anefa izy. Nanao dia 190 kilaometatra mahery izy tamin’ny 14 Mey 2000, mba hanatrika fivoriambe manokana iray andro, ary hatao batisa hanehoany ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra. (Matio 28:19, 20) Nobataina izy rehefa haroboka tao anaty renirano, ary maro no latsa-dranomaso. Nitsikitsiky erỳ izy rehefa avy tao anaty rano.

Mipetraka any amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana any Ghana izao ry Mamie. Te ho mpisava lalana maharitra izy, na mpitory ny vaovao tsara manontolo andro. Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny reniny, ary miresaka ny zavatra ianarany amin’ny olona izy izao. Tena tsy andrin’izy ireo ny fotoana ahatanterahan’ilay fampanantenana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.”—Isaia 35:5-7.

[Sary, pejy 22]

Ilay bala nalana tao amin’i Mamie

[Sary, pejy 23]

Nobataina ho ao anaty renirano i Mamie, rehefa hatao batisa

[Sary, pejy 23]

Miara-mianatra Baiboly amin’i Emma reniny