Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Ampio ny Tanora (8 Aprily 2005) Tena nahalalako zavatra iny andian-dahatsoratra iny. Sarotra tokoa indraindray ny miatrika ny fotoana maha zatovo. Mora atrehina kokoa anefa ilay izy rehefa eo ny lahatsoratra mampahery toy ireny. Fanazavana toy ireny mihitsy no ilainay mba hampahery anay amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1) Hanampy anay tsy ho voafandriky “ny teti-dratsin’ny Devoly” ny fampahatsiahivana ao amin’ireny lahatsoratra ireny. (Efesianina 6:11) Misaotra anareo nanome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety.

K. S., Etazonia

Trano Madio—Andraikitsika Rehetra (8 Jona 2005) Niasa daholo ny ray aman-dreniko tamin’izaho mbola kely, ary nilalao tao an-trano foana izahay ankizy. Nikorontana be mihitsy ny tranonay. Tena tsy tia manadio aho hatramin’izay. Rehefa namaky an’io lahatsoratra io anefa aho, dia toy ny hoe i Neny mihitsy no nampianatra ahy ny fomba fanadiovana, ary nataony tamin-katsaram-panahy izany. Efa lehibe izao ny zanako, ary tsy tia manadio koa izy ireo. Tsy maintsy mampianatra azy ireo zavatra maro aho. Nampahery ahy ilay lahatsoratra.

Y. E., Japon

Fantatrao ve ny Manjo ny Dokoteranao? (8 Febroary 2005) Anti-panahy kristianina aho sady dokotera. Be dia be ny marary hitako isan’andro, ka reraka noho ny fangorahana azy ireny aho. Lasa mahay mandanjalanja anefa aho satria Vavolombelon’i Jehovah. Miezaka handamina tsara ny asako aho, ka ampy tsara amin’izay ny fotoana hiarahako amin’ny vady aman-janako sy hanaovako asa kristianina. Manampy ahy hahay handanjalanja sy hifantoka foana amin’ny tena zava-dehibe ny gazety Mifohaza!

P. R., Etazonia

Tsy ekeko ilay filazana hoe: “Manao fiampangana tsy dia lehibe akory ny mpisolovava sasany mba hahazoam-bola be.” Tsy mandray vola mihitsy ny mpisolovava matetika, raha tsy efa misy didim-pitsarana mivoaka na fifanarahana vita. Tsy maintsy manaporofo izy ireo fa misy fitsipika ara-pitsaboana voadika, raha tiany ny handresy amin’ny raharaha iray. Efa 30 taona mahery izay no nikarakarako raharahan’olona mitory ny dokoterany. Maro be izy ireny, nefa sahiko ny milaza fa nolaviko ny ankamaroany.

J. M., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Tsy te hiresaka ny fielezan’ilay fanao izahay raha nilaza fa “manao fiampangana tsy dia lehibe akory ny mpisolovava sasany.” Te hilaza kosa izahay fa maro ny dokotera manahy mafy, satria matetika no torin’ny olona ho tsy manao tsara ny asany. Marina aloha fa tsy mitombina ny fitoriana sasany, nefa tsy diso ny voalazan’ilay mpamaky. Misy fepetra apetraky ny fitsarana mantsy, ka mety tsy hampanan-kery na tsy hampety mihitsy ny fiampangana tsy dia lehibe.

Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Hataoko Raha Tantarainy Amiko ny Olana Mahazo Azy? (8 Febroary 2005) Efatra ambin’ny folo taona aho, ary maro amin’ireo mitovy taona amiko no maka torohevitra atỳ amiko. Tsy vitako anefa indraindray ny mandamina ny zava-manahirana azy ireo. Hazavaiko aminy amin-katsaram-panahy àry ny antony tsy ahafahako manampy, sady ilazako zavatra avy ao amin’ny Baiboly izy ireo. Manontany momba ny fivavahako izy ireo izao, ka horesahiko amin’ny famelabelaran-kevitra asaina hataoko ao an-dakilasy ny loha hevitra hoe: “Iza Marina moa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary Inona no Inoany?”

B. D., Kanada