Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hiarovantsika ny Zanatsika?

Ahoana no Hiarovantsika ny Zanatsika?

Ahoana no Hiarovantsika ny Zanatsika?

Tamin’ny taon-dasa, dia nisy vehivavy iray tany Virginie, Etazonia, nankasitraka ilay boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, ary nanoratra hoe: “Izao no lazain’ireo zafikeliko alohan’ny handehanany hatory: ‘Bebe a! Mba amakio tantara avy ao amin’ilay bokin’i Jesosy izahay!’ Efa-taona sy enin-taona ary fito taona izy ireo, ka tena tia tantara.”

Hoy ihany ilay renibe: “Novakiko ny toko faha-32 mitondra ny lohateny hoe ‘Ahoana no Niarovana An’i Jesosy?’ Tena nahafinaritra ahy io toko io, satria hazavainy ao ny fomba niarovan’i Jehovah an’i Jesosy, ary avy eo izy manome torohevitra azon’ny ankizy ampiharina. Izao no voalaza ao: ‘Raha misy mitady hanao an’izany dia teneno mafy izy hoe: “Mipetraha tsara! Halazako ianao!”’ ”

Nilaza ny reny meksikanina iray, manan-janakavavy dimy taona atao hoe Betsaida, fa efa indroa izy no namaky manontolo tamin’io zanany io ny boky Mpampianatra Lehibe. Hoy ilay reny: “Tena miharatsy fitondran-tena ity tontolo ity, ka mihamaro foana ny zava-tsarotra atrehin’ny zanatsika. Milaza ilay zanako vavy fa tiany be ilay toromarika mahakasika ny fomba iarovan-tena amin’ny fitaoman-dratsy toy izay voalazan’ny toko faha-32.”

Tena manampy ny ray aman-dreny hanaraka ny toromariky ny Baiboly mba hampiofana ny zanany io boky 256 pejy io. (Ohabolana 22:6) Voaravaka sary tsara tarehy ary mitovy velarana amin’ity gazety ity izy io. Miorina amin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy ireo lesona ao anatiny, ary hazavaina amin’ny fiteny tsotra, nefa natao ho an’ny sokajin-taona rehetra ny foto-kevitra velabelariny. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ny tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.