Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Ny 5 isan-jaton’ny mponina eran-tany no nampiasa zava-mahadomelina, tamin’ny taon-dasa. Nisy 200 tapitrisa teo ho eo izy ireo, ary 15 ka hatramin’ny 64 taona.—TATITRA ERAN-TANY MOMBA NY ZAVA-MAHADOMELINA TAMIN’NY 2005, NAVOAKAN’NY FIRENENA MIKAMBANA.

Nasehon’ny fandinihana fa raha oharina amin’ny ankizy hafa, dia atahorana kokoa hahavita herisetra ny zatovo mahita fifampitifirana, ao anatin’ny roa taona aorian’ny ahitany izany.—SCIENCE, ETAZONIA.

Latsaka ny 35 taona ny 16,8 isan-jaton’ireo vehivavy hita fa voan’ny kanseran’ny nono, izay nozahana tao amin’ny hopitaly iray any São Paulo, Brezila, tao anatin’ny herintaona. Azo antenaina kokoa fa ho sitrana ilay aretina, raha vao manomboka dia efa hita.—FOLHA ONLINE, BREZILA.

Fanalana Sorisory

“Anisan’ny aretina lehibe amin’izao androntsika izao” ny sorisory, hoy ny mpikaroka, tao amin’ny gazety The Vancouver Sun. Hita tamin’ny fanadihadiana iray, fa “efa ho ny telo ampahefatry ny olona any Amerika Avaratra, no maniry mafy zava-baovao betsaka kokoa eo amin’ny fiainany.” Ireto no fanalana sorisory natoron’ilay gazety: ‘Ovao ny fanao mahazatra anao raha lasa mankaleo anao, mianara zava-baovao, manaova asa soa, mizàra maneho fankasitrahana, ary mampiasà vatana, ohatra hoe mandeha an-tongotra.’

Fanandevozana Maoderina

“Olona 12,3 tapitrisa, fara fahakeliny, eran-tany no ampanaovina asa an-terivozona”, hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Asa, ao amin’ny Firenena Mikambana. Tombanana fa nisy nivarotra, ny 2,4 tapitrisa mahery amin’ireo. Ny sasany terena hivaro-tena na hanao miaramila. Ny hafa kosa ampanaovina asa kely karama na tsy andraisan-karama mihitsy, mba hanefana trosa amin’ny mpampiasa. Hoy i Juan Somavia, Tale Jeneralin’ilay fikambanana: “Fanaovana tsinontsinona ny zon’ny olona sy fanambaniana azy [ny fanerena azy hanao asa toy izany].”

Baiboly Voalohany Amin’ny Teny Kreôla

“Voadika amin’ny teny [kreôla] fampiasan’ny teratany any Aostralia ny Baiboly, manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy”, hoy ny gazety The Sydney Morning Herald. Kasaina havoaka amin’ny 2007 izy io, ary hitondra soa ho an’ireo teratany 30 000 eo ho eo, izay mipetraka any amin’ireo tanàna mitokana any amin’ny Faritra Avaratr’i Aostralia. “Efa 27 taona izay no nanombohan’ilay fandikan-teny”, hoy ilay gazety. Milaza ny Vondron’ireo Fikambanana Mampiely Baiboly, fa “voadika tamin’ny fiteny 22 fanampiny ny Testamenta Vaovao, tamin’ny 2004.” Misy amin’ny fiteny sy fitenim-paritra 2 377 izao ny Baiboly manontolo, na ny ampahany aminy.

Hafanana ao Anaty Fiara Mijanona

Ankizy 35 no matin’ny hafanana tany Etazonia, tamin’ny 2004, satria navela tao anaty fiara mijanona, hoy ny gazety Pediatrics. Asehon’ny fikarohana fa mety hiakatra haingana ho 57 ka hatramin’ny 68 degre ny mari-pana ao anaty fiara, rehefa mihoatra ny 30 degre ny any ivelany. Mbola mety hiampy 4 degre eo ho eo ny mari-pana ao anaty fiara, na dia 22 degre aza ny any ivelany. Ao anatin’ny 15 ka hatramin’ny 30 minitra aorian’ny hijanonan’ny fiara no tena isehoan’izany. Mbola mafana be ihany ao anaty fiara, na dia ampidinina efatra santimetatra aza ny varavarankely, ary na alefa aza ny fampangatsiahan-drivotra, alohan’ny hamonoana ny maotera. Mety hamonjy aina ny fampahafantarana an’io loza io amin’ny besinimaro, hoy ny mpanoratra ilay lahatsoratra.